Seminera
Mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy: “Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina”


“Mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy: ‘Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Tahirin-kevitra fanolorana

Mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy

“Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina”

Sary
Fandalinana soratra masina

Manerana ny Bokin’i Môrmôna, ny mpaminany dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny anjara toerana lehiben’ny Fanahy Masina. Irin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny hahafantaranao Azy Ireo sy hianaranao fahamarinana “amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina” (Môrônia 10:5). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamantatra ireo anjara asa fototry ny Fanahy Masina, izay tena ilaina amin’ny fitomboanao sy fandrosoanao ara-panahy.

Mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy. Ny Fanahy Masina dia mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana sy momba an’i Kristy ary manova ny fo. Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ihany no ahafahantsika manatanteraka ilay tanjona lehibe indrindran’ny fampianarana ny filazantsara—dia ny hanorina finoana an’i Jesoa Kristy sy hanampy ny hafa ho tonga tahaka Azy bebe kokoa. Mitadiava fomba hanasana ny Fanahy Masina hanao ny anjara asany.

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hiresaka amin’olona ao amin’ny fianakaviana na mpitarika ao amin’ny Fiangonana momba ny sasany amin’ireo fomba ampitan’ny Fanahy Masina zavatra.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Fifandraisana ara-panahy

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Hevero ny hampiseho sarina famantarana amin’ny alalan’ny setroka, milina telegrafy, na olona mampiasa kaody môrsa, ary anontanio raha fantatr’izy ireo ny nampiasana an’ireo taloha. Zarao ho vondrona ny mpianatra ary asao izy ireo mba hitanisa fanavaozana izay niantraika na nanova na nanatsara ny fifandraisana tao anatin’ny 50 hatramin’ny 100 taona lasa. Avao amin’ny lisitra nataon’izy ireo ny finday avo lenta ary hevero ny hametraka fanontaniana toy ireto ambany ireto.

Eritrereto ny karazana fitaovam-pifandraisana be dia be eo amin’izao tontolo izao sy ny fomba mety hiantraikàn’izy ireny amin’ny fiainanao. Fitaovana manan-danja anankiray izay tena nanatsara ny fifandraisana maneran-tany ny finday avo lenta.

Sary
Finday avo lenta (smartphone)
  • Inona no anjara asa azon’ny finday avo lenta sahanina amin’ny fanampiana ny olona hifandray hatrany?

  • Ahoana no ahafahan’izy io manampy olona iray hahazo fahalalana sy hahatakatra kokoa izao tontolo izao?

Mbola lehibe lavitra noho izay mety ho fitaovam-pifandraisana azo tsapain-tanana, ny Ray any An-danitra dia mahalala tsara ny tena ilana ny fifandraisana ara-panahy amintsika mandritra ny diantsika etỳ an-tany. Nanome ny Fanahy Masina izy mba hanampiana anao hifandray Aminy hatrany sy hahatakatra ny zavatra rehetra tena ilaina amin’ny fahasambarana ankehitriny sy ny famonjena anao any an-koatra.

Mieritrereta fotoana teo amin’ny fiainanao izay niainanao ny hery mitariky ny Fanahy Masina sy ny fomba nitahian’ny hery mitarika ananany ny fiainanao. Angamba mety manontany tena ianao raha tena nampianarin’ny Fanahy Masina na nahatsapa ny hery mitaona ananany tokoa. Rehefa mandalina sy mamantatra ny tena anjara asan’ny Fanahy Masina ianao, dia hevero ny fomba ahafahan’ny hery mitaona ananany mitahy ny fiainanao, ary saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Manao ahoana ny fahatakarako ny anjara asan’ny Fanahy Masina?

  • Ahoana no ahafahako manasa ny fitaoman’ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainako?

  • Ahoana no nahatsapako sy nahafantarako ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainako hatreto?

Anjara asa roan’ny Fanahy Masina

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Hevero ny hizara tsiroaroa ny mpianatra na hizara ny kilasy ho antsasany antsasany. Afaka mandalina roa amin’ny andinin-tsoratra masina avy ny tsirairay ary mifampizara ny zavatra hitany.

Manana tanjona be dia be sy anjara asa isan-karazany ny Fanahy Masina. Vakio ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto, ka mitadiava anjara asan’ny Fanahy Masina tena ilaina anankiroa.

  • Inona no hitanao?

Vakio ity teny nambaran’ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:

Ny Fanahy Masina no mpanambara sy mpijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana rehetra, indrindra mahakasika ny Mpamonjy. Raha tsy eo ny Fanahy Masina dia tsy afaka mahalala marina isika hoe i Jesoa no Kristy. Ny anjara asany tena manan-danja dia ny mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka sy ny anjara toeran’ Izy Ireo ary ny voninahitr’ Izy Ireo. (Quentin L. Cook, “Ny fitahiana entin’ny fanambarana tsy tapaka amin’ireo mpaminany sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana hitarihana ny fiainantsika,” Ensign na Liahona, mey 2020, 98)

  • Inona avy ireo fahamarinana azo nofantarina avy amin’ireo andinin-tsoratra masina nohalalininao sy ny teny nambaran’ny Loholona Cook?

Fahamarinana iray manan-danja mety ho hitanao ny hoe mampianatra fahamarinana sy mijoro ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny Fanahy Masina.

Hevero ny hirakitra izany na fahamarinana mitovitovy amin’izany ao amin’ny soratra masinao na ny diary fandalinanao. Ny firaketana fahamarinana dia afaka mampatanjaka ny fitadidianao ara-panahy ary mamela ny Fanahy Masina hampahatsiahy anao izany rehefa ilaina (jereo ny Jaona 14:26).

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ireo anjara asa roan’ny Fanahy Masina ireo manome tombontsoa ny fiainanao?

Saintsaino mangina izay mety ho zavatra niainanao niaraka tamin’ny Fanahy Masina sy ny fomba nahitanao ny fiasan’ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainanao.

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Mety tsy ho afaka hieritretritra valiny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ny sasany amin’ny mpianatra. Raha ilaina, ampahatsiahivo izy ireo fa raha misy dikany ao an-tsain’izy ireo ny fahamarinana ara-pilazantsara ary mahafinaritra ao am-pony, dia manamarina fahamarinana izay ny Fanahy Masina. Matetika rehefa mahatsapa ho voatosika hanamarika andinin-tsoratra masina iray ny olona iray, dia ny Fanahy no manainga izany.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hametraka fanontaniana momba ny Fanahy Masina.

  • Ahoana no fomba nanampian’ny Fanahy Masina anao hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Oviana no nahatsapanao ny Fanahy Masina nanamarina fahamarinana?

  • Inona no tokony hataonao raha tsy mahatsapa ianao fa efa nisy zavatra niainanao niaraka tamin’ny Fanahy Masina?

Mahatsapa sy manasa ny Fanahy Masina

Afaka mampita zavatra amintsika amina fomba be dia be ny Fanahy Masina. Afaka manazava ny sainao, manampy anao hiaina fiadanana sy fifaliana ary mitarika anao hanao izay mety ny Fanahy Masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13; Galatiana 5:22–23). Matetika no faritan’ny soratra masina ho “feo tony sy malefaka” izay “tsapantsika” (jereo ny 1 Nefia 17:45).

Nizara ny sasany amin’ireo fomba ahafahan’ny Fanahy Masina mampita zavatra amintsika ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Ny zavatra niainako dia hoe matetika ny Fanahy no miresaka amintsika amin’ny alalan’ny fahatsapana. Tsapanareo amin’ny teny izay mahazatra anareo izany, izay mitombina aminareo, izay mibitsika aminareo. …

… Ny Fanahy dia miteny teny izay tsapantsika. Ireo fahatsapana ireo dia malefaka, fandrisihana malefaka mba hanao asa, mba hanao zavatra, mba hiteny zavatra, mba hamaly antso amin’ny fomba miavaka. Raha toa isika ka tsy miraharaha na miavonavona ao anatin’ny fivavahana ataontsika, voasintona na voadonton’ny fikatsahana ny zavatr’izao tontolo izao, dia mihena ny fahafahantsika mahatsapa. (Ronald A. Rasband, “Avelao hitarika anao ny Fanahy Masina,” Ensign na Liahona, mey 2017, 94)

Raha misy dia jereo ilay horonantsary hoe “Mahatsapa ny Fanahy Masina” (3:17), azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mba hahalalana misimisy kokoa ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina mampita zavatra aminao.

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Na amin’ny alalan’ny zavatra niainan’izy ireo manokana na zavatra niainan’ny hafa, na ireo izay mety ho novakiny tao amin’ny soratra masina, dia mpianatra betsaka no hahalala ny fomba isan-karazany itaoman’ny Fanahy Masina olona iray. Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny sasany amin’izany sy hitanisa izany eny amin’ny solaitrabe.

Raha mila fanampiana amin’ny fanakarana ny fomba ampitan’ny Fanahy Masina zavatra ny mpianatra, dia azonao resahina ny asa atao ao amin’ny pejy 102 amin’ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny misiônera (2019).

Amporisiho ny mpianatra mba hifantoka amin’ny eritreriny sy fahatsapany mandritra ny seminera sy rehefa mandalina ny filazantsara any an-trano.

  • Inona avy no fomba nahatsapanao ny hery mitariky ny Fanahy Masina?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ny fotoana ahatsapanao ny Fanahy Masina ho fitahiana eo amin’ny fiainanao?

Ny soratra masina dia ahitana ohatra be dia be amin’ireo olona nikatsaka am-pahazotoana ny hery mitariky ny Fanahy Masina. Anisan’izy ireny i Nefia sy ireo zanak’i Môzià ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Vakio ny 1 Nefia 2:16–17 sy ny Almà 17:2–3 hitadiavana ireo asa marina izay nanasa ny Fanahy Masina.

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra dia jereo raha misy amin’ireto hevitra ireto mety hanampy ny firesahana azy: (1) fiezahana mafy hankatoa ireo didy, (2) fibebahana amin’ny fahadisoana, (3) fivavahana mba hahazo tari-dàlana, (4) fandraisana anjara mavitrika, ary (5) firaketana an-tsoratra fahatsapana. Afaka mahafantatra ny Fanahy Masina isika amin’ny alalana fahatsapana izay mety hahitana fitiavana, fifaliana, fanetrentena, fankasitrahana, fanehoana fanajana, fahazoana antoka, faharisihana ary hafanana (jereo ny Galatiana 5:22–23; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8–9).

  • Miainga amin’ireo hevitra ireo sy ny hevitrao manokana, inona avy no fomba ahafahantsika manasa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainantsika?

Manaova drafitra mba hanasana tsara kokoa sy hianarana amin’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ny filazantsara ao amin’ny seminera, na ao an-trano na any am-piangonana. Ampidiro ao anatin’izany ny fomba manokana ahafahanao manasa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainanao sy ny zavatra azonao atao hamantarana ny hery mitariky ny Fanahy eo amin’ny fiainanao.

Hevero ny hizara ny drafitrao amin’olona azo itokiana ao amin’ny fianakaviana na namana, ary resaho tsy tapaka aminy ny fandrosoanao.

Hamoaka printy