2022
Mampitombo fitiavana hanao tantaram-pianakaviana
Desambra 2022


Feon’ny mpikambana

Mampitombo fitiavana hanao tantaram-pianakaviana

Nanomboka tamin’ny fitiavan’ny raim-pianakaviana iray tantara ny fankafizan’ny taranaka telo mifandimby ny tantaram-pianakaviana.

“Vantany vao manomboka ianao dia tsy te hijanona intsony. Lasa manohy foana foana ianao!” Izay no teny nampiasain’i Memory Smith mba hamaritana ny ezaka nataony hitondrana anjara biriky tamin’ny fampidirana ny anaran’ny razambeny mihoatra ny 15.000 tao amin’ny FamilySearch.

I Memory Smith izay 78 taona dia lehibe tao Pretoria, avaratra atsinanan’i Johannesbourg, Afrika Atsimo, tao no nahitany ny rainy, nandritra ny fahazazany, nanangona ny mombamomba ireo razambeny, sy ireo vakoka -Afrikana-.

Nanatona ny rain’i Memory ny filankevitra monisipaly ny tanàn’i Potgietersrus mba hampiranty ireo zavakanto ara-kolontsaina notehiriziny izay azony avy amin’ny vahoaka Voortrekker sy Basotho, tany amin’ny sekoly tranainy iray izay navadika ho mozea. Ny Mozea Arend Dieperink, izay nampitondraina ny anaran’ny rain’i Memory dia nitahiry ihany koa ireo sary sy ireo razambeny izay nangoniny.

Tsy fantatry ny rain’i Memory fa namporisika ny zanany vavy izy mba ho lasa liana mafy tokoa nandritra ny fiainany tamin’ny fanangonana tantaram-pianakaviana.

Taorian’ny nampidirany anarana razambe efa ho 16.000 dia mbola feno fientanentanana amin’ny fanaovana asa bebe kokoa momba ny tantaram-pianakaviana hatrany ity reny manan-janaka telo sy manana zafikely enina ary zafiafy roa ity.

Raha nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba ny fahamarinan’ny Tantaram-pianakaviana i Smith dia niresaka mazava momba ny sasany tamin’ireo zavatra niainany manokana sy ny tantaran’ny fianakaviany.

“Niaina zava-masina maro aho, ary ny lehibe indrindra dia ny maha-daty iraisan’ny maro ny 17 febroary. Ny 17 febroary ny raiko no natao batisa tamin’ny taona 1932, izay koa no daty nahaterahan’ny zanako lahy tamin’ny taona 1963, ary nahafatesan’ny raiko ny taona 1986.”

Ny taona 1985 no nanombohan’i Memory ny fikarohana nataony, ary boky fandraisana an-tsoratra sy pejy maro ahitana rohim-pianakaviana sy firaketana vondrom-pianakaviana no fomba mahazatra nitehirizana rakitsoratra tamin’izany.

Raha toa ka isan’ireo fanalahidin’ny fahombiazana ny faharetana dia manamafy kosa i Memory fa isan’ireo fanalahidin’ny fahombiazana amin’ny lafin-javatra rehetra amin’ny fiainana ny faharetana, indrindra moa fa amin’ny Tantaram-pianakaviana.

“Nitolona nandritra ny taona maro aho mba hahazoako ireo firaketana momba ny raibeko avy amin’ny reniko. Ary taorian’ny 10 taona nanaovako fikarohana lalina sy asa mafy vao afaka nampiditra ny firaketana ny mombamomba azy tao amin’ny FamilySearch,” aho hoy ny nambarany.

Nilaza ihany koa i Memory fa nihalalim-paka ny fitiavany sy ny fahalalany ireo razambeny rehefa nanokana fotoana hikarohana azy ireo izy.

Na dia efa nampiditra anaran’ireo razambeny mihoatra ny 15.000 isa aza i Memory dia mbola tsapany fa mbola lavitra ny lalany ary mamporisika ireo izay tsy mbola nanomboka izy mba hanao izany.

“Atombohy amin’ny fanoratana ny mombamomba ny fianakavianao amin’izao fotoana izao dia miverena mankany amin’ireo ray aman-drenibenao sy ireo zanany, ary avy eo dia tohizo mankany amin’ireo ray aman-drenin’ireo ray aman-drenibenao sy ny zanany sy ny sisa,” hoy izy. “Angataho amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana ny anaran’ireo olona efa nodimandry sy ny toerana nipetrahany ary ny daty nahaterahany sy nahafatesany.”

Amin’izao fotoana izao dia mandany ora maro i Memory hampidirana fampahalalana avy amin’ireo boky fandraisana an-tsoratra sy ireo pejy maro ahitana rohim-pianakaviana ary firaketana vondrom-pianakaviana ao amin’ny FamilySearch.

Noho ny fototra mafy orina napetrany dia mbola manohy ny lalao amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana i Stephen James Smith sy i Louise Smith ary i Lizanne Ellis zanany. Mpitarika eo anivon’ny Paroasy sady mpitarika ny Tantaram-pianakaviana any Cape Town i Stephen, mpanoratra ny tantaram-pianakaviana teo anivon’ny paroasy ao Centurion Pretoria i Louise, ary mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy ao Auckland Nouvelle Zélande i Lizanne.

Notohizan’i Memory tamin’ny filazana fa efa lasa mora tokoa izao ny manao Tantaram-pianakaviana.

“Eo am-potony isika izao. Na amin’ny finday izany na amin’ny solosaina dia fitahiana tsy tambo isaina avy amin’ny Raintsika any An-danitra. Tena efa mandeha tokoa izao ny fanangonana, araka ny namporisihan’ny Filoha Russell M. Nelson antsika vao haingana,” hoy izy namarana ny teniny.

Ny Tantaram-pianakaviana dia mamantatra, manangona, ary mitahiry ireo fampahalalana sy ireo tantara momba ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay efa nodimandry, ary mitondra ihany koa ny anaran’izy ireo ho any amin’ny tempoly mba hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny famonjena.

Ny FamilySearch dia rafitra iray maimaim-poana azon’ny olona rehetra ampiasaina na inona na inona fomban-drazany, kolontsainy, na antokom-pivavahana misy azy. Ny www.FamilySearch.org dia azo idirana ao amin’ny tranonkala sy ny appli ho an’ny finday.

Hamoaka printy