Testamenta Taloha 2022
23 janoary. Ahoana no ahafahan’ny Tompo manampy ahy hanompo amim-pahatokiana kokoa? Genesisy 5; Mosesy 6


“23 janoary. Ahoana no ahafahan’ny Tompo manampy ahy hanompo amim-pahatokiana kokoa? Genesisy 5; Mosesy 6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“23 janoary. Ahoana no ahafahan’ny Tompo manampy ahy hanompo amim-pahatokiana kokoa?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
Jesoa Kristy miara-mandeha amin’ny vahoaka

23 janoary

Ahoana no ahafahan’ny Tompo manampy ahy hanompo amim-pahatokiana kokoa?

Genesisy 5; Mosesy 6

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona avy no zavatra niainana tato ho ato izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza no mila ny fanampiantsika sy ny vavaka ataontsika? Mahatsapa ho entanim-panahy hanao inona isika mba hanampiana azy ireo?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika ho tonga fahazavana ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana na namana izay tsy mitovy finoana amintsika?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Ahoana no ahafahantsika maneho fitiavana sy fanohanana bebe kokoa ho an’ny fianakaviantsika ary manatsara ny ao an-tokantranontsika?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Rehefa nahazo ny antsony hanompo ny Tompo i Enoka dia nahatsiaro tena ho tsy ampy fahaizana (jereo ny Mosesy 6:31). Saingy tsy naniraka an’i Enoka hanao ny asany fotsiny ny Tompo. Nampanantena an’i Enoka Izy fa hiaro sy hanampy azy (jereo ny Mosesy 6:32–34).

Mety ho mahatsiaro tena ho tsy ampy fahaizana toa an’i Enoka koa ianao amin’ny ezaka ataonao manokana mba hanompo. Amin’ny alalan’ny antso ato am-piangonana no hanaovana ny sasany amin’ireo asa fanompoana ataontsika. Amina fotoana hafa dia mahatsikaritra olona mila fanampiana fotsiny isikaka mahatsapa ho bitsihin’ny Fanahy haneho ny fitiavantsika sy ny fanohanantsika. Na ahoana na ahoana ahatongavan’izany fotoana izany, dia afaka miezaka ny hanana herim-po isika, tahaka ny nataon’i Enoka, satria mahafantatra fa hanampy antsika ny Tompo rehefa manaiky ny fanasany hoe “miaraha mandeha amiko” isika (Mosesy 6:34).

Rehefa miomana hampianatra momba ny fanampiana azontsika raisina avy amin’ny Tompo rehefa manompo ny hafa ianao dia diniho ny Mosesy 6 ary eritrereto ireo zavatra efa niainanao tamin’ny fanompoana ny hafa. Ahoana no nanampian’ny Tompo anao tamin’ireo ezaka nataonao? Inona no antenainao hianaran’ny mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy misy anao avy amin’ny ohatra nasehon’i Enoka sy ny hafa? Azonao vakina ihany koa ny iray amin’ireo hafatra avy amin’ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Miaraha mandeha Amiko” (Liahona, mey 2017, 82–85) na “Vehivavin’ny fanekempihavanana miara-miasa amin’ Andriamanitra” (Liahona, nôv. 2019, 70–73).

Sary
reny sy zanakavavy ao an-dakozia

Afaka manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy isika rehefa manao ny fanompoana ho isan’ny fiainantsika isan’andro.

Miaraha mianatra

Ny fanompoana ny hafa dia manome antsika fahafahana hiaraka handeha amin’ Andriamanitra ary handray ny fanampiany isika rehefa manompo (Mosesy 6:34). Mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy hanomboka hiresaka momba izany dia azonao atao ny mangataka azy ireo handinika ny Mosesy 6:32–39 mba hahitana ireo fomba niarahan’ny Tompo tamin’i Enoka tamin’ny fanompoany. Ahoana no anampian’ny Tompo antsika rehefa manompo Azy isika? Ireto hevitra manaraka ireto dia afaka manampy anao hitarika fifanakalozan-kevitra momba ny fanampiana avy amin’ Andriamanitra izay azontsika raisina rehefa manompo ny hafa isika.

  • Feno fampianarana momba ny fanompoana ny soratra masina (jereo ohatra ny Matio 25:31–40; Lioka 10:25–37; Môzià 2:17). Hevero ny hanasa ireo izay ampianarinao mba hizara andinin-tsoratra masina izay mitaona azy ireo hanompo ny hafa. Azonao atao ny mangataka azy ireo mialoha hiomana hizara andinin-tsoratra masina ao an-dakilasy momba ny fanompoana na ohatra amin’ny fanompoana. Raha mila fanampiana izy ireo dia amporisiho hijery eo ambanin’ny “Fanompoana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Mahatsapa ho taomim-panahy hanao inona isika noho ny zavatra novakintsika?

  • Nanompo ny hafa ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoana nataony. Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatra nasehony ka afaka manampy antsika rehefa manompo isika? Mba hamaliana io fanontaniana io dia afaka mamaky ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kilasy na kôlejy ka mitady zavatra ampianarin’izany momba ny ohatra amin’ny fanompoana nataon’ny Mpamonjy: Matio 14:13–21; Jaona 9:1–11, 35–38; 13:4–5, 12–17; 3 Nefia 17:5–9. Asao hizara ny zavatra hitany ny rehetra. Omeo fotoana ny rehetra hieritreretana olona iray azon’izy ireo tompoina sy ny fomba hanarahan’izy ireo ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny asa fanompoana ataon’izy ireo.

  • Indraindray isika dia mieritreritra fa ny fanompoana dia midika hoe manao zavatra lehibe sy mandany fotoana. Mety ho antony iray mahatonga ny sasany amintsika tsy dia manompo araka izay azontsika atao izany. Azonao atao ny manazava fa matetika ny Mpamonjy no nanompo olona tsikariny nandritra ny andavanandrom-piainany (jereo ohatra ny Matio 12:9–13; Marka 5:21–34; Lioka 19:1–10; Jaona 4:3–26). Angataho hizara ny eritreriny ny zatovo. Inona avy no asa fanompoana kely hitantsika nataon’ny hafa? Entanim-panahy hanao inona isika? Asao hanoratra fomba hamenoana ireto fehezan-teny manaraka ireto ny olona tsirairay: “Afaka manompo ny hafa amin’ny alalan’ny… aho” ary “Hikatsaka ny fanampian’ny Tompo amin’ny fiezahako hanompo amin’ny alalan’ny… aho.” Avy eo dia mangataha zatovo maromaro hizara izay nosoratany.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

“Ankoatra ny fanampiana ny mpianatra mba hahatsapa sy hahafantatra ny Fanahy dia ampio izy ireo handray andraikitra mba hanatanterahana ireo bitsika azony” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2016], 10).

Hamoaka printy