“Jakoba 5:54–77; 6:1–13: -Endrey, hotahiana tokoa ireo izay efa niasa tamim-pahazotoana tao amin’ny tanimboliny,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
“Jakoba 5:54–77; 6:1–13,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra
Jakoba 5:54–77; 6:1–13
“Endrey, hotahiana tokoa ireo izay efa niasa tamim-pahazotoana tao amin’ny tanimboliny”
Ahoana no ifandraisan’ilay fanoharana momba ny hazo oliva voarakitra ao amin’ny Jakoba 5 aminao? Ny ampahany farany amin’io fanoharana io dia maneho ny asan’ny Tompo amin’ny andro farany, ao anatin’izany ny ezaka ataony sy ireo mpanompony hanangonana farany ireo fanahy ho ao Aminy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatsapa faniriana bebe kokoa hiaraka hiasa amin’ny Tompo amin’ny fanampiana ireo zanaky ny Ray any An-danitra mba hanatona Azy.
Asa lehibe
Alaovy sary an-tsaina ity rafi-tantara manaraka ity:
Vao haingana i Annika no nangatahin’ny evekany hihevitra am-bavaka ireo fomba mety hahafahany manatona sy manampy ny iray amin’ireo zatovovavy ao amin’ny paroasy misy azy izay tsy tonga niangona. Mahatsapa ho somary matahotra kely i Annika ary manontany tena hoe: “Fa nahoana ny eveka no mangataka ahy hanao izany? Izy no mety hahomby kokoa noho izaho amin’ny fanampiana azy.”
-
Inona no mety ho sasany amin’ireo antony mety ho nanasan’ny evekan’i Annika azy hanatona ilay zatovovavy fa tsy izy tenany no nanatona?
Anio dia handalina ny ampahany farany amin’ilay fanoharana momba ny hazo oliva voarakitra ao amin’ny Jakoba 5 ianareo. Io ampahany amin’ilay fanoharana io dia maneho ny andro farany. Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io ampahany amin’ilay fanoharana io ny hoe ny Tompo dia manasa ny mpanompony amin’ny andro farany hiasa ao amin’ny tanimboliny amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely.
Alohan’ny hanombohanao mandalina dia saintsaino ny fahatsapanao momba ny hoe ianao dia asain’ny Tompo hanampy amin’ny fanangonana olona ho ao Aminy. Efa nisy fotoana ve ianao nanontany tena hoe nahoana Izy no manasa anao hanampy Azy amin’ny asa fanavotana fanahy? Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fampianarana izay afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny tanjon’ny Tompo amin’ny fanasana antsika handray anjara miaraka Aminy amin’ny fanangonana an’i Isiraely.
Manasa mpanompo hiara-miasa aminy ny tompon’ny tanimboly
Ny ampahany farany amin’ilay fanoharana dia manomboka amina resaka ifanaovan’ny tompon’ny tanimboly, izay maneho an’i Jesoa Kristy, sy ny mpanompony, izay maneho ireo mpaminanin’ny Tompo.
Vakio ny Jakoba 5:61–62, 70, hitadiavana ny zavatra nanomezan’ilay tompon’ny tanimboaloboka toromarika ny mpanompony hatao sy ny antony nangatahiny azy hanao izany.
-
Iza ao amin’ireo andininy ireo no afaka maneho anao na mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana?
Ny Filoha Russell M. Nelson dia niresaka momba ny asa ataon’ny Tompo sy ny mpanompony amin’ny andro farany:
Nilaza tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo fa izao, izany hoe izao andro iainantsika izao, no ora fahiraika ambin’ny folo ary fotoana farany hiantsoany mpiasa ho ao amin’ny tanimboalobony mba hanangona ireo voafidy avy amin’ny vazan-tany efatra [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:3, 6]. …
Tianao ve ny hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely mandritra izao andro sarobidy farany izao? …
… Eritrereto anie e!! Amin’ireo olona rehetra izay efa niaina teto amin’ny planeta tany, dia isika no manana tombotsoa handray anjara amin’ity fanangonana farany sy goavana ity. Tena mampientam-po tokoa izany!
Natokan’ny Raintsika any An-danitra ny maro amin’ireo fanahiny mahery indrindra—aleo angamba ataoko hoe ny ekipany mahery indrindra—ho an’ity dingana farany ity. Ireo fanahy mahery ireo—ireo mpilalao tena mahay ireo, ireo maherifo ireo—dia ianareo! (I Russell M. Nelson sy i Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, jona 3, 2018], fanampin’ny New Era sy ny Ensign, 8, ChurchofJesusChrist.org)
-
Inona no nanampian’ny teny nambaran’ny Filoha Nelson anao hianarana na ho tsapa momba an’ Andriamanitra?
-
Inona no nampianarin’izany anao momba ny tenanao sy ny anjara asa hosahaninao amin’ny fanangonana an’i Isiraely?
-
Inona no heverinao ho sasany amin’ireo antony mahatonga ny Tompo hanasa antsika hanampy amin’ny fanangonana olona hankany Aminy?
Ny anjaranao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo
Vakio ireto andininy manaraka ireto, ka tadiavo ireo fampianarana izay afaka manampy anao handresy ireo sakana hitanao. Hevero ny hampiditra sary na teny ao amin’ny sarina tanimboaloboka nataonao miainga amin’ny zavatra nianaranao.
-
Jakoba 6:2–8 (fampianarana nozarain’i Jakoba taorian’ny filazany ilay fanoharana)
-
Inona no nianaranao momba ny Tompo avy amin’ireo andininy ireo?
-
Teny na andian-teny inona ao amin’ireo andininy ireo no afaka manampy olona iray izay misalasala ny handray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely?
-
Inona no fitahiana hitanao na niainanao tamin’ny fandraisana anjara niaraka tamin’ny Tompo tamin’ny fiasana mba hitondrana fanahy hankany Aminy?
Makà fotoana hieritreretana momba ireo dingana manaraka hataonao mba handraisana anjara miaraka amin’ny Tompo amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Raiso an-tsoratra ny ao amin’ny diary fandalinanao ny tanjona mifandray amin’io na tohizo ny tanjona iray efa napetrakao ho an’ny tenanao. Azonao atao ihany koa ny mampiditra teny na sary izay maneho ny tanjonao eo amin’ny sarin’ny tanimboaloboka nataonao. Hevero ny hijery ny “Hira fanevan’ny zatovo 2021: -Asa lehibe-” (4:06), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, rehefa misaintsaina ianao hoe toy ny ahaoana no itiavanao tanjonao.