Fampivoarana ny mpitarika sy ny anjara asa
Fizotry ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana amin’ny Institiota


“Fizotry ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana amin’ny Institiota,” Tari-dalana momba ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana amin’ny Seminera sy Institiota (2021)

“Fizotry ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana amin’ny Institiota,” Tari-dalana momba ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana amin’ny Seminera sy Institiota

Fizotry ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana amin’ny Institiota

Fanamarihana: Rehefa voatonona etsy ambany ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka, dia mihatra amin’ny filohan’ny sampana sy ny filohan’ny distrika tsirairay avy ihany koa izany.

Ireo toromarika

  • Ireo lanonana momba ny fanomezana mari-pankasitrahana fanao isan-taona dia manolotra fomba hiderana ny ezaka sy ny zava-bitan’ireo mpianatra institiota.

  • Tokony hatao isan-taona ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana.

  • Ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana amin’ny institiota dia tokony hatao ao anatin’ny fandaharam-potoana eo anivon’ny oniversite na ny tsatòka. Izany ihany koa dia ahafahana mampitambatra ireo fandaharam-potoan’ny tsatòka amin’ireo fandaham-potoan’ny oniversite sy ireo fandaharam-potoana hafa an’ny tsatòka amin’ireo lanonana fanomezana mari-pankasitrahana, araka izay hitan’ireo mpitantana sy mpitarika ao an-toerana fa mampety izany.

  • Raha azo atao dia tokony hotanterahina aorian’ny fiafaran’ny taom-pianarana ireo lanonana momba ny fahavitana fianarana sy fanomezana mari-pankasitrahana.

  • Raha misy ny fandraisana fanapahan-kevitra fa tsy hisy ny fanaovana lanonana fanomezana mari-pankasitrahana, dia azon’ireo mpianatra nahazo fankatoavana atao ny mangataka ireo diplaoma, ary atontan’ny fandaharam-pianarana institiota printy izany rehefa tapitra ny taom-pianarana.

  • Ireo mpianatra mahafeno ny fepetra amin’ny fahazoana mari-pankasitrahana dia tsy maintsy mahafeno isa manan-kery 14 amin’ireo taranja institiota farafahakeliny: taranja Vatofehizoro 4 (isa manan-kery 8) ary taranja 3 azo isafidianana (isa manan-kery 6).

  • Mba hahavitana taranja iray, ny mpianatra dia tsy maintsy mahafeno ireo fepetra momba ny (1) fanatrehana ny fianarana, (2) vakiteny nasaina natao momba ny lesona, ary ny (3) Asondroty ny Traikefa amin’ny Fianarana (ATF). Misy ny asa fanarenana azo atao ho an’ireo mpianatra izay tsy nahafeno ireo fepetra telo voalohany ireo. Ireo mpianatra efa voalamina ny hahazo diplaoma dia tokony hasaina hangataka ny fanekena ny fahafahany hahazo diplaoma.

  • Ireo mpianatra efa voalamina ny hahazo diplaoma dia tsy maintsy mangataka fankatoavana avy amin’ny mpitarika mba hamenoana ny fangatahana diplaoma.

  • Ny sonia efa vita printy mialoha an’ny Talen’ny Filankevi-pitantanan’ny Fampianarana ato amin’ny Fiangonana sy ny Mpitantana ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara (S&I) ihany no hita eo amin’ireo diplaoma.

  • Raha misy maniry izany, mandritra ny lanonana momba ny fahavitana fianarana sy fanomezana mari-pankasitrahana fanao isan-taona, dia afaka misafidy ny hanolotra mari-pankasitrahana an’ireo mpianatra nahazo Mari-pankasitrahana fahavitana fianarana ny fandaharam-pianarana institiota.

Anjara asa sy andraikitra

Ny Filohan’ny tsatòka izay voatendry ho ao amin’ny Filankevitra Mpanoro hevitra ho an’ny Institiota (IAC) (jereo ny Boky Torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany, 14.1.2, ChurchofJesusChrist.org; Instiota eo anivon’ny Tsatòka, ChurchofJesusChrist.org) na ny olona notendreny dia:

  • Miresaka amin’ny talen’ny fianarana institiota eo an-toerana amin’ny fanomanana sy ny fandrafetana ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana.

  • Manome ny fankatoavany momba ny fandaharam-potoana raikitra ho an’ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana.

  • Afaka mandray fitenenana mandritra ny lanonana momba ny fahavitana fianarana ary afaka manampy amin’ny fanomezana mari-pankasitrahana ireo mpianatra nahavita fianarana sy mizara ireo diplaoma.

Ny filohan’ny tsatòka rehetra na ny olona notendreny dia:

  • Maka antoka fa mahatakatra ny fepetra takina hahazoana ny fankatoavana avy amin’ny mpitarika araka ny hazavain’ny talen’ny institiota ireo eveka. Ny mpianatra dia tompon’andraikitra amin’ny fangatahana fankatoavana avy amin’ny mpitarika mba hamenoana ny fangatahany diplaoma.

  • Tokony hahatakatra fa mety haharay email marobe avy amin’ny fandaharam-pianarana maro ao amin’ny institiota izy ireo miankina amin’ny toerana hanatrehan’ireo tanora ao amin’ny tsatòka misy azy ny fianarana institiota.

  • Manatrika ny lanonana momba ny fahavitana fianarana sy fanomezana mari-pankasitrahana, mba hanohana ireo mpikambana ao amin’ny tsatòka amin’ny zava-bitan’izy ireo.

  • Asaina hipetraka eny amin’ny lampihazo raha manana mpianatra mandray anjara amin’ny lanonana momba ny fahavitana fianarana.

Ny eveka na ny iray amin’ireo mpanolotsainy dia:

  • Manome ny fankatoavany ho an’ireo mpianatra efa voalamina ny hahazo diplaoma rehefa mangataka fankatoavana avy amin’ny mpitarika ny mpianatra tsirairay.

  • Afaka ny hanome na tsia ny fankatoavany ho an’ny mpianatra tsirairay, ary andraikiny samirery izany. Raha tsy manao sonia ny fankatoavana avy amin’ny mpitarika amin’ny fangatahana diplaoma ho an’ny mpianatra iray ny eveka na ny mpanolotsaina azy, dia tsy feno ilay fangatahana, ka dia tsy homena mari-pankasitrahana any amin’ilay lanonana momba ny fahavitana fianarana ilay mpianatra.

  • Tompon’andraikitra amin’ny fampahafantarana ny mpianatra maniry ny hahazo diplaoma amin’ny institiota raha tsy nahazo fankatoavana ilay mpianatra, ary tompon’andraikitra amin’ny fampahafantarana ny anton’izany.

  • Asaina hanatrika ny lanonana momba ny fahavitana fianarana raha manana mpianatra mandray anjara amin’ilay lanonana, mba hanohana ireo mpikambana ao amin’ny paroasy noho ny zava-bitan’izy ireo.

Fankatoavana avy amin’ny mpitarika ho an’ny Institiota

Ny talen’ny institiota dia:

  • Maka antoka fa mahatakatra ny fepetra takina mba hahazoana ny fankatoavana avy amin’ny mpitarika ny filohan’ny tsatòka tsirairay avy mba hahatonga ny mpianatra iray ho voasokajy fa nahavita fianarana institiota.

Ny filohan’ny tsatòka na ny olona notendreny dia:

  • Maka antoka fa mahatakatra io fepetra io ihany koa ny eveka tsirairay.

Ny eveka na ny iray amin’ireo mpanolotsainy dia:

  • Mihaona amin’ny mpianatra tsirairay. Ny fankatoavana omen’ny mpitarika ny mpianatra iray mba hahazoana diplaoma amin’ny institiota dia midika fa mahatakatra sy miezaka mampihatra ireo fitsipika sy fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay nianarany tao amin’ny institiota ilay mpianatra, ary “manamafy fa mendrika sy manana zotom-po hiaina ireo fitsipika voalaza ao amin’ny Ho zatovo mahery! na fitsipika mitovy amin’izany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady tanora” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 31.1.7).

  • Afaka mampiasa ireo dinidinika ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony izay manaraka fotoana efa voalamina mba hatao fototra hiaingana hanomezana fankatoavana na tsia ny mpianatra iray efa voalamina ny hahazo diplaoma. Tsy ilaina ny hanaovana dinidinika mitokana momba ny fankatoavana avy amin’ny mpitarika ho an’ny mpianatra maniry ny hahazo diplaoma amin’ny institiota.

  • Afaka ny hanome na tsia ny fankatoavany ho an’ny mpianatra tsirairay, ary andraikiny samirery izany. Raha tsy manao sonia ny fankatoavana avy amin’ny mpitarika amin’ny fangatahana diplaoma ho an’ny mpianatra iray ny eveka na ny mpanolotsaina azy, dia tsy feno ilay fangatahana, ka dia tsy homena mari-pankasitrahana any amin’ilay lanonana momba ny fahavitana fianarana ilay mpianatra.

  • Tompon’andraikitra amin’ny fampahafantarana ny mpianatra maniry ny hahazo diplaoma amin’ny institiota raha tsy nahazo fankatoavana ilay mpianatra, ary tompon’andraikitra amin’ny fampahafantarana ny anton’izany.

Hamoaka printy