2022
Manao asa fanompoana ao amin’ny firenena nanompoan’ireo misiônera voalohany tao Afrika ny taranak’izy ireo 170 taona aty aoriana
Desambra 2022


Feon’ny mpikambana

Manao asa fanompoana ao amin’ny firenena nanompoan’ireo misiônera voalohany tao Afrika ny taranak’izy ireo 170 taona aty aoriana

Manara-dia an’i Elder William Walker razambeny ny asa fanompoana ataon’ny Rahavavy Lori Humbert ao Johannesbourg Afrika Atsimo.

Isan’ ireo misiônera Olomasin’ny Andro Farany telo voalohany nankany amin’ny kaontinanta Afrikana i Elder William H. Walker. Tonga tao Cape Town Afrika Atsimo izy tamin’ny aprily 1853 rehefa avy nanao dia nandritra ny fito volana. Ary ankehitriny dia manao asa fanompoana ao amin’izany toerana izany ihany ny Rahavavy Lori Humbert izay zafin-dohaliny sy i Elder George Humbert vadin’ity farany.

Tsy nieritreritra mihitsy ary ry Humbert mivady fa hoe handeha hanao dia lavitra dia lavitra ny fonenany ao Layton Utah. Fa nanomboka namaky ny diarin’i Elder Walker anefa izy ireo rehefa nahazo ny antson’izy ireo hanao asa fanompoana: “Tsapanay fotsiny hoe any no toerana tokony hisy anay izao,” hoy Rahavavy Humbert.

Ny ankamaroan’ny asa nataon’i Elder Walker, niaraka tamin’ny Elder isany Jesse Haven sy i Leonard L. Smith dia ny nizara bokikely sy nampahafantatra ny fivoriana nataon’izy ireo. Nosakantsakanan’ny andian’olona sy ireo mpitondra fivavahana hafa izy ireo, ary sahirana mafy tamin’ny fahazoana sakafo sy toerana hipetrahana. Mitantara ny nitorahana azy ireo tamin’ny atody ny lahatsoratra iray ao amin’ilay diary.

Nahita teny notsongaina iray tao amin’ny diarin’i Elder Walker mikasika izany fotoana izany Rahavavy Humbert: “Tapa-kevitra ny devoly hanakana anay tsy hahazo sakafo sy handringana na handroaka anay hiala ilay toerana, kanefa na dia toa sarotra aza izany fotoana izany, dia matoky ny Tompo izahay, mahalala fa hanohana anay Izy raha manao ny tsara izahay ary manetry tena hatrany. Noho izany dia tsy misy na inona na inona mampatahotra anay, na dia milaza aminay aza ny devoly sy ireo olona hafa rehetra fa tsy afaka manao na inona na inona eto izahay, fa tsy ao ny toerana tokony ho nalehanay.”

Raha mandroso haingana be 170 taona aty aoriana, dia ahitana olana isan-karazany ny asa fanompoana ataon-dry Humbert. Manompo ao amin’ny departemanta misahana ny serasera ao amin’ny Biraon’ny Vondromparitra izy ireo ary manampy amin’ny fampiofanana ireo talen’ny serasera ao amina firenena miisa 13. Mandrindra ny pejy Facebook an’ny Fiangonana eo an-toerana izy ireo ary mandefa anaran’olona ho ampianarina any amin’ireo misiôna tsirairay. Manoratra sy mandrindra ireo lahatsoratra izay ho ampidirina ao amin’ny gazetiboky Liahona avy amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo sy Afovoany ihany koa izy ireo, izay adika amin’ny fiteny 5 samy hafa.

Tao anatin’ny taratasy iray tamin’ny septambra 1854 izay nosoratan’i Elder Walker tao Fort Beaufort, dia notantarainy ny sasany tamin’ireo fahasahiranana tamin’ny fitaomana ny olona mba hihaino, ary koa ireo aretim-biby sy ny fisian’ny andiam-balala niely patrana tao amin’ilay faritra. “Mivavaka aho mba ho voangona i Isiraely ary havotana i Ziona. Manome ny firarian-tsoa sy ny fanajana tsara indrindra ho an’ireo elder rahalahiko aho, ary ireo mpiara-miasa amiko ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra,” hoy izy nanoratra.

Ireo lahatsoratra ao amin’ny diary dia mitantara ihany koa ireo fanasitranana, fampitoniana ny toetrandro, ary ny batisa voalohany—lehilahy iray nantsoina hoe Henry Stringer tamin’ny 15 jona 1853—sy batisa maro hafa, ary ny fitsanganan’ny Fiangonana tamin’ny fomba ôfisialy tao Afrika Atsimo ao Mowbray. Vondrona mpiangona miisa enina no naorina hatramin’ny 1855.

Tafaverina tany Salt Lake City i Elder Walker ny 1 septambra 1857, ary nanao dia 50 000 km teny ambony ranomasina sy 16 000 km an-tanety tao anatin’ny 5 taona.

Nilaza Rahavavy Humbert fa manampy azy amin’izao fotoana izao ny tantaran’ny dadaben’ny dadabeny.

“Tena talanjona aho fa nandao ny olon-tiany izy ireo dia nandeha nandritra ny fotoana maharitra toy izany, ary nanao izany izy ireo satria nanaraka ny zavatra nasain’ny Mpaminany nataon’izy ireo,” hoy izy.

“Nianatra faharetana avy taminy aho. Tahaka ny voalazan’izany teny notsongaina izany mihitsy, dia tsy ho namela an’i Satana na izay mety ho olona hafa hanakivy azy na hanakantsakana ny lalan’izy ireo izy. Nanohy nandroso foana izy tao anatin’ireo zava-tsarotra. Ny fomba niainany ireo fitsipiky ny filazantsara sy nitiavany ny olona teto dia manampy ahy hahatakatra fa afaka manao zavatra sarotra aho ary mijery ny zavatra miseho amin’ny fomba fijery mibanjina kokoa ny mandrakizay.”

Hamoaka printy