2022
Fehezina amin’ny fianakavianao
Desambra 2022


Misongadina ao amin’ny Boky Torolalana

Fehezina amin’ny fianakavianao

Mitondra fiadanam-po sy fanantenana ny fahafantarana fa afaka ny ho tafaraka mandrakizay ny fianakaviana. Ny herin’ny famehezana izay ampiasaina any amin’ny tempoly dia mampanankery ny fanambadiana sy mamehy ireo fianakaviana hitambatra anaty taranaka.

Nanome fomba hahafahan’ny fianakaviana ho tafaraka mandrakizay ny Raintsika any An-danitra. Any amin’ny tempoly dia azo fehezina miaraka eto amin’ity fiainana ity sy amin’ny mandrakizay ny mpivady sy ny ray aman-dreny sy zanaka ao anatin’ny taranaka rehetra mifandimby. Vantany vao nandray ny fanafiana masina ianao sy ny vadinao dia azo fehezina ho iray miaraka amin’ireo zanakareo. Afaka mandray anjara amin’ny famehezana ho an’ireo razambenao efa nodimandry ihany koa ianao.

  • Mianara mikasika ny famehezana any amin’ny tempoly. Hevero ny hampiasa ny:

  • “Le scellement au temple,” temples.ChurchofJesusChrist.org.

  • “Pourquoi la famille est-elle si importante?” “Comment ma famille peut-elle retouner vivre avec Dieu?” “Quel est le but du temple?” “Qu’est-ce que le scellement accompli au temple?” sy “Et ma famille?” ao amin’ny La Famille et le Temple, 1–5, 9–10, 22–26.

  • Mametraha daty any amin’ny tempoly hamehezana anao amin’ny vadinao sy ny zanakao amin’ny fotoana sy amin’ny mandrakizay (raha azo tanterahina).

Raha manana fahafahana ianao dia tohizo ny fandehanana matetika any amin’ny tempoly, hahafahanao manao ôrdônansy ho an’ireo razambenao efa maty rehefa nandray ny fanafiana masina sy vita famehezana ianao.1

Fanamarihana

  1. Ny lalan’ny Fanekempihavanako: Tonga soa ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany [2020], 19.

Hamoaka printy