“Fampahafantarana ny Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
“Fampahafantarana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra
Fampahafantarana ny Bokin’i Môrmôna: Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera
Ny tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora hanao izay hampalalim-paka ny fiovam-pon’izy ireo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Rain’izy ireo any An-danitra.
Ireo lesona sy loharanom-pahalalana hafa hita ato amin’ity boky torolalana ity dia natao hanampiana anao hanatratra izany tanjona izany. Afaka manampy anao hifantoka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireo ary hampiasa ireo fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy.
Fitaovana hanampiana anao hiomana hampianatra
Ny Soratra Masina
Ireo lesona izay voarakitra ato amin’ity boky torolalana ity dia mitaky mpampianatra entanim-panahy izay mandalina tsy tapaka ny soratra masina sy mikatsaka hatrany ny fananana ny Fanahy Masina ho namana. Ny fandalinana arahana ireto andalan-tsoratra masina ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy ireto dia fomba manan-danja iray hiomanana hampianatra ireo mpianatra. Rehefa mandalina tsy tapaka ny soratra masina ianao, dia afaka matoky fa ny Ray any An-danitra dia hanome fitaomam-panahy anao amin’ny alalan’ny Fanahiny mba hampifanaraka ireto fitaovana ireto amin’ny zavatra izay ilain’ireo mpianatrao.
Topimaso ankapobeny isan-kerinandro
Ity boky torolalana ity dia narindra araka ireo andian-tsoratra masina vakiana isan-kerinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Ho an’ny andian-tsoratra masina vakiana isan-kerinandro tsirairay, ity boky torolalana ity dia manome topimaso ankapobeny isan-kerinandro arahana lesona miisa dimy. Ny topimaso ankapobeny isan-kerinandro dia manome fampahalalana manokana momba ny lesona mba hanampiana anao hampianatra ka isan’izany ny:
-
Ireo tanjon’ny lesona
-
Soso-kevitra ho an’ny fiomanan’ny mpianatra
-
Lisitra ahitana ireo lesona ampianarina amin’ny alalana zavatra, taratasy zaraina, sary, horonan-tsary, na fitaovana hafa izay mety ilaina omanina mialoha
-
Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence (raha toa ka miditra amin’ny alalan’ny application Bibliothèque de l’Evangile na Bibliothèque de l’Evangile an-jotra izay ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org)
Ny famerenana mijery ny topimaso ankapobeny isan-kerinandro eny amin’ny fiandohan’ny herinandro tsirairay dia afaka manampy anao hanapa-kevitra momba ireo lesona izay tokony hampianarina sy ireo fitaovana izay tokony hangonina na homanina mialoha.
Torohevitra momba ny fampianarana
Ny torohevitra ho an’ny fampianarana dia manazava ireo fomba sy fitsipika enti-mampianatra izay afaka manampy anao hivoatra amin’ny maha-mpampianatra anao. Ny lesona tsirairay dia ahitana torohevitra mikasika ny fomba enti-mampianatra aorian’ny fampidirana ny lesona. Azonao atao ny mitady fomba sy fitsipika enti-mampianatra fanampiny ao amin’ny tahirim-boky ho an’ny fampivoarana ny fahaiza-manaon’ny mpampianatra izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Rehefa mahatsapa ho vonona tanteraka ianao, dia andramo ampiharina ireo torohevitra ireo rehefa mampianatra ianao. Hahatsikaritra fivoarana eo amin’ny fahaizanao mampianatra ianao.
Torolalana enti-fampianarana
Ny torolalana enti-mampianatra dia natao mba hanampiana anao hiomana hampianatra. Afaka manampy anao hahafantatra ny fomba hampiasana ireo sahanasa fianarana izay aroso ao amin’ny lesona ireo torolalana ireo. Mety manazava ny tanjona kendrena amin’ireo sahanasa ao amin’ny lesona izy ireo na manolotra soso-kevitra mikasika ny fomba hampifanarahana ny votoatin-desona mba hahatonga izany hifanaraka kokoa amin’ny zavatra tena ilain’ireo mpianatra. Ireo soso-kevitra ireo dia mety ahitana fomba fiasa hafa azo atao, fanontaniana, na sahanasa izay manampy anao hampifanaraka ny votoatin-desona sy ireo sahanasa raha ilaina izany.
Fiomanan’ny Mpianatra
Ny lesona tsirairay dia ahitana soso-kevitra hanampiana ireo mpianatra hanomana ny sainy sy ny fony amin’ny zavatra izay ho hitany mandritra nytraikefa amin’ny fianarana. Ny topimaso ankapobeny isan-kerinandro tsirairay dia mitanisa ireo soso-kevitra amin’ny fiomanan’ny mpianatra ho an’ny lesona miisa dimy izay hatao mandritra ’io herinandro io. Azonao atao ny mandinika ireo soso-kevitra ireo any am-piandohan’ny herinandro ary manapa-kevitra ombam-bavaka mikasika izay soso-kevitra tsapanao fa mety tena hanampy indrindra ireo mpianatrao. Tsy voatery hampiasa ny soso-kevitra rehetra amin’ny fiomanan’ny mpianatra ianao. Azonao atao ny mampifanaraka azy ireo na mamorona ny soso-kevitrao manokana. Maro amin’ireo soso-kevitra ireo no natao mba homena ny mpianatra iray andro mialohan’ny traikefa amin’ny fianarana.
Sahanasa fianarana azo atao
Ity fizarana ao amin’ny lesona ity dia ahitana ireo fomba hafa azo atao hitondrana ny traikefa amin’ny fianarana. Tsy voatery hampiasa ireo sahanasa fianarana rehetra ao amin’ny lesona ampianarinao ianao. Mba hahafahan’ireo mpianatrao mahazo ny traikefa tsara indrindra, dia tokony hampiasa ilay votoatin-kevitra ato amin’ity fizarana ity ianao hatao tari-dalana fa tsy lahatsoratra vakiana fotsiny ihany. Raha toa ka vao manomboka amin’ny maha-mpampianatra seminera anao ianao, dia mety ho tsara kokoa raha toa ka manomboka amin’ny fanarahana ireo sahanasa fianarana naroso ianao. Rehefa mivoatra amin’ny maha mpampianatra anao ianao dia hanatsara ny fahaizanao mampifanaraka ny votoatin’ity boky torolalana ity mba hifanojo araka izay tsara indrindra azo atao amin’ny filan’ny mpianatrao.
Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho
Ny ankamaroan’ny lesona dia misy fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” avokoa any amin’ny faran’ny lesona. Ity fizarana ity dia ahitana fampahalalana fanampiny izay afaka mahalalim-paka ny fianarana. Azonao atao ny mitady ireo mety ho valin’ireo fanontanian’ny mpianatra na mitady teny nolazain’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay tianao hampidirina ao amin’ny lesona. Io fizarana io dia tsy hita raha tsy rehefa mijery ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra ao amin’ny application Bibliothèque de l’Evangile na ny Bibliothèque de l’Evangile an-jotra ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ihany ianao. Ny ankamaroan’ny fampahalalana ato anatin’ity fizarana ity dia tafiditra ihany koa ao amin’ny fandaharam-pampianarana seminera an-jotra sy ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpianatra (eo ambanin’ilay lohateny hoe “Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?”) amin’ny alalan’ny application Bibliothèque de l’Evangile na ny Bibliothèque de l’Evangile an-jotra izany. Ny “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” dia tsy tafiditra ao anatin’ny boky torolalana amin’ny endrika PDF na ho an’ny mpampianatra izany sy na ho an’ny mpianatra.
Sahanasa fianarana fanampiny
Ity fizarana ity, izay hita any amin’ny faran’ny lesona ihany koa, izay manolotra hevitra fanampiny amin’ny fitondrana ny traikefa amin’ny fianarana. Ny sahanasa fianarana fanampiny dia tsy hita afa-tsy ao anatin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra izay ho hitanao amin’ny alalan’ny fidirana ao amin’ny application Bibliothèque de l’Evangile na ny Bibliothèque de l’Evangile an-jotra ChurchofJesusChrist.org. Ity fizarana ity dia tsy tafiditra ao anatin’ny boky torolalana amin’ny endrika PDF na ho an’ny mpampianatra izany na ho an’ny mpianatra.
Fifehezana fotopampianarana
Laharam-pahamehana lehibe iray ho anao amin’ny maha-mpampianatra anao ny manampy ireo mpianatra hanatontosa ireo vokatra andrasana avy amin’ny fifehezana fotopampianarana. Tafiditra ao anatin’ireo vokatra ireo ny fanampiana ireo mpianatra:
-
Hianatra sy hampihatra ireo fitsipika avy amin’ Andriamanitra mba hahazoana fahalalana ara-panahy.
-
Hifehy ireo andinin-tsoratra masina voafantina sy ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay ampianarin’izy ireny.
Ny fifehezana ireo andinin-tsoratra masina voafantina sy ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay ampianarin’ireo andalan-tsoratra masina ireo dia midika fa ireo mpianatra dia:
-
Hahafantatra sy hahatakatra ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.
-
Hanazava mazava tsara ny fotopampianarana amin’ny fampiasana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mifandray amin’izany.
-
Hampihatra ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny safidy izay ataon’izy ireo isan’andro sy eo amin’ny fihetsika izay asetrin’izy ireo amin’ireo olana sy fanontaniana ara-potopampianarana, an’ny tena manokana, ara-piarahamonina ary ara-tantara.
-
Hitadidy sy hahita ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary hanao tsianjery ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.
Mety ho tena sarotra ny fanaovana izany amin’ny voalohany, fa saingy afaka matoky tsara ianao fa ity boky torolalana ity dia hanoro anao amin’ny fanampiana ireo mpianatrao mba hahavita ny fifehezana fotopampianarana. Isaky ny andian-desona miisa dimy hita ato amin’ity boky torolalana ity, dia hahita lesona anankiray afaka manampy ireo mpianatra mba hahatratra ireo vokatra ireo ianao. Ireo lesona ireo dia mety ho lesona momba ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na koa lesona famerenana ny fifehezana fotopampianarana.
Lesona momba ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana
Ireo lesona momba ny fifehezana fotopampianarana sy ny lesona araka ny sahan-kevitra mialoha ny tsirairay amin’izy ireo dia tokony heverina ho manan-danja avokoa. Ny lesona momba ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana tsirairay dia tokony hampianarina mandritra ny taom-pampianarana avokoa, anisan’izany ireo lesona tsy vita rehefa tsy nisy kilasy seminera. Ireo lesona manan-danja ireo dia ahitana ny:
-
Fahazoana fahalalana ara-panahy, Fizarana 1, 2, 3, ary 4.
-
Ny lesona araka ny sahan-kevitra mialoha ireo lesona momba ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana tsirairay miisa 24.
-
Ireo lesona momba ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 24 (ohatra, “Fifehezana fotopampianarana: 1 Nefia 3:7” or “Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 2:25”).
Ireo lesona momba ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia manampy ireo mpianatra:
-
Hitadidy ilay toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ilay soratra masina.
-
Hanazava ny fotopampianarana.
-
Hizatra hampihatra ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana izay ampianarina ao anatin’ilay andalan-tsoratra masina.
Lesona famerenana fifehezana fotopampianarana
Ny lesona famerenana fifehezana fotopampianarana dia manome fahafahana hamerina hijery (na amin’ny fotoana sasantsany, hampahafantarana) ny sasany amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy hiasana mba hanatontosana ireo vokatra andrasana amin’ny fifehezana fotopampianarana. Tsy voatery hatao ny lesona famerenana fifehezana fotopampianarana. Raha toa ka tsy nanao lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo mpianatra noho ny tsy fisian’ny fotoam-pampianarana, dia azonao atao ny mampianatra ilay lesona tsy vita ho solon’ny lesona famerenana fifehezana fotopampianarana.
Manampy ireo mpianatra hanombana ny fahatakarany
Ny fanaovana fanombanana dia ampahany manan-danja iray amin’ny fianarana. Ny fotoana ahafahana miato kely sy misaintsaina ny fianarana dia mety ho traikefa tsara ho an’ireo mpianatra ary mety hamporisika azy ireo amin’ny fitoamboany sy fivoarany tsy mitsaha-mitohy mba ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Nanolotra torohevitra feno fahendrena ho an’ny mpampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Tsarovy fa ny mpianatra iray dia tsy fitoeran-javatra hofenoina; ny mpianatra dia afo ilaina arehitra”
(“Angels and Astonishment” [Fampitana ny fampiofanana ataon’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 12 jona 2019] broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).
Ny fanomezana fahafahana ireo mpianatra hanao tombana ny fahatakarana avy amin’izay nianarany dia fomba iray hampiharana ny torohevitra naroson’ny Loholona Holland. Rehefa manao tombana ny fahatakarany ny mpianatra, dia lasa mpandray anjara mavitrika amin’ny fizotry ny fianarana ary mandray andraikitra bebe kokoa amin’ny fianarany izy ireo. Misy traikefa amin’ny fianarana maromaro nampidirina ato anatin’ity fandaharam-mpampianarana ity izay natao mba hanomezana fotoana ireo mpianatra hisaintsainana ny zavatra izay ianarany sy ny fomba hivoarany amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo.
Lesona “Tombano ny fahatakaranao”
Ity boky torolalana ity dia ahitana lesona maromaro momba ny “Tombano ny fahatakaranao”. Ireo lesona ireo dia manome fahafahana ireo mpianatra hanazava ny fotopampianarana manan-danja ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, sy hisaintsaina ny toe-tsaina sy ny fanirian’izy ireo, ary hizara ny fivoaran’izy ireo eo amin’ny fikolokoloana ireo fitondrantena izay afaka manampy azy ireo ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy feno fanoloran-tena kokoa. Ireo lesona ireo dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa fifaliana rehefa mahita ny fivoaran’izy ireo sy mamantatra ireo zavatra ilana fivoarana fanampiny amin’ny hoavy.
Lesona famerenana ny fanombanana ny fahatakarana
Eny amin’ny faran’ny antsasaky ny taranja tsirairay, dia hampanao fanombanana ny fahatakarana ny zavatra nianarana an’ireo mpianatra ianao hanampiana azy ireo hanombana ny fahaizany manatratra ny vokatry andrasana avy amin’ny fifehezana fotopampianarana. Tokony hisy lesona famerenana ny fanombanana ny fahatakarana hampianarina mandritra ny fotoam-pianarana hafa mialoha kely ny hampanaovana ilay fanombanana. Ny lesona famerenana ny fanombanana ny fahatakarana dia hita ao amin’ny tovana ho an’ity boky torolalana ity. Ireo lesona ireo dia ahitana sahanasa famerenana izay afaka manampy ireo mpianatra hamerina hijery ny fotopampianarana, sy ireo andalan-tsoratra masina ary ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana tsirairay izay nianaran’izy ireo tao amin’ny tapany voalohany na faharoan’ilay taranja. Ireo lesona ireo dia manampy ihany koa ireo mpianatra hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.
Fanombanana fahatakarana
Ny fanaovana tombana ho an’ireo tapany voalohany sy faharoa ny fahatakarana dia mifantoka amin’ny fifehezana fotopampianarana ary izany dia tafiditra ao anatin’ny tovana ho an’ity boky torolalana ity. Afaka manao ilay tombana ny mpianatra mandritra ny fotoam-pianarana iray ary manitsy izany ao an-dakilasy miaraka amin’ny fanampian’ny mpampianatra sy ireo mpiara-mianatra aminy hafa. Mba ho afaka amin’ity taranja seminera ity, dia mila mahazo isa 75 isan-jato na mihoatra ny mpianatra isaky ny manao fanombanana ny fianarana. Afaka mamerina manao tombana imbetsaka araka izay ilaina ny mpianatra.
Mpampianatra seminera an-jotra
Raha toa ka mpampianatra seminera an-jotra ianao, dia mety hanampy anao ny mijery ny votoatin-kevitra izay voarakitra ao amin’ity boky torolalana ity rehefa manomana lesona ianao. Na dia mitovitovy aza ny votoatin’ireo lesona hita ato anatin’ity boky torolalana ity sy ireo izay hita ao amin’ny fandaharam-pampianarana seminera an-jotra, ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera dia ahitana ihany koa torolalana enti-mampianatra sy sahanasa fianarana fanampiny. Ireo loharanom-pahalalana ireo dia afaka manampy anao hamaly ireo fanontaniana apetraky ny mpianatra, hampifanaraka ny votoatin-kevitra amin’ny fandaharam-pampianarana an-jotra, ary hiomana amin’ny fampianarana izay atao mifanatri-tava (na mivantana na virtoaly).
Ho fanampin’ity boky torolalana ity sy fandaharam-pampianarana seminera an-jotra, dia misy loharanom-pahalalana fanampiny izay afaka manampy anao hampianatra seminera an-jotra. Ny herinandro tsirairay amin’ny fandaharam-pianarana seminera an-jotra dia ahitana pejy iray tsy natonta mitondra lohateny hoe “Soso-kevitra ho an’ny mpampianatra an-jotra” izay natokana ho an’ny mpampianatra fotsiny ihany. Io pejy io dia ahitana soso-kevitra maro isan-karazany hanampiana anao hanao ny traikefa amin’ny fianarana ho manan-danja kokoa ho an’ny mpianatra. Isan’ireo soso-kevitra ireo ny:
-
Torohevitra momba ny fampianarana an-jotra
-
Ireo tanjon’ny lesona
-
Soso-kevitra ho an’ny fiomanan’ny mpianatra
-
Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence
-
Soso-kevitra amin’ny fampifanarahana ny votoatin-javatra an-jotra
Amporisihina ianao hampifanaraka ny fandaharam-pampianarana seminera an-jotra amin’ny zavatra izay tena ilain’ireo mpianatrao. Ny pejy rehetra ao amin’ny fandaharam-pampianarana seminera an-jotra dia azo amboarina sy ovaina avokoa. Ny fampifanarahana sasany izay mety hataonao amin’ny fandaharam-pampianarana an-jotra dia mety ahitana:
-
Famerenana mijery sahanasa amin’ny lesona iray mba ho manan-danja sy hahaliana kokoa an’ireo mpianatra.
-
Famafana votoatin-javatra sasany izay mety ho be loatra na sarotra loatra ho an’ireo mpianatra ny hanakatra azy.
-
Fanoloana ny votoatin-javatra amin’ny firaketana horonan-tsary ahitana anao na olon-kafa izay mijoro ho vavolombelona mikasika ny fitsipika na fotopampianarana iray hita ao amin’ny soratra masina na fizarana zavatra niainan’ny tena manokana.
-
Fanoloana teny nindramina amina teny nindramina iray nambara vao haingana na mora kokoa ho an’ireo mpianatra ny manakatra azy.
Ny mpampianatra seminera an-jotra dia mila mampifanaraka ny filaharan’ireo lesona vitsivitsy izay hita ao amin’ny fandaharam-pampianarana seminera an-jotra mba hanarahana ireo tari-dalana famitana lesona misy eo an-toerana.
Mpampianatra seminera ho an’ireo izay manaraka fandaharam-pianarana any an-trano
Raha toa ka mpampianatra seminera ho an’ireo izay manaraka fandaharam-pianarana any an-trano ianao, dia mila manana ilay boky torolalana ho an’ny mpianatra seminera ny mpianatra na afaka miditra ao amin’ny appli Bibliothèque de l’Evangile na ny Bibliothèque de l’Evangile an-jotra izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Mila milaza amin’ny mpianatra ireo lesona izay hohalalinin’izy ireo any an-trano sy ireo lesona izay hiarahanareo mianatra amin’ny endrika ampitain-davitra na mivantana ianao. Ireo lesona ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpianatra dia mifanaraka amin’ny lesona izay mitovy amin’izany ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra.
Rehefa manapa-kevitra momba ny lesona izay hampianarina mifanatri-tava ianao, dia eritrereto ireo lesona izay mety hahomby indrindra rehefa atao anaty vondrona. Azonao tolorana fanasana izay hanampy azy ireo hiomana ho amin’ny fianarana ny mpianatra. Ireo soso-kevitra ho an’ny fiomanan’ny mpianatra izay hita any am-piandohan’ny lesona tsirairay dia afaka manome hevitra anao mikasika ny fomba ahafahana manao izany. Rehefa manomana ireo traikefa amin’ny fianarana ho an’ireo fampianarana hatao mifanatri-tava ianao, dia makà fotoana fohy mandritra ny fampianarana mba hamerenana mijery ireo toko sy andininy ary andian-teny manan-danja ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nianaran’ireo mpianatra vao haingana.
Ny mpianatra dia tokony hamita ireo asa atao voatanisa ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpianatra ary handefa izany aminao isan-kerinandro farafahakeliny. Ny mpianatra dia afaka mandefa ny asany amin’ny alàlan’ny fitaovana elektronika (mailaka, application fandefasan-kafatra, na zavatra toy izany) na ao anatin’ny diary fandalinana soratra masina. Raha toa ka mandefa ny asa izay nataony ao anatin’ny diary fandalinana soratra masina ireo mpianatra, dia tokony hanana diary fandalinana soratra masina roa izy ireo mba hahafahan’izy ireo mamela ny anankiray any aminao raha ilaina izany ary manohy ny asany ao amin’ilay anankiray hafa, ka mifanakalo ireo diary fandalinany soratra masina ireo isaky ny mihaona ianareo.
Rehefa mamerina mijery ny asan’ireo mpianatra ianao, dia manehoa hevitra voafaritra tsara sy manan-danja. Mitadiava fomba hankaherezana ny mpianatra sy hanampiana azy ireo hivoatra amin’ny fianarana ataony. Azonao atao koa ny manampy azy ireo amin’ny alalan’ny fitadiavana fomba hifandraisana amin’izy ireo mandritra ny herinandro. Ohatra, raha toa ka mandalina ireo lesona izay hita ato amin’ity boky torolalana ity ianao sady mamita ireo lesona mitovy amin’izany any an-trano ireo mpianatra, dia mety hahazo fitaomam-panahy hizara fanontaniana, horonan-tsary mirakitra tari-dalana, na loharanom-pahalalana hafa avy amin’ity boky torolalana ity amin’ireo mpianatra ianao amin’ny alalan’ny mailaka, vondrona hifandefasana hafatra an-tsoratra, na fomba hafa ahafahana mifanerasera. Azonao atao ihany koa ny manolotra fampahatsiahivana na fankaherezana mba hanorenana firaisan-kinan’ny iray kilasy sy hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ho manana anjara toerana rehefa miara-mandalina ny filazantsara sy miara-mitombo izy ireo.