Testamenta Taloha 2022
24 aprily. Nahoana Andriamanitra no manome didy antsika? Eksodosy 18–20


“24 aprily. Nahoana Andriamanitra no manome didy antsika? Eksodosy 18–20,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“24 aprily. Nahoana Andriamanitra no manome didy antsika?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
didy folo

24 aprily

Nahoana Andriamanitra no manome didy antsika?

Eksodosy 18–20

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona avy no zavatra niainana vao haingana nampanakaiky antsika kokoa tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Nisy olona nifindra nankao amin’ny paroasintsika ve na niditra ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana tato ho ato? Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo hahatsapa ho voaray tsara?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Misy fiaraha-mientana hatao atsy ho atsy ve ka azontsika anasana ireo namantsika hanatrika?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no ezaka azontsika atao mba hiraketana ireo tantarantsika manokana?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Ny famakiana ny Eksodosy 20 dia mety hamporisika anao hieritreritra ny antony ananantsika didy. Faneriterena na fiezahana hifehy antsika no fahitan’ny olona sasany ny didy. Saingy satria fantatsika fa Ray be fitiavana Andriamanitra, dia afaka matoky isika fa hahasoa antsika ny lalàny, na dia tsy fantatsika foana aza ny anton’izany. Nampanantena antsika Izy fa afaka mahafantatra ny fahamarinan’ny didiny isika rehefa miaina izany (jereo ny Jaona 7:17).

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra hoe: “Satria tia antsika amin’ny fitiavana tsy manam-petra sy lavorary ny Ray sy ny Zanaka ary satria fantatr’Izy Ireo fa tsy afaka mahita ny zavatra rehetra hitany isika, dia nanome antsika lalàna izay hitarika sy hiaro antsika Izy Ireo. Misy fifandraisana mahery eo amin’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny lalàny” (“The Love and Laws of God” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young, 17 sept 2019], 2, speeches.byu.edu).

Nahoana ianao no feno fankasitrahana noho ireo didy ireo? Inona no tianao ho takatry ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao momba ny antony nanomezan’ Andriamanitra didy antsika? Azonao atao ny miomana hampianatra amin’ny alalan’ny famakiana ny Eksodosy 20 sy ny hafatry ny Filoha Dallin H. Oaks hoe “Fitiavana ny hafa sy fiainana ao anatin’ny fahasamihafana” (Liahona, nôv. 2014, 25–28).

Sary
zatovolahy mandalina ny soratra masina

Afaka mahafantatra isika fa marina ireo didin’ Andriamanitra rehefa iainantsika.

Miaraha mianatra

Mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy hamerina hijery ny Didy Folo dia azonao atao ny mangataka azy ireo hanao lisitra ireo didy ireo araka izay betsaka indrindra tadidiny. Raha mila fanampiana izy ireo dia afaka mijery ny Eksodosy 20:3–17. Nahoana Andriamanitra no manome didy antsika? Mba hanampiana amin’ny famaliana io fanontaniana io dia azon’izy ireo atao ny mifanakalo hevitra amina Didy Folo vitsivitsy ao anatina vondrona kely. Ahoana no hanampiana antsika hahazo fifaliana sy hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fiainana ireo didy ireo? Ireto hevitra manaraka ireto dia afaka manampy ireo izay ampianarinao hianatra kokoa momba ny antony anomezan’ Andriamanitra antsika didy.

  • Ny soratra masina dia mirakitra ny valin’ny fanontaniana hoe “Nahoana Andriamanitra no manome didy antsika?” Azonao atao ny manasa ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy hitady valiny ao amin’ny iray na ny maromaro amin’ireo soratra masina hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana.” Avy eo dia angataho izy ireo mba hizara izay zavatra hitany.

  • Mba hanampiana ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy hahatakatra ny antony anomezan’ Andriamanitra antsika didy dia azonao atao ny mampitaha ny fananana didy avy amin’ Andriamanitra amin’ny zavatra iainana izay mety mahakasika azy ireo. Ohatra, azonao atao ny mangataka azy ireo haka sary an-tsaina fa mandeha amin’ny làlana eny an-tendrombohitra akaiky hantsana mideza izy ireo ary misy fefy eo amoron-dalana. Angataho izy ireo hifanakalo hevitra amin’ny olona hafa mikasika ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto: Inona no itovian’ny didin’ Andriamanitra amin’ilay fefy? Inona no fitahiana azontsika noho ny fankatoavana ireo didy? Inona no fampitahana hafa afaka manampy antsika hahatakatra ny antony anomezan’ Andriamanitra didy antsika sy ny antony tokony hankatoavantsika azy ireo? Mba hahitana ohatra vitsivitsy, dia azonao atao ny manasa azy ireo handinika ny iray amin’ireo hafatra hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana.” Angataho izy ireo hizara ireo fampitahana izay hitany ary hifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany.

  • Ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia mety hitarika ny olona ao amin’ny kilasy na ny kôlejy hifanakalo hevitra momba ny fomba tokony hitondrantsika ireo izay tsy mino na miaina ny didy sasany. Mety ho azonao atao ny manasa azy ireo hitady torohevitra ao amin’ny hafatry ny Filoha Dallin H. Oaks hoe “Fitiavana ny hafa sy fiainana ao anatin’ny fahasamihafana.” Mety ho afaka mametraka fanontaniana toy izao ianao: Ahoana no tokony hitondrantsika ireo izay misafidy ny hiaina amin’ny fomba tsy mitovy amin’ny antsika? Ahoana no ahafahantsika mahita ny tsara ao amin’ny hafa rehefa manao safidy tsy mitovy amin’ny ataontsika izy ireo?

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

“Na dia miezaka aza ianao mba hiaina tsara kokoa toy ny niainan’ny Mpamonjy sy hampianatra tsara kokoa mba ho tahaka ny Mpamonjy, dia tsy azo ihodivirana ny mety tsy hahombiazanao indraindray. Aza kivy fa avelao aza ny fahadisoanao sy ny fahalemenao hampitodika anao any amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 14).

Hamoaka printy