Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Almà 7:11–13—“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany”


“Fifehezana fotopampianarana: Almà 7:11–13—‘Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Almà 7:11–13,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Fifehezana fotopampianarana: Almà 7:11–13

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany”

Sary
ny Mpamonjy nijaly tao Getsemane

Tamin’ny fandalinanao ny Almà 7:1–13 ianao dia nianatra momba ny sasany amin’ny zavatra niaretan’ny Mpamonjy tao anatin’ny Sorompanavotany mba “hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:12). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Almà 7:11–13, sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andalan-tsoratra masina io ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Tadidio sy hazavao

Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Almà 7:11–13 dia ny hoe “Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany”. Hevero ny hanisy marika io andian-teny ao amin’ny soratra masinao raha tsy efa nanao izany ianao.

Ity sahanasa manaraka ity dia mety hanampy anao hitadidy ilay andalan-tsoratra masina ary andian-teny manan-danja. Soraty araka izay ahatadidiavanao azy ny andalan-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja. Raha tsy vitanao indray mandeha izany, dia avereno vakina ilay toko sy andininy sy andian-teny, ary avy eo dia manandrama manoaratra izany. Mamerena mamaky sy manoratra mandra-pahavitanao manoratra azy manontolo tsy ankijery.

Tao amin’ny lesona iray teo aloha ianao dia nianatra tao amin’ny Almà 7:11–13 fa nijaly i Jesoa Kristy mba hamonjena anao amin’ny ota sy ny fahafatesana sy hanampiana anao amin’ireo fanamby mandritra ny fiainana an-tany.

Andeha hatao hoe nisy namana iray nandefa hafatra an-tsoratra momba ny zava-tsarotra andalovany ianao. Mieritreritra ianao fa ilay hafatra ao amin’ny Almà 7:11–13 dia hanampy ny namanao saingy manahy ianao fa tsy hamaky izany izy raha ny andalan-tsoratra masina fotsiny no alefanao any aminy.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio izao fanontaniana manaraka izao:

    • Ahoana no hamintinanao ny Almà 7:11–13 amina fomba iray izay mety hanampy ny namanao amin’ny zava-tsarotra lalovany?

Fampiharana hanazaran-tena

Tadiavo ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Soraty ataovy lohateny ao amin’ny diary fandalinanao ireo fitsipika ireo, ka asio toerana eo anelanelan’ny tsirairay amin’izy ireo mba hahafahanao mamaly fanontaniana momba azy ireo any aoriana ao amin’ny lesona.

Hevero ny fomba ahafahan’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Almà 7:11–13 manampy amin’ity rafi-tantara manaraka ity.

Hatramin’izay nisarahan’ny ray aman-drenin’i Peter taona vitsy lasa, dia tsapany ho lasa nihasarotra hatrany hatrany ny fiainany. Sahirana mafy izy any am-pianarana ary ny namany sasany dia toa tsy mandray azy firy toy ny fanaony taloha intsony. Tsy dia mamonjy ny fiangonana intsony ihany koa i Peter, tsy dia mamaky soratra masina intsony izy, ary tsy dia mivavaka amin’ Andriamanitra intsony. Indray andro dia niresaka tamin’ny namany iray momba ny olany i Peter. Hoy izy: “Tiako hihatsara ny zava-drehetra saingy tsy fantatro hoe aiza no hitodihana. Mahatsapa tena ho irery sy tsy afa-miala amin’ny toe-javatra misy ahy aho.”

Alaivo sary an-tsaina hoe ianao ilay namana niresahan’i Peter ary mangataka torohevitra aminao momba ny fomba handresena ny toe-java-tsarotra atrehiny ihany koa izy. Ampiasao ny fampianarana ao amin’ny Almà 7:11–13 sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hanampiana an’i Peter amin’ny fanamby atrehiny.

Manao asa amim-pinoana

Vakio ireo andiam-pehezan-teny 5–7 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ny zavatra hitanao fa manampy.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
Sary
icon
  1. Valio ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto farafahakeliny:

    • Inona no azonao ampianarina an’i Peter momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ka afaka manampy an’i Peter hanao asa amim-pinoana?

    • Inona no azon’i Peter atao mba handraisana ny fanampiana azon’i Jesoa Kristy omena?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe na fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Vakio ny andiam-pehezan-teny 8 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ny zavatra hitanao fa manampy

Sary
icon
  1. Valio ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto farafahakeliny:

    • Ahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Ray any An-danitra hieritreretan’i Peter ny zava-misy atrehiny?

    • Nahoana araka ny eritreritrao fa mety hanampy an’i Peter ny fahitana ny zava-misy atrehiny amina fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Vakio ny andiam-pehezan-teny 11–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana, hitadiavana ireo fampianarana izay mety hanampy an’i Peter.

  1. Valio ny roa farafahakeliny amin’ireo fanontaniana ao amin’ity fizarana ity:

    • Inona no karazana loharano nofidin’ Andriamanitra azonao atoro an’i Peter ka afaka manome azy ny fanampiana ilainy?

    Loharano nofidin’ Andriamanitra manan-danja iray izay afaka manampy amin’io zava-misy io ny Almà 7:11–13. Avereno vakina ireo andininy ireo hitadiavana fampianarana izay afaka ny hanampy an’i Peter.

    • Inona no tianao ho takatr’i Peter sy ho tsapany avy amin’ireo andininy ireo?

    • Afaka mieritreritra andalan-tsoratra masina hafa izay mampianatra ny zavatra mety ho tian’ Andriamanitra ho fantatr’i Peter ve ianao?

Hamoaka printy