Testamenta Taloha 2022
9 janoary. Ahoana no tian’ Andriamanitra hikarakarako ny zavaboariny, anisan’izany ny vatako? Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5


“9 janoary. Ahoana no tian’ Andriamanitra hikarakarako ny zavaboariny, anisan’izany ny vatako? Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“9 janoary. Ahoana no tian’ Andriamanitra hikarakarako ny zavaboariny, anisan’izany ny vatako?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
Tovolahy mandehandeha eny amorom-parihy

9 janoary

Ahoana no tian’ Andriamanitra hikarakarako ny zavaboariny, anisan’izany ny vatako?

Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona no noresahintsika farany, ary inona no fanasana natao na andraikitra nomena? Inona no nataontsika mba hamaliana ireo fanasana ireo na hanatanterahana ireo andraikitra nomena ireo?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Inona no azontsika lazaina na atao mba hanomezan-tanana ireo izay mety hahatsiaro ho irery na lavitra ny Ray any An-danitra?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona avy ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika manampy ny hafa hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no hevitra azontsika ifampizarana mba hanampiana amin’ny fanamafisana orina ny fianakaviantsika?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
teach the doctrine icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Miaraha mianatra

Mba hanampiana ny zatovo hihevitra izay azon’izy ireo atao mba hikarakarana kokoa ny zavaboarin’ Andriamanitra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto lohateny manaraka ireto: Ny Mpahary, Ny Zavaboary, ary ny Andraikitsika. Asao izy ireo hamaky ny Genesisy 1–2 sy hanoratra ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny Mpahary sy ny Zavaboary. Inona no ianarantsika momba ny andraikitsika? (jereo indrindra indrindra ny Genesisy 1:26–28; 2:15). Ireto hevitra manaraka ireto dia afaka manampy ny zatovo hifanakalo hevitra momba ny andraikitsika hikarakara ny zavaboarin’ Andriamanitra.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ireo izay ampianarinao hahatakatra fa voary masin’ Andriamanitra ny vatan’izy ireo? Ohatra, azonao atao ny manontany azy ireo ny zavatra ianarantsika momba ny vatantsika ao amin’ny 1 Korintiana 6:19–20; Mosesy 2:26–27; Abrahama 4:26–27. Inona no hevitry ny teny hoe “endrika” sy “araka ny tarehy”? Miaraha miasa mba hanao lisitra ireo zavatra sasantsasany azontsika atao hikarakarana ny vatantsika. (Jereo ny “Santé physique et émotionnelle,” ao amin’ny Jeunes, soyez forts [kiboky, 2011], 25–27.)

  • Matetika ny zatovo no mifanehitra amina hafatra izay mahatonga azy ireo hahatsapa tsy fatokian-tena ny amin’ny vatan’izy ireo. Inona no hafatra azontsika zaraina hanampiana namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana izay mahatsiaro ho tsy matoky tena amin’ny vatany?

  • Asao hamaky mangina ny iray na ny maromaro amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny zatovo, ka hitady hevi-baovao momba ny antony namoronan’ Andriamanitra ny tany sy fomba tiany hikarakarantsika izany: Genesisy 1:26–28; 2:15; 1 Nefia 17:36; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:19–21; 59:15–20; 104:13–18; Mosesy 2:26–31; 3:15. Angataho izy ireo hizara ny eritreriny momba ireo andinin-tsoratra masina ireo. Dia asao izy ireo avy eo hiara-hiasa hamorona lisitry ny zavatra azon’izy ireo atao tsirairay avy na ao anaty vondrona mba hanatanterahana ny andraikiny hikarakara ny tany (jereo ireo hevitra ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana”). Inona no fanovana tokony hataontsika eo amin’ny eritreritsika sy ny fihetsitsika mba hikarakarana tsara kokoa ny tany?

  • Hevero ny hanasa ny mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy ho tonga hanatrika fotoam-pianarana miaraka amin’ny zavatra iray izay mampiseho ny hakanton’ny tany izay noharian’ Andriamanitra, toy ny sary natao, sary nalaina na tononkalo. Asao izy ireo hizara ny zavatra nentin’izy ireo sy ny fahatsapana ananany momba ny zavaboarin’ Andriamanitra.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Fomba ahafahantsika mikarakara ny tany:

  • Mambole masomboly, hazo, na manaova zaridaina.

  • Tsimpòny ny fako ao amin’ny fiarahamonina misy anao.

  • Mikarakarà tetikasa fanadiovana na fanodinana fako eo amin’ny manodidina.

  • Mandehana mitsangantsangana ary saintsaino ireo zavatra izay ankasitrahanao.

  • Mamoròna zavakanto avy amina zavatra izay mety ho arianao dia zarao ao amina seho kanto anaty vondrona izany.

  • Farito ny fomba ahafahanao mitahiry angovo sy rano.

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Omeo fotoana maro hifampianarany ny mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy, satria matetika dia avy amin’izy samy izy sy avy amin’ny zavatra iainany amin’ny fampianarana no tena ahaizan’izy ireo zavatra indrindra.

Hamoaka printy