Seminera
Môrmôna 3: “Tsy maintsy mijoro avokoa eo anoloan’ny toeram-pitsaran’i Kristy ianareo”


“Môrmôna 3: ‘Tsy maintsy mijoro avokoa eo anoloan’ny toeram-pitsaran’i Kristy ianareo,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môrmôna 3,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môrmôna 3

“Tsy maintsy mijoro avokoa eo anoloan’ny toeram-pitsaran’i Kristy ianareo”

Sary
Ny fitsarana farany

Efa nanontany tena ve ianao hoe mety hanao ahoana ny Fitsarana Farany? Rehefa nijery ny faharatsian’ny olony i Môrmôna, dia nampianatra momba izay hitsara antsika sy ny fomba hitsarana antsika amin’io Fitsarana Farany io. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hijoro amim-patokisan-tena sy fifaliana eo anatrehan’i Jesoa Kristy amin’ny Fitsarana Farany.

Ny fanadinana farany

Alaovy sary an-tsaina hoe angatahina hiatrika tombana farany mifandray amin’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna androany izay ahitana fanontaniana toy ireto manaraka ireto ianao:

  1. Misy andininy firy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna?

  2. Impiry i Kristy no resahina amin’ny alalan’ny iray amin’ireo anarany na fiantsoana Azy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna?

  3. Lamanita firy no niova fo tamin’ny alalan’ny fampianaran’i Nefia sy i Lehia ao amin’ny Helamàna 5?

Eritrereto raha afaka mamaly marina tsy misy fanomanana ireo fanontaniana ireo ianao.

  • Inona no mety hiova amin’ny fahatsapanao momba ilay fitsapana raha nilaza mialoha momba izany taminao ny mpampianatra anao ary nanome anao tari-dalam-panadalinana natao hanomanana anao amin’izany?

  • Na dia tsy hangatahina hizara zava-misy kisendrasendra avy ao amin’ny soratra masina amin’ny Fitsarana Farany aza isika, amin’ny fomba ahoana no ahafahana mampitaha ny Fitsarana Farany amina fitsapana izay hatrehintsika rehetra indray andro any? Inona no tsy mampitovy izany amin’ny fiatrehana fitsapam-pahaizana akademika?

Saintsaino ny fahavononanao amin’ny Fitsarana Farany. Hainao ve ny fomba fiomanana amin’izany? Nahoana no te ho vonona amin’izany ianao?

Tia anao ny Ray any An-dantra sy i Jesoa Kristy ary nanome ny soratra masina mba hanampiana anao hahafantatra momba ilay andro sy hiomana amin’izany rehefa “hijoro eo anoloan’ny toeram-pitsaran’i Kristy” ianao (Môrmôna 3:20). Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao ho vonona hijoro amim-patokisan-tena sy fifaliana eo anatrehan’i Jesoa Kristy amin’ny Fitsarana Farany.

Nampianatra momba ny Fitsarana Farany i Môrmôna

Tia ny Nefita i Môrmôna ary nitarika azy ireo tamina ady imbetsaka. Niangavy azy ireo hibebaka amin’ny faharatsian’izy ireo sy hitodika amin’ny Mpamonjy izy. Na izany aza, izy ireo dia nandà ny Tompo ary nirehareha tamin’ny herin’izy ireo manokana, nianiana tamina fianianana masina izay nampianarina azy ireo tsy hampiasaina mihitsy, koa nisy fotoana nandà tsy hitarika azy ireo i Môrmôna (jereo ny Môrmôna 3:10–16). Avy eo izy dia nampianatra momba ny Fitsarana Farany izay hatrehin’ny olombelona rehetra.

  1. Ataovy ary fenoy amin’ny maha-asa ampanaovina amin’ity lesona ity azy ity tabilao manaraka ity. Mampidira ao anatin’izy io araka ny toromarika mandritra ny ambin’ny lesona sy araka izay anaingan’ny Fanahy Masina anao.

    Eo amin’ny ilany havia amin’ny tabilaonao, manaova lisitry ny fanontaniana anananao momba ny Fitsarana Farany tahaka ireo ohatra nomena.

Fanontaniana momba ny Fitsarana Farany ananako

Valinteny sy hevi-baovao lalina ary fahatsapana azoko

Fanontaniana momba ny Fitsarana Farany ananako

Iza no hitsara ahy?

Valinteny sy hevi-baovao lalina ary fahatsapana azoko

Fanontaniana momba ny Fitsarana Farany ananako

Rahoviana no hitsarana ahy?

Valinteny sy hevi-baovao lalina ary fahatsapana azoko

Vakio ny tenin’i Môrmôna ao amin’ny Môrmôna 3:18–22; 6:17–22 mba hitadiavana valiny amin’ireo fanontaniana notanisainao. Soraty eo amin’ny tsanganana havanan’ny tabilaonao ny hevi-baovao hitanao, ao anatin’izany ny toko sy andinin-tsoratra masina nahitanao ny hevi-baovao tsirairay.

Ny toeram-pitsaran’i Kristy

Fahamarinana iray ianarantsika amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo ny hoe isika rehetra dia hijoro eo anoloan’ny toerampitsaran’i Kristy mba hotsaraina amin’ny asantsika, na tsara na ratsy izany. Hevero ny hanisy marika ny andian-teny izay mampianatra io fahamarinana io ao amin’ny Môrmôna 3:20.

  • Nahoana no mety hampionona ny fahafantarana fa ny Mpamonjy no Mpitsara antsika? (Raketo an-tsoratra ao amin’ny tsanganana havanan’ny tabilaonao ny valinteninao).

Mba hahazoana fanampiana amin’ny famaliana ny fanontaniana teo aloha, dia azonao atao ny mamaky ny Almà 7:11–13, hitadiavana ny zavatra niainan’ny Mpamonjy ka ahafahany mahatakatra antsika tanteraka amin’ny Fitsarana. Azonao atao ihany koa ny mihaino teny iray nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ny “Ilay drafitra lehibe” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 14:06 hatramin’ny 14:51 hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Mety mbola manana fanontaniana sy ahiahy momba ny Fitsarana Farany ianao. Mitadiava valiny sy hevi-baovao hafa amin’ny alalan’ny fampiasana loharanom-pahalalana eo ambany na loharano hafa avy amin’ Andriamanitra. Soraty eo amin’ny tsanganana mifanaraka amin’izany ao amin’ny tabilaonao ny hevi-baovao hitanao.

Mety ho azonao atao ihany koa ny mihaino fampianarana hafa avy amin’ny Filoha Oaks momba ny Fitsarana Farany ao amin’ny “Divine Love in the Father’s Plan (Fitiavan’ Andriamanitra ao amin’ny Drafitry ny Ray)” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 1:44 hatramin’ny 3:32, na ny “Voadio amin’ny alalan’ny fibebahana” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 8:09 hatramin’ny 12:03, samy hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Inona avy no fahamarinana momba ny Ray any An-danitra, sy i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ary ny Fitsarana Farany hozarainao amin’ny olona iray izay matahotra momba ny Fitsarana Farany? Nahoana?

Fatokisan-tena amin’ny Andro Fitsarana

Eritrereto ny fahatsapanao nandritra ity fandalinana ity. Mahatsapa ho matoky tena sy faly kokoa na tsy dia matoky tena sy tsy dia faly kokoa momba ny Fitsarana Farany noho ny talohan’ity lesona ity ve ianao? Nahoana no izany no fahatsapanao? Inona no itarihan’ny Fanahy Maisna mba hataonao?

Ao amin’ny diary fandalinanao, dia manaova drafitra hanomboka hiomana an-tsitrapo kokoa amin’ny Fitsarana Farany. Saintsaino ary manapaha hevitra amina hetsika iray azonao atao mba hanampy anao hahatsapa fatokian-tena sy fifaliana kokoa eo am-piomananao hijoro eo anoloan’i Kristy. Ohatra, ny fibebahana isan’andro amin-kitsimpo dia fomba iray mahery vaika hahitana “fahasambarana sy fiadanan-tsaina”. (Jereo ny Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67.) Manolora tena hanaraka ny drafitrao.

Hamoaka printy