Liahona
Hanohana sy hitsimbina antsika Andriamanitra
Aogositra 2024


“Hanohana sy hitsimbina antsika Andriamanitra,” Liahona, aog. 2024.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona aogositra 2024

Hanohana sy hitsimbina antsika Andriamanitra

Afaka mahazo, tahaka an’ny Kapiteny Môrônia, fanampiana sy hery masina ho an’ireo ady atrehintsika eo amin’ny fiainana isika.

I Kapiteny Môrônia mihazona ny fanevan’ny fahafahana

Sary nataon’i Eric Chow

Nankafiziko ny tantaran’ny ady teo amin’ireo Nefita sy ireo Lamanita fony aho namaky voalohany ny Bokin’i Môrmôna. Nahatalanjona ahy ny finoana sy ny fahaiza-mamorona ary ny paik’ady nampiasain’ny Kapiteny Môrônia, kômandy miaramila izay notendrena ho mpitarika ny miaramilan’ny Nefita rehetra fony izy 25 taona monja. Hendry sy natanjaka ary kinga saina izy. Nanolo-tena tanteraka ho an’ny fahafahana sy ny fanasoavana ny olony izy. (Jereo ny Almà 48:11–12.)

Tsy nampieboebo an’i Môrônia ny fahombiazan’ny tafiny, fa nankalaza an’Andriamanitra kosa izy noho ireo fanohanana masina noraisin’ireo miaramilany avy tamin’ireo vehivavy sy ankizy tsy mpiady. Nilaza tamina mpitariky ny fahavalo iray resy izy hoe: “… efa natolon’[ny Tompo] ho eo an-tananay ianareo. Ary ankehitriny dia mba tiako ny hahazoanareo fa izany … dia noho ny fivavahanay sy ny finoanay an’i Kristy.” Dia nizara izao hevi-baovao feno faminaniana izao i Môrônia avy eo: “Andriamanitra no hanohana sy hitahiry ary hitsimbina anay raha mbola mahatoky Aminy sy amin’ny finoanay ary amin’ny fivavahanay izahay” (Almà 44:3, 4).

Rehefa nandeha ny fotoana dia tsapako fa naneho fitsipika izay azontsika ampiharina mba hanampiana antsika hiatrika ireo fanambin’ny fiainantsika maoderina i Môrônia. Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao isika dia hitahy antsika amin’ny heriny Izy. Fa mba hahafahany manao izany sy mba hahafantarantsika ireo fitahiany, dia mila mahatakatra ny tanjontsika isika, sy manao drafitra mba hahita fahombiazana, ary miomana amin’ireo sarin’ady izay atrehintsika, tahaka ny niomanan’i Môrônia sy niatrehany ireo ady tena nisy teo amin’ny fiainany. Rehefa manao izany isika dia hanohana sy hitsimbina antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Mahatakatra ny tanjontsika

Nampahatsiahy ny vahoaka hatrany i Môrônia hoe iza izy ireo (mpandova ny fanekempihavanan’i Abrahama), an’iza izy ireo (zanaka malalan’Andriamanitra), ary ny antony niadiany (fianakaviana, finoana ary fahafahana). Nampianatra ny vahoakany i Môrônia fa niady ho an’ny ainy mihitsy izy ireo ary ho fahafahana amin’ny fangejana sy ny famatorana. Nifanohitra tamin’izany kosa, ireo fahavalony dia niady ho an’ny fanambonian-tena sy hery manokana tamin’ny alalan’ny fangejana ny hafa.

Rehefa nikatsaka ny haka fahefana ho an’ny tombontsoa manokana ny Nefita sasantsasany dia norovitin’i Môrônia ny fitafiany ary nosoratany tamin’ny vorotra avy tamin’ilay lamba ny votoatin’ny hafany: “Ho fahatsiarovana ny Andriamanitray, ny fivavahanay sy ny fahafahanay ary ny fiadananay, ny vadinay sy ny zanakay.” Nanangana izany saina izany izy, izay nantsoiny hoe “fanevan’ny fahafahana,” teo an-tendron’ny hazo iray ary nampiasa izany mba hampahatsiahivana ny olona ny antony niadian’izy ireo sy ny hanangonana azy ireo ho amin’izany tanjona izany. (Jereo ny Almà 46:12–13, 19–20.)

Amin’ny ady ara-panahy eo amin’ny fiainana, “isika [dia] tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana … [ao amin’ny haizina] … [dia] amin’ny fanahy ratsy” (Efesiana 6:12). Isika koa dia mila ampahatsiahivina ny amin’ny hoe momba ny inona ilay ady. Ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004), mpikambana iray tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo teo aloha, dia naneho io hevitra io tamin’ny fomba miavaka, na dia tao anatina resaka fohy aza.

Tamin’ny 2004 dia nitsidika ny Loholona Maxwell tao amin’ny efitranon’ny hôpitaly nisy azy aho tsy ela akory talohan’ny nahafatesany. Tsara fanahy tamin’ny olona rehetra izay nitsidika na nanampy azy izy. Niditra tao amin’ny efitranony ireo mpiasa mpikarakara ara-pahasalamana ary nivoaka tamin-dranomaso. Hoy aho taminy: “Loholona Maxwell a! Tena mafy izao.” Nitsiky kely izy dia niteny hoe: “Ô ry Dale a! Olona mandrakizay izay miaina ao amina tontolo isian’ny fahafatesana isika. Tsy eo amin’ny toerana mety amintsika isika, toy ny trondro tsy anaty rano. Rehefa manana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ihany isika vao hazava amintsika izao rehetra izao.”

Tsy tokony hanadino na oviana na oviana ny fitambaran’ny toetrantsika araka an’Andriamanitra sy ny anjarantsika mandrakizay ary ireo herin’ny devoly izay manohitra antsika isika. Ny fahatakarana marina ny drafitry ny Ray any An-danitra dia handrisika antsika hanohy hiady ho an’ny famonjena antsika mandrakizay sy ny fahafahantsika amin’ny famatorana ara-panahy.

olona manomana manda fiarovana

Manao paikady ho an’ny fahombiazana

Nandritra ireo ady nifanandrinan’ny miaramilany dia nanao paikady i Môrônia mba hakana antoka ny amin’ny fahombiazana. Nampiasa mpitsikilo izy mba hahafantarana ireo hetsika sy fikasan’ireo fahavalony. Nikatsaka fitarihana avy tamin’ny mpaminany, dia i Almà, izy. Avy eo i Môrônia dia nampiasa izany torolalana nentanim-panahy izany tamin’ny fomba nentiny niadiana. Nampiasa loharanom-pitaovana araka ny filana izy, ka nametraka miaramila misimisy kokoa tany amin’ireo tanàna izay tsy dia ampy fiarovana loatra. Nametraka drafitra arahina feno paikady nifototra tamina fampahalalana nanaraka ny toe-draharaha izy.

Vokatr’izany dia nahazo tombony izy raha oharina tamin’ireo miaramila fahavalony. Tsy mba afa-po tamin’ireo fandreseny lasa na oviana na oviana izy; fa nanohy nanatsara kosa ny fahafahany sy ny fahafahan’ny miaramilany hiatrika fanamby amin’ny ho avy izy.

Afaka mampiasa fomba fiasa mitovy amin’izany isika hiatrehana ny fahavalo ara-panahy. Afaka manomboka izany isika amin’ny alalan’ny famantarana ny zavatra ezahin’i Satana hatao eo amin’ny fiainantsika. Miezaka ny mandrebireby antsika hanalavitra ny tanjontsika Izy. Rehefa miatrika fakam-panahy isika dia tokony hanontany tena hoe:

  • Amin’ny fomba ahoana izao zavatra ataoko izao no mifanohitra amin’ny tenin’ Andriamanitra izay efa voambara??

  • Inona no vokatry ny fanaovana izao zavatra izao?

  • Hanampy ahy hanatratra ny tanjoko eto an-tany ve io zavatra io?

Tokony ho fantatsika ihany koa ny vokatry ny fileferana amin’ny fakam-panahy na dia ireo fakam-panahy bitika aza. Rehefa resin’ny fakam-panahy isika dia mihinana “poizina tsikelikely” (Almà 47:18), paikady mahomby indrindra ampiasain’ny herin’ny ratsy izay mety hitarika amin’ny fahafatesana ara-panahy.

Afaka manamafy ny tenantsika amin’ny fakam-panahy avy amin’i Satana isika amin’ny alalan’ny fanarahana ny fitarihana azontsika avy amin’ny mpaminanintsika amin’ny andro farany. Ny fanaovana izany dia manampy antsika hihazona fomba fijery mibanjina ny mandrakizay izay hanombantombanana ny zavatra ataontsika. Ny fametrahana paikady momba ny fomba hiatrehantsika ireo fakam-panahy izay miseho amin’ny lafiny samihafa eo amin’ny fiainantsika dia hanampy antsika hanao safidy tsara kokoa eo amin’ny fotoana resahina. Hanampy antsika hiaro amin’ny zavatra mandrebireby antsika tsy hifantoka amin’ny tanjontsika mandrakizay ny paikady sy ny fomba fiasa narafitra mialoha.

Ohatra iray amin’izany ny resaka teknôlôjia. Ny teknôlôjia dia mety ho sabatra roa lela, sady ilaina no manimba, miankina amin’ny fomba ampiasantsika azy. Mba hanampiana antsika hanao safidy amim-pahendrena momba ny fitaovana ampiasaintsika dia afaka mijery ny “Taking Charge of Technology [Fandraisana andraikitra manoloana ny teknôlôjia]” sy ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy ireo tanora sy ny olon-dehibe. Mampahatsiahy antsika ny tanjontsika, sy manondro antsika any amin’i Jesoa Kristy, ary manampy antsika hanasa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainantsika ireo zavatra ireo. Ny fanaovana drafitra ny amin’ny fomba sy ny fotoana ary ny toerana hampiasantsika ny teknôlôjia dia hanamafy antsika hanohitra ny paikadin’izao tontolo izao izay manambany antsika.

Lamanita manafika ny toera-mimandan’ny Nefita

Miomana amin’ireo sarin’ady

Rehefa niomana ny amin’ny ady ho avy i Môrônia dia nanomana ny vahoakany tsirairay tamin’ny saron-tratra sy ampingan-tsandry sy ampinga fiaro loha ary ny fitafiana matevina. Nanomana ny vahoakany rehetra izy tamin’ny alalan’ny fananganana manda nanodidina ny tanàna sady nanao hadivory izay efa nohadiana manodidina azy ireo.

Amin’ny ara-panahy isika dia miomana manokana amin’ny alalan’ny fitandremana ireo didin’Andriamanitra. Isika dia manao sy mitandrina fanekempihavanana amin’Andriamanitra izay manintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika. Mirotsaka amin’ny asa fanoloran-tena ataon’ny tena manokana, toy ny mivavaka, mifady hanina, ary mandalina ny soratra masina isika. Manao zavatra amim-pinoana isika sady manaraka ny fitarihan’ny Fanahy izay voaraintsika. Miomana amim-pahatsapan-tena sy amim-pahamendrehana ny handray ny fanasan’ny Tompo isika. Rehefa manao izany isika dia lasa tena misy akony kokoa eo amin’ny fiainantsika ny Mpamonjy, tahaka ny naha-tena nisy akony Azy tamin’i Môrônia, izay niorina mafy tamin’ny finoany an’i Jesoa Kristy. Fantatr’i Môrônia fa afaka miantehitra amin’ny Mpamonjy izy mba hahazoana fitarihana sy fanafahana (jereo ny Almà 48:16). Isika koa dia afaka miantehitra amin’i Jesoa Kristy mba hahazoana fitarihana sy fanafahana.

Afaka miomana bebe kokoa isika amin’ny alalan’ny fanamafisana orina ny fianakaviantsika. Narafitry ny Raintsika any An-danitra ho ao anaty fianakaviana isika mba hanampiana antsika ho faly sy hianatra ny fomba hiverenana any Aminy. Afaka ny ho loharanon’ny fanampiana ho antsika ny fianakaviantsika. Afaka mahatsapa fifaliana sy fitiavana avokoa isika rehetra amin’ny alalan’ny fahatsiarovana fa anisan’ny fianakaviam-ben’ Andriamanitra isika, na inona na inona toe-javatra iainan’ny fianakaviantsika.

Afaka mahazo tanjaka sy miomana amin’ny adintsika ara-panahy isika rehetra rehefa miditra ao amin’ny fiarahamonin’ny Olomasina. Ny tsatòkantsika sy ny distrikantsika dia manome toeram-pialofana sy fiarovana toy izany. Afaka mifamahana ara-panahy isika, mifanampy mba hitandrina ny didin’ Andriamanitra, ary mifankahery mba hiantehitra amin’i Kristy, indrindra fa rehefa ao anatin’ireo fotoan-tsarotra. Rehefa miangona isika dia lasa mahatsapa fa tsy miady irery ny adintsika isika. Manana namana sy mpampianatra ary mpitarika izay afaka manampy sy miaro antsika isika. Matanjaka kokoa isika rehetra rehefa miara-miomana.

Nahavariana fa i Môrônia dia niaiky fa ireo fahasambarana rehetra azon’ny olony dia noho izy ireo nijanona ho mahatoky tamin’ny finoan’izy ireo an’Andriamanitra sy ny fivavahany. Tahaka an’i Môrônia dia tokony ho tsapantsika fa ny fifaliana dia tonga noho ny Ray any An-danitra sy ny drafiny ary noho i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Rehefa mahatakatra ny tanjontsika isika, sy manao paikady ho an’ny fahombiazana, ary miomana amin’ireo sarin’ady, dia mahazo fanampiana sy hery avy amin’ Andriamanitra.

Tahaka an’i Môrônia, izaho koa dia mahafantatra fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mitondra ny fahafahana faratampony amin’ny famatorana—fahafahana amin’ny fahafatesana sy ny fahotana. Izy Ireo dia mitahy antsika amin’ny heriny rehefa mibanjina Azy Ireo amin’ny zava-drehetra isika.

Fanamarihana

  1. Taking Charge of Technology,” Médiathèque de l’Évangile.

  2. Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022), Médiathèque de l’Évangile.

  3. Jereo ny Russell M. Nelson, “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 82.