Fampivoarana ny mpitarika sy ny anjara asa
Tari-dalana momba ny fanomezana mari-pankasitrahana amin’ny Seminera eo anivon’ny tsatòka


“Tari-dalana momba ny fanomezana mari-pankasitrahana amin’ny Seminera eo anivon’ny tsatòka,” Tari-dalana momba ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana amin’ny Seminera sy Institiota (2021)

“Tari-dalana momba ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana amin’ny Seminera eo anivon’ny tsatòka,” Tari-dalana momba ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana amin’ny Seminera sy Institiota

Tari-dalana momba ny fanomezana mari-pankasitrahana amin’ny Seminera eo anivon’ny tsatòka

Toromarika momba ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana sy diplaoma

Ny fanatanterahana ireo fepetra takina amin’ny fahavitana fianarana dia afaka manampy ny zatovo hampahalalim-paka ny fiovam-pon’izy ireo amin’ny Mpamonjy Jesoa Kristy rehefa manatrika tsy tapaka sy mandray anjara ao amin’ny kilasy izy ireo, ary manomboka manorina fahazarana mandalina soratra masina isan’andro mandritra ny androm-piainany (jereo ny “Isa tratrarina sy fahavitana fianarana” ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany, 15.1.5, sy ny “Ny tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana filazantsara,” Médiathèque de l’Évangile). Samy manana ny halehiben’ny fanohanana azon’izy ireo avy amin’ny fianakaviany, sy ny fahatakarany ny filazantsara sy ny fahaiza-manaony ary ny fanoloran-tenany manokana ny zatovo tsirairay. Ireo fe-petra takina ireo dia natao ho azon’ireo mpianatra tratrarina ao anatin’ny toe-javatra iainan’izy ireo ankehitriny.

Mba hahazoana mari-pankasitrahana sy diplaoma amin’ny seminera, ny mpianatra iray dia tsy maintsy mahavita enim-bolana ianarana seminera im-balo ary mahazo fankatoavana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

  • Mba hahavitana taranja iray, ny mpianatra dia tsy maintsy manatrika ny 75 isan-jaton’ny fotoam-pianarana sy mamita ireo vakiteny takina isaky ny vanim-potoam-pianarana, ary mandray anjara amin’ny fitsapam-pahaizana momba ny fianarana hifandrimbonana.

  • Azon’ny tompon’andraikitry ny S&I omena ny fampahalalana mikasika ny fivoaran’ny fianarana vitan’ny mpianatra, na azon’ny ray aman-dreny sy mpihazona fisoronana jerena avy hatrany ao amin’ny mySeminary.ChurchofJesusChrist.org.

  • Misy ny asa fanarenana azo atao ho an’ireo mpianatra izay tsy nahafeno ireo fepetra takina ireo.

Ireo an-tsipiriany mahakasika ny fandaharam-potoana amin’ny fanomezana mari-pankasitrahana sy diplaoma:

  • Ireo lanonana momba ny fanomezana mari-pankasitrahana sy diplaoma dia manolotra fomba iray hankasitrahana ny ezaka sy ny zava-bitan’ireo mpianatra seminera rehetra.

  • Tokony hatao eo anivon’ny tsatòka isan-taona ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana sy diplaoma amin’ny Seminera.

Ireo an-tsipiriany mahakasika ny fanomanana ny diplaoma:

  • Ny sonia efa vita printy mialoha an’ny Talen’ny Filankevi-pitantanan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana sy ny an’ny mpitantana ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara ihany no hita eo amin’ireo diplaoma.

  • Raha azo atao dia tokony hotanterahina aorian’ny fiafaran’ny taom-pianarana ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana sy diplaoma amin’ny seminera mba hahafahana mizara ireo diplaoma mandritra ny lanonana. Ireo diplaoma dia omena ny solontenan’ny tsatòka (izay mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo raha ny mahazatra) mba hozaraina mandritra ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana sy diplaoma amin’ny seminera eo anivon’ny tsatòka.

  • Raha tanterahina mialoha ny fiafaran’ny taom-pianarana ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana sy diplaoma amin’ny seminera dia azo tolorana fonona diplaoma tsy misy na inona na inona ireo mpianatra. Rehefa vonona ny diplaoma dia azo halefa any amin’ny mpianatra amin’ny alalan’ny paositra izany na halefa any amin’ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka na paroasy ka izy ireo no hizara azy.

  • Ny mari-pankasitrahana ho an’ireo mpianatra tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny mpitarika dia omena ny eveka mba homeny an’ireo mpianatra ireo amin’ny fotoana hafa. Tsy hahazo mari-pankasitrahana any amin’ny lanonana momba ny fahavitana fianarana ireo mpianatra seminera tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny mpitarika.

Mari-pankasitrahana fahavitana fianarana

Mamita ireo isa tratrarina takina rehetra ao amin’ny Seminera. Arakaraka ny zavatra ilaina ao amin’ny tsatòka, ny mpitantana ny seminera eo an-toerana rehefa nifampidinika tamin’ireo mpitarika ao amin’ny tsatòka dia manapa-kevitra raha toa ka ilaina atao printy sy atolotra ny mari-pankasitrahana fahavitana fianarana, ny fotoana hanaovana izany, ary ny toerana hizarana izany. Azo atao printy sy zaraina isaky ny vanim-potoam-pianarana/enim-bolana amin’ny fiafaran’ny taona tsirairay ny mari-pankasitrahana fahavitana fianarana, na tsy atao printy ary tsy zaraina mihitsy. Ny mari-pankasitrahana dia azo zaraina mandritra ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana sy diplaoma amin’ny seminera, any amin’ny kilasin’ny seminera, na amin’ny fotoana sy sehatra hafa.

Anjara asa sy andraikitra

Ny filohan’ny tsatòka dia:

  • Mifampiresaka amin’ny talen’ny seminera na ny mpandrindra ny seminera izay notendrena eo anivon’ny tsatòka mba hanomana sy handrindra ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana sy diplaoma amin’ny seminera.

  • Manara-maso ny fankatoavana avy amin’ny mpitarika momba ireo mpianatra voafaritra fa hahazo diplaoma.

  • Manome andraikitra ny mpanara-maso ny seminera eo anivon’ny tsatòka na ny mpikambana ao amin’ny filankevitra avo mba handrindra ny fandaharam-potoan’ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana sy diplaoma amin’ny seminera eo anivon’ny tsatòka.

Ny eveka dia:

  • Manapa-kevitra raha tokony homena fankatoavana na tsia ny mpianatra seminera tsirairay. Ny mombamomba ny fankatoavana mety ho azon’ny mpianatra na tsia dia tsy tokony zaraina amin’ireo mpiandraikitra ny seminera.

  • Mampahafantatra ny mpianatra seminera tsy nahazo fankatoavana ny antony tsy nahazoany izany. Ny eveka dia tokony hijery manokana ny fampahafantarana ny ray aman-dreny na ny mpitaiza ilay mpianatra raha toa ilay mpianatra ka tsy handray anjara amin’ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana sy diplaoma amin’ny seminera.

  • Manome ny filohan’ny tsatòka ny lisitr’ireo mpianatra nahazo fankatoavana mba ho ampidirina ao amin’ny fandaharam-potoan’ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana sy diplaoma eo anivon’ny tsatòka.

Fankatoavana avy amin’ny mpitarika ho an’ny Seminera

Ho an’ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka:

  • Ny fankatoavan’ny eveka ny fahazoan’ny mpianatra seminera iray mari-pankasitrahana na diplaoma dia “manamarina fa mendrika ny mpianatra iray ary nanolo-tena hiaina ireo fenitry ny filazantsara” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany [2020], 15.1.5ChurchofJesusChrist.org

  • Ny eveka na ny iray amin’ireo mpanolotsainy dia afaka mampiasa ireo dinidinika ho an’ny zatovo izay manaraka fotoana efa voalamina mba ho atao fototra hiaingana hanomezana fankatoavana na tsia ny mpianatra iray voafaritra fa hahazo mari-pankasitrahana na diplaoma. Tsy ilaina ny hanaovana dinidinika mitokana momba ny fankatoavana avy amin’ny mpitarika ho an’ireo mpianatra ireo.

  • Fa ny eveka no hamaritra raha toa ka homena fankatoavana na tsia ny mpianatra tsirairay.

  • Ireo talen’ny seminera sy mpandrindra ny seminera dia maka antoka fa mahatakatra ny fepetra takina mba hahazoana ny fankatoavana avy amin’ny mpitarika ny filohan’ny tsatòka tsirairay avy mba hahatonga ny mpianatra iray ho anisan’ny afaka mahazo mari-pankasitrahana na diplaoma.

  • Ny filohan’ny tsatòka dia maka antoka fa ny eveka na ny filohan’ny sampana tsirairay dia mahatakatra ny fepetra takina mba hahazoana ny fankatoavana avy amin’ny mpitarika mba hahatonga ny mpianatra iray ho anisan’ny afaka mahazo mari-pankasitrahana na diplaoma.

  • Ireo mpianatra nahafeno ny fepetra teo amin’ny fianarana mba hahazoana mari-pankasitrahana sy diplaoma ihany no tokony homena mari-pankasitrahana na diplaoma mandritra ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana sy diplaoma eo anivon’ny tsatòka.

Santionan’ny fandaharam-potoan’ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana sy diplaoma amin’ny seminera

[Anaran’ny tsatòka]

Lanonana fanomezana mari-pankasitrahana sy diplaoma amin’ny seminera

[Daty/ora (ny tokony ho faharetany: adiny iray)]

[Toerana]

Mpiahy:

Mpitarika:

Mpitendry pianô:

Mpitarika hira:

Fiarahabana:

Hira fanokafana:

Vavaka fanokafana:

Fandraisam-pitenenana mikasika ny fanaovana seminera:

Mpianatra nasaina handaha-teny (iray na mihoatra):

Hira manokana:

Mpianatra nasaina handaha-teny (iray na mihoatra):

Fandraisam-pitenenana fohy ataon’ny tompon’andraikitry ny S&I (mety hahitana ny tanjon’ny S&I, sy fankasitrahana ny fahavitan’ny ezaka ataon’ny mpianatra ary ny fanoroana ireo zavatra takina amin’ny isa tratrarina):

Fandraisam-pitenenana ataon’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka (mety hahitana ny fanasana mba hisoratra anarana amin’ny institiota):

Fanolorana diplaoman’ny seminera:

Hira famaranana:

Vavaka famaranana:

Ireto manaraka ireto dia lisitra anarana sy tranonkala mba hampidirina ao anatin’ilay fandaharam-potoana vita printy:

Hamoaka printy