2010–2019
Mijoroa ao anaty ary aoka ho ao tanteraka
Aprily 2017


NaN:NaN

Mijoroa ao anaty ary aoka ho ao tanteraka

Enga anie isika handinika indray ny lalantsika raha ilaina ka hibanjina ny hoavy amin’ny fanantenana sy finoana lehibe. Enga anie isika mba “hijoro ao anaty” amin’ny alalan’ny fahavitrihana ary ho “ao tanteraka.”

Taona maro lasa izay dia nihazakazaka nanatona ahy ny zafikelinay sady nilaza hoe: “Dadabe, dadabe! Matiko daholo ireo baolina telo tamin’ny lalao baolina nataonay androany!”

Novaliako tamim-pahavitrihana hoe: “Tsara be izany ry Sarah!”

Dia nijery ahy ny reniny avy eo sady nipi-paso no nilaza hoe: “Roa sy iray ny lalao tao.”

Tsy sahy nanontany aho hoe iza no nandresy!

Ny fihaonambe dia fotoana iray fandinihana, handraisana fanambarana ary indraindray fanitsiana ny lalan-kaleha.

Misy orinasa mpampanofa fiara iray izay antsoina hoe NeverLost (tsy very mihitsy) mampiasa GPS. Raha mivily amin’ny lalan-diso ianao aorian’ny fampidirana ny toerana tokony halehanao, dia tsy miteny ilay feo mpanoro lalana hoe “Adala ianao!” Fa amin’ny feo mahafinaritra kosa izy no milaza hoe: “Eo am-pandinihana indray ny lalana, raha azo atao dia mandraisa lalana miverina.”

Ao amin’ny Ezekiela isika dia mamaky izao fampanantena mahafinaritra izao:

“Fa raha ny ratsy fanahy miala amin’ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.

“Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy hotsarovana aminy intsony.”1

Tena fampanantenana mahafinaritra izany, saingy mitaky rehetra indroa izany vao mahazo ilay rehetra fahatelo. Miala amin’ny rehetra; mitandrina ny rehetra; izay vao voavela ny rehetra. Mitaky antsika ho “ao tanteraka” izany.

Isika dia tsy tokony ho tahaka ilay lehilay, nivoaka tamin’ny gazety Wall Street Journal, izay nandefa valopy feno vola niaraka tamin’ny taratasy tsisy anarana tany amin’ny ivon-ketra nilaza hoe: “Tompoko, Nampiarahiko etoana azafady ny vola izay anananareo ahy noho ny hetrako taloha. Fanamarihana: Raha mbola manenjika ahy ny eritreritro aorian’izao dia halefako aminareo ny ambiny.”2

Tsy izany no fomba tokony hiainantsika! Tsy manao zavatra amin’ny ampahany isika mba hijerena izay kely indrindra azontsika atao mba tsy hitsaran’ny olona antsika. Ny Tompo dia mitaky fo sy saina marisika.3 Ny fanolorantsika tena tanteraka! Rehefa atao batisa isika dia asitrika tanteraka ao anaty rano ho tandindon’ilay fampanantenantsika hanaraka tanteraka ny Mpanavotra, fa tsy hoe amin’ny ampahany fotsiny. Rehefa manolo-tena sy “ao tanteraka” isika, dia maneho ny heriny mba ho soa ho antsika ny lanitra.4 Rehefa malaindaina isika na tsy tena manolo-tena tsara, dia tsy hahazo ireo fitahiana sasany tsara indrindra avy any an-danitra.5

Taona maro lasa izay dia nitondra ny Skoto nandeha nilasy tany an-tany foana aho. Natory teo akaikina afo lehibe iray izay nampirehetin’izy ireo ireo ankizilahy, ary tahaka ny mpitarika Skoto tsara rehetra dia natory tao aorian’ny fiarako aho. Rehefa nifoha aho ny maraina ka nijery ilay tobim-pilasiana dia nahita Skoto iray, izay hantsoiko hoe Paul, izay toa reraka be. Nanontaniako izy raha toa ka natory tsara, dia namaly izy hoe: “Tsy dia tsara.”

Rehefa nanontany aho hoe nahoana, dia hoy izy hoe: “Nangatsiaka aho. Maty ilay afo.”

Novaliako hoe: “Fomban’ny afo izany. Angaha tsy nafana tsara ny kitapo lamba fatorianao?”

Tsy namaly izy.

Dia nanazava mafy ny iray tamin’ireo Skoto hafa hoe: “Tsy nampiasa kitapo lamba fatoriana izy.”

Sady gaga aho no nanontany hoe: “Fa nahoana ry Paul?”

Tsy niteny izy. Nony farany dia niahotrahotra izy namaly hoe: “Nihevitra aho hoe raha tsy avoakako ny ny kitapo lamba fatoriako dia tsy ho voatery hamalona izany indray aho.”

Ny tena marina: niaritra hatsiaka nandritra ny ora maro izy satria nanao izay tsy hanaovany asa dimy minitra. Mety hieritreritra isika hoe “Hadalana re izany e! Iza no hanao izany?” Manao izany foana amin’ny fomba mampidi-doza kokoa aza isika. Eny tokoa, mandà ny hamoaka ny kitapo lamba fatoriantsika ara-panahy isika rehefa tsy maka fotoana hivavahana amin-kitsim-po, handalinana ary hiainana amin-kitsim-po isan’andro ny filazantsara. Tsy hoe ho faty fotsiny ny afo, fa tsy ho voaro isika ary hihamangatsiaka ara-panahy.

Rehefa afa-po amin’ny fanekempihavanantsika isika ka tsy mahalala ny loza ho avy dia tompon’andraikitra amin’ny vokany. Nanoro hevitra antsika ny Tompo ny “mba hitandremanareo ny momba ny tenanareo, mba hitandremanareo fatratra ny tenin’ ny fiainana mandrakizay.”6 Ary mbola nanambara izy avy eo hoe: “Tsy hodiovin’ ny rako izy raha tsy mihaino Ahy.”7

Raha ny marina dia mora lavitra kokoa ny “ao tanteraka” toy izay aoao fotsiny. Rehefa aoao fotsiny isika na tsy ao mihitsy, dia misy “zavatra tsy milamina” ao, araka ilay fomba fiteny ao amin’ny La guerre des étoiles. Tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra isika ary noho izany dia tsy mifanaraka amin’ny toetry ny fahasambarana.8 Hoy i Isaia hoe:

“Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka.

“Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.”9

Soa ihany fa na aiza na aiza no misy antsika na taiza no nisy antsika dia tsy lavitra ny Mpamonjy isika, izay nilaza hoe: “Koa na zovy na zovy no mibebaka sy mankatỳ Amiko toy ny ankizy madinika, dia izy no horaisiko, fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra. Indro, an’ ny toa azy no efa nanolorako ny Aiko sy efa nakako izany indray.”10

Rehefa mibebaka sy miantehitra amin’ny Tompo tsy tapaka isika, dia mahazo hery raha toa ka miverina manana ny fanetrentena sy ny finoana ananan’ny zaza madinika,11 manan-karena ny fahendrena avy amin’ny fiainana feno traikefa. Nanambara i Joba hoe: “Ny marina mifikitra tsara amin’ny halehany, Ary izay madio tànana no hitombo hery.”12 I Tennyson no nanoratra hoe: “Toy ny tanjaky ny olona folo ny tanjako, satria madio am-po aho.”13 Nanoro hevitra antsika ny Tompo hoe: “Mitsangàna eo amin’ ny toerana masina ianareo ary aoka tsy hoesorina.”14

Nodimandry tamin’ny faha-19 taonany ny zanakay lahy rehefa avy niady tamin’ny aretina nandritra ny fiainany. Tao anatin’ny lahateny iray nandritra ny fivoriana Fanasan’ny Tompo izay nataony fotoana fohy talohan’ny nandaozany anay dia nizara tantara iray izy izay mety tena nanan-danja taminy momba ny raim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy izay niditra tao amina trano fivarotana kilalao iray nahitana kitapo fikotranana azo abontsika niendrika olona. Nomen’ilay zazalahy totohondry ilay sarin’olona azo abontsina izay nitongilana sy tonga dia nitsamboatra niverina isaky ny omena totohondry. Nanontanian’ilay raim-pianakaviana ilay zanany lahy hoe nahoana ilay olona no mitsamboatra miverina foana. Nieritreritra kely ilay zazalahy ary avy eo dia niteny hoe: “Tsy fantatro. Angamba satria mijoro izy ao anatiny ao.” Mba ho “ao tanteraka,” dia mila “mijoro ao anaty” isika, “na inona na inona hitranga.”15

Mijoro ao anaty isika rehefa miandry amim-paharetana ny Tompo hanala na hanome hery antsika hiaretana ireo tsilo amin’ny nofontsika.16 Izany tsilo izany dia mety ho aretina, kilema, aretin-tsaina, fahafatesan’olon-tiana, sy olana maro hafa.

Mijoro ao anaty isika rehefa mampiakatra ireo tanana miraviravy. Mijoro ao anaty isika rehefa miaro ny fahamarinana amin’ny tontolo ratsy fanahy sy tsy mivavaka izay mihalasa tsy tia hazavana hatrany, miantso ny ratsy ho tsara sy ny tsara ho ratsy17 ary “[manameloka] ny marina noho ny fahamarinany.”18

Na dia eo aza ireo zava-manahirana dia azo atao ny mijoro ao anaty satria manana eritreritra madio sy noho ny toky mankahery sy mampionona omen’ny Fanahy Masina ary ny fomba fijery mandrakizay izay mihoatra ny fahatakaran’olombelona.19 Nihoby tamim-pifaliana isika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana noho ny fahafahana hiaina ny fiainana an-tany.20 “Tao tanteraka” isika tamin’izany rehefa nanapa-kevitra ny ho mpiaro ny drafitry ny Raintsika any An-danitra. Izao no fotoana hanapahan-kevitra ka hiaro indray ilay drafiny!

Vao tsy ela ny raiko izay 97 taona no nodimandry. Isaky ny misy manontany azy momba ny fahasalamany dia izao foana ny valinteny omeny: “Raha eo amin’ny mari-drefy anelanelan’ny 1 sy 10 dia eo ho eo amin’ny 25 eo aho!” Na dia efa tsy afaka nitsangana na nipetraka mihitsy intsony sy nanana fahasarotana be teo amin’ny firesahana aza izany lehilahy malala izany, dia mbola izany ihany ny valinteniny. Nijoro tao anaty foana izy.

Tamin’ny faha-90 taonan’ny dadako dia tao anatina seranam-piaramanidina iray izahay dia nanontaniako izy raha hakana seza misy kodiarana. Hoy izy hoe: “Tsia ry Gary a! rehefa antitra angamba aho.” Dia nampiany hoe: “Sady rehefa reraka mandeha aho dia mbola afaka mihazakazaka foana.” Rehefa tsy afaka ny ho “ao tanteraka” isika amin’ny fomba fandehanantsika dia mety mila mihazakazaka isika; mety mila mandinika indray ny lalantsika isika. Mety mila miverin-dalana mihitsy isika. Mety mila mandalina amin’ny fo kokoa isika na mivavaka mafimafy kokoa na tsy miraharaha fotsiny amin’izao ny zavatra vitsisitsy mba hahafahantsika mifikitra amin’ireo zavatra izay tena manan-danja. Mety mila tsy miraharaha ny zavatr’izao tontolo izao isika mba hahafahantsika mifikitra amin’ny mandrakizay. Takatry ny raiko izany.

Ny rain’ny Loholona Sabin tany amin’ny tafika an-dranomasina

Rehefa tao amin’ny tafika an-dranomasina izy nandritra ny Ady lehibe faharoa dia nisy ireo izay tao amin’ilay trano mijoalajoala sy malalaka21 izay nihomehy ireo fitsipiny, saingy nisy roa tamin’ireo mpiray sambo taminy, i Dale Maddox sy i Don Davidson, nahatsikaritra izany sady tsy nihomehy. Nanontany izy ireo hoe: “Sabin a! fa maninona ianao no hafa be amin’ny olona rehetra? Manana fitondran-tena ambony sy tsy misotro na mifoka na miteny ratsy ianao nefa toa tony sy faly.”

Tsy araka ny zavatra nianarany mikasika ny Môrmôna ny zavatra tsara tsapan’izy ireo momba ny raiko, ary afaka nampianatra sy nanao batisa ireo mpiray sambo roa ireo ny raiko. Tezitra mafy ny ray aman-drenin’i Dale ary nampitandrina azy fa raha lasa mpikamban’ny Fiangonana izy dia tsy ho azy intsony i Mary Olive malalan’ny fony, saingy nihaona tamin’ireo misiônera izy rehefa nangatahiny ary dia natao batisa ihany koa.

Rehefa akaiky ho tapitra ny ady dia niantso misiônera ny Filoha Heber J. Grant ka tafiditra tamin’izany ny lehilahy vitsivitsy izay efa nanambady. Tamin’ny 1946 dia nanapa-kevitra i Dale sy i Mary Olive vadiny fa tokony hanompo i Dale na dia niandry ny zanak’izy ireo voalohany aza izy ireo. Taty aoriana izy ireo dia nanana zanaka sivy, telo lahy sy enim-bavy. Samy nanao asa fitoriana avokoa izy sivy ireo, narahin’i Dale sy i Mary Olive izay nanompo misiôna telo. Am-polony ihany koa ireo zafikely izay nanompo. Mpikambana ao amin’ny Amboaram-peon’ny Tabernakely ny roa amin’ireo zanany lahy, dia i John sy i Matthew Maddox, ary toy izany koa i Ryan, vinantolahin’i Matthew. Miisa 144 izao ny fianakavian’i Maddox ary ohatra tena mahafinaritra ny amin’ny hoe “ao tanteraka.”

Ny fianakavian’i Maddox ao amin’ny Amboarampeon’ny Tabernakely

Rehefa nisavasava ireo taratasin’ny raiko izahay dia nahita taratasy iray avy tamin’i Jennifer Richards, iray tamin’ireo zanakavavy dimin’i Don Davidson, ilay mpiray sambo iray hafa. Nanoratra izy hoe: “Nanova ny fiainanay ny fahamarinanao. Sarotra ny manakatra hoe ho nanao ahoana ny fiainanay raha tsy nisy ny Fiangonana. Maty nitia ny filazantsara sy niezaka niaina izany hatramin’ny farany ny raiko.”22

Sarotra ny mandrefy ny fiantraikany tsara mety entin’ny tsirairay rehefa mijoro ao anaty. Ny raiko sy ireo izay mpiray sambo taminy dia tsy nanaiky nihaino ireo izay tao amin’ilay trano mijoalajoala sy malalaka izay nanondro tamin’ny ratsan-tanana mamingavinga.23 Fantatr’izy ireo fa tsara lavitra kokoa ny manaraka ilay Mpahary toy izay manaraka ny fanaon’ny olona.

Mety nanoritsoritra ny androntsika i Paoly Apôstôly raha niteny tamin’i Timoty hoe “[ny sasany nivily], ka nania ho amin’ny taria foana izy.”24 Betsaka ny “taria foana” izay miseho eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Izany no resaka ifanaovan’ireo izay ao amin’ilay trano mijoalajoala sy malalaka.25 Matetika dia mitranga amin’ny endriky ny fanamarinan-tena mba hanamarinana ny faharatsiana izany na miseho ho azy rehefa miala haingana amin’ny filazantsara ny olona. Indraindray izany dia avy amin’ireo izay tsy nanao izay tokony ho nataony mba ho “ao tanteraka” ka naleony nanaraka ilay olona araka ny nofo izay manohitra ny mpaminany.

Soa ihany fa fantatsika ny fiafaran’ireo izay mahatoky. Rehefa “ao tanteraka” isika dia azontsika ilay toky ho an’ny rehetra fa “ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra.”26 Araka ny nolazain’ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Aza matahotra, manàna fiainana marina fotsiny.”27

Ny rafozan-dahiko dia nampianatra tao BYU ary tiany ny baolina kitra amerikana tao BYU saingy tsy sahy nijery ny lalaon’izy ireo izy satria natahotra ny voka-dalao. Dia nisy zavatra nahafinaritra niseho, nohariana ny magnetoscope, izay nanome fahafahana azy hirakitra an-tsary ireo lalao. Raha toa ka nandresy i BYU dia jereny amim-patokiana tanteraka ilay rakitsary, izay efa azony antoka tanteraka ny ho fiafarany! Raha toa ka voasazy tsy ara-drariny izy ireo, na naratra, na mila ho resy any akaikin’ny fiafaran’ny lalao dia tsy natahotra izy satria fantany fa handresy izy ireo! Mety hiteny ianareo hoe nanana “fanantenana mamirapiratra sy lavorary” izy!28

Dia toy izany koa ny amintsika. Rehefa mahatoky isika dia afaka manana antoka mitovy amin’izany fa hilamina tsara ny zava-drehetra amin’ny farany. Azo antoka ny fampanantenan’ny Tompo. Tsy midika akory izany fa ho mora na tsy hisy ranomaso ity fiainana fianarana ity, fa araka ny nosoratan’i Paoly hoe: “Izay tsy mbola hitan’ ny maso ary tsy mbola ren’ ny sofina, na niditra tao am-pon’ ny olona, na inona na inona no efa namboarin’ Andriamanitra ho an’ izay tia Azy.”29

Ry rahalahy sy ranabavy, tsy misy olona nanota ho an’ny rahampitso izany. Enga anie isika handinika indray ny lalantsika raha ilaina ka hibanjina ny hoavy amin’ny fanantenana sy finoana lehibe. Enga anie isika mba “hijoro ao anaty” amin’ny alalan’ny fahavitrihana ary ho “ao tanteraka.” Enga anie isika ho madio sy ho feno herim-po amin’ny fiarovana ny drafitry ny Raintsika any An-danitra sy ny asa nanirahana ny Zanany, ilay Mpamonjy antsika. Zaraiko aminareo ny fijoroako ho vavolombelona fa velona ny Raintsika, fa i Jesoa no Kristy, ary tena misy ny drafitra lehiben’ny fahasambarana. Mivavaka aho ny mba hirotsahan’ny fitahian’ny Tompo tsara indrindra eo aminareo ary izany no ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.