Testamenta Taloha 2022
27 febroary. Nahoana no zava-dehibe ny fanambadiana mandrakizay? Genesisy 24–27


“27 febroary. Nahoana no zava-dehibe ny fanambadiana mandrakizay? Genesisy 24–27,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“27 febroary. Nahoana no zava-dehibe ny fanambadiana mandrakizay?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
mpivady vao erotrerony mijery tempoly

27 febroary

Nahoana no zava-dehibe ny fanambadiana mandrakizay?

Genesisy 24–27

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona avy no lohahevitra noresahin’ny episkôpà tamin’ny fivorian’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy misy antsika? Inona no azontsika kilasy na kôlejy manontolo atao mifototra amin’ireo fifanakalozan-kevitra ireo?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Ahoana no ahafahantsika manolo-tanana amin’ny olona araka ny fomban’i Kristy rehefa mahita olona mila fanampiana isika nefa tsy mahita holazaina?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona no hitantsika tao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ka mitondra fifaliana ho antsika? Ahoana no ahafahantsika mizara izany fifaliana izany amin’ny hafa?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no ataontsika mba hahitana ny anaran’ireo razambentsika izay mila ôrdônansin’ny tempoly? Inona no azontsika atao mba hanampiana ny hafa hahita ny anaran’ny razambeny?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Rehefa tonga ny fotoana hanambadian’i Isaka, dia nangataka ny mpanomponyi Abrahama mba hitady vady ho an’i Isaka. Naniry ny hahita vady ho an’i Isaka izay afaka manao sy mitandrina fanekempihavanana amin’ny Tompo ary mampianatra izany ny zanany i Abrahama sy i Isaka. I Rebeka no vehivavy nahatoky nanao fanekempihavanana ara-panambadiana tamin’i Isaka. Na hazavain’ny soratra masina tsara aza fa manan-danja lehibe amin’ Andriamanitra ny fanambadiana, dia ametrahan’ny olona fisalasalana ny fahamarinan’ny fampianaran’ Andriamanitra momba ny fanambadiana amin’izao androntsika izao. Fa ny mpaminaniny kosa dia nanambara fa “tendren’ Andriamanitra” ny fanambadiana (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Zava-dehibe ho an’ireo izay ampianarinao ny mahatakatra ireo fahamarinana mandrakizay momba ny fanambadiana. Ny fanaovana izany dia hanampy azy ireo hiomana sy hijoro ho vavolombelona momba io ampahany manan-danja amin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra io.

Inona no tsapan’ireo zatovo ampianarinao mikasika ny fanambadiana mandrakizay? Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo handinika ny antony maha-tena zava-dehibe tokoa ny fanambadiana mandrakizay amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra? Rehefa miomana hampianatra ianao dia azonao atao ny mamaky ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson hoe “Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana?” (Liahona, mey 2015, 50–53). Azonao atao ihany koa ny mamaky ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (ChurchofJesusChrist.org).

Sary
Fianakaviana mitsangantsangana any anaty ala

Fototry ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fanambadiana mandrakizay sy ny fianakaviana.

Miaraha mianatra

Mety ho nisaintsaina ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana ny zatovo ampianarinao rehefa namaky ny Genesisy 24–27 izy ireo tamin’ity herinandro ity. Asao izy ireo hamaky ny Genesisy 24. Angataho izy ireo mba hizara andininy mampiseho fa zava-dehibe tamin’ireo olona voalaza ao amin’io toko io ny fanambadiana. Asao izy ireo hihevitra ny antony maha-fototry ny drafitr’ Andriamanitra ny fanambadiana mandrakizay. Ireo asa atao etsy ambany dia afaka manampy azy ireo hahatakatra kokoa ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana.

  • Mety hanana fafahafana hanazava ny antony maha-zava-dehibe ny fanambadiana amin’izy ireo ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao. Asao izy ireo haka sary an-tsaina hoe izy ireo dia manana namana iray izay mihevitra fa efa nilaozan’ny toetrandro sy tsy ilaina intsony ny fanambadiana. Afaka manoratra taratasy fohifohy ho an’io namana io izy ireo mba hanazavana ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Amporisiho izy ireo hampiditra ireo fahamarinana hitany ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo Izao.” Azon’izy ireo atao koa ny mampiasa soratra masina hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” na ao amin’ny “Fanambadiana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Asao izy ireo hizara amin’ny kilasy ny zavatra nosoratany.

  • Hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Nahoana no zava-dehibe ny fanambadiana mandrakizay? Omeo minitra vitsy hanoratany ny valin’ilay fanontaniana ny zatovo. Avy eo dia asao izy ireo hizara ny valin-teniny. Azon’izy ireo atao ny mitady valin-teny fanampiny ao amin’ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson hoe “Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana” (Liahona, mey 2015, 50–53). Azon’izy ireo atao ihany koa ny mijery ny horonan-tsary “Nahoana no masina amin’ny Ray any An-danitra ny fanambadiana?” avy amin’ny “Tafasiry mivantana miaraka amin’ny Loholona sy Rahavavy Renlund” (ChurchofJesusChrist.org). Asao izy ireo hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana.

  • Rehefa manaiky ireo fampianaran’ Andriamanitra momba ny fanambadiana isika ary miezaka mampihatra izany dia mahazo fitahiana be dia be. Saingy ny olona sasany — ao anatin’izany ireo izay manao izay faraheriny mba hiaina ny filazantsara — dia miatrikaolana amin’ny fanorenana fanambadiana sambatra sy maharitra mandrakizay. Azonao atao ny mangataka ny zatovo hiresaka ny sasany amin’ireo olana ireo. Inona no azontsika atao amin’izao fotoana izao mba hiomanana amin’ny olana toy izany? Azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo hamaky ny fizarana roa farany amin’ny hafatry ny Loholona Neil L. Andersen hoe “Ny masom-pinoana” (Liahona, mey 2019, 34–38). Azon’ny mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy misy anao atao ny mifanakalo hevitra momba ny ohatra hitany teo amin’ny fiainany na ny tantaram-pianakaviany momba ireo olona niatrika tamim-pahatokiana ireo olana tahaka ireo noresahin’ny Loholona Andersen. Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy ireo rehetra izay miatrikaolana rehefa mikatsaka ny fitahian’ny fanambadiana mandrakizay izy ireo?

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Nanasa ny mpanara-dia Azy ny Mpamonjy mba hanao asa am-pinoana sy hiaina ireo fahamarinana izay nampianariny. Ahoana no ahafahanao manasa ireo izay ampianarinao hiaina ireo fahamarinana izay ianarany?

Hamoaka printy