Seminera
Mianatra amin’ny alalan’ny finoana: Ny anjara andraikitry ny mpianatra


“Mianatra amin’ny alalan’ny finoana: Ny anjara andraikitry ny mpianatra,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Mianatra amin’ny alalan’ny finoana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Tahirin-kevitra fanolorana

Mianatra amin’ny alalan’ny finoana

Ny anjara andraikitry ny mpianatra

Sary
Semineran’ny Repoblika Dôminikana tao San Jose de Ocoa

Tia anao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary te hampianatra anao ny filazantsara amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Inona no azonao atao mba handraisana misimisy kokoa amin’ny zavatra tian’ Izy Ireo ampianarina anao? Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahazo tombony araka izay azo atao amin’ny fanaovanao seminera amin’ny alalan’ny fahatakarana ny dikan’ny hoe mianatra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Mandray anjara andraikitra mavitrika amin’ny fianarana ara-panahy. Ny fianarana ny filazantsara izay manome vahana fiovam-po dia mitaky ezaka tsy miovaova avy amin’ny mpianatra. Ampio ny mpianatrao hahita ny maha-zava-dehibe ny fandraisana anjara andraikitra mavitrika amin’ny dingan’ny fampianarana sy fianarana.

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny andiam-pehezan-teny 1–2 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) ny mpianatra ary hiomana hizara ny zavatra azontsika atao mba hianarana fahamarinana ara-panahy.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Tia ezaka ny Tompo

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Hevero ny hanoratra ity fanambarana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe mba hojeren’ny mpianatra. Azonao ampijerena ny horonan-tsary “An Especially Noble Calling [Antso mendri-kaja manokana]” azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ny mpianatra, manomboka amin’ny mari-potoana 2:16–3:49 na ampamakio ny fanambarana eo ambany izy ireo.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Tian’ny Tompo ny fanaovana ezaka satria ny ezaka dia mitondra valisoa izay tsy azo raha tsy misy ezaka. (Russell M. Nelson, ao amin’ny Joy D. Jones, “Antso mendri-kaja manokana,” Liahona, mey 2020, 16)

  • Ahoana no ahafahantsika mampihatra ny teny nambaran’ny Filoha Nelson eo amin’ny fiainantsika? Ohatra, ahoana no iharan’izany amin’ny asa fitoriana sy ny fanompoana ary ny fahazoana fanabeazana?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’izany mihatra amin’ny fianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao amin’ny seminera amin’ity taona ity?

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Hevero ny hampiseho ireto andiam-pehezan-teny sy fanontaniana manaraka ireto mba hanombanan’ny mpianatra ny tenany am-pahanginana.

Mba hanampiana anao hanombantombana ny fianaranao manokana ny filazantsara dia eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy no ezaka ataonao amin’izao mba hianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Ahoana no nanasanao an’ Andriamanitra hampianatra anao?

  • Tsapanao ve fa mahazo ny vokatra tadiavinao sy ilainao ianao? Nahoana, na raha tsia dia nahoana?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia eritrereto ny fomba tianao hianarana sy hitomboana amin’ity taona ity. Mikatsaha tari-dalan’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahay mampihatra ity lesona ity amin’ny fiainanao.

Ireo fampianaran’ny Bokin’i Môrmôna

Mamakia roa farafahakeliny amin’ireto andininy ao amin’ny fifehezana fotopampianarana ireto, ary tadiavo ny fomba itanan’ny ezaka ataontsika manokana sy ny faniriantsika anjara toerana sy ny fomba itanan’ Andriamanitra anjara toerana amin’ny fianarantsika ny filazantsara.

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Azon’ny mpianatra atao ny miasa amina vondrona kely, ka ny mpianatra tsirairay dia mamaky andininy samy hafa ary mizara amin’ny vondrona misy azy ny zavatra nianarany.

Hevero ny hanoratra ny lohateny hoe “Ny ezaka ataontsika” sy ny hoe “Ny anjara asan’ Andriamanitra” eny amin’ny solaitrabe ary hanasa ny mpianatra hanoratra izay zavatra hitany eo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’izany. Amporisiho izy ireo hizara amin’ny iray kilasy ny antsipiriany momba ny zavatra nosoratany.

  • Inona no hitanao fa afaka manampy anao hianatra bebe kokoa amin’ Andriamanitra mandritra ny seminera?

  • Inona no eritreretinao ho mety ho vokatra raha manantena an’ Andriamanitra hanome azy fahalalana ny olona iray saingy tsy manao ezaka manokana? Na raha toa ka manao ezaka izy fa tsy mikatsaka ny fanampian’ Andriamanitra? Nahoana?

Miainga amin’ny zavatra nohalalininao hatreto, fintino amina fehezan-teny iray ny zavatra takatrao momba ny fianarana ny filazantsara.

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny fehezan-teny mamintina ataony amin’ny iray kilasy. Mety hahita fahamarinana maro samy hafa toy izao manaraka izao ny mpianatra:

  • Hampianatra antsika andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra Andriamanitra raha maniry ny hianatra Aminy isika.

  • Tsy maintsy vonona handalina sy hivavaka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy isika raha maniry ny hahalala ny fahamarinana.

Isaory amin’ny zavatra nolazainy ny mpianatra, ary omeo toky izy ireo fa ny zavatra zarainy dia mandray anjara amin’ny fianaran’ny rehetra. Afaka manampy amin’ny fandrisihana ny mpianatra hafa hizara sy hamorona tontolo iainana misy fandraisana anjara izany.

Afaka manova ny fiainanao ve ny seminera?

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Hevero ny hampijery ny mpianatra ny “Seminary Can Change Lives [Afaka manova fiainana ny seminera]” (4:14), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Angataho hieritreritra izay mety ho antony nanomezana anarana ilay horonan-tsary hoe “Afaka manova fiainana ny seminera” fa tsy hoe “Hanova ny fiainanao ny seminera” ny mpianatra. Asao hizara ny eritreritr’izy ireo amin’ny iray kilasy ny mpianatra aorian’ilay horonan-tsary.

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ity ary tadiavo ny zavatra manampy amin’ny famaritana raha hovain’ny seminera ny fiainanao.

Arakaraka ny hanarahanao ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy no hahombiazanao bebe kokoa.

Inona ary no hanampy anao ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy feno fanolorantena? Ny valiny iray dia ny seminera sy ny institiota—tsy ny fanatrehana fotsiny fa ny fandraisana anjara mavitrika ao am-pianarana ary ny fanarahana am-pahatokiana ireo anjara asa nomena. …

Ny fahazoana diplaoma ao amin’ny seminera sy institiota dia hampitombo ny fahafahanao hihatsara amin’ireo zavatra manan-danja indrindra izay hataonao eo amin’ny fiainana. Ho anao ny tena fifaliana! (Russell M. Nelson, “Fanasana manokana handray anjara amin’ny seminera sy institiota,” feb. 2019, ChurchofJesusChrist.org)

  • Inona no hitanao ho niavaka indrindra tamin’ny tenin’ny Filoha Nelson? Nahoana?

  • Ahoana no ahafahanao mifantoka amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy mandritra ny fanaovanao seminera?

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mandray anjara mavitrika” amin’ny seminera?

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Asao hifanakalo hevitra mombana fomba manokana handraisana anjara mavitrika ao amin’ny seminera ny mpianatra. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny mpianatra manana ny maha-izy azy manokana sy toe-java-misy samy hafa dia afaka mandray anjara mavitrika amina fomba samy hafa. Ohatra, ahoana no ahafahan’ny mpianatra iray saro-kenatra sy ny mpianatra iray maresaka mandray anjara amin’ny fombany avy?

Ahoana no ahazoana tombony araka izay azo atao amin’ny seminera

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Ho an’ity asa atao manaraka ity, hevero ny hampiseho ity sary ity na sary hafa ana zatovolahy anaty seminera. Asao ny mpianatra mba hanao izay hahatsapana io toe-javatra io ho tena zava-misy kokoa amin’ny alalan’ny fanomezana anarana ilay zatovolahy sy famaritana ny toetrany manokana, ny fianarana ny filazantsara efa vitany, ny fahatsapany momba ny seminera sy ny sisa. Avy eo dia asao ny mpianatra mba hanoratra ao amin’ny diary fandalinany ny torohevitra homeny io zatovolahy io mialoha ny hizarany ny toroheviny amin’ny iray kilasy.

Sary
Mpandray anjara amin’ny kilasin’ny seminera

Alaovy sary an-tsaina hoe vao voalohany anatrehan’ilay zatovolahy eo amin’io sary io seminera io. Te hianatra sy hitombo ara-panahy izy saingy tsy azony antoka ny fomba anaovana izany. Miainga amin’ny zavatra nianaranao androany sy ny zavatra hitanao taloha tamina seminera sy fiangonana, raketo an-tsoratra ny torohevitra mety homenao azy.

Ataovy azo antoka fa ampidirinao ao

  • ny zavatra azony atao mialoha sy mandritra ary aorian’ny fianarana mba hanatsarana ny fianarana ara-panahy ataony

  • ny fomba ahafahany mifantoka amin’ny fanarahana ny Mpamonjy sy manasa ny Fanahy Masina hampianatra azy

  • hetsika na fihetsika izay afaka manamora kokoa na manasarotra kokoa ny fianarana ara-panahy, na ho azy na ho an’ny hafa ao amin’ny kilasy

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Rehefa mizara ny toroheviny ny mpianatra, dia hevero ny hanampy azy ireo hahita ny lanjan’ny fanomanana ny fo sy sain’izy ireo hianatra mialoha ny fotoam-pianarana. Azonao atao ny manampy ny mpianatra hanao izany amin’ny alalan’ny fandefasana fanasana any amin’izy ireo mba hanomanana ny fampiasana ny sasany amin’ireo sosokevitra “Fanomanana ny mpianatra” hita eo amin’ny tampon’ny lesona tsirairay. Ampio ihany koa izy ireo hahita ny maha-zava-dehibe ny fanaovana zavatra amin’ireo fahamarinana ianaran’izy ireo rehefa avy mirava.

Mametraha tanjona ny hahazo be indrindra araka izay azo atao amin’ny seminera ataonao amin’ity taona ity. Mba hanaovana izany, afaka mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ianao:

  • Inona no antenainao fa ho azonao amin’ny seminera amin’ity taona ity?

  • Vonona hanao inona ianao mba hanehoana amin’ny Tompo fa te hianatra Aminy sy ho tonga tahaka Azy kokoa?

Hamoaka printy