Testamenta Taloha 2022
27 martsa. Iza aho, ary tian’ Andriamanitra ho tonga iza aho? Eksodosy 1–6


“27 martsa. Iza aho, ary tian’ Andriamanitra ho tonga iza aho? Eksodosy 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“27 martsa. Iza aho, ary tian’ Andriamanitra ho tonga iza aho?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
zatovolahy mitendry gitara

27 martsa

Iza aho, ary tian’ Andriamanitra ho tonga iza aho?

Eksodosy 1–6

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Ahoana no ahitantsika fifaliana amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza ao amin’ny paroasy na fiarahamonina misy antsika no mila ny fanampiantsika? Ahoana no ahafahantsika manampy?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika mifanampy amin’ny fiomanana amin’ny asa fitoriana?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Ahoana no ahafahantsika mandray anjara amin’ny ezaka ataon’ny paroasy misy antsika hanao tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Mety ho nanaitra tokoa ny fahitana roimemy iray mirehitra nefa tsy lanin’ny afo, ary nahasarika ny sain’i Mosesy izany. Fa vao mainka nanaitra kokoa ny zava-nitranga taorian’izay. Niteny tamin’i Mosesy Andriamanitra, dia nianatra nandray ny tenany tahaka ny nahitan’ Andriamanitra azy i Mosesy. Tamin’izany fomba fijery izany no nahavitan’i Mosesy niaraka tamin’ny fanampian’ny Tompo zavatra izay noheveriny ho tsy azo tanterahina: nifanandrina tamin’i Farao izy ary namonjy ny vahoakan’ Andriamanitra.

Isika rehetra dia mila miaina zavatra izay manampy antsika hanolo ny tsy fatokiantsika ny tenantsika amin’ny fahatakaran’ Andriamanitra ny hoe iza isika ary afaka ho tonga iza. Ny zatovo manokana dia mifanehitra amin’ireo hafatra diso momba ny lanjan’ny tena manokana ananan’izy ireo. Ary tahaka izay nitranga tamin’i Mosesy, Andriamanitra dia “manana asa hataon’[izy ireo]” (Fanevan’ny Kôlejin’ny Fisoronana Aharôna). Manana ny Faraony manokana izay tsy maintsy hatrehiny sy ny olona mila havotany manokana izy ireo. Ahoana no hanampianao azy ireo hahatsiaro fa zanakavavy sy zanakalahy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra “manana toetra araka an’ Andriamanitra sy anjara mandrakizay” izy ireo? (Fanevan’ny Zatovovavy). Saintsaino izany rehefa mamaky ny Eksodosy 1–6 ianao. Hevero ihany koa ny handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–15 sy ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe “Manan-danja Aminy ianao” (Liahona, nôv. 2011, 19–22).

Sary
vondron-jatovovavy eny an-tokotany

Azo ovaina ny fiainantsika rehefa takatsika ny tena maha-izy antsika amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika.

Miaraha mianatra

Mety efa namaky ny Eksodosy 1–6 ny mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy misy anao tamin’ity herinandro ity. Mba hamporisihana azy ireo hizara ny zavatra nianarany dia azonao atao ny manontany azy ireo ny zavatra tsapan’i Mosesy momba ny antso nomena azy mba hanafaka ny zanak’i Isiraely (jereo ny Eksodosy 3:11). Inona avy no fahamarinana nampianarin’ny Tompo an’i Mosesy mba hanovana ny fomba fijeriny? (jereo ny Eksodosy 3:4–15; 4:10–17; jereo ihany koa ny Mosesy 1:3–11). Ahoana no mety ho nanampian’ireo fahamarinana ireo an’i Mosesy? Ahoana no ahafahan’izany manampy antsika? Mampiasà asa atao iray toy ny iray amin’ireto manaraka ireto mba hanampiana ny mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy hahafantatra izay nambaran’ Andriamanitra momba ny tena maha-izy azy ireo, sy ny lanjany ary ny fahafahany hahavita zavatra.

  • Hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf: “Mampiasa fitaovam-pandanjana hafa kely tsy mitovy amin’ny fampiasan’izao tontolo izao ny Tompo entiny handanjana ny hasarobidin’ny fanahy” (“Manan-danja Aminy ianao,” 22). Mba hiresahana io hevitra io dia azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ny hoe Ahoana no fomba anehoan’izao tontolo izao amin’olona iray fa omen-danja izy? Asao handroso valin-teny ireo izay ampianarinao. Raha amin’izany fomba izany no itsarantsika ny lanjantsika, dia inona no mety ho fiantraikan’ireo fahatsapana ireo amin’ny safidy ataontsika? Avy eo dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Ahoana no fomba anehoan’ Andriamanitra amin’olona iray fa omen-danja izy? Rehefa mizara valin-teny ny zatovo dia amporisiho izy ireo hamaky ny Jaona 3:16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–15; Lioka 15:3–6, 11–32. Azon’izy ireo vakina ihany koa ny fizarana farany amin’ny hafatry ny Filoha Uchtdorf. Raha amin’izany fomba izany no itsarantsika ny lanjantsika, dia inona no mety ho fiantraikan’ireo fahatsapana ireo amin’ny safidy ataontsika?

  • Misy fiantraikany amin’ny zavatra tsapantsika sy ny fitondrantsika ny tenantsika sy ny hafa ny anarana entintsika mamaritra ny tenantsika. Mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy handinika ny fomba hamaritan’izy ireo ny tenany, dia azonao omena karatra kely fasiana anarana tsy misy na inona na inona ny tsirairay amin’izy ireo. Ny karatra kely fasiana anarana tsirairay dia azo hanoratana hoe “Salama, izaho no …” eo amin’ny farany ambony. Asao izy ireo hieritreritra teny na andian-teny maro samihafa izay azon’izy ireo soratana amin’ny karatra fasiana anaran’izy ireo. Raha ny Ray any An-danitra no nameno ny karatra fasiana anarana ho antsika dia inona no mety ho nosoratany? Inona no mety hosoratany raha hoe “Salama, afaka ny ho tonga … aho” no hita eo amin’’ilay karatra kely fasiana anarana? Afaka misaintsaina ireo fanontaniana ireo ny mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy rehefa mamaky ireto soratra masina manaraka ireto: 1 Jaona 3:1–3; Môrônia 10:32–33; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:69–70; 84:37–38.

  • Ireo hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” dia ahitana ny ohatra-na olona izay niova ny fiainany satria fantany hoe iza marina izy ireo amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra azy ireo. Hevero ny hanome ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kilasy na kôlejy ny iray amin’ireo ohatra ireo mba hosaintsaininy sy hozarainy amin’ilay vondrona. Azonao atao ihany koa ny miresaka momba ny fiantraikan’ny fahafantarana fa zanak’ Andriamanitra isika rehetra teo amin’ny fiainanao. Asao hanao toy izany koa ny mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

  • Joy D. Jones, “Fananana lanja tsy hay refesina,” Liahona, nôv. 2017, 13–15

  • Brian K. Taylor, “Zanaky ny Ray ve aho?Liahona, mey 2018, 12–14

  • Fanandramana mampiasa ny “L’histoire de ma vie” ao amin’ny FamilySearch.org/discovery

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

“Raha tsapan’ny zatovo fa matoky azy ireo ianao dia hitombo ny fatokiany tena amin’ny fahafahana ho tonga tahaka an’ Andriamanitra, ary hataony variana amin’ny zavatra vitany ianao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 28).

Hamoaka printy