2010–2019
Fahazoana ny fitokian’ny Tompo sy ny fianakavianao
Ôktôbra 2017


2:3

Fahazoana ny fitokian’ny Tompo sy ny fianakavianao

Ny lehilahy “mahitsy fo” dia lehilahy tokony hatokisana, satria ny fitokiana dia miorina amin’ny fahitsiana.

Ry rahalahy, angamba tsy misy fandokafana tsara kokoa avy amin’ny Tompo noho ny fahafantarana fa matoky antsika Izy amin’ny maha-mpihazona mendrika ny fisoronana sy vady ary ray tsara antsika.

Ny zavatra iray azo antoka dia izao: ny fahazoana ny fitokian’ny Tompo dia fitahiana azo avy amin’ny ezaka mafy avy amintsika. Ny fitokiana dia fitahiana mifototra amin’ny fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra. Ny fahazoana ny fitokian’ny Tompo dia vokatry ny fijanonana ho marina amin’ireo fanekempihavanana izay nataontsika tao amin’ny ranon’ny batisa sy tao amin’ny tempoly masina. Rehefa mitandrina ireo fampanantenana nataontsika tamin’ny Tompo isika dia mitombo ny fitokiany antsika.

Tiako ny soratra masina taloha sy ny soratra masina maoderina izay mampiasa ny andian-teny hoe “fahitsian’ny fo” rehefa manoritsoritra ny toetran’olona marina.1 Ny fahitsiana na ny tsy fahitsiana dia singa iray manan-danja amin’ny toetran’ny olona. Ny lehilahy “mahitsy fo” dia lehilahy tokony hatokisana, satria ny fitokiana dia miorina amin’ny fahitsiana.

Ny hoe lehilahy mahitsy dia midika tsotra hoe madio sy marina ny fikasanao sy ny zavatra ataonao amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao, na eny imasom-bahoaka izany na amin’ny mangingina. Amin’ny fanapahan-kevitra tsirairay raisintsika dia na isika mendrika kokoa ny hahazo ny fitokian’ Andriamanitra na hampihena ny fitokiany. Ao amin’ilay andraikitra nomen’ Andriamanitra antsika amin’ny maha-vady sy ray antsika angamba ireo fitsipika ireo no tena mihatra.

Amin’ny maha-vady sy maha-ray antsika isika dia nahazo andraikitra masina avy amin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara maoderina ao amin’ilay taratasy “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” isika. Io taratasy io dia mampianatra antsika fa (1) “ny ray no tokony hitarika ny fianakaviany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana,” (2) ny ray dia “tompon’andraikitra amin’ny fanomezana izay ilaina eo amin’ny fiainana,” ary (3) ny ray dia tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny fianakaviany.2

Mba hahafahantsika mahazo ny fitokian’ Andriamanitra, dia mila manatanteraka ireo andraikitra telo nomen’ Andriamanitra ireo isika ao amin’ny fianakaviantsika amin’ny fomban’ny Tompo. Araka ny voalaza any aoriandriana ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana, ny fomban’ny Tompo dia ny fiarahana manatanteraka ireo andraikitra ireo amin’ny vadintsika amin’ny maha-“mpiara-miasa mira lenta” antsika.3 Ho ahy dia midika izany fa tsy mandray fanapahan-kevitra manan-danja mifandraika amin’ny iray amin’ireo andraikitra ireo ka tsy nisy fiaraha-miasa tanteraka amin’ny vadintsika isika.

Ny dingana voalohany amin’ny fikatsahana ny hahazo ny fitokian’ny Tompo dia ny fametrahana ny fitokiantsika Aminy. Naneho ohatra an’io karazana fanoloran-tena io ny mpaminany Nefia rehefa nivavaka hoe: “Tompo ô, efa natoky Anao aho ary mbola hatoky Anao mandrakizay. Tsy hapetrako amin’ny sandry nofo ny fitokiako”4 Nanolo-tena tanteraka i Nefia tamin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Tompo. Ankoatra ny filazany fa “hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo,” dia tsy voahozongozona i Nefia tamin’ny fanolorantenany hanatanteraka ny andraikiny, araka ny hita ao amin’ny zavatra nolazainy hoe: “Raha velona koa ny Tompo ary raha velona koa isika, dia tsy handeha hidina any amin-draintsika any an-tany foana raha tsy efa tontosantsika ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo antsika.”5

Satria natoky an’ Andriamanitra aloha i Nefia, dia nametraka fitokiana tanteraka tamin’i Nefia Andriamanitra. Nitahy azy ny Tompo ary nandrotsahany ny Fanahy izay nitahy ny fiainany sy ny fiainan’ny fianakaviany ary ny fiainan’ny olony izy. Satria nitarika tamim-pitiavana sy tamim-pahamarinana i Nefia ary namelona sy niaro ny fianakaviany sy ny olony dia nanoratra izy hoe: “Niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana izahay.”6

Mba hanehoana ny fomba fijerin’ny vehivavy momba io lohahevitra io dia nangataka ireo zanako vavy anankiroa izay efa manambady aho mba hanampy ahy. Nangatahiko izy ireo raha afaka manome fehezan-teny iray na roa momba ny fahitany ny maha-zava-dehibe ny fitokiana rehefa ampiharina amin’ny fanambadiany sy ny fiainam-pianakaviany. Ireto ny hevitr’i Lara Harris sy i Christina Hansen.

Voalohany, ny an’i Lara: “Ny iray amin’ireo zavatra tena manan-danja amiko dia ny fahafantarana fa rehefa mandeha manatanteraka ny tontolo androny ny vadiko dia manao safidy izay maneho fanajana sy fitiavana ahy. Raha afaka mifampatoky toy izany isika, dia hitondra fiadanana ao an-tokantranontsika izany, izay ahafahantsika mankafy ny fitaizana miaraka ny fianakaviantsika.”

Izao indray dia ny hevitr’i Christina: “Ny fitokiana olona dia mitovy amin’ny finoana olona. Raha tsy misy an’izany fitokiana sy finoana izany dia misy ny tahotra sy ny fiahiahiana. Ho ahy, ny iray amin’ireo fitahiana lehibe indrindra izay avy amin’ny fahafahana matoky tanteraka ny vadiko dia ny fiadanana, fiadanan-tsaina amin’ny fahafantarana fa tena hanao ny zavatra izay lazainy sy hataony tokoa izy. Ny fitokiana dia mitondra fiadanana, fitiavana ary tontolo iray izay ahafahan’izany fitiavana izany hitombo.”

Tsy nisy nahita izay nosoratan’ny anankiray i Lara sy i Christina. Tena mahavariana ahy fa samy nahita izy ireo fa ny fitahian’ny fiadanana ao an-tokantrano no vokatra mivantana azo avy amin’ny fananana vady azony itokisana. Araka ny asehon’ny ohatr’ireo zanako vavy, ny fitsipiky ny fitokiana dia mitàna anjara asa tena manan-danja amin’ny firoboroboan’ny tokantrano mifototra amin’i Kristy.

Nanana fahafahana nankafy izany kolontsaina mifototra amin’i Kristy izany koa aho rehefa nitombo tao amin’ny tokantrano izay nanajan’ny raiko ny fisoronany sy nahazoany ny fitokian’ny fianakaviany manontolo noho ny “fahitsian’ny fony.”7 Mamelà ahy ianareo hizara zavatra iray niainako tamin’ny fahatanorako izay maneho ny fiantraikany tsara sy maharitra mety hananan’ny ray iray izay mahatakatra sy miaina ny fitsipiky ny fitokiana miorina eo amin’ny fahitsian’ny fo amin’ny fianakaviany.

Fony aho mbola kely dia nanangana orinasa nifantoka manokana tamin’ny fihariam-pandehatenany ny raiko. Io raharahan’asa io dia namolavola sy nanamboatra ary nametaka milina famokaran-javatra maneran-tany mandehatenany.

Rehefa tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra aho dia naniry ny hianarako miasa ny raiko. Niriany ihany koa ny hianarako ilay asa amin’ny antsipiriany rehetra. Ny asako voalohany dia ny mikarakarana ny tokotany sy ireo faritra lokoina amin’ny tranon’ny orinasa izay tsy hitan’ny ankapoben’ny olona.

Rehefa niditra ny sekoly ambaratonga faharoa aho dia nasaina niasa tamin’ny tanin’ilay orinasa. Nanomboka nianatra ny fomba famakiana drafitra torolalana sy ny fampandehanana milina lehibe fanamboaram-by aho. Rehefa nahazo diplaoma aho taorian’ny sekoly ambaratonga faharoa dia nianatra teny amin’ny oniversite ary avy eo dia niditra ny sahan’ny misiôna. Rehefa niverina avy nanao asa fitoriana aho dia niverina niasa avy hatrany. Nila nitady vola aho ho amin’ny fianarako ny taona manarak’io.

Indray andro taoriana kelin’ny misiônako dia niasa tao amin’ny orinasa aho raha niantso ahy ny raiko ho ao amin’ny biraony ary nanontany ahy raha te handeha hiaraka aminy hanao dia fandraharahana any Los Angeles aho. Izay no fotoana voalohany nanasan’ny raiko ahy mba hanaraka azy ho amin’ny dia fandraharahana. Namela ahy hivoaka ampahibemaso hisolo tena ny orinasa tokoa ihany izy nony farany.

Talohan’ny niainganay hanao ilay dia, dia nanomana ahy izy tamin’ny zavatra vitsivitsy momba ilay mpanjifa vaovao. Voalohany, ilay mpanjifa dia orinasa iraisam-pirenena. Faharoa dia nanatsara ny miliny famokaran-javatra maneran-tany amin’ny teknôlôjia farany amin’ny zavatra mandehatenany izy. Fahatelo, tsy mbola nanolotra tolotra ara-teknôlôjika azy ireo mihitsy ny orinasanay teo aloha. Ary farany, ilay mpiandraikitra ambony misahana ny fividianan-javatra ao amin’ilay orinasa no niantso anay ho amin’io fihaonana io mba hijery ny tolo-bidinay amin’ny tetikasa vaovao iray. Fahafahana vaovao sy mety ho manan-danja ho an’ny orinasanay io fihaonana io.

Rehefa tonga tany Los Angeles izaho sy ny raiko dia nandeha tany amin’ilay hôtely hanaovana ilay fivoriana. Ny raharaha natao voalohany dia ny firesahana sy ny fandinihana ny filàna ara-teknôlôjika an’ilay tetikasa. Ny zavatra niadian-kevitra manaraka dia momba ny fanatanterahana, tafiditra amin’izany ny fomba fandefasana sy ny daty hahatongavany. Ny fandaharam-potoana farany dia nifantoka tamin’ny vidiny sy ireo fepetra. Teo vao tena nahaliana.

Nanazava taminay ilay mpiandraikitra fa ny tolo-bidy nomenay no ambany indrindra tamin’ireo izay nanome tolotra tamin’ilay tetikasa. Nahagaga fa nolazainy taminay avy eo ny tolo-bidy ambony kelin’ny anay. Nanontany anay izy avy eo raha te hiverina handinika ny tolo-bidinay izahay ka handefa izany indray. Nilaza izy hoe ilay tolo-bidinay vaovao dia tokony ho latsaka kelin’ilay tolo-bidy farany ambony. Dia nanazava izy avy eo fa hozarainay zara mitovy aminy ilay vola vao niampy. Nanamarina izany izy tamin’ny filazana fa samy mahazo ny tsirairay. Hahavoa ny orinasanay satria hahazo vola bebe kokoa mihoatra ilay tolo-bidy tamin’ny voalohany. Hahavoa ny orinasany satria mbola ilay tolo-bidy farany ambany no noraisiny. Ary mazava ho azy fa hahavoa koa izy amin’ny fakàna ny anjarany satria izy no nikonokonona io raharaha lehibe io.

Dia nanome anay laharana birao iray izy avy eo izay ahafahanay mandefa ilay vola nangatahiny. Taorian’izany rehetra izany dia nijery ny raiko izy ary nanontany azy hoe: “Ahoana, raikitra ve izany?” Tena nahagaga ahy fa nitsangana ny raiko, nandray ny tanany, ary nilaza taminy fa mbola hiverina aminy izahay.

Rehefa niala ilay fivoriana izahay dia nandeha tao amin’ilay fiara nofaina; ary nitodika tamiko ny raiko dia nanontany hoe: “Inona no tokony hataontsika araka ny eritreritrao?”

Novaliako izany tamin’ny filazana fa tsy tokony hanaiky io tolo-kevitra io izahay.

Dia nanontany ny raiko avy eo hoe: “Tsy mieritreritra ve ianao fa manana andraikitra isika mba hahatonga ny mpiasantsika rehetra hahazo fanampi-karama tsara araka ny asany?”

Raha nieritreritra ny fanontaniany aho sy tsy mbola namaly akory dia izy ihany no namaly ny fanontaniany. Hoy izy: “Henoy ry Rick, raha vao mandray kolikoly na manao zavatra manimba ny fahitsianao ianao dia tena sarotra ny mamerina izany. Aza manao izany mihitsy, na indray mandeha fotsiny aza.”

Ny fizarako io traikefa io dia midika fa tsy hadinoko mihitsy ny zavatra nampianarin’ny raiko ahy tamin’izany dia voalohany fandraharahana niaraka taminy izany. Mizara izany traikefa izany aho mba hanehoana ny fiantraikany maharitra ananantsika ray. Azonareo sary an-tsaina ve ny fitokiana nananako tamin’ny raiko noho ny fahitsian’ny fony? Niaina ireo fitsipika ireo izy tamin’ny fiainany manokana niaraka tamin’ny reniko sy ny zanany ary izay rehetra niara-niasa taminy.

Ry rahalahy, mivavaka aho amin’ity takariva ity mba hametraka ny fitokiantsika amin’ny Tompo aloha isika rehetra, araka ny ohatra nasehon’i Nefia, ary avy eo amin’ny alalan’ny fahitsian’ny fontsika dia hahazo ny fitokian’ny Tompo, sy ny fitokian’ny vadintsika sy ny zanatsika. Rehefa mahatakatra sy mampihatra io fitsipika masin’ny fitokiana miorina eo amin’ny fahitsian’ny fo io isika, dia ho marina amin’ny fanekempihavanantsika isika. Hahomby ihany koa isika amin’ny fitarihana ny fianakaviantsika amim-pitiavana sy amim-pahamarinana, manome izay ilaina amin’ny fiainana, ary miaro ny fianakaviantsika amin’ny zava-dratsin’izao tontolo izao. Ireo fahamarinana ireo no ijoroako ho vavolombelona amim-panetrentena amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.