Seminera
Tahirin-kevitra fanolorana: Topimaso


“Tahirin-kevitra fanolorana: Topimaso,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Tahirin-kevitra fanolorana: Topimaso,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Tahirin-kevitra fanolorana

Topimaso

Hianatra ny Bokin’i Môrmôna ianao amin’ity taonan-tseminera ity. Ireto lesona ireto dia hanampy anao hahatakatra tsara kokoa ny maha-zava-dehibe ny drafitry ny Ray any An-danitra sy hanatsara ny fahafahanao mandalina ny soratra masina isan’andro. Hianaranao ihany koa ny fomba famantarana ny anjara asa fototry ny Fanahy Masina, ny fomba ihetsehana amim-pinoana an’i Jesoa Kristy rehefa mitady valiny amin’ny fanontanianao ianao, ary ny fomba ahazoana tombony araka izay azo atao amin’ny fanatrehanao seminera.

Miomana hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay. Fanamarihana: Azo ampianarina any am-piandohan’ny taom-pianarana na amina fotoana hafa izay hahazoan’ny mpianatra tombony ny sasany na ny rehetra amin’ireto lesona manaraka ireto.

Ny drafitry ny famonjena

Tanjon’ny lesona: Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny drafitry ny Ray any An-danitra ity lesona ity.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra zavatra iray tsapan’izy ireo fa tsy vitan’izy ireo ny miaina tsy misy azy ary ho vonona hanazava ny anton’izany. Azon’izy ireo atao koa ny mitondra izany na ny sarin’izany ao am-pianarana raha mety.

  • Votoatiny haseho: Ireo fanontaniana valian’ny Bokin’i Môrmôna (atao lisitra eny amin’ny solaitrabe, soratana amina taratasy kely ary apetraka amin’ny rindrina, na aseho amina fomba hafa)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Asehoy ireo fanontaniana valian’ny Bokin’i Môrmôna. Asao ny mpianatra mba hilaza izay fanontaniana tena mahaliana azy ireo ny hahafantatra azy. Mamoròna efitra mampisaraka isaky ny fanontaniana tsirairay mba hahafahan’ny mpianatra mifanakalo hevitra amin’ny zavatra ianaran’izy ireo ary manomeza fe-potoana. Rehefa tapitra ny fotoana dia farano ny efitra mampisaraka mba hahafahan’ny mpianatra mifanakalo hevitra amin’ny iray kilasy ny zavatra nianaran’izy ireo.

Mandalina ny soratra masina

Tanjon’ny lesona: Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hampitombo ny faniriana sy ny fahafahan’ny mpianatra mandalina ny soratra masina isan’andro sy mandray ireo fitahiana nampanantenaina izay miaraka amin’ny fandalinana soratra masina.

  • Fanomanana ny mpianatra: Omeo ny mpianatra ilay taratasy zaraina “Fitsapam-pahaizana momba ny soratra masina” avy amin’ity lesona ity hoentiny mody sy hofenoiny. Hevero ny hanasa mpianatra hangataka olona ao amin’ny fianakaviana hamaly ireo fanontaniana ihany koa ary hiaraka hifanakalo hevitra ny valin-tenin’izy ireo.

  • Taratasy zaraina: “Fitsapam-pahaizana momba ny soratra masina”

Mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ireo anjara asa fototry ny Fanahy Masina, izay tena ilaina amin’ny fitomboana sy fandrosoan’izy ireo ara-panahy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hieritreritra zavatra niainan’izy ireo nahatsapany ny hery mitarika ananan’ny Fanahy Masina ny mpianatra. Amporisiho izy ireo hifantoka amin’ireo eritreritra na fahatsapana izay niaraka tamin’ilay zavatra niainana ary ho tonga efa vonona hizara.

  • Sary na zavatra: Sary na karazam-pitaovam-pifandraisana samy hafa, ahitana finday avo lenta iray

  • Horonan-tsary:[Feeling the Holy Ghost] Mahatsapa ny Fanahy Masina” (3:17)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Rehefa mifanakalo hevitra amin’ireo fomba samihafa ahafahantsika mahatsapa ny Fanahy Masina, dia hevero ny hampiasa fitaovana solaitrabe fotsy na rindrambaiko hafa mba hahafahan’ny mpianatra mitanisa ny fomba samihafa nahatsapan’izy ireo ny Fanahy.

Mianatra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahazo tombony araka izay azo atao amin’ny fanatrehan’izy ireo seminera amin’ny alalan’ny fahatakarana ny dikan’ny hoe mianatra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny andiam-pehezan-teny 1–2 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) ny mpianatra ary hiomana hizara ny zavatra azontsika atao mba hianarana fahamarinana ara-panahy.

  • Horonan-tsary:An Especially Noble Calling [Antso mendri-kaja manokana]” (11:25; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:16 hatramin’ny 3:49); “Afaka manova fiainana ny seminera” (4:14)

  • Votoatiny haseho: Ny teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson tany am-piandohan’ny lesona; sarina mpianatra ao amin’ny seminera

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Raha azo atao dia hevero ny hanasa mpianatra iray na roa vao avy nahazo diplaoma tamin’ny seminera mba hanatrika ny visio-conférence sy hizara izay zavatra nanampy azy ireo hianatra ny filazantsara tao amin’ny seminera. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mizara ny zavatra tian’izy ireo raha mba nataony tamin’ny fomba hafa na fantany tamin’ny fotoana nanombohany nanao seminera voalohany.

Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy rehefa mitady valiny amin’ireo fanontaniana sy fanahiana eo amin’ny fiainany izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hanontany olona iray ao amin’ny fianakaviana na mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay maneho finoana lehibe an’i Jesoa Kristy ny zavatra ataony mahatonga azy hahery hatrany rehefa miatrika fanontaniana na fanahiana momba ny filazantsara.

  • Horonan-tsary:Act in Faith: The Stonemason” (4:57)

  • Votoatiny haseho: Ireo fanovozan-kevitra sy famintinana avy ao amin’ny 1 Nefia hanovozan’ny mpianatra hevitra mandritra ny fanaovana fandalinana

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Hevero ny hanasa mpianatra hifidy amin’ny fomba hita maso izay mety ho valin’ilay fanontaniana hoe “Inona araka ny eritreritrao no mety ho dikany raha manana fanontaniana momba ny filazantsara na ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ny olona iray?” Ohatra, azon’izy ireo atao ny mamono ny fakantsarin’izy ireo raha mieritreritra izy ireo fa mety ho marina tsara ny valiny ary mamela ny fakantsary handeha raha tsy mieritreritra izany izy ireo. Miatoa aorian’ny safidy tsirairay mba hanontaniana mpianatra maromaro ny antony nifidianan’izy ireo toy izany. Ampio izy ireo hahatakatra fa izay rehetra mety ho valiny dia afaka ny ho marina tsara na tsy marina tsara, miankina amin’ny fanirian’ny olona iray sy ny safidiny.

Hamoaka printy