Mifanalavitra nefa miray hina hatrany
Ato amin’ny Fiangonana, na dia eo aza ny fahasamihafantsika, dia manantena antsika ny Tompo mba hiray hina!
Tamin’ny jona 1994 dia tsindrindaona erỳ aho nody nitondra fiary avy niasa mba hanaraka amin’ny fahitalavitra ny ekipam-pirenenay mpilalao baolina kitra hilalao amin’ny Amboara eran-tany. Vao niainga kely aho dia nahita avy lavitra teo amin’ny sisin-dalana lehilahy iray izay nampandroso haingana ny sezany misy kodiarana, izay tsikaritro fa voaravaka amin’ny sainam-pirenenay Brezilianina. Fantatro tamin’izay fa handeha hody hijery ilay lalao ihany koa izy!
Rehefa nifanena izahay ka nifanojo ny masonay, nandritra ny fotoana fohy dia nahatsiaro ho niray hina mafy tamin’io lehilahy io aho! Samy hafa ny lalanay, tsy nifankafantatra izahay, ary nazava fa tsy nitovy ny toe-piainanay ara-piarahamonina sy ara-batana, nefa ny fitiavanay baolina kitra sy ny fitiavanay ny firenenay dia nahatonga anay hahatsapa ho iray tamin’io fotoana io indrindra! Tsy hitako intsony io lehilahy io hatramin’izay, kanefa anio, am-polotaona maro aty aoriana, dia mbola afaka mahita ireo masony aho ary mahatsapa ilay fifandraisana matanjaka tamin’io lehilahy io. Sady nandresy ilay lalao sy nandroba ny Amboara eran-tany ange izahay tamin’io taona io e!
Ato amin’ny Fiangonana, na dia eo aza ny fahasamihafantsika, dia manantena antsika ny Tompo mba hiray hina! Nilaza Izy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe: “Aoka ho iray ianareo; ary raha tsy iray ianareo dia tsy ahy.”1
Rehefa miditra ny trano fivoriana iray na ny tempoly iray isika rehetra mba hitsaoka ao anatina vondrona iray dia tokony havelantsika any ivelany ireo fahasamihafantsika, tafiditra amin’izany ny firazanana, ny toerana eo amin’ny fiarahamonina, sy ny fironana ara-pôlitika, ny zava-bitantsika teo amin’ny lafiny fianarana na arak’asa, fa hifantoka kosa amin’ny tanjontsika ara-panahy iombonana. Miara-mihira isika, misaintsaina momba ny fanekempihavanana itovizana mandritra ny fanasan’ny Tompo isika, ary miara-miteny mafy hoe “amena” isika aorian’ireo lahateny, lesona, ary vavaka, izay midika fa miara-manaiky izay nozaraina isika.
Ireo zavatra izay ataontsika miaraka ireo dia manampy amin’ny fanorenana firaisan-kina eo anivon’ny mpiara-miangona.
Ny zavatra tena mamaritra na manamafy na mandrava ny firaisan-kinantsika anefa dia ny zavatra ataontsika rehefa lavitra an’ireo mpikamban’ny Fiangonantsika isika. Araka ny fantatsika rehetra dia tsy azo ialàna ary zava-misy mihitsy ny hoe tsy maintsy ho tonga ny fotoana hifampiresahantsika momba antsika.
Arakaraka ny zavatra izay safidiantsika holazaina momba ny hafa, ny teny aloaky ny vavantsika dia na izany hahatonga ny “fony mifamihina ao amin’ny firaisan-kina,”2 araka ny nampianarin’i Almà ireo izay natao batisa teo amin’ny Ranon’i Môrmôna, na izany hampihena tsikelikely ny fitiavana sy ny fatokisana ary ny fahatsarana tokony hisy eo anivontsika.
Misy ireo teny izay mandrava tsimoramora ny firaisan-kina toy ny hoe “Marina tokoa fatsara io eveka io; saingy raha hitanao hoe nanao ahoana izy io fony izy zatovolahy!”
Ny endrik’izany izay tsaratsara kokoa dia mety hanao hoe: “Tena lehilahy tsara tokoa ny eveka, ary tena nivoatra tamin’ny lafiny fahamatorana sy fahendrena mihitsy izy nandritra izay taona rehetra izay.”
Matetika tokoa isika no mamaritra tanteraka ny olona amin’ny filazana zavatra toy ny hoe: “Tsy afaka ny hiova intsony ny filohan’ny Fikambanana Ifananampiana antsika; mafy loha loatra izy!” Tokony hilaza kosa anefa isika hoe: “Tsy dia nilefitra loatra ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana antsika tato ho ato; mety mandalo fotoan-tsarotra angamba izy. Handeha isika hanampy sy hanohana azy!”
Ry rahalahy sy ranabavy, tsy manan-jo hamaritra an’iza na iza ho tsy afaka ny hiova sy hivoatra intsony isika, anisan’izany ny eo amin’ny samy mpiara-mivavaka! Ny zavatra lazaintsika amin’ireo mpiara-belona amintsika kosa dia tokony hahitana taratra ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ary hahitana taratra ny hoe ao Aminy sy amin’ny alalany isika dia afaka ny ho tsaratsara kokoa hatrany!
Ny olona sasany dia manomboka mitsikera ary lasa misara-bazana amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ireo mpikambana noho ny zavatra izay tena tsisy dikany tokoa.
Izany no nitranga tamin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Simonds Ryder, izay lasa mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny 1831. Taorian’ny namakiany fanambarana iray momba azy dia sahiran-tsaina izy nahita fa diso tsipelina ny anarany ka nosoratana hoe Rider misy ny litera i fa tsy ny litera y. Ny fihetsiny nanolona izany zava-nitranga izany dia anisan’ny nahatonga ny fisalasalany momba ny mpaminany ary taty aoriana dia nitarika ny fanenjehana an’i Joseph sy ny fialany tamin’ny Fiangonana.3
Azo inoana ihany koa fa hiaina fanitsiana avy amin’ireo mpitarika antsika ara-pivavahana isika rehetra, ary izany no ho fitsapana ny hoe manao ahoana ny firaisan-kinantsika amin’izy ireo.
Vao 11 taona aho tamin’izany, kanefa tsaroako fa 44 taona lasa izay dia nandalo fanavaozana goavana ny trano fiangonana falehan’ny fianakaviako. Talohan’ny nanatanterahana izany dia nisy fivoriana niarahana tamin’ireo mpitarika tao an-toerana sy ireo mpitarika tao amin’ny vondrom-paritra izay niresadresahana momba ny fomba handraisan’ny mpikambana anjara amin’ny asa manoloana izany tanjona izany. Ny raiko, izay efa niahy io vondrona io nandritra ny taona maro dia naneho hevitra fa tena nino tokoa izy ny tokony hanaovan’ny olona matihanina ilay asa fa tsy olon-tsotra.
Tsy vitan’ny hoe nolavina fotsiny ny heviny fa naheno ihany koa izahay fa nanarina mafy sy teo imason’ny rehetra izy tamin’io fotoana io. Fa izy io anefa dia lehilahy tena nanolo-tena tamin’ny Fiangonana ary koa miaramila niady tamin’ny Ady Lehibe faharoa tany Eorôpa, izay zatra nanohatra sy niady ho an’izay zavatra inoany! Mety nisy nanontany tena izao hoe ahoana no mety ho fihetsiny nanoloana izany zava-nitranga izany. Hikiry amin’ny heviny ve izy ary hanohy ny fanoherana ny fanapaha-kevitra izay efa tapaka?
Nahita fianakaviana tao amin’ny paroasinay izahay izay nihanarefo tao amin’ny filazantsara ary nitsahatra namonjy fivoriam-bavak noho ny tsy niraisany hina tamin’ireo izay nitarika azy ireo. Efa nahita maso ihany koa aho ny amin’ireo namako maro tany amin’ny Kilonga izay lasa tsy nahatoky intsony nandritra ny fahatanorany noho ny ray aman-drenin’izy ireo izay nitady foana ny fahadisoana eo amin’ireo izay ato amin’ny Fiangonana.
Ny dadako anefa dia nanapa-kevitra ny hijanona ho iray amin’ireo Olomasina tahaka azy. Ary andro vitsivitsy taty aoriana, rehefa vory ireo mpikambana tao amin’ny paroasy hanampy amin’ny asa fanamboarana, dia “nanasa” ny fianakaviako izy mba hanaraka azy ho any amin’ilay trano fiangonana ka hanolotra ny tenanay mba hanome tanana amin’izay zavatra ilaina.
Tena taitra aho. Nahatsapa aho fa tokony ho nanontany azy hoe: “Dada a! Fa nahoana loatra isika no hanampy amin’ilay asa nefa tsy nekenao ny hanaovan’ny mpikambana izany?” Saingy tsy nampahalaina ahy hanao izany ny endrika teny amin’ny tavany. Te hanao tsara tamin’ilay fanokanana indray aho. Koa, soa ihany fa nanapa-kevitra ny hangina aho ka mandeha fotsiny sy nanampy tamin’ny fananganana!
Tsy nanam-pahafahana nahita ny fahavitan’ilay trano fiangonana i Dada satria nodimandry izy talohan’ny famaranana ny asa. Saingy izahay tato amin’ny fianakaviana, izay notarihin’i reniko, dia nanohy ny anjaranay nandrampahavita ilay izy, ary izany dia nahatonga anay ho niray hina hatrany tamin’ny raiko, tamin’ny mpiara-mivavaka taminay sy ireo mpitarika anay, ary indrindra indrindra tamin’ny Tompo!
Fotoana fohy talohan’ny zavatra sarotra dia sarotra niainany tao Getsemane, raha nivavaka tamin’ny Rainy ho an’ireo Apôstôliny sy ho antsika rehetra i Jesoa, dia nilaza Izy hoe: “Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao.”4
Ry rahalahy sy ranabavy, mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manapa-kevitra ny hiray hina amin’ny mpikambana sy ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana isika, mandritra ny fotoana hiarahana mivory aminy ary indrindra indrindra rehefa lavitra amin’izy ireo, dia hahatsapa ihany koa ho miray hina tanteraka kokoa amin’ny Raintsika any an-Danitra sy ny Mpamonjy isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.