“Almà 29: Ny fanirian’ny fontsika,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)
“Almà 29,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna
Almà 29
Ny fanirian’ny fontsika
Ahoana no ahafahanao milaza raha mifanaraka amin’ny zavatra tian’ny Tompo ho anao ny fanirianao amin’ny fiainanao? Ny Almà 29 dia mirakitra an-tsoratra ny fanirian’ny fon’i Almà sy ny fisaintsainany momba ny hoe mifanandrify amin’ny zavatra tian’ Andriamanitra ho azy ve ny faniriany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanombana ny fanirianao sy hampifanitsy izany amin’ny an’ny Tompo.
Faniriana ho an’ny fiainako
-
Fony ianao mbola kely, inona avy no sasantsasany tamin’ny fanirianao lehibe indrindra?
-
Amin’izao ianao efa be taona kokoa izao, ahoana no niovan’ny fanirianao? Ahoana no mety hiovan’ny fanirianao amin’ny hoavy?
Eo amin’ny ilan’ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao, manorata maro amin’ireo fanirianao ho an’ny fiainanao. (Hampiasainao ao aoriana ao amin’ny lesona ny ilany iray.)
-
Ahoana no iantraikan’ny faniriantsika amin’ny fiainantsika?
Rehefa mitombo sy mihamatotra amin’ny filazantsara isika ary manakaiky kokoa an’ Andriamanitra, dia mety hiova ny sasany amin’ny faniriantsika ary mihitsy kokoa amin’ny zavatra tiany ho antsika.
-
Ahoana no ahafahantsika milaza raha mifanaraka amin’ny zavatra tian’ny Tompo ho antsika ny faniriantsika amin’ny fiainantsika?
Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, saintsaino ny fanirianao. Ataovy izay hamantarana ireo faniriana izay mifanaraka amin’ny an’ Andriamanitra sy ireo izay mila mihamatotra na miova.
Mampifanaraka ny faniriantsika amin’ny sitrapon’ny Tompo
Ao amin’ny Almà 29, i Almà dia nirakitra an-tsoratra ny iray tamin’ireo faniriany. Vakio ny Almà 29:1–2, hitadiavana ny zavatra nofaritany.
-
Nahoana i Almà no naniry ho anjely? Inona no zavatra lazain’izany aminao momba azy?
-
Inona no fantatrao momba ny lasan’i Almà ka mety ho nanentana ny faniriany ho tonga anjely? (jereo ny Môzià 27:11–17).
Ity sary manaraka ity dia mety hanampy anao hahatsiaro zavatra niainana manan-danja tamin’ny fiainan’i Almà tany aloha kokoa.
Ny fahatakarana ny sahan-kevitra misy ny andininy dia afaka manome antsika hevi-baovao fanampiny. Ao amin’ireo toko eo alohan’ny Almà 29, ny Tompo dia nandidy an’i Amôna hitondra ny Antia-Nefia-Lehia hiaraka honina amin’ny Nefita mba ho fiarovana azy ireo (jereo ny Almà 27:4–12). Ny Nefita dia nanome ny Antia-Nefia-Lehia ny tanin’i Jersôna hipetrahany ary nampanantena fa hiaro azy ireo. Nanaraka ny Antia-Nefia-Lehia ny Lamanita ratsy fanahy ary nanomboka ady. Niaro ny tenany sy ny fianakaviany tamin’ny Lamanita ny Nefita. Vokatr’izany, “an’alinalina ny Lamanita voavono sy naely patrana … ary nisy koa fandripahana goaibe teo anivon’ny vahoakan’i Nefia” (Almà 28:2–3).
-
Ahoana no ahafahan’io sahan-kevitra io manampy anao hahatakatra ny antony mety ho nanirian’i Almà hiantso am-pahasahiana ny olona hibebaka sy hisoroka alahelo?
Vakio ny Almà 29:3–6, ka tadiavo ny zavatra takatr’i Almà momba ny faniriana.
Fitsipika iray mety ho hitanao ny hoe Andriamanitra dia mamela antsika hanao safidy miorina amin’ny faniriantsika.
Jereo ny ilany roa amin’ny pejinao. Mariho fa tian’ny Tompo hampifantoka ny faniriantsika amin’ny fitiavana sy fanompoana Azy sy ny mitovy amintsika isika. Saintsaino ny fifanarahan’ny fanirianao amin’ny fanirian’ Andriamanitra ho anao.
Na dia tsara aza ny fanirian’i Almà hizara ny filazantsara, dia nanaiky izy fa ny faniriana hizara ny filazantsara toy ny anjely amin’izao tontolo izao manontolo dia tsy tena nifanaraka manontolo tamin’ny toerana sy ny fomba niantsoan’ Andriamanitra azy hanompo. Hevero ny hanisy tsipika eo ambanin’ny andian-teny rehetra ao amin’ny Almà 29:3–6 izay mampiseho fa te hampifanaraka ny faniriany amin’ny sitrapon’ Andriamanitra izy.
-
Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe mianina amin’izay nomen’ny Tompo antsika?
-
Tahaka an’i Almà, nahoana araka ny eritreritrao no tokony hikatsaka izay hampifanarahana ny faniriantsika amin’ny an’ny Tompo isika?
-
Ahoana no ahafahantsika mampifanaraka ny faniriantsika amin’ny sitrapon’ Andriamanitra rehefa mety hoe maharay antso hanompo amina fomba iray tsy mitovy amin’ny fomba tiantsika kokoa isika?
Atỳ aoriana ao amin’io toko io, i Almà dia nanazava fa tsy nila tonga anjely izy vao afaka niteny tamin’ny tany manontolo satria Andriamanitra dia mampianatra ny firenena rehetra amin’ny fahendreny sy ny fotoany (jereo ny Almà 29:7–8). Vakio ny Almà 29:9, 13, hitadiavana ny zavatra nireharehan’i Almà sy ny fahatsapany rehefa nampifanaraka ny faniriany tamin’ny an’ Andriamanitra izy.
Ny maha zava-dehibe ny faniriana
Makà fotoana hisaintsainana ny fomba iharan’io lesona io aminao. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra azonao atao hanamafisana ny faniriana marina anananao sy hikatsahana ny fanampian’ny Tompo hampifanaraka ny faniriana hafa rehetra amin’ny sitrapony.