2010–2019
Ny fahamarinan’ny zava-drehetra
Ôktôbra 2017


2:3

Ny fahamarinan’ny zava-drehetra

Isika tsirairay dia manana andraikitra manokana mba hanao izay ilaina atao hahazoana sy hihazonana fijoroana ho vavolombelona matanjaka.

Tonga isika anio hariva miaraka amin’ny fanantenana sy finoana fa hiala eto nampatanjahana sy notahiana tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, izay mampianatra ny fahamarinana.1 Mahakasika ny fikatsahantsika manokana ny fahamarinana no tiako horesahina.

Fony aho zatovolahy dia nanana fanontaniana maro momba ny Fiangonana aho.Tena avy tamin’ny fo ny sasany tamin’ireo fanontaniako. Tsy toy izany ny sasany sy nampiseho ny ahiahian’ny hafa.

Matetika aho no nifampiresaka momba ireo fanontaniako tamin’ny reniko. Azoko antoka fa tsapany fa maro tamin’ireo fanontaniako no tamin-kitsimpo sy avy tamin’ny foko. Eritreretiko fa diso fanantenana kely tamin’ireo fanontaniana izay tsy tena tamin-kitsimpo sy nahatonga adi-hevitra bebe kokoa izy. Na izany aza anefa dia tsy nanao izay tsy nampahazo aina ahy velively noho ny fananako fanontaniana izy. Nihaino izy dia niezaka namaly azy ireo. Rehefa tsapany fa voalazany avokoa izay rehetra azony nambara ka mbola nanana fanontaniana anefa aho, dia nilaza zavatra toy izao izy: “David, fanontaniana tsara izany. Rehefa mizaha sy mamaky ary mivavaka ianao mba hahazo valiny, dia nahoana ianao no tsy manao ireo zavatra fantatrao fa tokony hataonao ka tsy manao ireo zavatra fantatrao fa tsy tokony hataonao?” Nanjary ho lamina narahiko hitadiavako ny fahamarinana izany. Hitako tamin’ny alalan’ny fandalinana sy vavaka ary fitandremana ireo didy fa misy valiny ireo fanontaniana manan-danja nananako. Hitako ihany koa fa ilain’ireo fanontaniana sasany ny finoana tsy tapaka sy ny faharetana ary ny fanambarana.2

Napetrak’i Neny tamiko ny andraikitra amin’ny fampitomboana finoana sy ny fahitana valinteny. Fantany fa ho tonga avy amin’ny fikatsahako ny fahamarinana amin’ny fomba nanoratan’ny Ray any An-danitra azy ireo valinteny manan-danja. Fantany fa nila nahita ny fahamarinana aho. Fantany fa nilaiko ny ho mahitsy fo tamin’ireo fanontaniana nananako sy ny ho vonona hanao zavatra araka ireo izay efa fantatro fa marina. Fantany fa nila nandalina sy nivavaka aho ary nila nikolokolo faharetana lehibe kokoa aho rehefa nikatsaka valinteny avy tamin’ny Tompo. Ny fahavononana dia ampahany amin’ny fitadiavantsika ny fahamarinana sy ampahany amin’ny lamin’ny Tompo amin’ny fanambarana fahamarinana.3

Rehefa nandeha ny fotoana dia nanjary fantatro fa ny reniko dia nampianatra ahy ny lamin’ny Ray any An-danitra amin’ny fikatsahana fahamarinana. Nitombo ny finoana, nanomboka tonga ireo valinteny, ary nanaiky ny antso mba hanao asa fitoriana aho.

Dia tonga ny fotoana iray, tany amin’ny fiandohan’ny asa fitoriako, izay nahafantarako fa nila nahafantatra aho raha toa ka marina ny Fiangonana ary mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith. Tsapako ilay nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson mazava tsara tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonantsika farany hoe: “Raha tsy manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka ny amin’ireo zavatra ireo ianareo dia ataovy izay tokony hatao mba hahazoana izany. Zava-dehibe ho anareo ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona anareo manokana, satria ny fijoroana ho vavolombelon’ny hafa dia tsy afaka ny hanampy anareo ho lasa lavitra.”4 Fantatro ny zavatra nilaiko natao.Nila namaky ny Bokin’i Môrmôna tamin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana aho, ary mangataka amin’ Andriamanitra raha marina izany.

Henoy ny fampanantenana mahatalanjona nomen’ny Raintsika any An-danitra tamin’ny alalan’ny mpaminany Môrônia: “Ary rehefa handray ireto zavatra ireto ianareo, dia ta hamporisika anareo aho ny mba hanontanianareo an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’izany aminareo Izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina.”5

Mba hahazoako izay tao anatin’ny Bokin’i Môrmôna dia nila namaky izany aho.Natomboko tamin’ny fiandohany ilay boky ary namaky isan’andro aho.Misy ireo mandray tenivavolombelona vetivety monja.Ho an’ny sasany dia hitaky fotoana bebe kokoa sy vavaka bebe kokoa ary mety hahitana ny famakiana imbetsaka ilay boky izany.Nila namaky ilay boky manontolo aho mialoha ny nahazoako ilaytenivavolombelona nampanantenaina. Kanefa dia naneho ny fahamarinan’izany tamiko tamin’ny herin’ny Fanahy Masina tokoa Andriamanitra.

Nofariparitako tao anatin’ny diariko tany amin’ny asa fitoriana ny fifaliako tamin’ny fahafantarana ny fahamarinana ary koa ny fanambarana fanolorantena nataoko manokana sy ny tena finiavako hanao asa araka ilay fahamarinana noraisiko.Nanoratra aho hoe: “Manolo-tena amin’ny Raiko any An-danitra syamin’ny tenako aho fa hanao ny tsara indrindra vitako, hanolotra ny 100 isan-jato mandritra ny androm-piainako sisa, na inona na inona hangatahina, dia hataoko, fa izao aloha dia manana ny sisa amin’ny asa fitoriako aho ary hanao izany ho asa fitoriana lehibe, izay tsy hampiasa saina ahy ny momba izany, saingy tsy ho ahy, fa ho an’ny Tompo. Tiako ny Tompo, ary tiako ny asa, ary ivavahako fotsiny mba tsy hialaamiko na oviana na oviana izany fahatsapana izany.”

Nanjary fantatro fa ny famelombelomana tsy tapaka sy ny ezaka tsy tapaka mba hibebaka sy hitandrina ireo didy dia ilaina mba tsy hialan’izany fahatsapana izany intsony. Nilaza ny Filoha Monson hoe: “Ny fijoroana ho vavolombelona iray dia mila hazonina ho velombelona sy miaina amin’ny alalan’ny fankatoavana tsy tapaka ny didin’ Andriamanitra sy amin’ny alalan’ny vavaka sy fandalinana ny soratra masina isan’andro.”6

Nandritra ny taona maro dia nanontaniako ireo misionera sy ireo tanora manerana izao tontolo izao ny fomba nanombohan’izy ireo ny ezaka nataony manokana mba hikatsaka ny fahamarinana sy hahazo fijoroana ho vavolombelona. Saika ho izy rehetra tsy misy ankanavaka no mamaly fa ny ezaka nataon’izy ireo mba hahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana dia nanomboka tamin’ny fanapahan-kevitry ny tena manokana mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna hatrany any amin’ny voalohany sy hangataka amin’ Andriamanitra raha toa ka marina izany. Rehefa manao izany izy ireo dia misafidy ny “hihetsika” fa tsy “hetsehin’”7 ny ahiahin’ny hafa.

Mila miaina ny filazantsara8 sy “manandrana”9 ny teny isika. Ampitandremana isika mba tsy hanohitra ny Fanahin’ny Tompo.10 Ny fibebahana, miaraka amin’ny fahavononana hitandrina ireo didy, dia ampahany manan-danja amin’ny fikatsahan’ny tsirairay ny fahamarinana.11 Raha ny marina dia mila vonona ny “hamoy” ny fahotantsika rehetra isika mba hahafantarana ny fahamarinana.12

Didiana isika mba “[hikatsaka] ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” ary “[hikatsaka] … ao amin’ny boky tsara indrindra ny teny fahendrena.”13 Ny fikatsahantsika ny fahamarinana dia tokony hifantoka amin’ “ny boky tsara indrindra” sy ireo loharano tsara indrindra. Anisan’ireo tsara indrindra ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona.

Nangataka antsika tsirairay ny Filoha Monson mba “hanao izay ilaina atao” hahazoana sy hihazonana fijoroana ho vavolombelona matanjaka.14 Inona no ilaina mba hampiorim-paka sy hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananao? Isika tsirairay dia manana andraikitra manokana mba hanao izay ilaina atao hahazoana sy hihazonana fijoroana ho vavolombelona matanjaka.

Ampahany amin’ny lamin’ Andriamanitra amin’ny fianarana fahamarinana ny fitandremana amim-paharetana ireo fanekempihavanantsika sady “manao izay ilaina atao” mba hahazoana valiny avy amin’ny Tompo. Indrindra rehefa sarotra ny zava-miseho, dia mety takiana isika mba “[h]anaiky amim-pifaliana sy amim-paharetana ny sitrapon’ny Tompo rehetra.”15 Ny fitandremana amim-paharetana ny fanekempihavanana dia mampitombo ny fanetrentenantsika, mahatonga ny faniriantsika hahafantatra ny fahamarinana ho lalina kokoa, ary mamela ny Fanahy Masina mba “hitarika [antsika] amin’ny lalan’ny fahendrena hahazoana mitahy sy mampiroborobo ary mitsimbina [antsika].”16

Izaho sy i Mary vadiko dia mahafantatra olona iray tena tianay izay sahirana be tamin’ny ankamaroan’ny fiainany tamin’ny zavatra sasantsasany momba ny Fiangonana. Tia ny filazantsara izy, ary tia ny Fiangonana saingy mbola nanana fanontaniana ihany.Nofehezina tany amin’ny tempoly izy, mazoto ao amin’ny Fiangonana, manatanteraka ireo antsony, ary reny sy vady mahafinaritra. Nandritra ny taona maro dia niezaka nanao ireo zavatra izay fantany fa marina izy ary nitsahatra tamin’ny fanaovana ireo zavatra izay fantany fa tsy mety. Nitandrina ny fanekempihavanany izy ary nanohy nikaroka.Nisy fotoana izy feno fankasitrahana tamin’ny fianteherana tamin’ny finoan’ny hafa.

Vao tsy ela izay dia nangataka ny hihaona aminy sy ny vadiny ny evekany.Nangataka azy ireo izy mba hanaiky ny asa atao ao amin’ny tempoly dia ny ho solontenan’ireo izay mila ireo ôrdônansy atao any amin’ny tempoly.Nahataitra azy ireo izany antso izany, kanefa nanaiky izy ireo ary nanomboka ny fanompoany tao amin’ny tranon’ny Tompo.Nandray anjara vao tsy ela tamin’ny fikarohana ny tantaram-pianakaviana ny zanakalahin’izy ireo izay mbola zatovo ka nahita anaran’ny havana iray izay tsy mbola tontosa ny ôrdônansy atao any amin’ny tempoly. Dia nisolo tena izy ireo ka nanao ireo ôrdônansy atao any amin’ny tempoly ho an’io olona io sy ny fianakaviany. Rehefa nandohalika teo amin’ny alitara izy ireo ka notanterahina ny ôrdônansin’ny famehezana, ity vehivavy mahafinaritra sy manam-paheretana ity izay nitady fatratra hatry ny ela dia nahazo traikefa ara-panahy azy manokana izay nahafantarany fa marina sy tena izy ny tempoly sy ireo ôrdônansy notanterahina tao.Niantso ny reniny izy ka nitantara ny zavatra niainany ary nilaza fa na dia mbola manana fanontaniana ihany aza izy dia fantany fa marina ny tempoly, fa marina ireo ôrdônansy atao any amin’ny tempoly, ary marina ny Fiangonana. Nitomany tamin’ny ranomasom-pankasitrahana ny reniny noho ny amin’ny Ray any An-danitra be fitiavana sy manam-paharetana ary ny amin’nyzanany vavy izay manohy mitady amim-paharetana.

Ny fitandremana fanekempihavanana amim-paharetana dia mitondra ireo fitahian’ny lanitra ao amin’ny fiainantsika.17

Nahita fitoniana lehibe aho tao amin’ny fampanantenan’ny Tompo fa “amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”18 Na tsy mahalala ny zava-drehetra aza isika dia afaka mahafantatra ny fahamarinana.Afaka mahafantatra fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Raha ny marina ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra antsika tamin’ity tolakandro ity fa afaka “mahatsapa lalina, hatrany amin’ny “aty fo[ntsika] indrindra” isika, [jereo ny Almà 13:27], fa tsy azo hiadian-kevitra ny maha-tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna. Ary afaka “mahatsapa izany lalina tokoa isika hany ka tsy tiantsika hisy na dia andro iray aza tsy amakiana azy.”19

Afaka mahafantatra isika fa marina ny Bokin’i Môrmôna; fa Andriamanitra no Raintsika, tia antsika Izy; ary ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy, no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Afaka mahafantatra isika fa ny maha-mpikambana ato amin’ny Fiangonany dia natao hankamamiana ary ny fandraisana isan-kerinandro ny fanasan’ny Tompo dia hanampy antsika sy ny fianakaviantsika ho voaro.Afaka mahafantatra isika fa amin’ny alalan’ireo ôrdônansy atao any amin’ny tempoly, ny fianakaviana dia tena afaka ny hiaraka mandrakizay.Afaka mahafantatra isika fa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana avy amin’ny fibebahana sy ny famelan-keloko dia marina sy tena misy.Afaka mahafantatra isika fa ny mpaminany malalantsika, Thomas S. Monson, no mpaminan’ny Tompo ary ireo mpanolotsaina azy sy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia apôstôly, mpaminany, mpahita ary mpanambara.

Izany rehetra izany dia fantatro fa marina ary ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.