Liahona
Inona marina no ampanantenaintsika rehefa atao batisa isika?
Jona 2024


“Inona marina no ampanantenaintsika rehefa atao batisa isika?,” Ho zatovo mahery!, Jona 2024.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery!, Jona 2024

Inona marina no ampanantenaintsika rehefa atao batisa isika?

Sary
batisa

Batisa, sary nataon’i Annie Henrie Nader

Ny soratra masina dia mampianatra antsika fa rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana (na mampanantena) fa vonona ny hitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy, hanompo an’ Andriamanitra, ary hitandrina ny didiny (jereo ny Môzià 18:10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 77).

Mianatra koa isika ao amin’ny soratra masina fa ny batisa dia manampy antsika hanatanteraka ny faniriantsika “ho tonga ao amin’ny valan’ Andriamanitra sy hantsoina hoe vahoakany” (Môzià 18:8). Amin’ny teny hafa, ny antony iray anaovana batisa antsika dia noho ny faniriantsika hiditra ho mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy hianoka ilay fitiavana sy fiombonana izay azo avy amin’ny firaisana ao amin’i Kristy.

Ny fanolorantena hanompo ny Tompo sy hitandrina ny didiny dia mety ahitana zavatra maro mandritra ny fiainantsika. Ohatra tafiditra ao anatin’izany ny “hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay, … hiara-malahelo amin’izay malahelo; eny, ary hampionona ireo izay mila fampiononana sy hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra, ary amin’ny toerana rehetra” (Môzià 18:8–10).

Hamoaka printy