Testamenta Taloha 2022
22 mey. Ahoana no ahafahako maneho ny fankasitrahako an’ Andriamanitra? Deoteronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34


“22 mey. Ahoana no ahafahako maneho ny fankasitrahako an’ Andriamanitra? Deoteronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“22 mey. Ahoana no ahafahako maneho ny fankasitrahako an’ Andriamanitra?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
tovolahy mandeha eny amoron-dranomasina

22 mey

Ahoana no ahafahako maneho ny fankasitrahako an’ Andriamanitra?

Deoteronomia 6–8; 15; 18; 29–3034

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona no noresahintsika farany, ary inona no fanasana natao na andraikitra nomena? Inona no nataontsika mba hamaliana ireo fanasana ireo na hanatanterahana ireo andraikitra nomena ireo?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Inona no azontsika atao na lazaina mba hanampiana ireo izay mety hahatsiaro ho irery na lavitra ny Ray any An-danitra?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona avy ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika manampy ny hafa hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no hevitra azontsika ifampizarana mba hanampiana amin’ny fanamafisana orina ny fianakaviantsika?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Andriamanitra dia miahy antsika mandrakariva sy mitahy antsika. Saingy noho ny fisian’ireo fanelingelenana sy fakam-panahy rehetra atrehintsika dia mora ny manadino Azy. Nitranga tamin’ny Isiraelita imbetsaka izany, anisan’izany nandritra ny fotoan-tsarotra nivezivezen’izy ireo tany an’efitra. Saingy nitarika azy ireo tamim-pamindram-po ho any amin’ilay tany nampanantenaina ny Tompo—toeran’ny fiononana lehibe kokoa sy fakam-panahy maro, izay mety hakana fanahy azy ireo hanadino Azy indray. Ny torolalan’ny Tompo ao amin’ny Deoteronomia 6 dia natao hanampiana ny Isiraelita hahatadidy Azy sy ny teniny tsy tapaka (jereo ny andininy 6–9).

Ahoana no ihazonanao ny Tompo sy ny teniny ao am-ponao—“fandrao hadinoinao Jehovah”? (Deoteronomia 6:12). Ahoana no anampian’ny fahatsiarovana ny Tompo antsika hahatsapa fankasitrahana amin’ny toe-javatra rehetra eo amin’ny fiainantsika? Rehefa miomana hampianatra ianao dia hevero ny hamaky ny Deoteronomia 12:6–9, 12 sy ny Lioka 17:11–19. Azonao vakina ihany koa ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe “Mahay mankasitraka na inona na inona toe-javatra misy” (Liahona, mey 2014, 70–77).

Sary
zatovovavy iray mandalina

Ny fahatsiarovana ny Tompo dia afaka manampy antsika hahatsapa fankasitrahana amin’ny toe-javatra rehetra amin’ny fiainana.

Miaraha mianatra

Hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fahatsiarovana ny Tompo dia azonao atao ny manasa ireo zatovo hizara zavatra niainany tamin’ny fotoana nanadinoany zava-dehibe iray. Inona avy no vokatr’izany? Inona no mitranga rehefa manadino ireo zavatra lehibe nataon’ny Tompo ho antsika isika? Asao ny kôlejy na ny kilasy misy anao handinika ny Deoteronomia 6:4–9, 20–25. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo momba ny fahatsiarovana ny fahatsaran’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika? Misafidiana iray na maromaro amin’ireo asa atao etsy ambany mba hanampiana ireo izay ampianarinao hianatra ny fomba ahatsapana fankasitrahana kokoa ny hatsaran’ Andriamanitra sy haneho ny fankasitrahan’izy ireo Azy.

  • Ny famakiana miaraka ny Lioka 17:11–19 dia afaka manampy ny zatovo hieritreritra ny maha-zava-dehibe ny hanehoantsika fankasitrahana an’ Andriamanitra. Hevero ny hametraka fanontaniana izay manampy azy ireo hampifandray ity tantara ity amin’ny fiainany. Ohatra hoe, inona avy ireo antony vitsivitsy nahatonga ny boka sivy tamin’ireo folo tsy nisaotra ny Mpamonjy? Nahoana isika indraindray no tsy mahavita maneho fisaorana an’ Andriamanitra? Angataho ireo izay ampianarinao hieritreritra ny fotoana izay nahatsapany ho feno fankasitrahana na dia sarotra aza tamin’izany. Inona no vokatry ny fanehoana fankasitrahana eo amintsika? Nahoana no zava-dehibe ny maneho fisaorana an’ Andriamanitra? (Jereo ireo toko sy andinin-tsoratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” mba hahitana valiny vitsivitsy.) Inona no azontsika atao mba hanehoana fankasitrahana an’ Andriamanitra?

  • Maro be ny hira fiderana sy fisaorana, toy ny “Seigneur mon Dieu” sy ny “Isao ireo fitahiana” (Cantiques sy Fihirana sy hiran’ny ankizy, No. 86, sy lah. 16). Azonao atao ny mangataka ireo zatovo handinika ny tonon’ireo hira ireo mba hijereny ireo zavatra tsapan’izy ireo fa ankasitrahany. Asao izy ireo hizara ireo zavatra hitany ary hanazava ny antony ankasitrahany izany. Azonareo iarahana mihira ny vitsivitsy amin’ireo hira ireo.

  • Ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe “Mahay mankasitraka na inona na inona toe-javatra misy” dia manampy antsika hahatakatra ny fomba hahatongavana ho feno fankasitrahana kokoa. Fomba iray hanampiana ny zatovo hisintona lesona avy amin’ity hafatra ity ny fizarana azy ireo ho vondrona kely ary ny fanomezana ampahany iray amin’ilay hafatra ny vondrona tsirairay. Angataho izy ireo hizara andian-teny na fehezan-teny izay tsapan’izy ireo fa mamintina ny zavatra nampianarin’ny Filoha Uchtdorf. Asao izy ireo hizara zavatra ny zavatra nianarany momba ny fankasitrahana. Inona no azontsika atao mba hahatonga antsika “hahay mankasitraka na inona na inona toe-javatra misy,” na inona izany na inona? Inona no ohatra hitantsika momba ny olona izay mahay mankasitraka na dia eo aza ny toe-javatra sarotra atrehin’izy ireo?

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Nahafantatra ireo mpanara-dia Azy sy izay azon’izy ireo hahatongavana ny Mpamonjy. Nisy fiantraikany tamin’ny fomba nampianarany azy ireo io fahalalana io. Ahoana no ahafahanao mahafantatra ireo zavatra mahaliana, zavatra ilaina ary olana atrehin’ireo izay ampianarinao mba hahafahanao mampianatra azy ireo amin’ny fomba mahomby kokoa?

Hamoaka printy