Seminera
Ny drafitry ny famonjena: Drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany


“Ny drafitry ny famonjena: Drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Ny drafitry ny famonjena,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Tahirin-kevitra fanolorana

Ny drafitry ny famonjena

Ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarantsika

Sary
Ilay Filankevitra Lehibe

Mandritra ny diantsika amin’ny fiainana etỳ an-tany, dia mitranga matetika ny fanontaniana momba ny tanjona sy dikan’ny fiainana: Avy aiza aho? Fa maninona aho no eto? Handeha ho aiza aho? Ny fahafantarana ny valin’ireo fanontaniana ireo dia afaka manampy anao hitety ireo fanamby amin’ny fiainana kanefa mijanona amin’ny làlan’ny fanekempihavanan’ny Tompo. Afaka manampy anao hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny drafitry ny Ray any An-danitra ity lesona ity.

Ny Tanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara. Tsarovy fa “ny tanjontsika dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora manambady sy tsy manambady hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra” (Fampianarana sy fianarana ny filazantsara: Boky torolalana ho an’ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara [2012], x, ChurchofJesusChrist.org)

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra zavatra iray tsapan’izy ireo fa tsy vitan’izy ireo ny miaina tsy misy azy ary ho vonona hanazava ny anton’izany. Azon’izy ireo atao koa ny mitondra izany na ny sarin’izany ao am-pianarana raha mety.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Drafitry ny Ray any An-danitra

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hifankahalala, dia hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny valin-tenin’izy ireo amin’ny fanontaniana eo ambany. Mety hanampy ny mpianatra ny hampiseho ny zavatra noeritreretin’izy ireo na hizara ny sarin’izany. Ataovy azo antoka fa manome vahana tontolo tsara sy feno fanajana ianao momba ireo zavatra manan-danja eo amin’ny fiainan’ny mpianatra.

  • Inona no fahalalana heverinao fa tsy vitanao ny miaina tsy misy azy? Nahoana?

Amin’ny alalan’ny soratra masina sy ny fanambarana maoderina, dia ananantsika ny fahalalana momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, ny fiainana aorian’ny fahafatesana sy ireo singa maro hafa momba ny fisiantsika mandrakizay. Ho sarotra ny hiaina tsy misy io fahalalana io. Makà fotoana hieritreretana ny zavatra fantatrao momba ny drafitry ny Ray any An-danitra. Saintsaino ny hoe mety hanao ahoana ny fiainanao tsy misy izany fahalalana izany.

Rehefa mandalina ianao anio, dia mikatsaha fiarahana amin’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahalala kokoa momba ny drafitra be fitiavan’ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany.

Drafitry ny Ray any An-danitra ao amin’ny Bokin’ i Môrmôna

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Mety hanampy ny fanoratana ireto fanontaniana sy fanovozan-kevitra manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe. Safidy hafa azo atao ihany koa ny manoratra ny fanontaniana tsirairay amina taratasy kely misaraka ary mametraka izany taratasy izany manodidina ny efitrano. Asao ny mpianatra mba handeha manodidina ny efitrano sy hitady ny fanontaniana ary avy eo dia hijery ao amin’ny soratra masina ny valin’ny fanontaniana. Azon’ny mpianatra soratana eo amin’ilay taratasy mihitsy aza ny valiny hitan’izy ireo.

Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra zavatra be dia be momba ny drafitry ny Ray any An-danitra. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanambara hoe: “Mijoro ho vavolombelona aho fa tena tenin’ Andriamanitra tokoa ny Bokin’i Môrmôna. Ahitana ny valin’ireo fanontaniana manan-danja indrindra amin’ny fiainana izy io” (Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona, nôv. 2017, 62). Indreto misy fanontaniana vitsivitsy valian’ny Bokin’i Môrmôna. Misafidiana roa farafahakeliny ary vakio ny andinin-tsoratra masina nanampy tamin’ny famaliana ilay fanontaniana.

  • Inona no ampianarin’ny Bokin’i Môrmôna momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana? (Almà 12:25, 30; ilay andian-teny hoe “fanorenana izao tontolo izao” dia manondro ny fiainana talohan’ny nahaterahana.)

  • Inona no anjara asa tanan’i Jesoa Kristy amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra? (Almà 22:12–14)

  • Inona no tanjon’ny fiainana? (Almà 34:32–33)

  • Inona no mitranga rehefa maty isika? (Almà 40:11–14, 21–23)

  • Inona no mety hitranga raha tsy misy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? (2 Nefia 9:6–11)

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Asao hifanakalo hevitra amin’ny valiny hitan’izy ireo tamin’ireo fanontaniana ny mpianatra. Azo asaina hametraka fanontaniana momba ny andininy novakian’izy ireo na ny drafitry ny Ray any An-danitra ny mpianatra. Azon’izy ireo ampiasaina ny teny iditra ao amin’ny Gospel Topics hoe “Plan of Salvation” mba hahatakarana ireo andinin-tsoratra masina sy hitadiavana valin’ny fanontanian’izy ireo.

  • Inona avy ireo fahamarinana na fotopampianarana hitanao avy amin’ny andininy novakinao?

  • Teny na andian-teny inona avy ao amin’ilay andininy no mampianatra ny fahamarinana na fotopampianarana hitanao?

    Sary
    Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

    Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny fahamarinana na fotopampianarana hitan’ny mpianatra. Mety hahita karazana fahamarinana maro toy ny hoe amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka ny ho voavotra amin’ny Fahalavoana isika ny mpianatra.

  • Inona amin’ireo fampianarana momba ny drafitry ny Ray any An-danitra no ankasitrahanao indrindra? Nahoana?

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Mety hanampy raha mampihatra ny fanazavana ny drafitry ny Ray any An-danitra tsiroaroa na anatina vondrona ny mpianatra. Ankoatra ny fanazavana ny drafitra dia asao hizara ny fomba ahafahan’izany miantraika eo amin’ny fiainany ny mpianatra.

Ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny fiainako

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Ampio hifanakalo hevitra amin’ny fomba ahafahan’ny fahalalana ny drafitry ny Ray any An-danitra miantraika amin’ny fiainany ny mpianatra. Azonao atao ny mihevitra ny hampiasa ity teny nambaran’ny Filoha M. Russell Ballard ity sy ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba ahafahan’ny fahatakarana ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra manampy antsika amin’ny fiainantsika. Afaka mijery ny horonan-tsary “Answers to Life’s Questions” manomboka eo amin’ny mari-potoana 10:37 hatramin’ny 12:09 ianao na mamaky ny lahatsoratra eo ambany:

Isika mety maty dia manana fijery voafetra momba ny fiainana avy amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Saingy raha mahalala sy mahatakatra ny drafitry ny Ray any An-danitra isika, dia tsapantsika fa ny fiatrehana zava-tsarotra no iray amin’ireo làlana fototra itsapana antsika. …

Amin’ny alalan’ny fifantohana sy fiainana ireo fitsipiky ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarantsika mandrakizay, dia afaka manasaraka ny tenantsika amin’ny faharatsian’izao tontolo izao isika. Raha mifototra amin’ny fahatakarana marina momba ny hoe iza isika, nahoana no eto ambonin’ity tany ity isika, ary aiza no azontsika aleha aorian’ity fiainana an-tany ity, dia tsy afaka mandrahona ny fahasambarantsika amin’izay mety ho endrika fakam-panahy i Satana. Raha tapa-kevitra ka vonona hiaina amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra isika, dia hampiasa ny fahafaha-misafidy nomen’ Andriamanitra isika mba hanapahan-kevitra miainga amina fahamarinana nahazoana fanambarana fa tsy ny hevitry ny hafa amin’ny fomba fisainan’izao tontolo izao ankehitriny. (M. Russell Ballard, “Answers to Life’s Questions,” Liahona, mey 1995, 23–24)

  • Ahoana no iantraikàn’ny fahalalanao ny drafitry ny Ray any An-danitra amin’ny fiainanao?

  • Inona avy ireo toe-javatra mety hiantraikàn’ny fahalalana ny drafitry ny Ray any An-danitra amin’ny fanapahan-kevitra ataonao?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahalalana ny drafitry ny Ray any An-danitra miantraika amin’ny fomba ijerenao ny toe-java-misy sy ireo zavatra iainanao amin’ny fiainanao?

Sary
Sary famantarana, torolalana ho an’ny fampianarana

Farano amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny niantraikan’izany tamin’ny fiainanao ny lesona.

Hamoaka printy