“Tombano ny fianaranao 5: Môzià 18–Almà 16,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
“Tombano ny fianaranao 5,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra
Tombano ny fianaranao 5
Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanombantombana ireo tanjona napetrakao sy ny fitomboana izay niainanao hatreto nandritra ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna.
Manao jery todika, mandroso any aloha
Mieritrereta fotoana nanaovanao dia an-tongotra, dia am-bisikileta, na dia lavitra. Rehefa mijery any aloha ianao ka manomboka ny dia, dia mety ho tena kely no fahitanao ny fandrosoana vitanao. Inona no mitranga rehefa maka fotoana hanaovana jery todika ny toerana nolalovanao ianao? Mety ho voamarikao fa nandeha lavitra kokoa noho ny tsapanao ianao.
-
Inona no tombony amin’ny fahalalana ny toerana nalehanao sy ny toerana halehanao?
Azo oharina amina dia iray ny fiainantsika. Ny fisaintsainana ny toerana misy anao sy ny toerana halehanao amina dia iray dia mety hitovy amin’ny fisaintsainana tsindraindray ny tanjona anananao amin’ny fandrosoan’ny tenanao manokana.
-
Ahoana no nahazoanao tombony tamin’ny fakana fotoana hanombanana ny tanjonao sy ny fandrosoanao?
Ity lesona ity dia hanampy anao hanombana ny fandrosoana vitanao tamin’ny dianao amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao. Katsaho ny fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina rehefa misaintsaina ny fandrosoanao ianao.
Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy
Azonao atao ny mametraka ny sary nataonao amina toerana izay afaka mampahatsiahy anao hanohy hiezaka mafy hanaraka an’i Jesoa Kristy.
Miaina fiovam-po
Vao haingana ianao no namaky momba ny olona maro izay niaina fiovam-po. Ho an’ny sasany tahaka an’i Almà Zanany sy ny zanak’i Môzià, ilay fiovana dia teo no ho eo sy nisongadina. Ho an’ny sasany, tahaka an’i Amioleka sy ny vahoakan’i Limia, ny fiovam-pon’izy ireo dia niseho rehefa nandeha ny fotoana.
Nanontany ny vahoakan’i Zarahemlà toy izao i Almà: “Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?” (Almà 5:14). Ary raha izany no izy, “tsapanareo ve izany ankehitriny?” (Almà 5:26). Saintsaino ny fivoaran’ny fiovam-ponao manokana. Sarotra indraindray ny mahafantatra ny fomba mety hanampian’ny Tompo anao hiova? Amin’ny lafiny inona no nahitanao ny tenanao tamin’ny sasany tamin’ireo tantara nohalalininao?
Vakio ny Almà 5:14–19, 26–29, ary saintsaino am-bavaka ny fanontanian’i Almà.
Mety ho noraketinao an-tsoratra tao amin’ny diary fandalinanao ny valinteninao tamin’ireo fanontanian’i Almà tamin’ny fotoana nandalinanao voalohany ireny andininy ireny. Ampitahao amin’ny fomba hamalianao ireo fanontaniana ireo amin’izao fotoana izao ny zavatra nosoratanao tamin’izany. Inona no tsikaritrao? Inona araka ny eritreritrao no tian’ny Ray any An-danitra ho fantatrao, tsapanao, na hataonao rehefa avy mampitaha ny valinteninao ianao?
Hevero ny hirakitra an-tsoratra ny valinteninao na fahatsapanao vaovao momba ny fandrosoanao.