“Ireo zatovo miaramila,” Namana, aogositra 2024, 26–27.
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, aogositra 2024
Ireo Zatovo miaramila
Naniry ny hanaraka an’i Jesoa Kristy ny vahoaka izay nampianarin’i Amôna sy ireo rahalahiny. Nalevin’izy ireo ny fitaovam-piadiany ary nampanantena an’Andriamanitra izy ireo fa tsy hiady intsony.
Saingy tsy ela taty aoriana dia nila niaro ny fianakaviany izy ireo. Tsy te handrava ny fampanantenana nataony tamin’ Andriamanitra ireo ray izay nandevina ny fiadiany. Noho izany dia niomana ny hiady teo amin’ny toerany ireo zanany lahy. Nantsoina hoe ireo zatovolahy miaramila roa arivo izy ireo .
Tsy mbola niady mihitsy ireo zatovolahy miaramila ireo tany aloha. Saingy nanampy tamin’ny fanomanana azy ireo sy nampianatra azy ireo hatoky an’ Andriamanitra ny reniny.
Nosafidian’izy ireo ho mpitarika azy ireo i Helamàna. Be herim-po izy ireo ary nanampy azy ireo Andriamanitra. Naratra avokoa izy rehetra, saingy nifanampy izy ireo. Namaly ny finoan’izy ireo Andriamanitra, ary dia velona avokoa izy rehetra!
© 2024 by Intellectual Reserve, Inc. All right reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly Friend Message, August 2024. Malagasy. 19290 654