Testamenta Taloha 2022
10 aprily. Ahoana no ahafahako manamafy orina ny finoako an’i Jesoa Kristy isan’andro? Eksodosy 14–17


“10 aprily. Ahoana no ahafahako manamafy orina ny finoako an’i Jesoa Kristy isan’andro? Eksodosy 14–17,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“10 aprily. Ahoana no ahafahako manamafy orina ny finoako an’i Jesoa Kristy isan’andro?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
Jesoa Kristy

10 aprily

Ahoana no ahafahako manamafy orina ny finoako an’i Jesoa Kristy isan’andro?

Eksodosy 14–17

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo, ankoatra ny fiaraha-mifanakalo hevitra momba ny asa manokana ataon’ny kilasy na kôlejy dia afaka miresaka momba ireo zavatra tsapa sy ireo lohahevitra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ianareo. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy ireo lohahevitra na hafatra nanan-danja tamintsika? Inona no nanamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ireo mpaminany velona? Inona no zavatra tsapantsika fa asaina ataontsika noho ny zavatra nianarantsika na tsapantsika?

  • Inona no zavatra tokony hataontsika kilasy na kôlejy manontolo mba hitadidiana sy hampiharana ireo torohevitra rentsika nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Mba hahatafavoahana velona tany an-tany efitra dia nila nianatra ny fomba hianteherana amin’ny Tompo ny zanak’i Isiraely. Niantehitra Taminy mba hanao fahagagana fanavotana aina izy ireo, toy ny fampisarahana ny Ranomasina Mena, sy hanao fahagagana manohana aina ihany koa, toy ny mana avy any an-danitra. Mitombina ihany koa izany ho an’ireo izay ampianarinao. Raha te ho tafavoaka velona amin’ny diany ara-panahy any an’efitry ny fiainana an-tany izy ireo dia tsy maintsy mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy. Ary tsy maintsy mampihatra izany finoana izany isan’andro izy ireo, fa tsy indraindray fotsiny. Mety tsy hahatsapa ny sasany amin’ireo izay ampianarinao fa tena matanjaka ny finoany. Azonao ampiana izy ireo hahatakatra fa mitombo miandalana, isan’andro, ny finoana. Kolokoloina amin’ny alalan’ny zavatra kely sy tsotra izay ataontsika tsy tapaka izy io. Saintsaino ireo zavatra ireo rehefa mandalina ny Eksodosy 14–17 ianao amin’ity herinandro ity. Mety ho azonao atao ihany koa ny mandalina ny hafatry ny Filoha Dallin H. Oaks hoe “Zava-madinika sy tsotra” (Liahona, mey 2018, 89–92).

Sary
kilasin’ny zatovovavy

Afaka manamafy orina ny finoantsika isan’andro amin’ny fomba madinika sy tsotra isika.

Miaraha mianatra

Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra dia azonao atao ny mangataka ny zatovo hizara ny sasany amin’ireo fahazarany isan’andro izay manampy azy ireo hanao zavatra tsara. Ireo zavatra ireo dia mety hahitana ny fiezahana mba hijanona ho salama tsara na ny fampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo. Inona no mety hitranga raha tsy mitazona ireo fahazarana ireo isika? Ahoana no ahafahana mampitaha ny ezatsika isan’andro hanao zavatra tsara amin’ireo torolalana nomen’ny Tompo ny Isiraelita mba hanangonana mana? (jereo ny Eksodosy 16:16–21). Azonao atao ny manampy ny kilasy na kôlejy hampitaha ny zavatra niainan’ny Isiraelita amin’ny ezaka ataontsika mba hampatanjaka ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isan’andro. Ohatra, inona no omen’ny Tompo antsika tahaka ilay mana isan’andro nomeny ny Isiraelita? Inona no azontsika atao mitovy amin’ny fanangonana mana? Mba hanohizana ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia ampiasao ny iray na ny maromaro amin’ireo asa atao etsy ambany na asa atao iray noforoninao.

  • Iaraho mamaky ny Almà 37:6–7. Iaraho atao lisitra eny amin’ny solaitrabe ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ny sasany amin’ireo “zava-madinika sy tsotra” izay nasain’ny Tompo hataontsika isan’andro mba hanatonana Azy. Avy eo dia afaka mamaky ny hafatry ny Filoha Dallin H. Oaks hoe “Zava-madinika sy tsotra” ireo izay ampianarinao mba hahitana zava-madinika fanampiny izay mety hisy fiantraikany lehibe amin’ny fiainantsika. Inona no mety ho fiantraikan’ireo zavatra ireo? Inona no tsapantsika fa tokony hataonsika mba hahatonga ireo zavatra ireo hitranga matetika kokoa eo amin’ny fiainantsika isan’andro?

  • Nahoana ny finoana an’i Jesoa Kristy no mila kolokoloina isan’andro? Asao ireo izay ampianarinao hizara ireo zavatra nianarany izay mitaona azy ireo hampitombo ny finoany an’i Jesoa Kristy isan’andro.

  • Ny ezaka tsy tapaka isan’andro no fomba tsara indrindra hanamafisana orina ny finoantsika an’i Kristy. Mba hiresahana izany hevitra izany dia vakio miaraka ny soso-kevitra fahatelon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny hafany hoe “Hazoto sy hikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano” (Liahona, nôv. 2009, 17–20). Inona no lesona azontsika ianarana avy amin’ny famaritany ilay sary hosodoko ao amin’ny biraony? Ahoana no iharan’ ireo lesona ireo amin’ny ezaka ataontsika mba hampiorina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy? Ny famakiana miaraka ny Almà 32:21, 26–43 dia afaka manatsara ny fifanakalozan-kevitra ataonareo. Inona avy ireo hevi-baovao hitantsika momba ny fomba hanamafisana orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

  • Afaka mampitombo ny finoantsika amin’ny alalan’ny fisafidianana ny hianatra avy amin’ireo zavatra iainana izay mizaha toetra izany isika. Ifanakalozy hevitra miaraka ny zavatra azontsika atao mandritra ny fitsapana mba hanamafisana orina ny finoantsika. (Jereo ihany koa ny Neil L. Andersen, “Tadio Ara-panahy,” Liahona, mey 2014, 18–21.) Azonao atao ny mangataka ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy hizara fotoana izay nahatsapan’izy ireo fa nisedrana ny finoany an’i Kristy sy ny zavatra nataon’izy ireo hampatanjahana ny finoany nandritra izany fotoana izany. Hazavao fa ny Eksodosy 14–17 dia mitantara ny fimonomononana na ny fitarainana matetika nataon’ny Isiraelita rehefa nandalo fitsapana izy ireo. Ahoana no mety handemen’ny fimonomononana fny finoantsika ao anatin’ny fitsapana? Inona no maha-samy hafa ny mimonomonona sy ny milaza ny ahiahintsika amin’ny Ray any An-danitra mandritra ny fotoan-tsarotra?

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ampio ireo mpianatra ao amin’ny kilasy na ny kôlejy hahatakatra ny fomba ahafahan’izy ireo manasa ny Fanahy hanatrika ny fifanakalozan-kevitra ataon’izy ireo. Afaka manao izany izy ireo amin’ny alalan’ny “Toetra[ny] … , ny fomba fampitondran’izy ireo ary ny zavatra tsapany momba ny filazantsara” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 15).

Hamoaka printy