Ny fisoronana sy ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy
Mba hahatanteraka ireo tanjon’ny Ray any An-danitra dia mila manana fahafahana hahazo ny herin’ny Sorompanavotan’i Kristy ireo zanak’ Andriamanitra.Ny fisoronana no mitondra ireo fahafahana ireo.
Ndeha hiaraka haka sary an-tsaina ny sambon-danitra iray izay akisaka ho eo amin’ny rampe de lancement mba hanomanana ny fiaingany. Dia eritrereto indray izao ny famelomana ilay izy. Ny solika, rehefa dorana mba hampiasaina amin’ny zavatra iray, dia miova ho entona mafana izay mipoaka, ka miteraka ny tosika ilaina amin’ny fampandehanana ilay sambon-danitra mba hanidina eny amin’ny habakabaka. Ary farany dia alaivo sary an-tsaina ny entana hoentin’ilay sambon-danitra izay mipetraka eo ambonin’ilay izy. Ny hahatongavan’ny entana hoentin’ilay sambon-danitra any amin’ny toerana tokony halehany sy ny fandehanan’izany araka ny tokony ho izy no tena tadiavina indrindra. Tsy voatery ho manam-pahaizana amin’ny resaka sambon-danitra ianao vao afaka mahatsikaritra fa ny zanabolana lafobe iray fampiasa amin’ny fifaneraserana dia tsy misy dikany raha mipetra-potsiny ao amin’ny trano fitehirizana iray. Ny tanjon’ny sambon-danitra dia ny mitatitra fotsiny ny entana iray.
Androany hariva aho dia te hampitaha ny fisoronana hazonintsikaamina sambon-danitra ary ny fahafahana mahazo tombontsoa avy amin’ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy amin’ny entana taterin’ilay sambon-danitra.
Noho ny Sorompanavotana nataony dia manana ny hery sy fahefana hanavotra ny olombelona rehetra i Jesoa Kristy.Mba hahafahana mahazo ny herin’ny Sorompanavotany dia nanome ampahany amin’ny heriny sy ny fahefany ho an’ny lehilahy eto an-tany Izy.Io hery sy fahefana nomena io dia antsoina hoe fisoronana. Izy io dia mamela ireo mpihazona ny fisoronana hanampy ny Ray An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny asan’Izy Ireo, mba hanatanteraka ny famonjena sy ny fisandratan’ny zanak’ Andriamanitra. Izany no izy satria ny fisoronana dia manome fahafahana ny zanany handray ireo fitahian’ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.
Ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia tena manan-danja satria tsy misy amintsika afaka miverina any amin’ny tranontsika any an-danitra raha tsy mahazo fanampiana. Mandritra ny fiainana ety an-tany dia tsy azo ihodiviranany hanaovantsika fahadisoana sy handika ny lalàn’ Andriamanitra isika. Lasa voaloton’ny fahotana isika ary tsy afaka ny hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra. Mila ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy isika mba hahafahantsika mihavana amin’ny Ray any An-danitra. Nanapatapaka ny famatoran’ny fahafatesana ara-batana i Jesoa, izay mamela ny fitsanganan’ny rehetra amin’ny maty. Manolotra ny famelan-keloka Izy, izay miankina amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsarany. Amin’ny alalany ny fisandratana no atolotra. Ny fahafahana mahazo tombontsoa avy amin’ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy no entana taterina manan-danja indrindra misy eto amin’ity fiainana ity.
Mba hahatanteraka ireo tanjon’ny Ray any An-danitra dia mila manana fahafahana hahazo ny herin’ny Sorompanavotan’i Kristy ireo zanak’ Andriamanitra.1 Ny fisoronana no mitondra ireo fahafahana ireo. Io no sambon-danitra. Ny fisoronana dia zava-dehibe satria ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ilaina ety an-tany dia tsy tanterahina raha tsy amin’ny alalan’ny fahefany. Raha tsy manome fahafahana hahazo tombontsoa avy amin’ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ny fisoronana dia mba ho inona moa no tanjony? Tsy ho tsipoapoaka lafobe manintona fotsiny ve ilay izy raha izany? Nataon’ Andriamanitra mba hampiasaina ankoatra ny ao amin’ny kilasy amin’ny andro alahady na mandritra ny fotoana hanaovana asa fanompoana fotsiny ny fisoronana. Nataony mba hitaterana ilay entana izany.
Ny tsy fahalavorariana kely monja eo amin’ny sambon-danitra iray dia mety hahatonga ny tsy fandehanan’izany araka ny tokony ho izy. Ny fitaovana mora simba sy efa tonta ao amin’ny sambon-danitra iray dia mety hanimba azy. Mba hitandrovana ny fisoronana tsy ho mora simba sy ho tonta ara-tsarinteny dia sady miaro ny fanomezana izany no miaro ny fampiasana izany Andriamanitra.2 Ny fanomezana ny fisoronana dia tandrovin’ny fanalahidin’ny fisoronana, izay zo hiahy omena ny lehilahy.3 Ny fampiasana ny fisoronana koa dia tandrovin’ny fanalahidin’ny fisoronana, nefa koa tandrovin’ny fanekempihavanana ataon’ilay mpihazona ny fisoronana ihany koa. Noho izany ny fampiasana ny fisoronana dia sady tantanan’ny fanalahidin’ny fisoronana no tantanan’ny fanekempihavanana. Ny andraikitry ny lehilahy iray ao amin’ny fisoronana dia omena azy manokana ary tafiditra tanteraka ao aminy;4 ny fisoronana dia tsy loharanon-kery mitokana afaka mandeha amin’izao.
Na ny Fisoronana Aharôna na ny Fisoronana Melkizedeka dia samy raisina amin’ny alalan’ny fanekempihavanana.5 Andriamanitra no mamaritra ireo fepetra ary ny lehilahy dia manaiky. Amin’ny ankapobeny, ireo mpihazona ny fisoronana dia manao fanekempihavanana hanampy an’ Andriamanitra amin’ny asany. Tamin’ny voalohandohan’ity fotoampitantanana ity dia nanazava i Jesoa Kristy fa ny fanekempihavanan’ny fisoronana dia “hamafisina aminareo noho ny aminareo, ary tsy noho ny aminareo ihany fa noho ny amin’izao tontolo izao manontolo … satria tsy manatona Ahy izy ireo.”6
Mampianatra izany fa ny tanjon’ny fisoronana dia ny manasa ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny fanampiana azy ireo handray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Manana ny fisoronana isika mba hahafahantsika manampy ireo zanaky ny Ray any An-danitra mba hohamaivanina amin’ny vesatry ny fahotana sy mba ho lasa tahaka Azy. Amin’ny alalan’ny fisoronana dia miharihary ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny olona rehetra izay manao sy mitandrina ireo fanekempihavanan’ny filazantsara ary mandray ireo ôrdônansy mifandray amin’izany.7 Amin’ny alalan’izany fomba izany no ahafahan’ny tsirairay avy amintsika manatona an’i Kristy, ho voadia, ary lasa mihavana amin’ Andriamanitra. Misy ny fahafahana mahazo ny herin’ny Sorompanavotan’i Kristy, amin’ny alalan’ny fisoronana izay mitatitra ilay entana.
Ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia matotra sy mihaja. Ny lehilahy dia tokony hiomana sy hianatra ary hiditra amin’izany fanekempihavanana izany miaraka amin’ny faniriana hanaja izany. Ny fanekempihavanana iray dia lasa fampanantenana feno ataon’ny tena.Raha lazaiko amin’ny fombako manokana ny voalazan’i Robert Bolt, ilay mpanoratra tantara teratany Anglisy, dia tsy manao fanekempihavanana ny lehilahy iray raha tsy te hanolotena tanteraka amin’ny fampanantenana iray. Mampifandray ny fahamarinan’ilay fampanantenana amin’ny hatsaran-toetrany izy. Rehefa manao fanekempihavanana ny lehilahy iray dia toy ny hoe mihazona ny tenany tahaka ny rano amin’ny alalan’ny tanany izy. Ary raha sanatria manokatra ny rantsantanany izy dia very ny tenany. Ny mpandika fanekempihavanana dia tsy afaka manolo-tena intsony ary tsy afaka manome antoka intsony.8
Ny mpihazona Fisoronana Aharôna iray dia manao fanekempihavanana hisoroka ny ratsy sy hanampy ny hafa hihavana amin’ Andriamanitra ary hiomana amin’ny fandraisana ny Fisoronana Melkizedeka.9 Ireo andraikitra masina ireo dia tanteraka rehefa mampianatra, manao batisa, mankahery ireo mpikamban’ny Fiangonana, ary manasa ny hafa handray ny filazantsara izy. Ireo no anjara asan’ny “sambon-danitra” izay azy. Ho valin’izany dia mampanantena fanantenana, famelan-keloka, ny fanompoan’ny anjely, ary ny fanalahidin’ny filazantsaran’ny fibebahana sy ny batisa Andriamanitra.10
Ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka dia manao fanekempihavanana hanatanteraka ireo andraikitra ho an’ny Fisoronana Aharôna ary hilofo amin’ny antsony ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka.11 Manao izany izy rehefa mitandrina ireo didy mifandray amin’ilay fanekempihavanana. Tafiditra ao anatin’izany didy izany ny “[hitandremana] fatratra ny tenin’ny fiainana mandrakizay” amin’ny fivelomana “amin’ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra,”12 ny mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny asany amin’ny andro farany,13 ny tsy mirehareha amin’ny tenany manokana,14 ary ny hoe lasa sakaizan’ny Mpamonjy, matoky Azy tahaka ny ho ataon’ny namana iray.15
Ho setrin’izany dia mampanantena Andriamanitra fa ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka dia handray ireo fanalahidy hahatakarana ny zava-miafin’ Andriamanitra. Ho lasa tanteraka izy mba hahafahany mijoro eo anatrehan’ Andriamanitra. Afaka hanatanteraka ny anjara asany eo amin’ny asa fanavotana izy. Hanomana ny lalana mialoha ny mpihazona fisoronana i Jesoa Kristy ary hiaraka aminy Izy. Ny Fanahy Masina dia ho ao am-pon’ny mpihazona fisoronana ary ireo anjely dia hanohana azy. Ny vatany dia hampatanjahana sy havaozina. Handova ireo fitahian’i Abrahama izy ary, miaraka amin’ny vadiny, handova miaraka amin’i Jesoa Kristy ny fanjakan’ Andriamanitra.16 Izany rehetra izany dia “teny fikasana sady soa no lehibe indrindra.”17 Tsy misy fampanantenana lehibe kokoa noho izany azo heverina.
Ho an’ny lehilahy tsirairay avy izay mandray ny Fisoronana Melkizedeka dia manambara ny fampanantenany ao amin’ny fanekempihavanana miaraka amin’ny fianianana Andriamanitra.18 Ny Fisoronana Melkizedeka ihany no voakasik’io fianianana io,19 ary Andriamanitra no manao ilay fianianana fa tsy ilay mpihazona fisoronana.20 Koa satria mitaky ny heriny sy ny fahefany masina izany toe-javatra miavaka izany dia mampiasa ny fianianana Andriamanitra, mampiasa ny fomba fiteny mahery indrindra fantany mba hanomezana toky antsika fa ny fampanantenany dia matotra ary tsy azo ivalozana.
Mafy ny vokatra entin’ny tsy fitandremana ireo fanekempihavanan’ny fisoronana ary ny fialàna amin’izany tanteraka.21 Ny tsy miraiky loatra na tsy miraharaha ny antso ao amin’ny fisoronana dia toy ny mampiditra fitaovana efa tonta ao amin’ilay sambon-danitra. Handrava ny fanekempihavanan’ny fisoronana izany satria mety hiteraka ny tsy fandehanan’ilay sambon-danitra. Ny tsy fankatoavana ny didin’ Andriamanitra dia mandrava ilay fanekempihavanana. Ho an’ny olona mpandika fanekempihavanana iray, ka maharitra izany ary tsy mibebaka izy, dia hosintonina ireo fitahiana nampanantenaina.
Lasa nahatakatra misimisy kokoa ny fifandraisana eo amin’ny sambon-danitra an’ny “fisoronana” sy ny entan’ny “fahafahana mahazo tombontsoa avy amin’ny sorompanavotan’i Kristy” aho taona maromaro lasa izay. Nandritra ny faran’ny herinandro dia nahazo andraikitra roa aho. Ny iray tamin’izany dia ny hanangana ny tsatòka voalohany tao amin’ny firenena iray ary ilay andraikitra iray hafa dia ny hanao dinidinika amina tanora iray, ary raha nilamina avokoa ny zava-drehetra, dia hamerina ireo fitahian’ny fisoronana sy ny tempoly taminy. Io lehilahy 30 taona io dia lasa mpikamban’ny Fiangonana fony izy zatovo. Nanao asa fitoriana mendrika tamin’ny fotoana feno izy. Saingy rehefa niverina izy dia nania, ary very ny naha-mpikambana azy tato amin’ny Fiangonana. Taona maro taty aoriana dia “nody ny sainy,”22 ary niaraka tamin’ny fanampian’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana feno fitiavana sy mpikambana tsara fanahy dia nibebaka izy ary naverina naroso mba hatao batisa tato amin’ny Fiangonana.
Taty aoriana dia nangataka izy ny mba hamerenana aminy ireo fitahian’ny fisoronana sy ny tempoly. Nanao fotoana izahay mba hihaona ny sabotsy maraina amin’ny 10 ao amin’ny trano fiangonana. Rehefa tonga mba hanao ireo dinidinika mialoha ny azy aho dia efa tao izy. Tsindrindaona izy hahazo ny fisoronana indray, tsy andriny erỳ izany.
Nandritra ny dinidinika dia nampisehoako azy ilay taratasy manazava fa ny Filoha Thomas S. Monson mihitsy no nandinika ny fangatahany ary nanome halalana ny dinidinika. Nitomany ity tovolahyizay tsy mpaneho fihetseham-po firy ity. Dia nolazaiko izy avy eo hoe ny datin’ny dinidinika nataonay dia tsy hisy lanjany ôfisialy eo amin’ny fiainany. Gaga izy. Nampahafantariko taminy fa aorian’ny famerenana ireo fitahiany amin’ny laoniny diaireo daty voalohany nanaovana ny batisany, nandraisana azy ho mpikambana, nanendrena azy tao amin’ny fisoronana, ary nandraisany ny fanafiana masina ihany no ho hita ao amin’ny ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana azy. Gaga indray izy.
Nasaiko novakiny ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana:
“Indro, izay efa nibebaka tamin’ny fahotany, dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony.
“Izao no ahafantaranareo raha mibebaka amin’ny fahotany ny olona—indro hibaboka izany izy ary hahafoy izany.”23
Nitomany fanintelony izy. Dia napetrako teo ambonin’ny lohany ny tanako avy eo ary, tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy sy tamin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka ary rehefa nahazo lalana avy tamin’ny Filohan’ny Fiangonana, dia naverina taminy ireo fitahian’ny fisoronana sy ny tempoly.
Tena lalina tokoa ny fifaliana tsapanay. Fantany fa nahazo lalana hihazona sy hampiasa ny fisoronana indray izy. Fantany fa nananany tanteraka indray ireo fitahian’ny tempoly. Feno fifaliana ny fihetsiny rehetra ary feno hazavana ny endriny. Faly noho ny aminy aho ary nahatsapa aho fa faly taminy ihany koa ny Ray any An-danitra.
Taorian’izay dia natsangana ilay tsatòka. Olomasina mahatoky sy mazoto no nanatrika ireo fivoriana, ary naroso mba hotohanana ny fiadidian’ny tsatòka mahafinaritra. Tamiko anefa, ny fifaliana tsapako tamin’ny namerenana ny fitahian’ilay tanora taminy dia nanalokaloka ny zava-nitranga manan-tantaran’ny nananganana ny tsatòka voalohany tao amin’ilay firenena.
Lasa tonga saina aho fa ny tanjon’ny fananganana tsatòka iray, na izay mety hampiasana ny fisoronan’ Andriamanitra, dia ny mba hanampiana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny asan’ Izy Ireo, dia ny fanomezana fahafahana ny zanak’ Andriamanitra tsirairay avy hahazo fanavotana sy fisandratana izany. Tahaka ny sambon-danitra izay ny hitondra ny entana no tanjony, ny fisoronana dia mitatitra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ka mamela ny rehetra hanao fanekempihavanana sy handray ireo ôrdônansy mifandray amin’izany. “Ny ran’ny Sorompanavotan’i Kristy”24 amin’ny alalan’izany dia afaka mihatra eo amin’ny fiainantsika rehefa miaina ny fitaomana manadion’ny Fanahy Masina sy mandray ireo fitahiana nampanantenan’ Andriamanitra isika.
Ankoatra ny fankatoavanareo ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara dia manasa anareo aho hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanan’ny fisoronana. Raiso ny fianianana sy ny fampanantenan’ Andriamanitra. Milofosa amin’ny andraikitrareo ao amin’ny fisoronana mba hanampy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ampiasao ny fisoronana mba hanampiana ny fitondrana fahafahana hahazo tombontsoa avy amin’ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ho an’ny olona iray! Rehefa manao izany ianareo dia fitahiana lehibe no ho avy aminareo sy ny fianakavianareo. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona sy mitarika ity asa ity ny Mpanavotra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.