Seminera
Mandalina ny soratra masina: Hazòny mafy ny tenin’ Andriamanitra


“Mandalina ny soratra masina: Hazòny mafy ny tenin’ Andriamanitra,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Mandalina ny soratra masina,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Loharanom-pitaovana fampahafantarana

Mandalina ny soratra masina

Hazòny mafy ny tenin’ Andriamanitra

Sary
Zatovovavy mandalina soratra masina

Miavaka ny soratra masina eo amin’ny fahafahany mampitombo ny finoana sy fitiavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny fandalinana tsy miovaova sy manan-danja dia manasa ny finoana sy manamafy orina ny fiainantsika andavanandro. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hampitombo ny fanirianao sy ny fahafahanao handalina ny soratra masina isan’andro sy handray ireo fitahiana nampanantenaina izay miaraka amin’ny fandalinana soratra masina.

Mamporisika ny mpianatra hanana fahazarana mandalina soratra masina isan’andro. Zavatra vitsivitsy ihany no hanana fitaomana mahery vaika sy fitarihana ho amin’ny tsara maharitra kokoa eo amin’ny fiainan’ireo mpianatra mihoatra ny fanampiana azy ireo hianatra hitia ny soratra masina sy handalina izany isan’andro. Fomba iray hanaovana izany ny fifampiresahana amin’ny mpianatra momba ireo tombontsoa sy fitahiana entin’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina isan’andro.

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Fiomanan’ny mpianatra: Omeo ny mpianatra ilay taratasy zaraina “Fitsapam-pahaizana momba ny fandalinana soratra masina” avy amin’ity lesona ity hoentiny mody sy hofenoiny. Hevero ny hanasa mpianatra hangataka olona ao amin’ny fianakaviana hamaly ireo fanontaniana ihany koa ary hiaraka hifanakalo hevitra amin’ny valin-tenin’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Fandalinana ny soratra masina isan’andro

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny maha-zava-dehibe ny ezaka tsy miovaova amin’ny fandalinana ny soratra masina rehefa mandeha ny fotoana, dia hevero ny hanasa mpianatra iray izay mahavita tsara manao pompe mba hiroso eny alohan’ny iray kilasy hanao fampisehoana. Rehefa vitany izany dia hevero ny hanontany hoe: “Matanjaka kokoa ve ilay mpianatra izao izy avy nanao pompe vitsivitsy izao? Nahoana, na raha tsia dia nahoana?”

Raha te hatanjaka kokoa amin’ny alalan’ny fanaovana pompe ny olona iray, dia inona no zavatra tsy maintsy ataony? Hafiriana no mety hilaina mba hahitana fitomboan-tanjaka misongadina? Inona avy no fanamby mety ho tsy maintsy resen’ilay olona?

  • Inona no ifandraisan’izany amin’ny fandalinana soratra masina?

Vakio ireto teny nambaran’ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) sy i Julie B. Beck, Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany tamin’izany ireto, ary jereo ny zavatra ampianarin’izy ireo momba ny fandalinana soratra masina:

Ny fampiasam-potoana isan’andro amin’ny fandalinana soratra masina dia tsy isalasalana fa hampahatanjaka ireo foto-pinoantsika sy ireo fijoroantsika ho vavolombelon’ny fahamarinana. (Thomas S. Monson, “How Firm a Foundation,” Liahona, nôv. 2006, 68)

Na dia tsy mihevitra ny tenako ho manampahaizana aza aho, … dia ankasitrahako ny nanombohako ny fahazarana mandritra ny androm-piainana mamaky [ny soratra masina]. Zavatra tsy mitombina ny hianarana ireo lesona hita ao amin’ny soratra masina amin’ny alalan’ny famakiana azy ireo indray mandeha fotsiny na fandalinana andininy voafantina ao am-pianarana. (Julie B. Beck, “Mon âme fait ses délices des Ecritures,” Liahona, mey 2004, 107)

  • Inona no hitanao?

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Hevero ny hampiseho ity fitsapana ny fahaizan’ny tena momba ny fandalinana soratra masina ity mba hahafahan’ny mpianatra mameno izany samirery.

Hevero ny fahatsapanao momba ny fandalinanao ny soratra masina.

Taratasy zaraina: “Fitsapam-pahaizana momba ny soratra masina”

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)—“Mandalina ny soratra masina”

Omeo naoty amin’ireto fanambarana manaraka ireto ny tenanao, amina ambaratonga 1 hatramin’ny 5 (ny 1 dia ambany ary ny 5 dia ambony):

  • Laharam-pahamehana amiko ny fandalinana ny soratra masina isan’andro.

  • Fantatro sy ampiasaiko ny fahaizana mandalina soratra masina (vavaka, fisaintsainana, fanamarihana ambanim-pejy, fanamarihana sy ny sisa) izay manampy ahy hahazo kokoa ny soratra masina.

  • Azoko ny zavatra vakiako ao amin’ny soratra masina.

  • Manampy ahy hahatsapa ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy ny fandalinana soratra masina.

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Azo atao ny manasa ny mpianatra hizara ny fanamby mety hatrehiny amin’ny fandalinana manan-danja ny soratra masina isan’andro. Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara izay mety ho vahaolana amin’izany fanamby izany. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa na dia eo aza ny toerana misy azy ireo amin’ilay fitsapam-pahaizana, dia afaka ny hitombo amin’ny fahaizan’izy ireo mandray ny fitahian’ny fandalinana soratra masina izy ireo.

Fitahiana amin’ny fandalinana ny soratra masina

Vakio ireto andininy manaraka ireto, ka jereo ireo fitahiana azo avy amin’ny fandalinana ny soratra masina.

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Azo atao ny manasa ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fitahiana samihafa avy amin’ny fandalinana soratra masina. Rehefa manoratra izy ireo dia asao hanisy marika ihany koa eo akaikin’izay fitahiana noraisin’izy ireo.

  • Inona avy ireo fahamarinana mifandray amin’ny fandalinana soratra masina hitanao avy amin’ireo andininy ireo?

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Mety ho hitan’ny mpianatra ny fahamarinana toy ny hoe raha mihaino sy mihazona mafy ny tenin’ Andriamanitra isika, dia hitahy antsika hahatohitra ny fakam-panahy sy ny ratsy Izy (jereo ny 1 Nefia 15:24); Hanampy antsika hahalala ny tokony hatao amin’ny fiainantsika i Jesoa Kristy rehefa mivoky amin’ny teniny isika (jereo ny 2 Nefia 32:3); ary afaka manampy ahy hahalala sy hifaly ao amin’i Jesoa Kristy ny fandalinana ny soratra masina (jereo ny Almà 37:9).

  • Iza amin’ireo fahamarinana na fitahiana ireo no efa niainanao?

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Ho an’ny fitahiana hafa avy amin’ny fandalinana soratra masina, jereo ny “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho”.

Ahoana no ahafahako mahazo misimisy kokoa avy amin’ny fandalinako soratra masina?

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Ity fanontaniana manaraka ity dia azon’ny mpianatra ifanakalozana hevitra anatina vondrona kely na tsiroaroa. Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny hevitra takatr’izy ireo. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara antsipiriany hafa momba ny valintenin’izy ireo, toy ny hoe amin’ny fomba ahoana, oviana, na nahoana no mampiasa izany fomba izany izy ireo.

  • Inona no afaka manampy olona iray hahazo bebe kokoa amin’ny fandalinany soratra masina?

Vakio ity teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ary mitadiava fahaizana fanampiny afaka manampy ny fandalinana soratra masina hisy fiantraikany bebe kokoa.

Zavatra tsara indraindray ny mamaky bokin-tsoratra masina iray ao anatin’ny fotoana voafaritra mba hahafantarana ny dikan’ny hafatra entiny amin’ny ankapobeny, saingy ho an’ny fiovam-po dia tokony hiraharaha bebe kokoa mikasika ny habetsahan’ny fotoana lanianao amin’ny soratra masina ianao toy izay mikasika ny habetsahan’ny zavatra vakinao ao anatin’izany fotoana izany. Indraindray dia azoko sary an-tsaina ianareo mamaky andininy vitsivitsy, miato mba handinika izany, mamaky amim-pitandremana indray ireo andininy, ary rehefa iny mieritreritra momba ny hevitra tian’izy ireo ambara iny, mivavaka mba hahatakatra izany, mametra-panontaniana ao an-tsainareo, miandry fahatsapana ara-panahy, ary manoratra ireo zavatra tsapa sy hevi-baovao izay tonga mba hahafahanareo mitadidy sy mianatra bebe kokoa. Rehefa mandalina toy izany ianareo, dia mety tsy mamaky toko na andininy maro ao anatin’ny antsasan-kadiny, saingy hanisy toerana ho an’ny tenin’ Andriamanitra ao am-ponareo ianareo ary hiresaka aminareo Izy. (D. Todd Christofferson, “When Thou Art Converted,” Liahona, mey 2004, 11)

  • Inona no hitanao amin’ireo hevitra ireo ka afaka mitahy ny fomba fandalinana soratra masina?

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Afaka manampy hevitra fanampiny izay mbola tsy voasoratra eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra.

Ankoatra ity fahaizana mandalina soratra masina manaraka ity, dia misy hevitra momba ny fahaiza-manao be dia be izay azo ampiasaina omena ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” eo ambany.

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanao ity sahanasa manaraka ity samirery am-pahanginana. Avy eo dia zarao ho vondrona kely maromaro na mandeha tsiroaroa izy ireo mba hizara ny zavatra nianarany.

Raiso hanandramana mampiasa ny sosokevitra nomen’ny Loholona Christofferson ny 5 na 10 minitra manaraka. Makà fotoana hisaintsainana, hamerenana mamaky, hivavahana, hametrahana fanontaniana ary hanoratana ny fahatsapana. Indreto misy andinin-tsoratra masina azonao hampiasaina (aza misalasala mifantina andininy samihafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna).

Môzià 3; Almà 32; 3 Nefia 11

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Rehefa avy nomena fotoana handalinana ny mpianatra dia asao izy ireo mba hizara ny zavatra niainany. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no zavatra niainanao rehefa nandalina ny soratra masina tamin’io fomba io?

  • Ahoana no mety hiantraikàn’ny fandalinana amin’io fomba io amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina?

Manaova tanjona amin’ny fomba fandalinana soratra masina

Iray amin’ny tanjon’ny seminera ny hanampy anao hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina isan’andro. Mba hanampiana anao dia takina amin’ny isa tratrarina amin’ny seminera ny famakiana ny bokin’ny soratra masina ho an’ny taona hitsahina amin’ny 75 isan-jaton’ny tetiandron’ny fe-potoana ianarana farafahakeliny.

Mikatsaha aingam-panahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hametrahana tanjona amin’ny fomba fandalinana anao manokana. Mba hanampiana anao dia atombohy amin’ny alalan’ny fanaovana vavaka mba hikatsahana aingam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra. Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mametraka tanjona ianao:

  • Amina fotoana inona ary aiza no ahafahako manao ny fandalinako soratra masina isan’andro?

  • Adiny firy isan’andro no handalinako?

  • Inona no azoko atao mba hanasana kokoa ny Fanahy Masina ao anatin’ny fanaovako fandalinana soratra masina?

Hamoaka printy