Seminera
1 Nefia 17–18: “Nitodika tamin’ Andriamanitra aho”


“1 Nefia 17–18: -Nitodika tamin’ Andiamanitra aho,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“1 Nefia 17–18: -Nitodika tamin’ Andiamanitra aho,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

1 Nefia 17–18

“Nitodika tamin’ Andriamanitra aho”

Sary
zatovovavy misy mampijaly

Samy handalo fitsapana sy fijaliana avokoa isika rehetra eo amin’ny fiainantsika. Ny sasany amin’izany dia ho tonga vokatr’ireo zavatra tsy mety nataontsika na amin’ny alalan’ny fiainantsika eo amina tontolo lavo sy tsy lavorary fotsiny. Araka ny niainan’i Nefia nandritra ny diany ho any amin’ilay tany nampanantenaina, ny fitsapana sy fijaliana sasany dia tonga rehefa tsy mety ny fomba ampiasan’ireo manodidina antsika ny fahafahan’izy ireo misafidy. Na inona na inona loharanon’ny fijaliantsika, dia manome tanjaka sy fanasitranana ireo izay mikatsaka Azy i Jesoa Kristy. Afaka manampy anao hahatsapa fitiavana sy fankasitrahana ny Tompo ity lesona ity, na inona na inona toe-java-misy atrehinao.

Toy ny ahoana no ho fihetsika?

Efa voamarikao ve ny fomba samy hafa anaovan’ny olona fihetsika amina toe-javatra mitovitovy indraindray? Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto ary eritrereto ny sasany amin’ireo fihetsika isan-karazany azon’ny olona ao amin’ilay rafi-tantara hasetry izany.

Nankany amina mpitsabo maso i Guillermo fa nanjavona ny masony. Nilaza taminy ny dokotera fa tratran’aretina tsy dia fahita firy izay hahajamba azy tanteraka ao anatin’ny herintaona izy.

Tezitra mafy ny anadahin’i Layla ka nanosika azy, nahatonga azy naratra teo amin’ny kitrokeliny. Tokony ho nilalao tamin’ny lalao fiadiana ny ho tompon-daka nataon’ny ekipany izy, saingy tsy afaka mihazakazaka izy amin’izao fotoana izao.

  • Inona avy ireo fihetsika samihafa mety hasetrin’ireo olona ao amin’ireo rafi-tantara ireo ny toe-java-tsarotra lalovan’izy ireo?

  • Inona no heverinao ho antony maromaro mahatonga ny olona haneho fihetsika tsara na ratsy manoloana ny fitsapana iainan’izy ireo?

Fomba fijerin’i Nefia

Satria nandalina ny Bokin’i Môrmôna ianao, dia mety nahatsikaritra fahasamihafana teo amin’ny zavatra nataon’i Nefia sy ny fihetsiny raha mitaha amin’ny an’i Lamàna sy i Lemoela, na dia tao anatin’ny fotoana niaretan’izy ireo ny maro tamin’ireo fahoriana mitovy aza. Jereo tsara io fahasamihafana io rehefa mandalina ireto andininy manaraka ireto ianao.

Nandeha tany an-tany foana:Ampitahao ny fitantaran’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 17:1–3 sy ny zavatra lazain’i Lamàna sy i Lemoela ao amin’ny 1 Nefia 17:20–22.

Manamboatra sambo:Ampitahao ny fihetsika nasehon’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 17:8–9, 15 sy ny fihetsika nasehon’i Lamàna sy i Lemoela ao amin’ny 1 Nefia 17:17–18.

  • Inona no eritreritra na fahatsapana nanananao rehefa nampitaha ny teny sy ny fihetsik’i Nefia tamin’ny an’i Lamàna sy i Lemoela ianao?

  • Inona no tsikaritrao momba ny fifandraisana nananan’ireo olona tsirairay ireo tamin’ Andriamanitra?

Misy fotoana isika rehetra maneho fihetsika tsara amina toe-javatra sarotra ary misy fotoana tsy dia tsara loatra. Eritrereto raha toa ka manao fihetsika mitovy amin’ny an’i Nefia ianao amin’ny ankapobeny na mitovy kokoa amin’ny an’i Lamàna sy i Lemoela rehefa miatrika toe-java-tsarotra. Rehefa manohy mandalina ianao, dia mitadiava fampianarana izay afaka hanampy anao haneho fihetsika tsara kokoa rehefa miatrika zava-tsarotra na fitsapana ianao.

Nandeha sambo nankany amin’ilay tany nampanantenaina i Lehia sy ny fianakaviany

Rehefa vitan’i Nefia sy ireo rahalahiny ny fanamboarana ny sambo, dia nandidy an’i Lehia sy ny fianakaviany hanomboka handeha an-tsambo ho any amin’ny tany nampanantenaina ny Tompo (jereo ny 1 Nefia 18:1–8).

Vakio ny 1 Nefia 18:9–21, hitadiavana ny sasany tamin’ireo zava-tsarotra niainana nandritra io dia io. Rehefa mandalina ianao, dia manohiza mampitaha ny zavatra nataon’i Nefia sy ny fihetsiny amin’ny an’i Lamàna sy i Lemoela.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny roa farafahakeliny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no hitanao fa nisongadina tamin’io fitantarana io?

    • Mariho ny zavatra noraketin’i Nefia ao amin’ny andininy 16. Raha manana fahafahana hametraka fanontaniana aminy momba ny fihetsiny ao amin’io andininy io ianao, inona no mety hanontanianao azy?

    • Ahoana araka ny hevitrao no mety hamaliany ny fanontanianao?

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara antony iray nahavitan’i Nefia naneho ny fihetsika izay nasehony tao anatin’ny zava-tsarotra nolalovany.

Koa satria lavitry ny Mpamonjy i Lamàna sy i Lemoela dia nimonomonona, ka lasa be fifandirana ary tsy nanam-pinoana. Nahatsapa izy ireo fa tsy rariny ny fiainana ka tokony hahazo ny fahasoavan’ Andriamanitra izy ireo. I Nefia kosa, noho izy nanakaiky an’ Andriamanitra hatrany, dia tsy maintsy nahafantatra fa ny fiainan’i Jesoa Kristy no nahitana tsy rariny indrindra. Na dia tsy nanan-tsiny mihitsy aza ny Mpamonjy dia Izy no nijaly indrindra.

Arakaraka ny maha-akaiky antsika amin’i Jesoa Kristy eo amin’ny eritreritra sy ny fikasan’ny fo no hankasitrahantsika kokoa ny fijaliana tsy rariny nianjady taminy, sy ny hankasitrahantsika kokoa noho ny fahasoavana sy ny famelan-keloka, ary haniriantsika bebe kokoa ny hibebaka ka ho lasa tahaka Azy. (Dale G. Renlund, “Mba hahazoako misintona ny olon-drehetra atỳ Amiko,” Liahona, mey 2016, 40)

  • Inona no fahamarinana nianaranao avy amin’ny teny nambaran’ny Loholona Renlund ka afaka manampy anao amin’ny fitsapana lalovanao?

Fahamarinana iray mety ho hitanao ny hoe rehefa akaiky an’i Jesoa Kristy isika, dia afaka mahatsapa fitiavana sy fankasitrahana Azy na dia mandritra ny fotoan-tsarotra aza.

Makà fotoana hisaintsainana ny zavatra nianaranao androany. Tombano hoe manao ahoana ny fahatsapanao ho akaiky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Inona no azonao atao mba hanakekezanao kokoa Azy ireo? Inona no fahasamihafana heverinao fa azon’izany entina eo amin’ny fiainanao? Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao sy ny fahatsapanao.

Hamoaka printy