2010–2019
Mandresy izao tontolo izao
Aprily 2017


NaN:NaN

Mandresy izao tontolo izao

Ny fandresena izao tontolo izao dia tsy atao ao anatin’ny fotoana iray manokana eo amin’ny fiainana, fa atao kosa mandritra ny fiainana iray manontolo ao anatin’ny fotoana maromaro izay mamaritra izay hiafarana mandrakizay.

Taona maro lasa izay dia nitantara zavatra niainany kanto iray nandritra ny fandehanany sambo nankany Samoa ny Filoha David O. McKay. Rehefa resin-tory izy dia “nahita tamin’ny fahitana zavatra iray faran’izay masina. Avy lavitra,” hoy izy “izaho dia nahita tanàna fotsy tsara tarehy. …Feno hazo misy voany tena matsiro … sy voninkazo mamelana tsara maniry eny rehetra eny. Nisy andian’olona tsy hita isa nanatona ilay tanàna. Nanao akanjo fotsy lava ny olona tsirairay avy. … Tampoka teo … dia nifantoka tamin’ny mpitarika azy ireo ny fijeriko, ary na dia ny endrikendriny fotsiny aza no hany hitako … , dia fantatro avy hatrany ho ny Mpamonjy ahy Izy! Ny … famirapiratan’ny tarehiny [dia] feno voninahitra. … [Ny] fiadanana nanodidina Azy … dia masina!”

Notohizan’ny Filoha McKay hoe: “Ilay tanàna … dia Azy … ilay Tanàna antsoina hoe Mandrakizay. Ary ireo olona nanaraka Azy dia natao honina ao amim-piadanana sy amim-pahasambarana mandrakizay.”

Nanontany tena ny Filoha McKay hoe: “Iza ary ireo? [Iza ireo olona ireo?]”

Nanazava ny zavatra nitranga manaraka izy:

“Toy ny hoe nahafantatra ny eritreritro ny Mpamonjy, dia namaly tamin’ny alalan’ny fanondroana [teny tao anatin’ny] antsasa-paribolana iray Izy izay … nipoitra teo amboni[n’ireo olona ireo] … izay nosoratana tamin’ny loko mivolom-bolamena manao hoe … :

“‘Ireo no ireo izay naharesy izao tontolo izao,

“Ireo izay tena nateraka indray!’”1

Tsaroako nandritra ny taona maro ireo teny hoe: “Ireo no ireo izay naharesy izao tontolo izao.”

Ny fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay maharesy an’izao tontolo izao dia mahatalanjona. “Hitafy lamba fotsy [izy ireo] … ary [hosoratana ao amin’ny] bokin’ny fiainana [ny anarany.]” Ny Tompo dia “hanaiky ny [anaran’izy ireo] eo anatrehan’ny Ray sy eo anatrehan’ny anjeliny.”2 Izy tsirairay avy dia “hanana anjara amin’ny fitsanganana voalohany amin’ny maty,”3 hahazo ny fiainana mandrakizay,4 “ary tsy hiala … intsony”5 eo anatrehan’ Andriamanitra.

Azo atao ve ny mandresy an’izao tontolo izao sy mandray ireo fitahiana ireo? Eny, azo atao.

Fitiavana ho an’ny Mpamonjy

Ireo izay maharesy izao tontolo izao dia manjary manana fitiavana feno ho an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjintsika.

Ny fahaterahany masina, ny fiainany tonga lafatra, ary ny Sorompanavotany tsisy fetra tao Getsemane sy Golgota dia manome antoka fa hitsangana amin’ny maty daholo ny tsirairay amintsika. Ary amin’ny alalan’ny fibebahantsika marina, dia Izy irery ihany no afaka manadio antsika amin’ny fahotantsika, izay mamela antsika hiverina ho eo anatrehan’ Andriamanitra. “Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.”6

Hoy i Jesoa hoe: “Matokia, izaho efa naharesy izao tontolo izao.”7

Taty aoriana dia nampiany hoe: “tiako ny handresenareo izao tontolo izao.”8

Ny fandresena izao tontolo izao dia tsy atao ao anatin’ny fotoana iray manokana eo amin’ny fiainana, fa atao kosa mandritra ny fiainana iray manontolo ao anatin’ny fotoana maromaro izay mamaritra izay hiafarana mandrakizay.

Afaka miantomboka izany rehefa mianatra mivavaka ny ankizy iray sy mihira amim-panajana ny “Jesus Christ est mon modèle.”9 Mitohy izany rehefa mandalina ny fiainan’ny Mpamonjy ao amin’ny Testamenta Vaovao ny olona iray ary misaintsaina ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Ny fivavahana, ny fibebahana, ny fanarahana ny Mpamonjy ary ny fandraisana ny fahasoavany dia mitarika antsika hahatakatra tsara kokoa ny antony hahatongavantsika ety sy izay tokony hahatongavantsika.

Nofaritan’i Almà toy izao izany: “Fiovana mahery vaika no [m]itranga koa [ao] am-pony, ary [m]anetry tena izy ireo ary [m]ametraka ny fitokiany [a]min’ ilay Andriamanitra marina sady velona. … [mijanona ho m]ahatoky hatramin’ ny farany izy ireo”10

Ireo mandresy izao tontolo izao dia mahafantatra fa ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ny Rainy any An-danitra izy ireo. Ny fiovana sy ny fibebahana marina amin’ny fahotana dia tsy mametra intsony fa manafaka, ary [ny fahotana] tahaka ny jaky … [dia ho lasa] fotsy tahaka ny orampanala.”11

Tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra

Manahirana ny olon’izao tontolo izao ny maha-tompon’andraikitra azy eo anatrehan’ Andriamanitra, tahaka ny zanaka iray izay manao fety ao an-tranon’ny ray aman-dreniny rehefa mivoaka ny tanan-dehibe izy ireo, mankafy ny tabataba be, ary tsy manaiky hieritreritra izay ho vokatr’izany rehefa miverina ireo ray aman-dreny afaka 24 ora aty aoriana. 

Izao tontolo izao dia liana kokoa amin’ny fanomezana fahafaham-po ny maha-olona araka ny nofo toy izay ny handresy izany.

Ny fandresena izao tontolo izao dia tsy fanafihan’ny daholobe fa ady ataon’ny tena manokana, izay mitaky ny hanaovana ady hanoherana ny fakam-panahy sy ny fironana ao anatintsika.

Ny fandresena izao tontolo izao dia midika hoe mankamamy ilay didy lehibe indrindra hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.”12

Ilay mpanoratra Kristianina C. S. Lewis dia nanoritsoritra izany tahaka izao: “Hoy i Kristy hoe-Omeo ahy ny zavatra rehetra. Tsy mila ampahany amin’ny fotoanao sy ampahany amin’ny volanao ary ampahany amin’ny asanao aho: Ianao no ilaiko-”13

Ny fandresena izao tontolo izao dia ahitana ny fitanana ny fampanantenana nataontsika tamin’ Andriamanitra, ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa sy tany amin’ny tempoly, ary ny voady nataontsika mba hahatoky amin’ny vadintsika mandrakizay. Ny fandresena izao tontolo izao dia mitarika antsika amim-panetrentena ho eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro, mba hangataka famelan-keloka sy hanolo-tena ny “hahatsiaro Azy sy hitandrina ny didiny” “mba hanana[ntsika] mandrakariva ny Fanahiny miaraka amin[tsika].”14

Ny fitiavantsika ny Andro Sabata dia tsy mifarana rehefa mikatona ny varavaram-piangonana, fa izany kosa dia manokatra ny varavaran’ny andro tsara iray hitsaharana amin’ireo asa fanao andavan’andro, handalinana, hivavahana, ary hanampiana ny fianakaviana sy ny hafa izay mila ny firaharahiantsika. Andeha hajanontsika eo amin’ny Mpamonjy sy amin’ny androny masina ny fifantohantsika rehefa vita ny fivoriam-piangonana fa tsy misento fahamaivanana sy mikoropaka mamonjy fahitalavitra haingana mialoha ny hiantombohan’ny lalao baolina kitra.

Izao tontolo izao dia atosiky ny fitaomana be dia be izay manintona sy maka fanahy tsy tapaka.15

Ny fandresena izao tontolo izao dia fatokiana ilay feo iray izay mampitandrina, mampahery, manazava, ary mitondra fiadanana “tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao.”16

Tsy tia tena

Ny fandresena izao tontolo izao dia midika hoe mifantoka amin’ny hafa fa tsy amin’ny tenantsika ihany, sady mahatsiaro ilay didy faharoa17 manao hoe: “Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.”18 Ny fahasambaran’ny vadintsika dia manan-danja kokoa noho ny fahafinaretantsika manokana. Ny fanampiana ny zanatsika hitia an’ Andriamanitra sy hitandrina ny didiny dia laharampahamehana tena manan-danja. Mizara an-tsitrapo ireo fitahiana ara-nofo azontsika amin’ny alalan’ny fahafolonkarena, sy ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina, ary ny fanomezana ho an’ny sahirana isika. Ary rehefa mifantoka lalandava amin’izay masina isika dia mitarika antsika ho any amin’ireo izay azontsika ampiana ny Tompo.

Ny olon’izao tontolo izao dia tsy mifantoka afa-tsy amin’izay ho an’ny tenany ihany, sady mirehareha manambara hoe: “Jereo anie aho raha ampitahaina amin’ny manodidina ahy e! Jereo ny fananako! Hitanareo fa tena manana ny maha-izaho ahy aho!”

Ny olon’izao tontolo izao dia mora tezitra, tsy miraharaha ny hafa, ary be fitakiana sy tia ny fihobian’ny olona, raha toa kosa ny fandresena izao tontolo izao ka mitondra fanetrentena, fahatsapana izay mahazo ny hafa, faharetana, ary fangorahana ho an’ireo olona tsy mitovy amin’ny tena.

Fiarovana amin’ny alalan’ireo mpaminany

Ny fandresena izao tontolo izao dia hidika mandrakariva fa isika dia hanana zavatra inoana izay horabirabian’izao tontolo izao. Hoy ny Mpamonjy hoe:

“Raha halan’izao tontolo izao hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.

“Raha naman’izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao.”19

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny maraina hoe: “Ny mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy dia manam-piniavana ny hijoro sy hanambara amim-pahasahiana ny filazantsara, ary hiavaka amin’ny olon’izao tontolo izao.”20

Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia tsy mikoropaka raha toa ka tsy mahazo j’aime 1.000 na émoticônes mitory fitiava-namana vitsivitsy ny zavatra nosoratany mikasika ny finoany.

Ny fandresena izao tontolo izao dia ny tsy firaharahiana be loatra ny fampiasantsika ny Internet fa miraharaha bebe kokoa kosa ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra.

Manome antsika fiarovana Andriamanitra rehefa mankatò ny fitarihana avy amin’ny mpaminany sy apôstôliny velona isika.

Filoha Monson eo am-pitenenana

Hoy ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Mety ho feno fanamby … izao tontolo izao. … [Rehefa mankany amin’ny tempoly isika], … dia ho afaka ny hahazaka ireo fitsapana ary handresy ny fakam-panahy tsirairay. … Hohavaozina sy hampaherezina isika.”21

Ny olon’izao tontolo izao dia mikasa ny hamitaka ny olona mahatoky, amin’ny alalan’ny fakam-panahy sy ny zavatra mahasarika, ary ny fanaovana hosoka, mba handresena lahatra azy handà ny zavatra niainany ara-panahy tena feno hery teo aloha ka mamaritra izany indray ho toy ny fitaka feno hadalana.

Ny fandresena izao tontolo izao dia ny fahatsiarovana ireo fotoana nahatsapantsika ny fitiavana sy ny fahazavan’ny Mpamonjy, na dia amin’ny fotoana mahakivy antsika aza. Nanazava ny iray amin’ireny zavatra niainana ireny tahaka izao ny Loholona Neal A. Maxwell: “Efa notahian’ Andriamanitra aho, ary fantatro fa Andriamanitra dia nahalala fa efa notahiana aho.”22 Na dia mety mahatsapa ho adinon’ Andriamanitra vetivety aza isika dia tsy manadino Azy isika.

Ny fandresena izao tontolo izao dia tsy midika hoe miaina ao anatin’ny toerana mitokana be isika, ary voaro amin’ny tsy rariny sy ny fahasarotana eto amin’ny fiainana an-tany. Izany kosa dia manome antsika fahatakarana lehibe momba ny finoana, izay misintona antsika hanatona ny Mpamonjy sy an’ilay fampanantenany.

Na dia tsy feno eto an-tany aza ny fahatanterahana, ny fandresena izao tontolo izao dia mihazona ny fanantenantsika ho velona hatrany fa indray andro any isika dia “[hijoro] eo anoloa[n’ny Mpanavotra antsika]; ary … ho finaritra hahita ny tavany,”23 sy handre ny feony hoe: “Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo.”24

Ny ohatry ny Loholona Bruce D. Porter

Ny 28 desambra tamin’iny taona lasa iny dia nahavita ny fiainany teto an-tany ny Loholona Bruce D. Porter, namana malalantsika sady Manampahefana Ambony malalantsika. 64 taona izy.

Fony izahay mpianatra tao amin’ny Oniversite an’i Brigham Young no nihaonako voalohany tamin’i Bruce. Anisan’ireo nahay indrindra izy. Taorian’ny nahazoany diplaoma doctorat avy ao amin’ny Oniversite an’i Harvard, izay nifantoka tamin’ny raharaha ara-pôlitika Rosiana, dia nahatonga azy ho fanta-daza ny faharanitan-tsainy sy ny asasorany ka mety ho nampivily lalana azy, saingy tsy nahavita nanimba velively ny fomba fijeriny ny harena sy ny laza.25 Nahatoky tamin’i Jesoa Kristy Mpamonjy azy izy, sy tamin’i Susan izay vadiny mandrakizay ary tamin’ireo zanany sy zafikeliny.

Ny Loholona Porter miaraka amin’ny fianakaviany tanora

Nisy tsy fahatomombanana hatramin’ny nahaterahany ny voan’i Bruce. Nandalo fandidiana izy, saingy nihanarary hatrany ny voany rehefa nandeha ny fotoana.

Fotoana fohy taorian’ny niantsoana an’i Bruce ho Manampahefana Ambony tamin’ny 1995 dia niara-nanompo tany Francfort, Alemana izahay niaraka tamin’ny fianakavianay, ary ny asany dia nifantoka tamin’i Rosia sy Eorôpa Atsinanana.

Niova ho ratsy tokoa ny fiainana ho an’ny Loholona Porter tamin’ny 1997 rehefa nanomboka tsy nety ny fiasan’ny voany sy ny fahasalamany. Niverina tany Salt Lake City ny fianakavian-dry Porter.

Nandritra ny 22 taona nanompoany tao amin’ny Fitopololahy dia niditra hôpitaly im-betsaka i Bruce, anisan’izany ny fandidiana miisa 10. Efa in-droa ireo dokotera no niteny tamin’i Susan fa tsy ho velona mandra-maraina intsony i Bruce, saingy velona izy.

Nandritra ny 12 taona mahery tamin’ny naha-Manampahefana Ambony azy dia natao dialyse i Bruce mba hanadiovana ny rany. Ho an’ny ankamaroan’izany fotoana izany dia natao nandritra ny takariva dimy isan-kerinandro nandritra ny adiny efatra isaky ny mandeha ilay dialyse mba hahafahany manompo amin’ny antsony mandritra ny andro ary manatanteraka ny asa nampandraiketina azy hanatrika fihaonambe rehefa faran’ny herinandro. Rehefa tsy nety nihatsara ny fahasalamany taorian’ny tsodrano maro avy amin’ny fisoronana dia nikorontan-tsaina i Bruce, saingy fantany izay tokony hametrahany ny fitokiany.26

Tamin’ny 2010 dia namindrana voa avy tamin’i David zanany lahy i Bruce. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nety tsara tamin’ny vatany ilay famindrana taova. Fahagagana izany, izay nitondra fahasalamana vaovao indray, ka namela azy sy i Susan niverina tany Rosia malalany izay nanompoany tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra.

Ny Loholona sy ny Rahavavy Porter tao Rosia

Ny 26 desambra tamin’ny taon-dasa, rehefa avy niady tamin’ny fidiran’ny otrikaretina nitohitohy tao amin’ny hôpitaly iray tao Salt Lake City izy, dia nasainy nivoaka ny efitrano ireo mpitsabo. Nilaza tamin’i Susan i Bruce “fa fantany avy amin’ny Fanahy fa tsy misy na inona na inona azon’ireo mpitsabo atao intsony ka mety hahavonjy ny ainy. Fantany … fa haka azy hody ny Ray any An-danitra. Heniky ny fiadanana izy.”27

Tamin’ny 28 desambra dia niverina nody tany amin’ny fianakaviany i Bruce. Ora vitsy taorian’izay, rehefa nanodidina azy teo ny havan-tiany, dia niverina tamim-piadanana ho any amin’ny fonenany any an-danitra izy.

Sarin’ny Loholona Bruce D. Porter

Taona maro lasa izay dia nanoratra ireto teny ireto ho an’ny zanany i Bruce:

“Ny fijoroana ho vavolombelona ananako mikasika ny fisian’i Jesoa Kristy sy ny fitiavany no fitarihana teo amin’ny fiainako. … Izany dia tenivavolombelona madio sy mahery vaika avy amin’ny Fanahy fa velona Izy, fa Izy no Mpanavotro sy Namako amin’ny fotoana rehetra manahirana ahy.”28

“Ny fanambintsika … dia ny hahafantarantsika [ny Mpamonjy] … ary amin’ny alalan’ny finoana Azy, dia ny handresy ireo fitsapana sy fakam-panahin’ity izao tontolo izao ity.”29

“Tokony ho mahatoky sy marina isika, ary matoky Azy.”30

Naharesy izao tontolo izao i Bruce Douglas Porter.

Enga anie isika ka hiezaka mafimafy kokoa amin’ny ezaka ataontsika handresy izao tontolo izao, tsy hanamarina ireo fahotana lehibe kanefa hanana faharetana amin’ireo fahadisoana madinidinika, ho maika ny handroso haingana ary hanampy ny hafa amin-kalalahan-tanana. Rehefa matoky feno kokoa ny Mpamonjy ianareo dia mampanantena anareo aho fa hahazo fiadanana lehibe kokoa ianareo eto an-tany ary hahazo toky lehibe kokoa ny amin’izay hiafaranareo mandrakizay, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.