Tompoko ô, mba hampahirato ny masoko
Tsy maintsy mijery ny hafa amin’ny fomba fijerin’ny Mpamonjintsika isika.
Le Roi Lion dia sarimiaina malaza iray momba ny alaalam-bozaka any Afrika. Rehefa maty teo am-pamonjena ny zanany ilay liona mpanjaka dia voatery nanao sesitany ilay printsy lionakely, ary ny mpitondra mpanao jadona iray nandritra izany dia nanimba ny firindram-piainana tao amin’ilay alaalam-bozaka. Ilay printsy lionakely dia nitaky ny hamerenana aminy indray ny fanjakana niaraka tamin’ny fanampian’ny mpampianatra iray. Nampahiratina ny masony mba hahita fa nilaina ny firindram-piainana teo amin’ilay fitohizam-piainana lehibe tao amin’ilay alaalam-bozaka. Raha nitaky ny zony amin’ny maha-mpanjaka azy ilay liona tanora dia nanaraka torohevitra mba “hijery lavitra kokoa mihoatra izay hitany” izy.1
Rehefa mianatra ny ho lasa mpandova ny zavatra rehetra ananan’ny Ray isika, ny filazantsara dia mampianatra antsika hijery lavitra kokoa mihoatra izay hitantsika. Mba hahafahana mijery lavitra kokoa mihoatra izay hitantsika dia tsy maintsy mijery ny hafa amin’ny fomba fijerin’ny Mpamonjintsika isika. Afaka mitaona karazana olona isan-karazany ny filazantsara. Tsy afaka hahatakatra tanteraka ny safidy sy ny ao an-tsain’ny olona ao amin’ny tontolo misy antsika, ao am-piangonana, ary ao amin’ny fianakaviantsika mihitsy isika satria zara raha mahatakatra ny zavatra rehetra mombamomba azy ireo isika. Tokony havelantsika any ny fieritreretana mora foana fa marina ny zavatra iray sy ny fitsaratsaram-poana ary hampivelatra bebe kokoa ny traikefa kely ananantsika isika.
Nampahiratina ny masoko mba “hijery lavitra kokoa mihoatra izay hitako” fony aho filohan’ny misiôna. Tonga niaraka tamin’ny ahiahy nisoritra teo amin’ny tarehiny ny elder tanora iray. Rehefa nihaona izahay nandritra ny dinidinika iray dia nilaza tamim-pahakiviana izy hoe “Te hody aho.” Nieritreritra mangina aho hoe “Eny ary, azontsika vahàna izany.” Notoroiko hevitra izy hiasa mafy sy hivavaka momba izany mandritra ny herinandro dia hiantso ahy avy eo. Herinandro taty aoriana, tena katroka mihitsy, dia niantso izy. Mbola te hody foana izy. Mbola notoroiko hevitra ihany izy hivavaka sy hiasa mafy dia hiantso ahy afaka herinandro. Nandritra ny dinidinika nataonay manaraka dia mbola tsy niova ny fandehan-javatra. Nisisika mafy ny handeha hody izy.
Tsy hanaiky ny hitrangan’izany fotsiny tsotra izao aho. Nanomboka nampianatra azy momba ny maha-masina ny antsony aho. Nankahereziko izy “hanadino [ny tenany] dia handeha hiasa.2 Saingy na inona na inona torohevitra natolotro taminy dia tsy niova hevitra izy. Tamin’ny farany dia nazava tamiko fa mety tsy nahatakatra ny zavatra rehetra momba azy aho. Tamin’izay aho no nahatsapa fitaomam-panahy hametraka aminy ity fanontaniana ity: “Elder, inona no zavatra sarotra aminao?” Ny zavatra nolazainy dia nanohina mafy ny foko: “Ry Filoha, tsy mahay mamaky teny aho.”
Ilay torohevitra hendry neritreretiko fa tena manan-danja ho azy dia tsy nifanaraka mihitsy tamin’ny zavatra nilainy. Ny zavatra tena nilainy dia ny hijereko lavitra mihoatra ny fitsarana maimaika nataoko ary hamela ny Fanahy hanampy ahy hahatakatra ny tena tao an-tsain’io elder io. Nilainy ny hijereko azy araka ny tena maha-izy azy ary ny hanolorako antony iray hananany fanantenana. Izaho kosa anefa dia naneho fihetsika feno fanaparam-pahefana sy nanimba. Io elder maherifo io dia nianatra namaky teny ary lasa tena mpianatr’i Jesoa Kristy marina. Izy dia nanokatra ny masoko tamin’ireo tenin’ny Tompo manao hoe: “Fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo” (1 Samoela 16:7).
Tena fitahiana tokoa rehefa manitatra ny fomba fijerintsika ny Fanahin’ny Tompo. Tsaronareo ve i Elisa mpaminany, izay taitra ka nahita ny miaramila Syriana nanodidina ny tanànany niaraka tamin’ny soavaly sy kalesy? Natahotra ny mpanompony ka nanontany an’i Elisa izay zavatra hataon’izy ireo hoenti-manohitra ny hery lehibe toy izany. Niteny azy tamin’ny teny tsy hay hadinoina i Elisa mba tsy hatahotra manao hoe: “Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy” (2 Mpanjaka 6:16). Tsy azon’ilay mpanompo mihitsy ny zavatra tian’ny mpaminany niaviana. Tsy afaka nijery lavitra kokoa nihoatra izay hitany izy. I Elisa kosa anefa dia nahita tafik’anjely vonona hiady ho an’ny vahoakan’ny mpaminany. Noho izany i Elisa dia nivavaka tamin’ny Tompo mba hampahiratana ny mason’ilay tovolahy, “ary dia nahita izy: ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisa” (2 Mpanjaka 6:17).
Matetika isika no manavaka ny tenantsika amin’ny hafa amin’ny alalan’ny fahasamihafan’ny zavatra hitantsika. Mahazo aina isika rehefa miaraka amin’ireo izay mitovy hevitra, firesaka, fiakanjo, ary manao zavatra tahaka antsika ary tsy mahazo aina kosa rehefa miaraka amin’ireo izay avy amina toe-piainana na sehatra niaviana hafa. Raha ny marina, moa ve tsy avy amina firenena samy hafa daholo isika ary samy manana ny fiteniny avy? Moa ve isika rehetra tsy mahita izao tontolo izao daholo na dia eo aza ny fahalemena goavana izay mametra antsika avy amin’ny zavatra nolalovantsika teo amin’ny fiainana? Satria ny sasany dia mahita sy miteny amin’ny alalan’ny fijery ara-panahy, tahaka an’i Elisa mpaminany, ary ny sasany kosa dia mijery sy miresaka araka izay zavatra hitan’ny masony tahaka ny zavatra niainako tamin’ilay misiônera tsy nahay namaky teny.
Miaina ao anatin’ny tontolo hankafizan’ny olona ny fanaovana fampitahàna, ny fitsaratsarana, ary fitsikerana isika. Ho solon’ny fijerena zavatra amin’ny alalan’ny fomba fijerin’ny mpampiasa tambazotra ifaneraserana dia mila mikaroka ao anatintsika ireo toetra araka an’ Andriamanitra izay azontsika angatahina isika. Ireo toetra sy faniriana araka an’ Andriamanitra ireo dia tsy azo aely ao amin’ny Pinterest na ao amin’ny Instagram.
Ny manaiky sy mitia ny hafa dia tsy midika hoe tsy maintsy manaiky ny hevitr’izy ireo isika. Mazava ho azy fa ny fahamarinana dia mitaky ny hanehoantsika ny fahatokiantsika lehibe indrindra, nefa tsy tokony ho sakana hanehoana hatsaram-panahy mihitsy izany. Ny fitiavana marina ny hafa dia mitaky ny fahazarana tsy tapaka hanaiky ny ezaka tsara indrindra ataon’ny olona izay mety tsy ho fantatsika tanteraka mihitsy ny zavatra iainany sy ny fahalemeny. Ny fijerena lavitra kokoa mihoatra izay hitantsika dia mitaky fifantohana tsara amin’ny Mpamonjy.
Tamin’ny 28 mey 2016 dia tao amin’ny toeram-piompian’ny fianakaviany tao Colorado i Beau Richey izay 16 taona sy i Austin namany. Nitaingina ny fiara tsy mataho-dalan’izy ireo tamin’ny fientanentanam-po be i Beau sy i Austin hiatrika andro iray mahafinaritra. Tsy mbola lasa lavitra izy ireo dia sendra toe-javatra henjana, ka tamin’izay fotoana izay dia nisy loza nitranga. Nivadika tampoka ilay fiara nentin’i Beau, ka tototry ny vy milanja 180 kilao izy. Rehefa tonga teo amin’i Beau i Austin namany dia nahita azy niady mafy mba ho tafavoaka velona. Tamin’ny heriny rehetra no niezahany nanala ilay fiara teo ambonin’ny namany. Tsy nihetsika anefa ilay izy. Nivavaka ho an’i Beau izy dia nirifatra nihazakazaka hitady fanampiana avy eo. Tonga ihany ireo mpamonjy voina nony farany saingy ora vitsivitsy taty aoriana dia maty i Beau. Nandao ity fiainana an-tany ity izy.
Tonga ireo ray aman-dreniny izay torotoro fo tokoa. Raha nijoro tao amin’ilay hopitaly kely niaraka tamin’ny namana malalan’i Beau sy ny olona tao amin’ny fianakaviana izy ireo dia niditra ny efitrano ny mpitandro filaminana iray ary nanome ny findain’i Beau an-dreniny. Teo am-pandraisany ilay finday dia naneno ny kiririoka fanairana tao amin’ilay izy. Nosokafany ilay finday dia nahita ny kiririoka fanairana fampiasan’i Beau isan’andro izy. Novakiny mafy ny hafatra izay nataon’ilay zananilahy mbola zatovo tia miala voly sy tena feno fahasahiana tao amin’ilay finday mba hovakiana isan’andro. Hoy ilay izy hoe: “Aza adino ny mifantoka amin’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao androany.”
Ny fifantohan’i Beau tamin’ny Mpanavotra dia tsy mampihena ny alahelon’ireo olon-tiany rehefa tsy teo intsony izy. Izany anefa dia nitondra fanantenana sy lanja lehibe teo amin’ny fiainana sy ny safidy nataon’i Beau. Namela ny fianakaviany sy ireo namany hijery lavitra kokoa mihoatra ny alahelo noho izy maty tanora fotsiny ihany izany, ka hahita ny zavatra tena misy izay mahafaly any amin’ny fiainana ho avy. Famindram-po lehibe ho an’ny ray aman-drenin’i Beau mihitsy ny nahita tamin’ny alalan’ny fijerin-janany ny zavatra nomeny lanja indrindra.
Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia nomena kiririoka fanairana ara-panahy ho antsika manokana isika izay mampitandrina antsika rehefa tsy mijery afa-tsy amin’ny fijerintsika olombelona izay lavitra ny famonjena fotsiny isika. Ny fanasan’ny Tompo no mpampahatsiahy antsika isan-kerinandro hanohy hifantoka amin’i Jesoa Kristy hatrany mba hahatsiarovantsika Azy mandrakariva sy mba hananantsika ny Fanahiny miaraka amintsika mandrakariva (jereo ny F&F 20:77). Indraindray anefa dia tsy raharahiantsika ireo fahatsapana mpampahatsiahy sy mpampitandrina ireo. Rehefa ampifantohantsika amin’i Jesoa Kristy ny fiainantsika dia hanao izay hampahiratra ny masontsika Izy mba hahitantsika fahafahana misimisy kokoa izay tsy ho takatsika samirery.
Nandray ity taratasy tena mahaliana momba ny kiririoka fanairana mpampitandrina niainan’ny rahavavy mahatoky iray ity aho. Nilaza tamiko izy fa noho ny fiezahany hanampy ny vadiny hahatakatra ny zavatra tsapany dia nanomboka nanao lisitra elektrônika tamin’ny findainy izy ny amin’ireo zavatra izay nataon’ny vadiny na nolazainy ka nanorisory azy. Ny zavatra neritreretiny dia ny hoe amin’ny fotoana mampety azy dia hanangona porofo voasoratra izy mba haseho an’ny vadiny izay tena hahatonga azy hiova tokoa amin’ny fombany. Indray alahady anefa, raha nandray ny fanasan’ny Tompo sy nifantoka tamin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izy, dia tonga saina fa ny fakàna an-tsoratra ny zavatra ratsy tsapany momba ny vadiny dia tena mahatonga ny Fanahy tsy hiaraka aminy ary tsy hampiova ny vadiny mihitsy.
Naneno ny kiririoka fanairana ara-panahy tao am-pony, izay nilaza taminy hoe: “Avelao any izany; avelao any izy rehetra. Fafao ireo soratra ireo. Tsy hanampy anao ireo.” Dia nanoratra an’izao lazaiko izao izy avy eo: “Elaela aho vao nahatsindry ny -hisafidy azy rehetra- ary elaela kokoa vao nahatsindry ny -hamafa.- Saingy rehefa nanao izany aho dia nanjavona ireo fahatsapana ratsy. Lasa feno fitiavana ny foko, fitiavana ny vadiko ary fitiavana ny Tompo.” Tahaka an’i Saoly teo amin’ny lalana nankany Damaskosy dia niova ny fomba fijeriny. Niala ireo zavatra nanakona ny masony.
Matetika ny Mpamonjintsika no nampahiratra ny mason’ireo jamba ara-nofo sy jamba ara-panahy. Ny fanokafantsika ny masontsika hahita ireo fahamarinana masina, na ara-bakinteny izany na ara-tsarinteny, dia manomana antsika amin’ny fanasitranana ny tsy fahafahana mahita mihoatra izay hita ety ivelany ety an-tany. Rehefa mampandry sofina amin’ireo “kiririoka fanairana” ara-panahy isika, izay milaza amintsika fa mila manova ny fomba fisainantsika sy ny fomba fanaovantsika zavatra isika, na mila manana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay mivelatra kokoa dia mandray ilay fampanantenana avy amin’ny fanasan’ny Tompo isika fa hanana ny Fanahiny hiaraka amintsika. Nitranga tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland izany, raha nampianatra fahamarinana tokony nampiharina i Jesoa Kristy, izay nampanantena fa “ny voalin’ny” fahalemena ara-nofo dia “nesorina niala ny sain[‘izy ireo] ary nosokafana ny mason’ny fahatakaran[‘izy ireo]” (F&F 110:1).
Mijoro ho vavolombelona aho fa amin’ny alalan’ny herin’i Jesoa Kristy dia lasa afaka mahita lavitra kokoa ara-panahy mihoatra ny zavatra hitantsika ara-bakinteny isika. Rehefa mahatsiaro Azy sy manana ny Fanahiny miaraka amintsika isika dia hahiratra ny mason’ny fahatakarantsika. Dia ho lasa lalim-paka amim-kery kokoa ao am-pontsika tsirairay avy ny tena fisian’ny toetra maha-andriamanitra ao anatintsika tsirairay avy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.