Liahona
Voantso mba hanao ny tsara isika
Jona 2024


“Voantso mba hanao ny tsara isika,” Liahona, Jona 2024.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona, Jona 2024

Voantso mba hanao ny tsara isika

Manorina ny fanjakan’ Andriamanitra isika rehefa manompo ny hafa, manainga ambony ny fahazavantsika ary mijoro ho an’ny fahalalahana ara-pivavahana.

Nahafantatra ny fotopampianarana diso i Gideôna rehefa nandre izany. Efa henony teo aloha avy tamin’i Noà Mpanjaka sy ireo mpisorony izany, mpisorona izay “nanandra-tena tao amin’ny avonavon’ny fony” ary “[novelomina] tao amin’ny hakamoany sy tao amin’ny fanompoan-tsampiny ary tao amin’ny fijangajangany, tamin’ny alalan’ny hetra izay nampandoavin’i Noà mpanjaka ny olony” (Môzià 11:5–6).

Fa ny zava-doza dia novonoin’i Noà mpanjaka ny mpaminany Abinadia ary nikatsaka ny hamongotra an’i Almà sy ireo olona novainy fo izy (jereo ny Môzià 17; 18:33–34). Mba hampitsaharana ny faharatsiana toy izany dia nianiana i Gideôna fa hisambotra ny mpanjaka, ary ny hany antony nitsimbinany ny ainy dia noho ny fanafihan’ny Lamanita (jereo ny Môzià 19:4–8).

Taty aoriana dia nanome tsiny araka ny tokony ho izy an’ireo mpisoron’i Noà i Gideôna noho ny fangalarana ireo zanakavavin’ny Lamanita niisa 24 izay nataon’izy ireo. Nahatsikaritra izy fa tanteraka ny faminanian’i Abinadia mikasika ilay vahoaka noho izy ireo nanda tsy hibebaka. (Jereo ny Môzià 20:17–22.) Nanampy tamin’ny fanafahana ny vahoakan’i Limia izy izay nandevozin’ny Lamanita” (jereo ny Môzià 22: 3–9).

Efa nitombo taona i Gideôna tamin’izay rehefa niatrika indray mandeha indray ny avonavona sy ny faharatsiana raha nijoro teo anoloan’i Nehôra izy izay nampiditra ny komiberaky ny mpisorona teo anivon’ny vahoaka. “Nanohitra ny fiangonana” i Nehôra ary niezaka namily lalana ny vahoaka. (Jereo ny Almà 1:3, 7, 12; jereo koa ny 2 Nefia 26:29.)

Tamin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ Andriamanitra ho fitaovam-piadiany no nananaran’i Gideôna be herim-po an’i Nehôra tamin’ny faharatsiany. Tezitra i Nehôra ka namely sy namono an’i Gideôna tamin’ny sabany. (Jereo ny Almà 1:7–9.) Nifarana hatreo ny andron’ilay “olo-marina iray” izay “efa nanao soa be tamin’ity vahoaka ity” (Almà 1:13).

Izao andro farany iainantsika izao dia manolotra fahafahana maro azo araraotina mba hakana tahaka an’i Gideôna ho “fitaovana [eo] an-tànan’ Andriamanitra” (Almà 1:8) amin’ny alalan’ny “[fanompoana]” (Môzià 22:4) ny hafa, amin’ny alalan’ny fijoroana amin’ny fahamarinana, ary amin’ny alalan’ny fanoherana ireo fandrahonana mahakasika ny fahafahantsika mitsaoka sy manompo an’ Andriamanitra. Rehefa manaraka ny ohatra feno fahatokiana nasehon’i Gideôna isika dia afaka manao soa be dia be koa.

Sary
vehivavy iray miaraka amin’ny lovia misy sakafo mijoro eo akaikin’ny vehivavy iray mandry eo am-pandriana

Miray hina ao amin’ny asa fanompoana

“Amin’ny maha-mpanara-dian’ny [Mpamonjy] antsika, dia mikatsaka ny hitia an’ Andriamanitra sy ireo namantsika manerana izao tontolo izao isika,” hoy ny Fiadidiana Voalohany. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia maniry ny hitahy ny hafa sy hanampy ireo izay sahirana. Sambatra isika fa manana ny fahafaha-manao sy ireo loharanom-pitaovana ary fifandraisana maneran-tany azo antoka mba hanatanterahana izany andraikitra masina izany.”1

Feno fankasitrahana aho noho ny asa fanompoana feno fandavan-tena atolotr’ireo mpikamban’ny Fiangonana any amin’ireo tempolintsika sy any amin’ireo paroasy sy sampana ary tsatòkan’izy ireo. Feno fankasitrahana koa aho noho ireo mpikamban’ny Fiangonana izay manompo any amin’ireo fikambanana tsy tambo isaina eo anivon’ny fiarahamonina, sy misahana ny fampianarana ary manao asa fanasoavana, ary noho izy ireo mirotsaka an-tsehatra ao anatin’ireo tetikasa fanampiana olona an’arivony isan-taona, manao filatsahana an-tsitrapo mandritra ny ora an-tapitrisany any amin’ny firenena sy faritany efa manakaiky ny 200 isa.2

Ny fomba iray hampivelaran’ny Fiangonana ny fahafahana manao asa fanompoana any amin’ireo firenena maro dia amin’ny alalan’ny JustServe.org. Ny JustServe.org izay tohanan’ny Fiangonana fa misokatra ho an’izay te hitahy ny hafa, dia “mampifandray ireo zavatra ilain’ireo mpilatsaka an-tsitrapo eo anivon’ny fiarahamonina amin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo” izay “manatsara ny kalitaon’ny fiainana eo amin’ny fiarahamonina.”3

Ny Fiangonana sy ny mpikambana ao aminy dia miara-miasa amin’ireo fikambanana mpanao asa fanompoana manerana an’izao tontolo izao. Ny Fiangonana, noho ireo mpikambana ao aminy, no “nitondra anjara biriky lehibe indrindra teo amin’ny fanomezan-dra tamin’ny Croix Rouge tamin’ny 2022.” Ankoatra izany dia nanome fanomezana mitentina 8,7 tapitrisa dôlara ny Croix Rouge ny Fiangonana vao haingana.4

Ny Fiangonana koa dia miara-miasa amin’ireo fikambanana mba hanatanterahana tetikasa fitondrana rano madio sy fitaovam-pidiovana any amin’ireo faritra manerana an’izao tontolo izao. Tamin’ny 2022 dia nandray anjara tao anatina tetikasa toy izany miisa 156 ny Fiangonana.5 Isika koa dia miara-miasa amin’ireo sampan-draharaha hafa izay mitondra fanamaivana ny fijalian’ireo zanak’ Andriamanitra.6

“Rehefa mifanolo-tanana isika mba hanompo ny olona sahirana,” hoy ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia “mampiray ny fontsika ny Tompo.”7

Sary
tanana miendrika kaopy misy tanamasoandro

Aingao ambony ny fahazavanao

Amin’ny maha-mpianatry ny Mpamonjy antsika dia mitahy ny namantsika koa isika rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana nataontsika sy miaina fiainana tahaka ny an’i Kristy. Mampianatra antsika ny Bokin’i Môrmôna fa “ny vahoakan’ny fiangonana” dia tsy hoe tsy maintsy misafidy ny fahamarinana fotsiny fa manao izay hahenoana ny feony mifono fahamarinana raha toa ka maniry ny Tompo mba hiaro sy hampiroborobo azy ireo izy ireo (jereo ny Almà 2:3–7; jereo koa ny Môzià 29:27). Manantena antsika mba hizara ny finoantsika sy ny zavatra inoantsika ary hanainga ambony ny fahazavantsika ny Tompo. “Indro, Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony” (3 Nefia 18:24).

“Tsy manompo ny Mpamonjintsika araka ny tokony ho izy isikaraha toa ka atahorantsika bebe kokoa noho Andriamanitra ny olona,” hoy ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Nampiany izany hoe: “Antsoina isika mba hametraka ny fenitry ny Tompo fa tsy hanaraka ny an’izao tontolo izao.”8

Na any an-tsekoly, na any am-piasana, na any am-pilalaovana, na any am-pialan-tsasatra, na mandritra ny fotoana hifankahafantarana amin’olona iray, na rehefa manao zavatra an-jotra, ny mpianatry ny Tompo dia tsy “menatra ny hitondra eo aminy ny anaran’i Kristy” (Almà 46:21). Amin’ny alalan’ny teny lazaintsika sy ny asa ataontsika no ijoroantsika ho vavolombelona fa velona Andriamanitra ary manaraka ny Zanany isika.

“Tsy voasokajikajy ny finoantsika, ary tena tsy tokony hisy izany. Ny finoana dia tsy ho an’ny Fiangonana fotsiny, tsy ho an’ny tokantrano fotsiny ary tsy ho an’ny [any an-tsekoly] fotsiny,” hoy i Paul Lambert, izay Olomasin’ny Andro Farany iray manam-pahaizana mikasika ny fasahasamihafana ara-pinoana. “Ho an’ny zava-drehetra ataontsika izany.”9

Tsy fantatsika ny mety ho fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika sy ny ohatra tsara asehontsika ary ireo asa soa ataontsika eo amin’ny hafa. Saingy rehefa mijoro amin’ny fahamarinana isika ary manainga ambony ny fahazavan’ny Mpamonjy dia hahatsikaritra antsika ny olona ary hanohana antsika ny lanitra.

Sary
vehivavy mijoro eo ivelan’ny tempoly

Mijoro ho an’ny fahalalahana ara-pivavahana

Ny komiberaky ny mpisorona amin’izao fotoana izao, miaraka amin’ny fiarahamonina miha-mirona any amin’ny tsy finoana izay manohitra olona mino, dia tsy dia misy maha-samy hafa azy amin’ilay tamin’ny andron’ny Bokin’i Mômôna. Mihamafy ny feon’ireo olona izay manohitra ny anjara asa lehiben’ny fivavahana eny imasom-bahoaka sy eo amin’ny sehatra ara-pôlitika. Ireo laika sy fitondram-panjakana, tafiditra ao anatin’izany ireo sekoly sy oniversite maro, dia manery ny hanarahana karazana fitondran-tena, sy mitaona ny olona hirotsaka amin’ny fahalotoam-pitondrantena, ny tsy finoana an’ Andriamanitra ary ny fiheverana fa tsy misy ny marina na diso iombonana.

Hahomby ny fanafihana ny fahalalahana ara-pivavahana raha toa isika ka tsy mijoro ho an’ny zo ara-pivavahana ananantsika. “Amin’ny maha-fiangonana,” dia nampianatra aho vao haingana fa, “isika dia miaraka amin’ireo antokom-pivavahana hafa mba hiaro ireo olona avy amin’ny antokom-pinoana rehetra sy hiaro ny zony hiresaka momba ny zavatra inoany.”10

Nisy ady tany an-danitra mba hiadiana ny fananana ny fahafahana misafidy, ilay fahafahantsika misafidy. Ny fiarovana ny fahafahantsika misafidy dia mitaky fahavitrihana eo amin’ny fiarovana ny fahalalahantsika ara-pivavahana.

Ny finoana matanjaka dia manamafy orina sy miaro ny fianakaviana sy ny fiarahamonina ary ny firenena. Izany dia miteraka fankatoavana ny lalàna, sy mampisy fanajana ny fiainana sy ny fananana, ary mampianatra ny fiantrana sy ny fahatsim-po aman-tsaina ary ny fahadiovam-pitondrantena, hatsaran-toetra izay ilaina mba hampaharitra fiarahamonina iray miaina ao anatin’ny rariny sy malalaka ary mahalala fomba. Tsy mila miala tsiny velively noho ny finoantsika isika.

Ny ezaka ataontsika eo amin’ny asa fitoriana, ny asa isoloana tena ataontsika any amin’ny tempoly, ny ezaka ataontsika amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra, ary ny fahasambarantsika manokana dia mitaky ny hijoroantsika ho an’ny finoana sy ny fahalalahana ara-pivavahana. Tsy maintsy mahafoy ireo fahalalahana hafa isika raha tsy te hamoy izany fahalalahana izany.

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe, “Ny fitiavana ny fahafahana no manosika ny fanahiko—dia ny zom-pahafahana amin’ny maha-olon-tsotra sy zom-pahafahana misafidy ny finoana ho an’ny olombelona rehetra.”11 Ny fahafahana ara-pivavahana koa dia hanentana ny fanahintsika rehefa manaraka ny torohevitra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana isika:

  • “Manaraha vaovao mikasika ireo olana izay manan-danja ho an’ny besinimaro ary mitenena amim-pahasahiana sy amim-pahalalam-pomba avy eo.”12

  • “Fantaro fa ny fahasimban’ny fahalalahana ara-pivavahana dia hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny fahafahantsika hitombo hery sy fahalalana ny filazantsara, sy ho voatahy amin’ny alalan’ireo ôrdônansy masina, ary hiantehitra amin’ny Tompo mba hitarihana ny Fiangonany.”13

  • “Mijoroa ary mitenena mba hanamafy fa misy Andriamanitra ary misy fahamarinana tsy azo lavina apetrak’ireo didiny.”14

  • “Tsipaho ireo lalàna izay manimba ny fahalalahantsika hampihatra ny finoantsika.”15

  • “Mandehana any amin’izao tontolo izao mba hanao ny tsara, sy hanorina ny finoana an’ilay Andriamanitra Tsitoha, ary mba hanampy amin’ny fitondrana ny olona any amina toerana misy fahasambarana kokoa.”16

  • Halalino ireo loharano ao amin’ny religiousfreedom.ChurchofJesusChrist.org sy ao amin’ny religiousfreedomlibrary.org/documents.

Manorina ny fanjakan’ Andriamanitra isika rehefa manompo, manainga ambony ny fahazavantsika ary mijoro ho an’ny fahalalahana ara-pivavahana. Ny Tompo anie hitahy antsika tsirairay amin’ny ezaka ataontsika mba “[h]anao soa be” eo anivon’ny fianakaviantsika, sy ny fiarahamonina misy antsika, ary ny firenentsika.

Fanamarihana

  1. “A Message from the First Presidency,” in Caring for Those in Need: 2022 Annual Report of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, 3, ChurchofJesusChrist.org.

  2. Jereo ny Caring for Those in Need: 2022 Annual Report, 4, ChurchofJesusChrist.org.

  3. Justserve.org/about. Misy JustServe efa mandeha tsara any amina firenena miisa 17. Olona sy fikambanana an’arivorivony no voatahy amin’ny alalan’io tetikasa io.

  4. Jereo ny Kaitlyn Bancroft, “Church Donates $8.7 M as Part of Red Cross Collaboration,” Church News, Apr. 22, 2023, 23.

  5. Jereo ny Mary Richards, “Church Joins with Groups around the World to Tap into the Gift of Water,” Church News, May 27, 2023, 12.

  6. Jereo ny Dallin H. Oaks, “Manampy ny mahantra sy ny ory,” Liahona, nôv. 2022, 6–8.

  7. Henry B. Eyring, “Fahafahana hanao zava-tsoa,” Liahona, mey 2011, 25.

  8. Dallin H. Oaks, “Unselfish Service,” Liahona, May 2009, 94–95.

  9. Paul Lambert, in Rachel Sterzer Gibson, “Why Is There a Need for Faith in the Workplace?” Church News, Jan. 22, 2023, 16.

  10. Ronald A. Rasband, “Mba hanasitrana izao tontolo izao,” Liahona, mey 2022, 92.

  11. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2011), 345.

  12. D. Todd Christofferson, “Religious Freedom—A Cherished Heritage to Defend” (address at Freedom Festival Patriotic Service, Provo, Utah, June 26, 2016), 5–6, speeches.byu.edu.

  13. Ronald A. Rasband, “Free to Choose” (Brigham Young University devotional, Jan. 21, 2020), 3, speeches.byu.edu.

  14. Dallin H. Oaks, “Truth and Tolerance” (Brigham Young University devotional, Sept. 11, 2011), 2, speeches.byu.edu.

  15. Dallin H. Oaks, “Truth and Tolerance,” 4.

  16. Ronald A. Rasband, “Free to Choose,” 5, speeches.byu.edu.

Hamoaka printy