Testamenta Taloha 2022
8 mey. Ahoana no ahalalako fa namela ahy Andriamanitra? Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 16; 19


“8 mey. Ahoana no ahalalako fa namela ahy Andriamanitra? Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 16; 19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“8 mey. Ahoana no ahalalako fa namela ahy Andriamanitra?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
zatovovavy mihomehy

8 mey

Ahoana no ahalalako fa namela ahy Andriamanitra?

Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 1619

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Ahoana no ahafahan’ny fitodihana amin’ny Tompo manampy antsika hiatrika ireo olana sy fitsapana atrehintsika?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza no fantatsika fa mila ny vavaka ataontsika sy ny finamanantsika?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona no drafitra hizarana ny filazantsara noresahina nandritra ny fivorian’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy? Ahoana no ahafahan’ny kilasy na ny kôlejy misy antsika mandray anjara?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Ahoana no ahafahan’ny fanaovana asa momba ny tantaram-pianakaviana manamafy orina ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Manontany tena ny olona indraindray hoe efa “ampy [ve] ny ezaka nataony” mba hamelana ny helony. Na dia tena mila ezaka aza ny mibebaka dia tsy hoe voavela heloka isika any aoriana any satria nahavita zavatra maromaro tokony hovitaina na nanao asa vitsivitsy. Voavela heloka isika rehefa manaiky ny famindram-po atolotr’i Jesoa Kristy. Toy izany no ahafahana manova ny toetrantsika.

Tamin’ny andro taloha, ireo fombafomba sy sorona tamin’ny lalàn’i Mosesy dia nampifantoka ny Isiraelita tamin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Araka ny hazavain’ny Tompo ao amin’ny Levitikosy 16:30 hoe “Fa amin’izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin’ny fahotanareo rehetra eo anatrehan’i Jehovah hianareo.” Mazava ho azy fa ny fombafomba fotsiny dia tsy afaka manome antsika famelan-keloka. Avy amin’i Jesoa Kristy ny famelan-keloka. Amin’izao androntsika izao, ireo ôrdônansy toy ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo dia mampifantoka ny saintsika sy ny fontsika amin’ny Mpamonjy. Manampy antsika hahatakatra izy ireny fa hamela antsika foana Izy rehefa mibebaka isika.

Ahoana no fomba nanampian’ny Ray any An-danitra anao hahafantatra fa voavela ianao? Mety ho azonao ianarana ny Môzià 4:1–3 sy ny hafatry ny Filoha Tad R. Callister hoe “Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” (Liahona, mey 2019, 85–87). Io hafatra io dia afaka manampy ireo izay ampianarinao hahatakatra fa mamela antsika ny Ray any An-danitra rehefa mibebaka isika.

Sary
zatovo iray mivavaka

Voavela heloka isika rehefa manaiky ny famindram-po atolotr’i Jesoa Kristy.

Miaraha mianatra

Mety ho azonao atao ny manomboka amin’ny alalan’ny fampisehoana ny sarin’ny Mpamonjy tao Getsemane sy teo ambonin’ny hazofijaliana (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 56–57). Asao ny zatovo handinika ny Levitikosy 1:1–9; 16:15–16, 30. Angataho izy ireo hizara andian-teny izay mampahatsiahy azy ireo ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ireo sorona voalaza ao amin’ireo andininy ireo ny Isiraelita hiandrandra ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy? Inona no manampy antsika hahatsiaro ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy? Inona no manampy antsika hahatsapa ny fitiavana sy famelan-keloky ny Mpamonjy? Ireo asa atao etsy ambany dia afaka manampy ny zatovo hahatakatra tsara kokoa fa hamela antsika Andriamanitra.

  • Olona maro ao amin’ny soratra masina no namaritra ny fahatsapana nananan’izy ireo rehefa navelan’ny Ray any An-danitra heloka izy ireo. Afaka mamaky ohatra vitsivitsy ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao (jereo ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana”). Asao izy ireo hanao lisitra ny andian-teny avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay mamaritra ny zavatra tsapa rehefa voavela heloka. Azonao atao ny mangataka azy ireo haneho amin’ny tenin’izy ireo manokana ny zavatra tsapany rehefa voavela ny helony. Inona no azontsika ianarana momba an’ Andriamanitra avy amin’ireo fahatsapana ireo? Angamba azonao atao ny mizara ny zavatra tsapanao manokana momba ny famelan-keloka.

  • Indraindray ny olona dia tsy mahazo antoka fa voavela heloka satria tsy azony antoka fa tena nibebaka marina izy ireo. Ny hafatry ny Loholona Dale G. Renlund hoe “Ny fibebahana: Safidy mahafaly” dia manazava ny fomba tena ibebahana marina sy handraisana famelan-keloka (Liahona, nôv. 2016, 121–24). Azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ny lohateny hoe Fibebahana tena izy sy ny hoe Ireo zavatra manembantsebana ny fibebahana. Angataho ireo izay ampianarinao mba hitady fampianarana ao amin’ny hafatra eo ambanin’ireo lohateny. Inona no ianarantsika mikasika ny Mpamonjy sy ny famelany heloka avy amin’ireo andiam-pehezan-teny telo farany ao amin’io hafatra io?

  • Mety ho efa nibebaka ny olona sasany kanefa tsy mahatsiaro tena ho voavela. Mety ho noho izy ireo tsy nahavita namela ny tenany no mahatonga izany. Afaka manampy azy ireo ny torohevitra ao amin’ny hafatry ny Filoha Tad R. Callister hoe “Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.” Azon’ny kilasy na kôlejy misy anao atao ny mamaky ny fizarana izay manomboka amin’ny “2. Fahotana.” Angataho izy ireo hitady torohevitra azon’izy ireo zaraina amin’ny namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana izay mbola mahatsiaro tena ho meloka na dia efa nibebaka aza. Manomeza fotoana hizaran’ny zatovo ny zavatra tsapany momba ny Mpamonjy, izay nahatonga antsika ho afaka ny hibebaka sy ho voavela heloka.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Nampianatra antsika hampiasa ny soratra masina ny Mpamonjy mba hitadiavana ny valin’ny fanontaniantsika manokana. Ahoana no ahafahanao manampy ireo izay ampianarinao haniry hitodika amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany rehefa mitady valiny izy ireo?

Hamoaka printy