“Môzià 5:6–15: -Hitondranareo eo aminareo ny anaran’i Kristy,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)
“Môzià 5:6–15,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna
Môzià 5:6–15
“Hitondranareo eo aminareo ny anaran’i Kristy”
Afaka manana dikany lehibe ny anarana. Inona no dikan’ny hoe hitondranareo ny anaran’i Kristy eo aminareo? Ny Môzià 5 dia ahitana ny famaranana ny lahatenin’i Benjamina Mpanjaka tamin’ny vahoakany rehefa namory azy ireo mba hanomezany azy ireo anarana izy (jereo ny Môzià 1:11). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fitondranao eo aminao ny anaran’i Jesoa Kristy.
Anarana vaovao
Makà sary an-tsaina zaza kamboty iray tsy misy manampy na mikarakara izay nahita ihany ny farany fianakaviana marin-toerana sy be fitiavana mandroso hevitra ny hanangana azy.
-
Inona avy no antony sasantsasany mety hitiavan’ilay kamboty ny hoe hatsangana sy hitondra ny anaran’ny fianakaviany vaovao?
-
Inona avy no fitahiana azon’ny reniny sy ny rainy vaovao atolotra izay tsy afaka vatsian’ilay kamboty avy amin’ny tenany ihany?
-
Ahoana ny mety ho fahatsapan’ilay kamboty momba ny fianakaviany vaovao?
Tao amin’ny lahateny lehibe nataony tamin’ny olony, i Benjamina Mpanjaka dia niteny hoe: “Tiako ny hitondranareo eo aminareo ny anaran’i Kristy” (Môzià 5:8) dia hantsoina hoe , “zanak’i Kristy” ianareo (Môzià 5:7). Ny olon’i Benjamina Mpanjaka sasany dia Nefita, ary ny sasany dia taranak’i Mioleka. Tian’i Benjamina Mpanjaka hitambatra amina anaran-tokana toy ny ao amin’ny fianakaviana iray ny olona rehetra.
Rehefa mandalina ny soratra masina ianao anio, dia saintsaino ireo fomba mety hitovianao amin’ilay kamboty ao amin’ilay toe-java-misy eo ambony sy hitovian’ny Tompo amin’ilay ray aman-dreny vaovao.
Ireo fitahian’ny fitondrana eo amintsika ny anaran’ny Mpamonjy |
Ny fomba itondrako eo amiko ny anaran’ny Mpamonjy |
---|---|
Tsarovy fa ao amin’ny Môzià 5:1–5, ny olona dia nijoro ho vavolombelona fa ny Fanahin’ny Tompo dia nahatonga “fiovana mahery vaika” tao amin’izy ireo ary izy ireo dia “hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra … hanao ny sitrapony” (Môzià 5:2, 5).
Vakio ny Môzià 5:6–10, hitadiavana teny sy andian-teny izay azonao soratana eo ambanin’ny tsanganana roa amin’ny tabilaonao. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny tanana ankavanan’ Andriamanitra dia maneho sitraka ary ny tanana ankavia dia maneho an’ohatra ny tsy fankasitrahana.
Ny fomba itondrantsika eo amintsika ny anaran’i Kristy
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’i Benjamina Mpanjaka ny hoe rehefa manao sy mitandrina fanekempihavanana masina isika, dia tonga zanak’i Kristy sy mitondra eo amintsika ny anarany.
Vakio ity teny nambara manaraka avy amin’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity mba hanazavana ny fomba itondrantsika eo amintsika ny anaran’ny Mpamonjy.
Manaraka ny lamina ara-tsoratra masina, ny olona izay atao batisa dia manamarina eo anatrehan’ny Fiangonana “fa izy ireo dia efa nibebaka marina tamin’ny fahotan’izy ireo, ary vonona hitondra eo amin’izy ireo ny anaran’i Jesoa Kristy, manana fahavononana hanompo Azy hatramin’ny farany.” (F&F 20:37; jereo ihany koa ny 2 Ne. 31:13; Môrô. 6:3.) Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika, dia manavao io fanekempihavanana io sy ny fanekempihavanana hafa rehetra nataontsika tao amin’ny ranon’ny batisa. (Dallin H. Oaks, “Taking upon Us the Name of Jesus Christ,” Ensign, mey 1985, 80)
-
Ahoana no nitondran’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana anao ho akaiky kokoa ny Mpamonjy?
Mba hanampiana anao hanohy hampitombo ny fahatakaranao momba ny fitondrana ny anaran’i Jesoa Kristy, dia vakio ny Môzià 5:11–13, 15, hitadiavana torohevitra misimisy kokoa avy amin’i Benjamina Mpanjaka momba ny fitondrana eo aminao ny anaran’i Jesoa Kristy.
Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary hoe “Anaran’i Kristy” (3:51), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mba hahitana hevitra misimisy kokoa momba ny dikan’ny hoe mitondra eo aminao ny anaran’i Kristy.
Mieritrereta ohatra efa hitanao teo amin’ny fiainanao amin’ny olona izay nitondra teo amin’izy ireo ny anaran’i Kristy.
-
Inona no ataon’izy ireo ka maneho fa nitondra teo amin’izy ireo ny anarany izy ireo?
-
Inona no anjara asa azon’ny fanasan’ny Tompo tanana mba hanampiana antsika hanao izany tsaratsara kokoa?
Ny anaran’i Jesoa Kristy
Diniho ireo eritreritra sy fahatsapana noraisinao avy amin’ny Fanahy Masina rehefa nandalina ianao androany. Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hitondranao feno kokoa ny anaran’i Kristy eo aminao.