Miverena amin’ny Tompo
Tsy afaka mifehy ny zavatra rehetra mitranga amintsika isika, kanefa afaka mifehy tanteraka izay ho fihetsitsika manoloana ireo fiovana eo amin’ny fiainantsika.
Tamin’ny lohataonan’ny taona 1998 dia afaka nanambatra dia momba ny asa sy fialan-tsasatry ny mpianakavy izaho sy i Carol ary nitondra ny zanakay efatra niaraka tamin’ny rafozam-baviko izay maty vady vao haingana, nankany Hawaii nandritra ny andro vitsy.
Ny alina talohan’ny nandehananay nisidina nankany Hawaii dia hitan’ny mpitsabo fa voan’ny aretin-tsofina ny sofina roan’i Jonathon zanakay lahy efa-taona, ary nilaza taminay ny mpitsabo fa tsy afaka manao dia lavitra izy ao anatin’ny telo na efatra andro farafahakeliny. Tapakevitra izahay fa hijanona ao an-trano miaraka amin’i Jonathon i Carol, ary izaho kosa dia hanao ilay dia miaraka amin’ny sisa ao amin’ny fianakaviana.
Nitranga fotoana fohy taorian’ny nahatongavanay ny fambara voalohany izay naneho tamiko fa tsy nizotra tsara araka izay nieritreretako azy ilay dia. Rehefa nandeha teo amin’ny lalana nisy hazo palma nilahadahatra notarafin’ny volana sady nahatazana ny ranomasina teo anoloanay izahay, dia nitodika aho mba hilaza ny hatsaran’ilay nosy, ary tamin’io fotoana nampihetsi-po io, raha tokony hahita an’i Carol aho, dia ilay rafozam-baviko, izay lazaiko etoana fa tiako tokoa, indray no nifampijery tamiko. Tsy izay tsotra izao ny zavatra nandrasako.Ary na dia i Carol koa aza dia tsy nanampo ny hanao fialan-tsasatra irery tao an-trano niaraka tamin’ny zanakay lahy narary.
Hisy fotoana isika eo amin’ny fiainantsika ho tonga eo amin’ny lalana iray tsy nantenaintsika, hiatrika toe-javatra iainana izay mafy lavitra kokoa noho ny fialan-tsasatra simba.Inona no ataontsika rehefa manova ny fiainana izay nomanintsika na nantenaintsika ireo zavatra mitranga, izay matetika no tsy voafehintsika?
Tamin’ny 6 jona 1944 dia nidina an-tanety teo amin’ny morontsiraka tao Omaha Beach i Hyrum Shumway, izay sous-lieutenant vao herotrerony tao amin’ny tafika Amerikana nandritra ilay andro voalohany nanafihana tao Normandie. Tsy azon-doza izy nandritra ny fidinana teo amin’ilay tany, saingy tamin’ny 27 jolay rehefa isan’ireo nandeha nanafika an-tanety izy, dia naratra mafy noho ny vanja mpamotika tanky izay nipoaka.Tao anatin’ny fotoana fohy dia nisy fiantraikany goavana teo amin’ny fiainany sy ny asany amin’ny maha-mpitsabo kasainy hatao amin’ny ho avy izany.Taorian’ny fandidiana maro be, izay nanampy azy ho sitrana tamin’ny ankamaroan’ireo ratra mafy nahazo azy, dia tsy nety niverina nahiratra intsony ny mason-drahalahy Shumway. Ahoana no ho fihetsiny manoloana izany?
Taorian’ny telo taona nitsaboana azy tao amin’ny hôpitaly fanampiana ny olona tra-doza na tratran’ny fiankinan-doha ho salama sy hiaina tsara indray dia niverina nody tany Lovell, Wyoming izy. Fantany fa ny nofinofiny ho tonga mpitsabo dia tsy ho tanteraka intsony, kanefa vonona ny handroso hatrany izy, hanambady, ary hamelom-bady aman-janaka.
Taty aoriana dia nahita asa tao Baltimore, Maryland izy ary mpanoro hevitra ireo olona tra-doza na tratran’ny fiankinan-doha ho salama tsara sy manam-pahaizana momba ny fitadiavana asa ho an’ny jamba no asany.Nandritra ny dingana nanazarany tena ho afaka hiaina tsara indray dia nianatra izy fa afaka manao zavatra betsaka kokoa noho izay noheveriny ny jamba, ary nandritra ny valo taona nanaovany izany asa izany dia betsaka kokoa noho izay vitan’ny mpanoro hevitra rehetra manerana ilay firenena ny isan’ny olona jamba nahitany asa.
Ary tamin’izay, rehefa natoky ny fahafahany hamelona fianakaviana i Hyrum dia nangataka ilay malalany mba hanambady azy tamin’ny fitenenana hoe: “Raha vonona ny hamaky ireo taratasy tonga ianao, sy hampitovy ny bakiraroko, ary hamily ny fiara, dia afaka manao ny sisa rehetra aho.”Vetivety taorian’izay izy ireo dia voafehy tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake ary taty aoriana dia nanan-janaka valo.
Niverina tany Wyoming ry Shumway mianakavy tamin’ny 1954, ary Talem-paritra nisahana ny fanabeazana ny marenina sy ny jamba tao nandritra ny 32 taona i Shumway.Nandritra izany fotoana izany dia evekan’ny Paroasy voalohany tao Cheyenne nandritra ny fito taona izy, ary patriarika teo anivon’ny tsatòka nandritra ny 17 taona taty aoriana.Taorian’ny fisotroan-drononony dia misiônera mpivady tao amin’ny Misiônan’i Londres du sud ihany koa Rahalahy sy Rahavavy Shumway.
Nodimandry tamin’ny martsa 2011 i Hyrum Shumway, ka namela lovan’ny finoana sy fitokiana ny Tompo, na dia tao anatin’ny toe-javatra sarotra aza, ho an’ny taranaka maro ahitana zanaka, zafikely, ary zafiafy.1
Mety hoe novain’ny ady ny fiainan’i Hyrum Shumway, kanefa tsy niahiahy ny amin’ny toetra araka an’ Andriamanitra sy ny fahafaha-manao zavatra mandrakizay nananany mihitsy izy.Tahaka azy, isika dia fanahy zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra, ary “nanaiky ny drafiny izay ahafaha[ntsika] zanany hahazo vatana sy hahazo traikefa etỳ ambonin’ny tany mba handrosoa[ntsika] mankany amin’ny fahatanterahana ary hahatratra[rantsika] any amin’ny farany ny anjara[ntsika] tahaka an’ Andriamanitra amin’ny maha mpandova ny fiainana mandrakizay [antsika].”2 Tsy misy fatram-piovana, na fitsapana, na fifanoherana afaka manova izany lalana mandrakizay izany, afa-tsy ny safidintsika ihany, rehefa mampihatra ny fahafahantsika misafidy isika.
Ireo fiovana, sy ny olana aterak’izany, izay atrehantsika eto amin’ny fiainana an-tany dia hita amin’ny endriny maro ary misy fiantraikany eo amin’ny tsirairay avy amintsika amin’ny fomba miavaka. Tahaka anareo, izaho dia efa nahita namana sy fianakaviana niatrika olana nateraky ny:
-
Fahafatesan’ny havan-tiana iray.
-
Fisaraham-panambadiana tena mafaitra.
-
Angamba koa tsy fananana fahafahana mihitsy mba hanambady.
-
Aretina na faharatrana lehibe iray.
-
Eny fa na ny loza ara-boajanahary aza, tahaka izay hitantsika vao haingana.
Sy ny maro hafa koa.Na dia mety hoe tsy mitovy amin’ny an’ny hafa fa arakaraka ny toe-javatra iainantsika tsirairay aza ny “fiovana” tsirairay, dia misy zavatra iraisana ao anatin’ny fitsapana na ny olana aterak’izany: ny fanantenana sy ny fiadanana dia afaka ny ho azo foana amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy.Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manome ny fepetra hoenti-manitsy sy manasitrana faratampony indrindra ho an’ny vatana maratra sy ny fanahy simba ary ny fo maratra rehetra.
Fantany, amin’ny fomba tsy takatr’iza na iza, ny zavatra ilaintsika tsirairay, mba handrosoana eo anivon’ny fiovana.Ny Mpamonjy, izay tsy mitovy amin’ireo namantsika sy olon-tiantsika, dia tsy vitan’ny hoe miara-ory na miara-paly amintsika fotsiny, fa afaka mahatakatra tanteraka koa ny zavatra tsapantsika Izy, satria efa niainany ny zavatra iainantsika. Ankoatra ny nanonerany ny sarany sy ny fijaliantsika noho ny fahotantsika, i Jesoa Kristy ihany koa dia nandeha tamin’ny lalana rehetra, niatrika ny olana rehetra, niaina ny fijaliana rehetra, na ara-batana, na ara-pihetseham-po, na ara-panahy, izay mety hohatrehantsika rehetra eto amin’ny fiainana an-tany.
Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer hoe: “Tsy voafetra ho an’ireo izay nanota … fotsiny ihany ny famindrampo sy fahasoavan’i Jesoa Kristy, fa tafiditra ao anatin’izany ilay fampanantenana ny fiadanana mandrakizay ho an’ireo rehetra izay manaiky sy manaraka Azy. … Ny famindrampony no mpanasitrana mahery, eny fa na ho an’ireo voaratra noho ny otan’ny hafa aza.”3
Tsy afaka mifehy ny zavatra rehetra mitranga amintsika isika eto amin’ity fiainana an-tany ity, kanefa afaka mifehy tanteraka izay ho fihetsitsika manoloana ireo fiovana eo amin’ny fiainantsika.Tsy midika akory izany fa tsy misy vokany sy mora vahana na raisina an-tanana ireo olana sy fitsapana atrehantsika.Tsy midika izany fa tsy hahatsapa fanaintainana na ratram-po isika.Kanefa izany dia midika fa misy antony tokony hanantenana, ary noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka mandroso isika ary hiaina andro tsaratsara kokoa, andro feno fifaliana sy fahazavana ary fahasambarana mihitsy aza.
Hitantsika ao amin’ny Môsià ny tantaran’i Almà, ilay mpisoron’i Noà Mpanjaka teo aloha, sy ny olony izay “rehefa nampahalalain’ ny Tompo mialoha … [dia] niainga nankany an-tany foana talohan’ ny miaramilan’ i Noà mpanjaka.” Rehefa afaka valo andro dia “tonga teo amin’ ny … tany tena tsara sy mahafinaritra [izy ireo]” ary tao izy no “nanangana ny lainy … ary rafitra niasa ny tany sy nanomboka nanorina trano.”4
Toa nahavelom-panantenana ny toe-javatra niainan’izy ireo tamin’izay. Nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo.Natao batisa izy ireo ary nanao fanekempihavanana fa hanompo ny Tompo sy hitandrina ny didiny.Ary “nihamaro sy nambinina izaitsizy tokoa izy teo amin’ ny ta[ny].”5
Na izany aza anefa, dia niova tanaty fotoana fohy ny toe-javatra niainan’izy ireo.“Mby tao amin’ ny faritry ny sisin-tany ny miaramilan’ ny Lamanita.”6 Vetivety taorian’izay dia navarina ho amin’ny fanandevozana i Almà sy ny olony, ary “lehibe loatra ny fahoriany ka nanomboka ho nahery nitalaho mafy tokoa tamin’ Andriamanitra izy.”Ankoatra izay dia vao mainka aza nodidin’ireo mpisambotra azy izy ireo mba tsy hivavaka intsony, fa raha tsy izany “na zovy na zovy no ho hita miantso an’ Andriamanitra dia hovonoina ho faty.”7 Tsy nisy zavatra nataon’i Almà sy ny olony ka nahatonga azy ireo ho mendrika ilay toe-javatra vaovao niainany.Inona no fihetsik’izy ireo nanoloana izany?
Raha tokony hoe nanome tsiny an’ Andriamanitra izy ireo dia naleony kosa niverina tany Aminy dia “namboraka ny tao am-pony taminy.”Ho setrin’ny finoana sy ny vavaka mangina nataon’izy ireo dia namaly ny Tompo hoe: “Atrakao ny lohanareo. … “Hohamaivaniko … ny enta-mavesatra izay apetraka eo an-tsorokareo, ka tsy hahatsapa izany ny lamosinareo.”Fotoana fohy taorian’izay dia “nampahatanjaka azy ny Tompo mba hahafahany mitondra mora foana ny enta-mavesany, ary izy dia nanaiky tamim-pifaliana sy tamim-paharetana ny sitrapon’ ny Tompo rehetra.”8 Na dia tsy mbola nohafahana tamin’ny fanandevozana aza izy ireo, rehefa niverina tamin’ ny Tompo, fa tsy niala tamin’ ny Tompo, dia notahiana arakaraka ny zavatra nilainy sy araka ny fahendren’ny Tompo.
Araka ny nampianarin’ny Loholona Dallin H. Oaks dia: “Tonga amin’ny fomba maro ny fitahian’ny fanasitranana, ka mifanaraka amin’izay ilaintsika manokana ny tsirairay amin’izany, izay fantatr’Ilay tena tia antsika indrindra. Indraindray ny -fanasitranana- dia manala ny aretintsika na milanja ny enta-mavesantsika.Saingy indraindray dia -sitrana- isika amin’ny alalan’ny fahazoana hery na fahatakarana na fanetrentena mba hahazakana ilay enta-mavesatra apetraka eo amintsika.”9
Nony farany dia “lehibe loatra ny finoany sy ny faharetany,” hany ka dia nafahan’ny Tompo i Almà sy ny olony, tahaka ny hanafahana antsika ihany koa “[ary] namboraka ny fisaorany” “satria tao amin’ ny famatorana izy, ary tsy ho nisy nahafaka azy tamin’ izany afa-tsy ny Tompo Andriamaniny.”10
Ny zavatra mampihomehy sady mampalahelo dia, matetika loatra ireo izay tena mila fanampiana no miala amin’ny loharanom-panampiana tokana sady tonga lafatr’izy ireo, dia i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Ny tantara iray be mpahalala ao amin’ny soratra masina momba ny menarana varahina dia mampianatra antsika fa manana safidy isika rehefa miatrika olana. Rehefa avy nokaikerin’ny “menaran’afo manidina”11 ny maro tamin’ny zanak’ Isiraely dia “tandindona iray no natsangana …, ka na zovy na zovy no ho nijery izany dia ho velona. [Kanefa safidy izany.] Ary maro no nijery ary velona.
“… Nefa nisy maro izay efa mafy fo loatra ka tsy nety nijery, noho izany dia maty izy ireny.”12
Tahaka an’i Isiraely fahiny dia asaina sy amporisihina ihany koa isika hijery ny mpamonjy dia ho velona, satria mora ny ziogany ary maivana ny entany, eny na dia mavesatra aza ny antsika.
I Almà zanany dia nampianatra an’io fahamarinana masina io rehefa nilaza hoe: “fantatro fa na zovy na zovy no hametraka ny fitokiany amin’ Andriamanitra dia hotohanana izy amin’ ny fizahan-toetra azy sy ny fahasahiranany ary ny fahoriany, ary hasandratra izy amin’ ny andro farany.”13
Amin’izao andro farany izao dia nomen’ny Tompo loharanom-pitaovana maro be isika, dia ny “menarana varahi[ntsika],” ary izy rehetra ireo dia natao mba hanampy antsika hijery an’i Kristy sy hametraka ny fitokisantsika Aminy.Ny famahana ireo olana eo amin’ny fiainana dia tsy ny tsy firaharahiana ny zava-misy marina fa ny fisafidianana kosa hoe hifantoka aiza isika ary inona no fototra hanorenanntsika zavatra.
Ireo loharanom-pitaovana ireo dia ahitana ireto, kanefa tsy voafetra amin’izany:
-
Fandalinana ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany velona.
-
Fanaovana matetika vavaka sy fifadian-kanina amin-kitsimpo.
-
Fandraisana ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana.
-
Fankanesana matetika any amin’ny Tempoly.
-
Tsodranon’ny fisoronana.
-
Fandraisana torohevitra hendry amin’ny alalan’ny matihanina efa voahofana.
-
Eny na dia ny fihinanana fanafody aza, rehefa nahazoana taratasim-panafody ara-dalàna sy ampiasaina araka izay nankatoavin’ny mpitsabo.
Na inona na inona fiovana eo amin’ny toe-javatra misy eo amin’ny fiainana mety ho tojo antsika eny amin’ny lalantsika, ary na inona na inona lalana tsy nantenaintsika izay tsy maintsy handehanantsika, dia safidy ny fihetsika hasetrintsika izany.Ny fiverenana amin’ny Mpamonjy sy ny fandraisana ny tanany mihinjitra, no safidy tsara indrindra azontsika atao mandrakariva.
Nampianatra ity fahamarinana mandrakizay ity ny Loholona Richard G. Scott: “Ny tena fifaliana maharitra omban’ny hery sy ny herim-po ary ny fahafahana mandresy ny zava-tsarotra feno fanamby indrindra izay miaraka amin’izany, dia azo avy amin’ny fiainana mifantoka amin’i Jesoa Kristy. … Tsy misy fanomezana antoka ny amin’ny hahazoana valiny haingana, kanefa tena azo antoka tanteraka fa, amin’ny fotoan’ny Tompo, dia ho avy ny vahaolana, hanjaka ny fiadanana ary hofenoina ny fahabangana.”14
Mizara ny fijoroako ho vavolombelona momba ireo fahamarinana ireo aho.Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.