Katsahonareo ao amin’ny boky tsara indrindra
Rehefa mandalina avy amin’ireo boky tsara indrindra isika dia hiaro ny tenantsika amin’ireo vava mampitahotr’ireo izay mikatsaka ny hikiky ny fototra iorenantsika ara-panahy isika.
Indray maraina aho dia nahita bibin-tsaonjo noana sy niafina tsara iray tao anatin’ny andian-draozy tsara tarehy. Rehefa hita fa nanjavona ny raviny sasany teo dia nazava na dia ho an’ny mpandinika tsy dia niraika loatra aza fa efa notsakotsakoany tamin’ilay vavany mampitahotra ireo raviny malefaka. Raha ara-tsarinteny dia tsy haiko ny tsy hieritreritra fa misy olona maromaro mitovy amin’io bibin-tsaonjo io. Hita manerana izao tontolo izao izy ireo, ary ny sasany amin’izy ireo dia mahay miafina tsara ka hamela azy ireo hiditra ao amin’ny fiainantsika isika, ary mialoha ny hahafantarantsika izany, dia efa laniny ny fakantsika ara-panahy sy ny an’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika sy namantsika.
Miaina amin’ny fotoana hisian’ny zavatra diso momba ny finoantsika miely patrana izaitsizy isika. Amin’ny fotoana tahaka izany, ny tsy fiarovana sy ny tsy fanamafisana orina ny fakantsika ara-panahy dia fanasana ny mba hikikisan’ireo izay mikatsaka ny hanimba ny finoantsika an’i Kristy sy ny finoantsika ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny azy ireo. Tamin’ny andron’ny Bokin’i Môrmôna dia i Zezrôma no nikatsaka hanimba ny finoan’ny mpino.
Ny zavatra nataony sy ny teniny dia “fandriky ny fahavalo, izay … novelariny hisamborana [ny] vahoaka, hahazoany mitondra [azy ireo] ho amin’ny fanoavana azy, ka ho azony hahodidina [amin’izy ireo] ny gadrany” (Almà 12:6). Misy ireo fandrika ireo amin’izao fotoana izao, ary raha tsy hoe mitandrina ara-panahy sy manorina fototra azo antoka eo amin’ny Mpamonjintsika isika (jereo ny Helamàna 5:12 dia mety hahita ny tenantsika ho voafatotr’i Satana sy ho voatarika any amin’ny lalana voarara resahina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika (jereo ny 1 Nefia 8:28).
Nampitandrina ny olona tamin’ny androny ny Apôstôly Paoly, izay azo ampiharina ihany koa amin’izao androntsika izao: “Fantatro fa, … avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy” (Asan’ny Apostoly 20:29–30).
Ny fampitandremany sy ny an’ireo mpaminanintsika sy apôstôlintsika dia mampahatsiahy antsika fa tsy maintsy manao izay azontsika atao isika hampatanjahana ara-panahy ny tenantsika manoloana ireo teny feno fanoherana sy famitahana. Rehefa mamangy paroasy sy tsatòka ato amin’ny Fiangonana aho dia hankaherezin’ny zavatra hitako, reko, ary tsapako, satria ireo Olomasina dia mandray tsara sy amim-pahatokiana ireo fampianaran’ny Mpamonjy sy ny mpanompony.
Ny fitombon’ny fanajana ny andro Sabata dia ohatra iray ihany mikasika ny mpikambana izay manamafy orina ara-panahy ny tenany amin’ny alalan’ny fihainoana ireo fanasan’ny mpaminany. Ny fanamafisana orina fanampiny dia hita taratra amin’ny alalan’ny fitombon’ny fanaovana asa any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana rehefa manangona ny razambeny amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny tempoly ireo fianakaviana. Ny fototra iorenantsika ara-panahy dia mihamafy orina rehefa lasa mandatehezan’ny finoantsika ny vavaka ataon’ny tena manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana amin-kitsim-po, ary rehefa mibebaka isan’andro isika, mikatsaka ny fananana ny Fanahy Masina ho namana, ary mianatra momba ny Mpamonjy sy ny toetrany ary miezaka ny ho lasa tahaka Azy (jereo ny 3 Nefia 27:27).
I Jesoa Kristy, Mpamonjy antsika no Fahazavan’izao tontolo izao, ary miantso antsika mba hanaraka Azy Izy. Tsy maintsy mibanjina Azy amin’ny fotoana rehetra isika, ary indrindra indrindra amin’ny alina maizina arahan’oram-baratra, rehefa mandady mangina tahaka ny zavona mihamandrakotra ny tafio-drivotry ny fisalasalana. Raha miseho aminao amin’ny endrika fanesoesoana sy fanambaniana ary fisarihana ny fanondroana amin’ny rantsantanana “avy [erỳ] ampitan’ny renirano, [ahitana] trano iray mijoalajoala sy malalaka” (1 Nefia 8:26) dia miangavy anao aho hitodika avy hatrany mba tsy handresena lahatra anao amin’ny fomba feno fitaka sy hafetsena ka hanasaraka anao amin’ny fahamarinana sy ny fitahiana ao amin’izany.
Saingy tsy ho ampy raha izany fotsiny amin’izao andro hiresahana sy hanoratana ary hampisehoana zavatra mahatsiravina izao. Nampianatra antsika ny Loholona Robert D. Hales fa “Raha tsy manolo-tena tanteraka hiaina ny filazantsara ianao, izany hoe miaina izany amin’ny—fo, tanjaka, saina, ary hery rehetra—dia tsy afaka hamokatra ny fahazavana ara-panahy ilaina mba handroahana ny haizina ianao” (“Out of Darkness into His Marvelous Light,” Liahona, jolay 2002, 78). Tena marina fa ny faniriantsika hanaraka an’i Jesoa Kristy, izay Fahazavan’izao tontolo izao (jereo ny Jaona 8:12) dia tena midika fa tsy maintsy mampihatra ny fampianarany isika. Mahazo tanjaka sy hery ary fiarovana ara-panahy isika rehefa mampihatra ny tenin’ Andriamanitra.
Arakaraka ny halehiben’ny fahazavana eo amin’ny fiainantsika no hahakely ny haizina. Saingy na dia ao anatin’ny fahabetsahan’ny fahazavana aza dia hisy ireo olona sy ireo resadresaka izay handoto ny zavatra inoantsika ary hitsapa ny finoantsika. Nanoratra ny Apôstôly Jakoba hoe “ny fizahan-toetra ny finoan[tsika] dia mahatonga faharetana” (Jakoba 1:3). Eo anatrehan’izany hevi-baovao izany dia nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “ny mpianatra maharitra … dia tsy ho gaga na hilavo lefona rehefa lotoina ny Fiangonana” (“Patience” Fampaherezam-panahy an’ny Oniversite Brigham Young University, nôv. 27, 1979], speeches.byu.edu).
Tena misy ireo fanontaniana momba ny tantaran’ny Fiangonantsika sy ny zavatra inoantsika. Mila fitandremana tsara ny hoe aiza isika no mitodika rehefa mitady valiny marina. Tsy hisy tombontsoa ho azontsika avy amin’ny fanadihadiana ny fomba fijerin’ireo izay tsy dia manana fampahalalana firy na ireo izay diso fanantenana. Ny torohevitra tsara indrindra dia nomena ny Apôstôly Jakoba: “Raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, dia aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra” (Jakoba 1:5).
Mialoha ny fangatahana amin’ Andriamanitra dia tokony hisy ny fandalinana tsara, satria nomena didy avy amin’ny soratra masina isika ny hikatsaka “ao amin’ny boky tsara indrindra ny teny fahendrena” ary koa “[hikatsaka] ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (F&F 88:118). Betsaka tokoa izany boky izany, izay nosoratan’ireo mpitarika nentanim-panahy ato amin’ny Fiangonana ary ireo manam-pahaizana sangany sy azo antoka momba ny tantara sy ny fotopampianaran’ny Fiangonana. Kanefa dia tsy misy mahasolo ny halehiben’ny tenin’ Andriamanitra nambara ao amin’ireo soratra masina nankatoavina. Mianatra fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika ary mampitombo fahazavana avy amin’ireo pejy manify feno fahalalana ara-panahy ireo.
Ny Filoha Thomas S. Monson dia niangavy antsika “mba handalina sy hisaintsaina ombam-bavaka isan’andro ny Bokin’i Môrmôna” (“Ny herin’ny Bokin’i Môrmôna,” Liahona, mey 2017, 87).
Taona maromaro lasa izay, fony aho filohan’ny Misiônan’i Fidji Suvadia niaina zavatra iray ny sasany tamin’ireo misiônera izay nanamafy tamin’izy ireo ny hery mampiova fon’ny Bokin’i Môrmôna. Tamin’ny andro mafana sy be orana iray dia tonga tao amin’ny trano iray tao amin’ny toeram-ponenana kely iray tao Labasa ny elder anankiroa.
Rehefa nodondonin’izy ireo ny varavarana dia lehilahy nahazo taona iray no nanokatra izany, ka nihaino ireo misiônera nijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna izy. Nomen’izy ireo azy ny tahadikan’ny boky ary nanasa azy izy ireo hamaky sy hivavaka mba hahafantatra tahaka azy ireo fa tenin’ Andriamanitra izany. Fohy ny valinteny nomeny: “Rahampitso aho hiverina hanjono. Hamaky izany aho rehefa an-dranomasina, ary rehefa tafaverina aho dia azonareo vangina indray.”
Nandritra ny fotoana naha-tsy teo azy dia nafindra ireo misiônera ary herinandro vitsivitsy taty aoriana dia elder anankiroa hafa indray no niverina namangy ilay mpanjono. Hatramin’io fotoana io dia efa nahavaky ny Bokin’i Môrmôna manontolo izy, efa nandray fanamafisana ny amin’ny fahamarinany, ary naniry ny hianatra bebe kokoa.
Io lehilahy io dia niova fo tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, izay nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny teny sarobidy rehetra ao amin’ny pejy tsirairay avy izay ahitana zava-nitranga sy fotopampianarana efa nampianarina fotoana maro lasa izay ary notehirizina ho an’izao androntsika izao ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Izany fitahiana izany dia natokana ho antsika tsirairay avy.
Ny tokantrano no toerana tsara indrindra ho an’ny fianakaviana mba handalinana sy hifampizarana fahalalana sarobidy avy amin’ny soratra masina, sy ny tenin’ireo mpaminany, ary mba hahazoana loharanom-pitaovana ao amin’ny LDS.org. Ao ianareo no hahita fampahalalana betsaka momba ny lohahevitra ara-pilazantsara tahaka ireo fitantarana ny Fahitana Voalohany. Rehefa mandalina avy amin’ireo boky tsara indrindra isika dia hiaro ny tenantsika amin’ireo vava mampitahotr’ireo izay mikatsaka ny hikiky ny fototra iorenantsika ara-panahy isika.
Na dia efa eo aza ny vavaka sy ny fandalinana ary ny fisaintsainana rehetra ataontsika dia mbola mety hisy ihany ny fanontaniana sasantsasany izay tsy voavaly, saingy tsy tokony havelantsika hamono ny afon’ny finoantsika izay miredareda ao anatintsika izany. Ny karazana fanontaniana toy izany dia fanasana hanamafy orina ny finoantsika ary tsy tokony hamelombelona ny fisalasalana mamitaka ao anatintsika. Ny tena fototry ny fivavahana dia tsy ny hahazoana ny valin’ny fanontaniana rehetra akory, satria izany no anisan’ny tanjon’ny finoana. Nampianatra antsika an’izao ny Loholona Jeffrey R. Holland mikasika izany: “Rehefa tonga ireny fotoana ireny ka mitranga ny olana ary tsy ho tonga avy hatrany ny vahaolana, dia hazony mafy izay efa fantatrao ary mahatanjaha hatrany mandra-pahazoanao fahalalana misimisy kokoa” (“Tompo ô, mino aho,” Liahona, mey 2013, 94).
Hitantsika manodidina antsika ny fifalian’ny olona maro izay mijoro ho matanjaka hatrany noho ny fikolokoloany tsy tapaka ny fototra iorenany ara-panahy. Ny finoana sy ny fankatoavan’izy ireo dia ampy hahazoan’izy ireo fanantenana lehibe ao amin’ny Mpamonjin’izy ireo, ary mitsiry avy amin’izany ny fahasambarana lehibe. Tsy milaza ho mahafantatra ny zava-drehetra izy ireo saingy efa nanefa ny sarany mba hananana fahalalana izay ampy hahazoan’izy ireo fiadanana sy hiainana amim-paharetana eo am-pikatsahana ny hahafantatra bebe kokoa. Andalana anampy andalana, ny finoan’izy ireo dia mifototra ao amin’i Kristy, ary mijoro ho matanjaka izy ireo amin’ny maha-mpiray fanjakana amin’ny Olomasina azy ireo.
Aoka isika hiaina araka ny tokony ho izy mba tsyhahazoan’ny vava mampitahotry ny bibin-tsaonjo miafina tsara mahita toerana eo amin’ny fiainantsika, na amin’izao fotoana izao na mandrakizay, mba hahafahantsika mijanona ho “[m]iorina amin’ny finoana an’i Kristy hatramin’ny farany” (Almà 27:27). Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.