Itokio tsy amim-pisalasalana Andriamanitra
Raha mafy orina isika ka tsy misalasala amin’ny finoantsika dia hampitombo ny fahafahantsika handresy ireo olan’ny fiainana ny Tompo.
Ry rahalahy sy ranabavy malala, tiako ny hanomboka ny hafatro androany amin’ny fijoroana ho vavolombelona fa fantatro fa ny Filoha Thomas S. Monson no mpaminanin’ Andriamanitra amin’izao androntsika izao. Ireo mpanolotsaina azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ihany koa dia tena mpaminany sy mpahita ary mpanambara marina. Misolo tena an’i Jesoa Kristy Tompo izy ireo ary manana zo hanambara ny ao an-tsainy sy ny sitrapony araka izay hanambarana izany amin’izy ireo. Mijoro ho vavolombelona aho fa ahazoana fiarovana ny fanarahana ny torohevitr’izy ireo. Mitaona ny fanahin’izy ireo ny Tompo mba hanamafy ny fampatanjahana ny finoantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ary ny Sorompanavotany, mba tsy hahatonga antsika hisalasala rehefa miatrika ireo olana amin’izao androntsika izao isika.
Mamaky mikasika ny lehilahy iray antsoina hoe Amôna izay nirahina avy tany amin’ny tanin’i Zarahemlà ho any amin’ny tanin’ny Lehia-Nefia mba hanontany mikasika ireo rahalahiny isika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Hitany tany ny Mpanjaka Limia sy ny vahoakany, izay tao anatin’ny fanandevozan’ny Lamanita. Nahazo hery tamin’ny alalan’ny zavatra nolazain’i Amôna momba ny vahoakany tany Zarahemlà ny Mpanjaka Limia. Feno fanantenana sy fifaliana lehibe tokoa ny fony ka dia namory ny vahoakany ho any amin’ny tempoly izy dia nilaza hoe:
“Noho izany, dia atrakao ny lohanareo sy mifalia, ary apetraho amin’ Andriamanitra ny fitokianareo. …
“… Raha mitodika amin’ny Tompo amin’ny fo feno finiavana ianareo, … sy manompo Azy amin’ ny fahavitrihan’ny saina rehetra, … dia Izy no hanafaka anareo amin’ny fanandevozana araka ny sitrapony sy ny safidiny.”1
Nitondra fiantraikany lehibe teo amin’ny finoan’ny vahoakan’ny Mpanjaka Limia ny tenin’i Amôna ka nahatonga azy ireo hanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra mba hanompo Azy sy hitandrina ny didiny, na dia teo aza ny toe-javatra sarotra niainan’izy ireo. Noho ny finoan’izy ireo dia afaka namolavola drafitra hitsoahana ny Lamanita izy ireo.2
Rahalahy sy ranabavy, mangataka anareo aho mba hihevitra ny lanjan’ny fanasana nomen’ny Mpanjaka Limia ny vahoakany sy ny lanjan’izany amintsika. Hoy Izy: “Atrakao ny lohanareo sy mifalia, ary apetraho amin’ Andriamanitra ny fitokianareo.” Nanasa ny vahoakany tamin’ny alalan’ireo teny ireo i Limia mba handinika ny ho avy amin’ny alalan’ny mason’ny finoana. Mba hanolo ny tahotr’izy ireo amin’ny fanantenana zavatra tsara ateraky ny fananana finoana. Ka tsy hisalasala amin’ny fametrahana ny fitokiany amin’ Andriamanitra na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra iainany.
Ny fiainana an-tany dia vanim-potoana fizahan-toetra izay hisedrana antsika mba hahitana raha toa isika ka hanao ny zava-drehetra handidin’ny Tompo Andriamanitsika antsika.3 Hitaky finoana tsy misy ahiahy an’i Kristy izany na dia amin’ny fotoana tena sarotra aza. Izany dia hitaky ny hibosesehantsika handroso miaraka amin’ny finoana mafy orina an’i Kristy, sady tarihin’ny Fanahy, sy ny fahatokiana fa hanome izay ilaintsika Andriamanitra.4
Rehefa nifarana ny asa fanompoany tety an-tany, fotoana fohy talohan’ny nanagadrana Azy, dia nampianatra ny mpianany ny Mpamonjy hoe: “Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”5
Andao hisaintsaina miaraka amiko vetivety, i Jesoa Kristy, ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray, dia niaina fiainana tsy nisy fahotana sy nandresy ny fakampanahy, ny fanaintainana, ny olana, ary ny fahoriana rehetra an’izao tontolo izao. Nitete tao Getsemane ny rany. Niaritra fanaintainana tsy hay lazaina Izy. Nentiny teo Aminy ny fanaintainana sy ny aretintsika rehetra. Vonona Izy ny hanampy, hanampy ny tsirairay avy amintsika, hitondra ny enta-mavesatra rehetra. Nesoriny tamin’ny alalan’ny fiainany, ny fijaliany, ny fahafatesany, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty ny sakantsakana rehetra mba hahazoantsika fifaliana sy hahitantsika fiadanana eto amin’ity tany ity. Ny tombontsoa avy amin’ny sorompanavotany dia atolotra an’ireo izay manaiky Azy ka mandà ny tenan’izy ireo, sy ho an’ireo izay mitondra ny hazofijaliany ka manaraka Azy toy ny mpianany marina.6 Noho izany, rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany isika dia hohatanjahina. Hohamaivanina ny enta-mavesatsika ary handresy izao tontolo izao amin’ny alalany isika.
Ry rahalahy sy ranabavy, rehefa mandinika ny tanjaka sy ny fanantenana azontsika raisina avy amin’ny Mpamonjy isika dia manana antony hampitrakana ny lohantsika sy hifaliana, hametrahana ny fitokiantsika amin’ Andriamanitra, ary hibosesehana mandroso amim-pinoana fa tsy amim-pisalasalana, “fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. … Olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany.”7
Namporisika toy izany koa ny Mpanjaka Limia hoe: “[Mitodiha] amin’ny Tompo amin’ny fo feno finiavana ianareo, … [tompoy Izy] amin’ny fahavitrihan’ny saina rehetra, raha manao izany ianareo, dia Izy no hanafaka anareo amin’ny fanandevozana araka ny sitrapony sy ny safidiny.”8
Henoy ny tenin’ny Mpamonjy mivantana rehefa milaza amintsika Izy hoe:
“Aza malahelo ny fonareo; minoa an’ Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. …
“Raha tia ahy hianareo dia hitandrina ny didiko. …
“Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.”9
Mitahy antsika araka ny finoantsika Andriamanitra.10 Ny finoana no loharanon’ny fiainana miaraka amin’ny fananana tanjona sy fomba fijery mandrakizay araka an’ Andriamanitra. Fitsipika natao ampiharina izay miteraka fahazotoana ny finoana. Ny finoana dia hery tena ilaina sy velona izay miseho amin’ny alalan’ny fihetsika tsara sy ny faniriana hanao an-tsitrapo ny zavatra rehetra izay asain’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy ataontsika. Mahatonga antsika handohalika hivavaka izany mba hitalahoana fitarihana avy amin’ny Tompo sy mba hanomezany fitarihana sy hitsanganana ka hanaovana asa amim-pahatokiana mba hanatanterahana ireo zavatra mifanaraka amin’ny sitrapony.
Taona maro lasa izay, fony aho filohan’ny misiôna dia naharay antso avy amin’ny ray aman-drenin’ny iray tamin’ireo misiônera malalanay aho, izay nampandre ahy mikasika ny fahafatesan’ny anabavin’ilay misiônera. Tadidiko, tao anatin’izany fotoana manahirana izany, fa izaho sy ilay misiônera dia niresaka mikasika ny drafitry ny famonjena mahatalanjon’ Andriamanitra ho an’ireo zanany sy ny fomba hampitonian’izany fahalalana izany azy.
Na dia tohina sy nalahelo noho izany fahoriana izany aza izy, io misiônera io, tao anatin’ny ranomasony sy ny finoany an’ Andriamanitra, dia nifaly tamin’ny fiainan’ny anabaviny. Naneho fahatokiana tsy tamim-pisalasalana ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo izy. Nilaza tamiko tamim-pahavononana izy fa hanohy hanao ny asa fitoriany amim-pinoana sy amin’ny zotom-po tanteraka mba ho mendrika ireo fampanantenana nataon’ Andriamanitra taminy sy ny fianakaviany. Tamin’io fotoan-tsarotra io dia nampitodika ny fony tamin’ Andriamanitra io misiônera mahatoky io, nametraka ny fitokiany rehetra taminy, ary nanavao ny fanolorantenany hanompo ny Tompo amim-pinoana sy amin’ny zotom-po tanteraka.
Ry rahalahy sy ranabavy raha tsy manana fitokisana mafy orina an’ Andriamanitra sy tsy manana ny faniriana hanompo Azy isika dia afaka mitarika antsika hahatsapa ho toy ny hoe itambesaran’ny zioga mavesatra ireo zavatra iainantsika eto an-tany. Ary mety ho very ny hery mandrisika antsika hiaina feno ny filazantsara. Raha tsy manam-pinoana isika dia hanjary ho very ny fahafahantsika mankasitraka ireo fikasan’ ny Andriamanitsika momba ireo zavatra izay ho avy any aoriana any eo amin’ny fiainantsika.11
Ao anatin’ireny fotoam-pitsapana ireny, ny fahavalo, izay mitily mandrakariva izay mety ho mora alaim-panahy, dia miezaka mampiasa ny rafi-pisainantsika sy ny fomba fisainantsika hanoherana antsika. Miezaka mandresy lahatra antsika izy fa tsy ilaina ny miaina ny fitsipiky ny filazantsara. Mba tsarovy fa ny rafi-pisainan’ny olona araka ny nofo “dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’ Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany.”12 Tsarovy fa i Satana “dia fahavalon’ Andriamanitra [ary izy dia] miady Aminy lalandava, ary manainga sy mitaona [antsika] hanota, ary hanao izay ratsy lalandava.”13 Tsy tokony hamela azy hamitaka antsika isika, satria rehefa manao izany isika dia mihamalemy ny finoantsika ka very ny hery ananantsika mba hahazoana ny fitahiana avy amin’ Andriamanitra.
Raha mafy orina isika ka tsy misalasala amin’ny finoantsika dia hampitombo ny fahafahantsika handresy ireo olan’ny fiainana ny Tompo. Homena fahafahana hifehy ireo eritreri-dratsy isika ary hampitombo ny hery hahafahantsika mandresy, na dia ireo izay hita ho toy ny sakana tsy hay resena aza. Izany no nanome fahafahana ny vahoakan’ny Mpanjaka Limia hitsoaka tamin’ny fomba mahatalanjona avy tamin’ny fanandevozan’ny Lamanita.
Ry rahalahy sy ranabavy manasa anareo aho hametraka ny fitokianareo rehetra amin’ Andriamanitra sy amin’ny fampianaran’ireo mpaminaniny. Manasa anareo aho hanavao ny fanekempihavanana nataonareo tamin’ Andriamanitra, ny hanompo Azy amin’ny fonareo rehetra, na dia eo aza ireo toe-javatra sarotra eo amin’ny fiainana. Mijoro ho vavolombelona aho fa ho lasa afaka amin’ny fanandevozan’ny fahotana, ny ahiahy, ny tsy finoana, ny fahoriana, ary ny fijaliana ianareo amin’ny alalan’ny herin’ny finoanareo tsy misy ahiahy an’i Kristy. Ary hahazo ireo fitahiana rehetra nampanantenaina avy amin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana ianareo.
Mijoro ho vavolombelona aho fa misy Andriamanitra. Velona Izy. Tia antsika Izy. Mihaino ny vavaka ataontsika Izy ao anatin’ny fotoana mahafaly antsika sy ao anatin’ny fotoana mampisalasala sy mampalahelo ary mahakivy antsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao. Izy no Mpanavotra.
Ny tonon’ilay fihirana hoe “Not Now but in the Coming Years,” (Tsy amin’izao fotoana izao fa amin’ny taona hoavy) izay hita ao amin’ny fihirana amin’ny fiteny Pôrtogey no hamaranako ny teniko androany:
Raha manakona ny tara-masoandro ny rahona ka manaloka ny fontsika,
Raha mampahory antsika ny fijaliana, dia tsy mampaninona izany. Ho fantatray tsy ho ela hoe iza Ianao.
Mitantana antsika i Jesoa, ary holazainy antsika ny antony.
Raha mihaino ny feony isika, dia holazainy atsika hatrany hatrany.
Itokio tsy amim-pisalasalana Andriamanitra, dia avelao Izy hanohana antsika.
Hirao tsy an-kiato ny voninahiny, fa hohazavainy any aoriana any.14
Izany dia lazaiko amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.