Testamenta Taloha 2022
12 jona. Ahoana no andrenesako ny feon’ny Tompo? Rota; 1 Samoela 1–3


“12 jona. Ahoana no andrenesako ny feon’ny Tompo? Rota; 1 Samoela 1–3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“12 jona. Ahoana no andrenesako ny feon’ny Tompo?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
fianakaviana mandalina ny soratra masina

12 jona

Ahoana no andrenesako ny feon’ny Tompo?

Rota; 1 Samoela 1–3

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona avy no zavatra niainana tato ho ato izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza no mila ny fanampiantsika sy ny vavaka ataontsika? Mahatsapa ho entanim-panahy hanao inona isika mba hanampiana azy ireo?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika ho tonga fahazavana ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana na namana izay tsy mitovy finoana amintsika?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Ahoana no ahafahantsika maneho fitiavana sy fanohanana bebe kokoa ho an’ny fianakaviantsika ary manatsara ny ao an-tokantranontsika?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Maro amin’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao no mety ho afaka hampitovy ny tenany amin’i Samoela zazalahy. Tamin’ny fotoana niresahan’ny Tompo taminy dia mbola tsy ampy traikefa tamin’ny fanambarana i Samoela ka tsy nahafantatra ny feon’ny Tompo. Afaka nanampy an’i Samoela hianatra hamantatra io feo io i Ely izay mpampianatra an’i Samoela. Tahaka an’i Ely dia manana fahafahana ianao ny hijoro ho vavolombelona amin’ireo izay ampianarinao ianao fa te hiresaka amin’izy ireo ny Tompo. Afaka manampy azy ireo hianatra hamantatra ny feon’ny Tompo ianao, na dia ao anatin’ny fotoana ianaranao mihaino Azy aza. Afaka miara-mandalina ny zavatra nampianarin’ireo mpaminaniny momba ny fanambarana ho an’ny tena manokana ianareo. Ary azonareo atao ny mianatra miteny amin’ny Tompo toy ny nataon’i Samoela hoe, “Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao” (1 Samoela 3:10).

Ankoatra ny famakiana ny 1 Samoela 3 amin’ity herinandro ity, dia afaka miomana hampianatra ianao amin’ny alalan’ny famakiana ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Henoy Izy” (Liahona, mey 2020, 88–92).

Sary
zatovolahy mandalina ny soratra masina

Nangataka antsika “hampitombo ny fahafaha[ntsika] ara-panahy [h]andray fanambarana” ny Filoha Russell M. Nelson.

Miaraha mianatra

Mba hanomanana ireo izay ampianarinao amin’ny fifanakalozan-kevitra anio, dia angataho izy ireo hamaky ny 1 Samoela 3:1–14. Asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany avy amin’ity tantara ity momba ny fihainoana ny feon’ny Tompo. Inona avy no fomba hafa ifandraisan’ny Tompo amintsika? Ireto asa atao manaraka ireto dia afaka manampy ny zatovo hampitombo ny fahatakaran’izy ireo ny fanambarana ho an’ny tenany manokana.

  • Ity misy fomba iray hanampiana ireo izay ampianarinao hahatakatra tsara kokoa ny fomba handraisana fanambarana. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny toko sy andinin-tsoratra masina aroso ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” (na hafa izay fantatrao). Asao hamaky ny tsirairay amin’ireo soratra masina ny zatovo. Avy eo dia azon’izy ireo soratana eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ny toko sy andininy tsirairay ny zavatra ampianarin’io soratra masina io momba ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana. Asao hizara ny zavatra niainany tamin’ny fitadiavana sy fandraisana fanambarana izy ireo. Zarao araka izay mety ny zavatra niainanao manokana.

  • Mandray fitahiana lehibe isika rehefa mianatra mihaino ny feon’ny Tompo. Azonao atao ny manomboka fifanakalozan-kevitra momba izany amin’ny alalan’ny fangatahana ny zatovo hizara ny antony mety hilan’izy ireo fanambarana. Avy eo dia angataho izy ireo handinika ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Henoy Izy.” Asao hitady torohevitra izay manampy azy ireo hahatakatra ny fomba handrenesana ny feon’ny Tompo izy ireo. Nahoana no tena zava-dehibe amintsika ny mianatra mandre ny feon’ny Tompo? Amporisiho ny zatovo hirakitra an-tsoratra ny zavatra ianarany ao amin’ny diariny na amina taratasy izay apetany amin’ny toerana talaky maso any an-tranony mba ho hitany.

  • Mety nanontany tena ireo zatovo ampianarinao hoe ahoana no ahalalana rehefa miteny amin’izy ireo ny Fanahy Masina.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Hamoaka printy