Testamenta Taloha 2022
13 martsa. Ahoana no ahafahako miatrika fahoriana amim-pinoana? Genesisy 37–41


“13 martsa. Ahoana no ahafahako miatrika fahoriana amim-pinoana? Genesisy 37–41,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“13 martsa. Ahoana no ahafahako miatrika fahoriana amim-pinoana?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
zatovolahy mitsikitsiky

13 martsa

Ahoana no ahafahako miatrika fahoriana amim-pinoana?

Genesisy 37–41

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Tamin’ny fomba ahoana no nahitantsika ny fiasan’ny tanan’ny Tompo teo amin’ny fiainantsika?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Ahoana no ahafahantsika mifanampy amin’ireo zavatra lalovantsika?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika mampiasa tsara kokoa ny teknôlôjia ho fitaovana fizarana ny filazantsara?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no ataontsika mba hanampiana ny fianakaviantsika hanatona an’i Kristy?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Fony mbola zatovo i Josefa avy any Egypta dia niatrika karazana fahoriana maro. Nisedra fifandirana tao amin’ny fianakaviany izy ary nampijalian’ny rahalahiny. Niatrika fakam-panahy handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izy. Saingy raha tokony ho najaina noho ny fahamendrehany izy dia nampidirina am-ponja kosa. Mety miatrika fitsapana mitovitovy amin’izany sy ny maro hafa ny mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy misy anao. Rehefa mandalina ny zavatra niainan’i Josefa ao amin’ny Genesisy 37–41 ianao, dia eritrereto ireo izay ampianarinao. Saintsaino ny lesona manan-danja mety ho azon’ny fiainan’i Josefa ampianarina azy ireo (jereo ihany koa ny Etera 12:27; Henry B. Eyring, “Miezaha, miezaha, miezaha,” Liahona, nôv. 2018, 90–93). Ny tantaran’i Josefa dia mety hitaona ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy hanontany hoe: “Ahoana no ahafahako miatrika amim-pinoana ireo fahoriana lalovako ary ahoana no hanampian’ Andriamanitra ahy amin’izany?”

Sary
kilasin’ny zatovovavy

Rehefa mifantoka amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahazo hery ao anatin’ireo fahoriana lalovantsika isika.

Miaraha mianatra

Hevero ny hangataka ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy hitanisa eny amin’ny solaitrabe ny zava-nitranga sasany teo amin’ny fiainan’i Josefa tany Egypta, araka ny voalaza ao amin’ny Genesisy 37 sy ny 39–41. Ny fampisehoana sary vitsivitsy toy ireo ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, dia afaka manampy azy ireo hahatadidy ireo trangan-javatra ireo. Ahoana no itovian’ny fitsapana nahazo an’i Josefa amin’ireo fanamby atrehin’ny zatovo ankehitriny? Raha velona i Josefa amin’izao fotoana izao dia inona no torohevitra mety homeny antsika momba ny fiatrehana fahoriana? Inona no mety ho azony lazaina momba ny fomba nanampian’ny fifandraisany tamin’ny Tompo azy? Ampiasao ny asa atao tahaka izao manaraka izao mba hanampiana ny zatovo hieritreritra ny fomba ahafahan’izy ireo miatrika amim-pinoana ireo fanamby atrehin’izy ireo amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Ny fandalinana ny fomba niatrehan’ny Mpamonjy ny fahoriana nolalovany dia afaka manampy antsika hiatrika amim-pinoana ireo fahoriana lalovantsika. Mety handroso ohatra vitsivitsy amin’ny fahoriana natrehin’ny Mpamonjy ireo zatovo ary hiaraka handinika azy ireo (jereo ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” hitadiavana hevitra). Inona no manan-danja amintsika mikasika ny fomba niatrehan’ny Mpamonjy ireo fotoam-pahoriany? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony rehefa miatrika ny fahoriantsika manokana isika?

  • Indraindray dia mora kokoa ny miatrika ny fahoriana rehefa miezaka mijery izany amin’ny fomba fijerin’ny Tompo isika. Mba hanampiana ireo izay ampianarinao hahatakatra izany dia angataho izy ireo hitady ohatra amin’ny fiovana azon’izany fomba fijery izany entina amin’ny alalan’ny fandinihana ny hafatry ny Loholona Rafael E. Pino hoe “Ny fomba fijery mandrakizay raketin’ny filazantsara” (Liahona, mey 2015, 117–19). Asao hizara ny zavatra hitany izy ireo. Inona no hevitra aroson’ireo ohatra ireo momba ny fomba mety hijerentsika sy hiatrehantsika ireo fahoriantsika? Raha afaka miresaka amintsika momba ny fanamby atrehintsika ny Mpamonjy, dia inona no heverintsika fa mety holazainy? Mba hanampiana amin’ny famaliana io fanontaniana io dia afaka mamaky ny soratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” ny zatovo.

  • Hevero ny hangataka ireo zatovo hizara ohatra-na olona iray (mety ho razambe) izay nanentana ny fanahin’izy ireo tamin’ny alalan’ny fomba niatrehany fitsapana sarotra. Na azonao atao ny mizara ohatra manentam-panahy avy amin’olona fantatrao. Matetika no ahitana tantaran’olona izay niatrika fahoriana tamim-pinoana ireo hafatra amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana (jereo ny ohatra vitsivitsy ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana”). Eritrereto izay azonao zaraina avy amina hafatra toy izany izay mety hanan-danja amin’ireo izay ampianarinao. Rehefa miresaka ireo ohatra ireo ianareo dia manomeza sosokevitra mba hifantohan’ny mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy amin’ny fomba nanampian’ny finoana an’i Jesoa Kristy olona nandritra ny fotoam-pahorian’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mizara ny lisitra nataon’ny Eveka W. Christopher Waddell momba ireo loharanom-panampiana nomen’ny Tompo mba hanampiana antsika amin’ireo fanamby atrehintsika, izay hita any amin’ny faramparan’ilay hafatra nozarainy hoe “Miverena amin’ny Tompo” (Liahona, nôv. 2017, 94–96).

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

“Rehefa miomana ianao dia aoka ny fahatakarana ny momba ireo olona ampianarinao no hitarika ny drafitrao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7). Ohatra, omano am-bavaka ireo asa ho atao, amin’ny alalan’ny fampiasana soratra masina sy loharanom-pitaovana hafa izay afaka manampy amin’ny olana atrehin’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy.

Hamoaka printy