Testamenta Taloha 2022
13 febroary. Ahoana no ahafahantsika mijanona ho mahatoky amin’ny Mpamonjy ao anatina tontolo ratsy iray? Genesisy 12–17; Abrahama 1–2


“13 febroary. Ahoana no ahafahantsika mijanona ho mahatoky amin’ny Mpamonjy ao anatina tontolo ratsy iray? Genesisy 12–17; Abrahama 1–2,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“13 febroary. Ahoana no ahafahantsika mijanona ho mahatoky amin’ny Mpamonjy ao anatina tontolo ratsy iray?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
zatovovavy iray mandalina

13 febroary

Ahoana no ahafahantsika mijanona ho mahatoky amin’ny Mpamonjy ao anatina tontolo ratsy iray?

Genesisy 12–17; Abrahama 1–2

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Ahoana no nanakaikezantsika kokoa ny Mpamonjy? Ahoana no iezahantsika hitovy kokoa Aminy?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza no tao an-tsaintsika tato ho ato? Ahoana no ahafahantsika manampy ireny olona tsirairay ireny?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika mamaly ny fanontanian’ny namantsika momba ny Fiangonana amin’ny fomba izay manamafy orina ny finoan’izy ireo ny Mpamonjy?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona avy ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika mifandray tsara kokoa amin’ireo havana, toy ny raibe sy renibe sy ny zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray aman-dreny?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Tsy mbola nisy fotoana nahamora izany miaina am-pahamarinana ao anatina tontolo ratsy izany mihitsy. Ho an’i Abrahama, ny fanerena hiala amin’ Andriamanitra dia tsy avy tamin’ny tontolo ivelany fotsiny—fa na ny rain’i Abrahama aza dia nahafoy ny Tompo (jereo ny Abrahama 1:5–12; 2:5). Niatrika zava-tsarotra i Abrahama sy i Saraha, kanefa natoky ny fampanantenan’ny Tompo izy ireo “ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tety ambonin’ny tany izy” (Hebreo 11:13).

Ahoana no ahafahanao manampy ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy hijanona ho mahatoky rehefa mahatsapa ho “vahiny sy mpivahiny” eto amin’izao tontolo izao izy ireo satria mampihatra ny fitsipiky ny Tompo? Ahoana no ahafahanao manentana azy ireo ho be herim-po rehefa miaina amim-pahatokiana ho an’ny Tompo izy ireo? Rehefa miomana hampianatra ianao dia hevero ny handinika ny Jaona 15:18–20 sy ny hafatry ny Loholona Neil L. Andersen hoe “Mandresy izao tontolo izao” (Liahona, mey 2017, 58–62).

Sary
tovolahy mijery farihy

Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia afaka mahita fiadanam-po rehefa miaina amim-pahatokiana na eo aza ny fanoherana.

Miaraha mianatra

Mety nahazo hevitra avy amin’ny ohatra nasehon’i Abrahama ny mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy misy anao tamin’ity herinandro ity rehefa nandalina ny Genesisy 12–17 sy ny Abrahama 1–2. Azonao hatao nymanasa azy ireo hamaky ny Abrahama 1:1–19 ary hizara izay zavatra nahazoan’izy ireo fitaomam-panahy momba ny ohatra nasehon’i Abrahama. Inona avy no fitovitoviana hitantsika eo amin’ireo fanamby natrehin’i Abrahama sy ireo fanamby atrehintsika ankehitriny? Misafidiana iray na maromaro amin’ireo asa atao etsy ambany mba handrisihana fifanakalozan-kevitra momba ny fomba ahafahantsika mijanona ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy amin’ny toe-javatra rehetra.

  • Matetika ny Tompo sy ireo mpaminaniny no namporisika ireo izay nampianariny hiaina am-pahatokiana na eo aza ny faharatsiana manodidina azy ireo. Inona avy ireo fomba akàn’i Satana fanahy ny zatovo handika ny didin’ Andriamanitra amin’izao androntsika izao? Azon’ireo izay ampianarinao atao ny mamaky ny sasany amin’ireo soratra masina voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana.” Asao izy ireo hiady hevitra momba ny zavatra nianarany mikasika ny fijanonana ho mahatoky amin’i Kristy rehefa maka fanahy antsika hanao zavatra hafa na maneso antsika izao tontolo izao. Azon’izy ireo atao ny mizara ny fomba hitan’izy ireo mba hiainana am-pahatokiana na dia tsy manao izany aza ny hafa. Oviana isika na ny olon-kafa fantatsika no nahavita izany?

  • Mba hanampiana ny kilasy na ny kôlejy misy anao hahatakatra ny fomba handresena izao tontolo izao sy handraisana ireo fitahiana azo avy amin’ny fanaovana izany dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Ny fandresena izao tontolo izao dia … sy ny hoe Ny fandresena izao tontolo izao dia miteraka … Avy eo dia azonao atao ny mangataka ny zatovo handinika ny hafatry ny Loholona Neil L. Andersen hoe “Maharesy izao tontolo izao.” Asao hitady fomba hamenoana ireo fehezan-teny ireo izy ireo, ka hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra nianarany. Ifanakalozy hevitra ny zavatra hitan’izy ireo. Asao mialoha ny olona iray mba hiomana hizara tantara iray ao an-dakilasy izay mampiseho ny fomba nijanonan’i Jesoa Kristy ho mahatoky tamin’ny Rainy na dia teo aza ny fanoherana (jereo ohatra ny Matio 4:1–11; Lioka 22:39–44). Manampy antsika hahatakatra inona momba ny fandresena izao tontolo izao ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy? (jereo ny Jaona 16:33).

  • Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia tokony ho “ao amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.” Ny hoe “ao amin’izao tontolo izao” dia mety hidika hoe miatrika fanoherana isika rehefa miaina ny fitsipika arahintsika. Midika koa anefa izany fa afaka mitaona ny hafa ho amin’ny tsara isika. Mba hampianarana ity fitsipika ity dia azonao atao ny mangataka olona iray hivonona hizara ny iray na ny maromaro amin’ireo tantara ao amin’ny hafatry ny Filoha Bonnie H. Cordon “Mba hahazoany mahita” (Liahona, mey 2020, 78–80). Inona no ianarantsika avy amin’ireo tantara ireo momba ny fampiasantsika ny fahazavantsika mba hanampiana ny hafa hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy? Asao ny iray kilasy na ny kôlejy mba hamakafaka ny hafatry ny Filoha Cordon ka hitady ireo fehezan-teny izay mitaona azy ireo ho lasa fahazavana ho an’ny hafa ao anatina tontolo ratsy iray. Asao izy ireo hamaky mafy ny fehezan-teniny ary hizara ny zavatra tsapan’izy ireo fa anentanan’ny Fanahy azy ireo mba hatao.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Nanasa an’i Petera ny Mpamonjy mba hijoro ho vavolombelona tamin’ny alalan’ny fanontaniana hoe: “Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza?” (Matio 16:15). Rehefa namaly i Petera dia nohatanjahina ny fijoroany ho vavolombelona. Inona no fanontaniana hanasa ireo izay ampianarinao hijoro ho vavolombelona mba hahafahan’ny Fanahy manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo?

Hamoaka printy