Ôktôbra 2017 Fivoriamben’ny Vehivavy maneran-tany Fivoriamben’ny Vehivavy maneran-tany Sharon EubankAreheto ny fahazavanareoMamporisika ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany ny Rahavavy Eubank mba hanaraka ny antso nomen’ny Filoha Spencer W. Kimball mba ho marina, hampiseho ny maha-izy azy, ho miavaka ary ho samy hafa. Neill F. MarriottMitoetra ao amin’ Andriamanitra sy manamboatra izay ravaMizara ny fanasan’ Andriamanitra mba hanakaiky Azy Rahavavy Marriott ary mijoro ho vavolombelona momba ny herin’ny Mpamonjy izay manaisotra ny elanelana manasaraka antsika Aminy. Joy D. JonesFananana lanja tsy hay refesinaNampianatra Rahavavy Jones fa ny Fanahy dia afaka manamafy amintsika ny fahamarinan’ny fananantsika lanja masina. Ny fitiavantsika ny Mpamonjy dia afaka manampy antsika handresy ireo fahalemena sy ny tsy fahatokian-tena. Dieter F. UchtdorfTelo mirahavavyMampianatra momba ny fanoharana iray ny amina rahavavy anakintelo ny Filoha Uchtdorf, dia ilay malahelo, ilay tezitra, ary ilay faly, mba hampianarana fa zakan’ Andriamanitra isika ary ny lalan’ny maha-mpianatra dia mitarika mankamin’ny fifaliana. Fivoriana sabotsy maraina Fivoriana sabotsy maraina Dieter F. UchtdorfManin-te hodyNampianatra ny Filoha Uchtdorf fa ny fitodihana any amin’ny Tompo dia mahatonga ny fiainantsika ho tsaratsara kokoa ary hanampy antsika hanatsara kokoa ny fiainan’ny hafa. Bonnie L. OscarsonIreo filàna fanampiana eo anoloantsikaMampianatra antsika ny Rahavavy Oscarson mba hanompo ireo olona manodidina antsika indrindra: dia ny fianakaviantsika, ny namantsika, ary ireo mpikambana ao amin’ny paroasy sy fiarahamonina misy antsika. Ny fiainana ny filazantsara dia ny asa fanompoana. Dallin H. OaksIlay Drafitra sy ilay FanambaranaNy Loholona Oaks dia mamariparitra ny fomba hanampian’ny fanambarana momba ny fianakaviana antsika ho amin’ny fisandratana sy hitarihan’izany antsika manerana ireo olana maoderina izay atrehan’ny fianakaviana. John C. Pingree Zanany“Manana asa ho anao Aho”Mijoro ho vavolombelona ny Loholona Pingree fa manana asa manan-danja ho antsika rehetra Andriamanitra. Mizara fitsipika vitsivitsy ihany koa izy mba hanampiana antsika hanatanteraka izany asa izany ary mampitandrina antsika ny amin’ ireo fomba hanoheran’i Satana antsika. D. Todd ChristoffersonIlay mofo velona izay nidina avy tany an-danitraManasa antsika ny Loholona Christofferson mba hikatsaka ny fahamasinana amin’ny alalan’ny fanekena ilay fanasan’ny Mpamonjy mba handray ara-tsariteny ny nofony sy ny rany. Jeffrey R. HollandAoka ho tanteraka ianareo, amin’ny faranyNampianatra ny Loholona Holland fa rehefa mandray andraikitra eo anatrehan’ilay didy mba ho lavorary isika dia tsy tokony ho kivy fa tokony hanana faharetana mba hahatanteraka izany tanjona izany any amin’ny mandrakizay. Fivoriana sabotsy tolakandro Fivoriana sabotsy tolakandro Henry B. Eyring Fanohanana ireo Mpiandraikitra ao amin’ny FiangonanaNanolotra ny anaran’ireo Manampahefana Ambony sy ireo Mpiandraikitra Ambony ato amin’ny Fiangonana mba hotohanana ny Filoha Henry B. Eyring. Gary E. StevensonFanakona-masoandro ara-panahyMampitaha ny fanakona-masoandro amin’ny fanakona-masoandro ara-panahy ny Loholona Stevenson. Afaka manampy antsika handresy ny fieboeboana ny hampiasa ireo tambazotra ifaneraserana hanentanana fanahy ny hafa ireo fomba fijery ara-pilazantsara. Stephen W. OwenZavatra tsara foana ny fibebahanaMampianatra Rahalahy Owen fa ny fibebahana dia fanomezana avy amin’ny Mpamonjy. Tahaka ilay zanaka adala, dia manao safidy isan’andro izay hitondra antsika mankany amin’ny Raintsika any An-danitra isika. Quentin L. CookIreo zavatra iainana mahazatra any amin’ny mandrakizayMampianatra antsika ny Loholona Cook fa ny fanetrentena dia manan-danja amin’ny fanampiana ny Tompo hampiorina ny Fiangonany sy hanomana ny isam-batan’olona hihaona amin’ Andriamanitra. Ronald A. RasbandAmin’ny alalan’ny drafitra masinaManazava ny Loholona Rasband fa ny fiainantsika dia anisan’ny drafitra masin’ny Tompo ary hitarika antsika Izy rehefa miezaka ny ho olo-marina isika. O. Vincent HaleckNy fon’ilay mpitondratenaMamporisika antsika ny Loholona Haleck mba hanana ny “fon’ilay mpitondratena,” ary nampanantena izy fa hitahy antsika ny Tompo rehefa manao izay rehetra azontsika atao isika mba hitondra fanampiana amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra. Russell M. NelsonNy Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy? Nanazava ny amin’ny maha-zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna ny Loholona Nelson, ary mijoro ho vavolombelona fa mampianatra an’i Kristy izany. Mankahery antsika izy mba handalina ombam-bavaka izany isan’andro. Fivoriamben’ny fisoronana maneran-tany Fivoriamben’ny fisoronana maneran-tany Dale G. Renlund Ny fisoronana sy ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy Nampianatra ny Loholona Renlund fa ny anjara asan’ny fisoronana dia ny hanome ireo zanak’ Andriamanitra ny fahafahana hahazo tombontsoa avy amin’ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. David F. EvansNy fahamarinan’ny zava-drehetraMampianatra ny Loholona Evans fa afaka hampatanjahina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amin’ny alalan’ny fikatsahana amin-kitsimpo ireo valinteny, fandalinana ny soratra masina, fibebahana, ary fitandremana ireo didy. Richard J. MaynesFahazoana ny fitokian’ny Tompo sy ny fianakavianaoMampianatra ny Loholona Maynes fa ny fahazoana ny fitokian’ny Tompo dia mitaky ny fitokiantsika Azy aloha. Ny “fahitsian’ny fo” dia manampy antsika ho marina amin’ny fanekempihavanantsika. Dieter F. UchtdorfMpihazona fahazavana avy any an-danitraMampianatra ny mpihazona ny fisoronana ny Filoha Uchtdorf fa mpihazona ny fahazavan’ Andriamanitra izy ireo, izay afaka mitondra fanasitranana ara-panahy ho an’ireo izay ao anaty haizina. Henry B. EyringMitarika ny Fiangonany ny TompoMampianatra antsika ny Filoha Eyring fa mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ireo mpaminany ny Tompo ary mila manana finoana isika mba hanohanana ireo izay nantsoina hitarika ao amin’ny Fiangonana. Fivoriana alahady maraina Fivoriana alahady maraina Jean B. BinghamKa ho tanteraka ny fifalianareoNampianatra Rahavavy Bingham fa na dia eo aza ireo olan’ny fiainana dia afaka mitodika any amin’i Jesoa Kristy izay loharanon’ny fanasitranana, ny fiadanana ary ny fivoarana mandrakizay rehetra isika. Donald L. HallstromMoa efa nitsahatra va ny andron’ny fahagagana?Ny Loholona Hallstrom dia mampianatra momba ireo karazana fahagagana samihafa ary mijoro ho vavolombelona momba ireo fahagagana ara-panahy izay azontsika raisina amin’ny alalan’ny filazantsara. David A. BednarFampanantenana sady soa no lehibe indrindraNy Loholona Bednar dia mampianatra mikasika ny fifantohana amin’ny fampanantenan’ny filazantsara sy ny fomba ahafahan’ny andro Sabata, sy ny tempoly ary ny tokantranontsika manampy antsika hahatsiaro ireo fampanantenana ireo. W. Christopher Waddell Miverena amin’ny Tompo Nampianatra ny Eveka Waddell fa na dia eo aza ireo fanamby entin’ny fiainana eo amintsika rehetra dia afaka misafidy ny hitodika amin ny Mpamonjy isika handray ny fanampiany ary hiaina fiainana mahafa-po. W. Craig ZwickTompoko ô, mba hampahirato ny masokoMampianatra antsika ny Loholona Zwick fa ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy dia afaka manampy antsika hijery lavitra kokoa mihoatra kokoa izay hitantsika ara-bakinteny mba hahafahantsika mahita ny hafa tahaka ny hahitany azy ireo. Henry B. EyringAza matahotra ny hanao soaMampianatra ny Filoha Eyring fa rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna sy mampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika, dia handresy ny tahotra ary hanana faniriana hanampy ireo izay mila fanampiana. Fivoriana Alahady Tolakandro Fivoriana Alahady Tolakandro M. Russell BallardMbola mitohy ny diabe!Mampianatra antsika ny Loholona Ballard fa raha mahatsiaro ny tantaran’ny diaben’ny mpisavalalana Môrmôna isika dia tokony hamakivaky ihany koa ny fiainantsika amim-pinoana an’ Andriamanitra sy fangorahana ho an’ny hafa. Tad R. CallisterVavolombelona mahery vaika avy amin’ Andriamanitra: Ny Bokin’i MôrmônaNanazava Rahalahy Callister fa miezaka ny manaporofo ny tsy fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ny mpitsikera nefa tsy mahomby. Nijoro ho vavolombelona izy fa nandika izany tamin’ny alalan’ny fanambarana i Joseph Smith. Joni L. KochMifanalavitra nefa miray hina hatranyMampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny firaisantsika hina amin’ireo mpitarika antsika ato amin’ny Fiangonana sy ireo mpiara-mivavaka amintsika ny Loholona Koch. Stanley G. EllisMatoky Azy ve isika? Tsara ny zavatra sarotraNampianatra ny Loholona Ellis fa matoky antsika ny Tompo. Ry rahalahy sy anabavy, manana finoana mba hatoky Azy ve isika? Ny zavatra sarotra dia afaka mahatonga antsika ho matanja-tsaina sy hanetry tena bebe kokoa. Adilson de Paula ParrellaIreo fahamarinana manan-danja, ny tokony hanaovantsika asaMampahatsiahy antsika ny Loholona Parrella fa ny fahitana voalohany sy ny Mpampinany Joseph Smith dia nitondra fahamarinana izay tena ilaina amin’ny fahasambarantsika sy ny andratantsika. Ian S. ArdernKatsahonareo ao amin’ny boky tsara indrindraNampianatra ny Loholona Ardern fa ny fanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manampy antsika hampitombo ny finoantsika rehefa miatrika fanoherana sy fanontaniana isika. José L. AlonsoMifankatiava tahaka ny nitiavany antsikaMampianatra antsika ny Loholona Alonso fa afaka manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy eo amin’ny fanompoana sy famelana ny hafa isika. Neil L. AndersenNy Feon’ny TompoMijoro ho vavolombelona ny Loholona Andersen fa miteny ho Azy ireo mpaminany sy apôstôlin’ny Tompo, ary manasa antsika izy hihaino sy hanaraka ny torohevitr’izy ireo.