Testamenta Taloha 2022
26 jona. Nahoana no zava-dehibe ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fahadiovam-pitondrantena? 2 Samoela 5–7;11–12; 1 Mpanjaka 3; 8; 11


“26 jona. Nahoana no zava-dehibe ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fahadiovam-pitondrantena? 2 Samoela 5–7; 11–12; 1 Mpanjaka 3; 8; 11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“26 jona. Nahoana no zava-dehibe ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fahadiovam-pitondrantena?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
zatovo mipetraka amin’ny tetezana

26 jona

Nahoana no zava-dehibe ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fahadiovam-pitondrantena?

2 Samoela 5–7; 11–12; 1 Mpanjaka 3; 811

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Ahoana no nanakaikezantsika kokoa ny Mpamonjy? Ahoana no iezahantsika hitovy kokoa Aminy?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza no tao an-tsaintsika tato ho ato? Ahoana no ahafahantsika manampy ireny olona tsirairay ireny?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika mamaly ny fanontanian’ny namantsika momba ny Fiangonana amin’ny fomba izay manamafy orina ny finoan’izy ireo ny Mpamonjy?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona avy ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika mifandray tsara kokoa amin’ireo havana, toy ny raibe sy renibe sy ny zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray aman-dreny?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Ny Raintsika any An-danitra izay maniry ny hahasambatra antsika dia nanome antsika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Ary i Satana izay maniry ny hahafadiranovana antsika dia mampianatra fa tsy manan-danja io lalàna io. Manao izay azony atao izy mba hakana fanahy antsika hanao fahotana ara-piraisana ara-nofo. Mety ho voataonan’ireo sary sy hafatra manohitra izay ampianarin’ Andriamanitra momba ny firaisana ara-nofo sy ny zavatra manodidina ny fiarahan’olon-droa ny zatovo. Mila mitandrina amin’ny fakam-panahy ny tsirairay amintsika ary miezaka mafy hihazona ny eritreritra, ny teny ary ny fihetsika ataontsika hadio mandritra ny fiainantsika manontolo. Ny zavatra mampalahelo niainan’i Davida Mpanjaka no ianarantsika io lesona io. Ohatra iray tamin’ny fahatokiana lehibe izy. Saingy nanaiky ho resin’ny fakam-panahy izy ary nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena (jereo ny 2 Samoela 11:1–5).

Azonao atao ny miomana hampianatra amin’ny alalan’ny famakiana ny 2 Samoela 11, ny hafatry ny Loholona David A. Bednar hoe “Mino Isika fa tokony ho Madio Fitondrantena” (Liahona, mey 2013, 41–44), ary ireo loharanon-kevitra hafa momba ny fahadiovam-pitondrantena. Inona no mety hanentana ny fanahin’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy hahatakatra ny fahadiovam-pitondrantena amin’ny fomba ahitan’ Andriamanitra izany? Inona no mety hanampy azy ireo handà ny fomba handraisan’i Satana izany?

Sary
kilasin’ny zatovolahy

Mba hijanonana ho mahatoky amin’ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantenana nomen’ Andriamanitra dia tokony hiezaka isan’andro hihazona ny eritreritra, ny teny ary ny fihetsika ataontsika hadio isika.

Miaraha mianatra

Ity misy fomba iray hampidirana ny lohahevitra momba ny fahadiovam-pitondrantena rehefa manampy ireo izay ampianarinao handinika ny zavatra novakiny tao amin’ny soratra masina. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe Davida sy ny hoe Josefa. Avy eo dia iaraho mandinika ny 2 Samoela 11:1–5 sy ny Genesisy 39:7–12. Ahoana no fomba niatrehan’i Davida sy i Josefa tsirairay avy ny fakam-panahy hanao fahotana ara-piraisana ara-nofo? Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatra nasehon’izy ireo? Ampiasao ireto asa atao manaraka ireto na ny vitsivitsy amin’ny asa atao nomaninao manokana mba handrisihana fifanakalozan-kevitra bebe kokoa momba ny antony maha-zava-dehibe ny fahadiovam-pitondrantena ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra.

  • Mety hahazo tombony amin’ny famaritana ny fenitry ny Tompo amin’ny fahadiovam-pitondrantena ny zatovo ampianarinao. Asao izy ireo handinika ny “Pureté sexuelle” ao amin’ny Jeunes, soyez forts ([kiboky, 2011], 35–37) na ny andiam-pehezan-teny fahefatra ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (ChurchofJesusChrist.org). Inona no mampiavaka ny fampianaran’ny Tompo momba ny firaisana ara-nofo sy ny zavatra manodidina ny fiarahan’olon-droa amin’ny zavatra tian’i Satana hinoantsika? Azon’ny zatovo atao ny mamaky ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ka mitady ireo fehezan-teny manazava ny antony maha-zava-dehibe ny fahadiovana ara-pitondrantena ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana. Inona no ianarantsika avy amin’ireo fehezan-teny ireo izay manampy antsika hiaina amim-pahamarinana ao anatin’izao tontolo ankehitriny izao?

  • Tsy mahatakatra ny feni-pitondrantenantsika ny hafa indraindray, indrindra moa fa rehefa tena hafa be amin’ny zavatra inoan’ny olona maro ireo fenitra ireo. Ahoana no mety hamaliantsika ny fanontanian’izy ireo? Inona no ianarantsika avy amin’ny Loholona sy Rahavavy Renlund ao amin’ny horonan-tsary “Nahoana no zava-dehibe ny miaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?” avy amin’ny “Tafasiry miaraka amin’ny Loholona sy Rahavavy Renlund” (ChurchofJesusChrist.org). Azon’ny zatovo atao ihany koa ny mamaky ireo soratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” hijerena ireo fehezan-teny izay mamaritra ny fitahiana avy amin’ny fahadiovam-pitondrantena. Azonao atao ny mangataka azy ireo hizara ny eritreriny momba ny antony nisafidianany hankatò ny fenitry ny Tompo amin’ny fitondrantena ara-piraisana ara-nofo.

  • Ny kolontsaina malaza dia mampianatra matetika fa tsy misy ilàna ny fahadiovana ara-pitondrantena. Saingy tsy miraharaha ny fahamarinana momba ny fitahiana avy amin’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny loza ateraky ny fahalotoam-pitondrantena ilay kolontsaina. Mba hahalalana misimisy kokoa momba ireo fahamarinana ireo dia azon’ny zatovo atao ny mandalina ny hafatry ny Loholona David A. Bednar hoe “Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena.” Azon’ny sasany atao ny mandalina ny fizarana hoe “Ny fikasan’ny fahavalo” ary azon’ny hafa atao ny mandalina ny “Ny Fitahiana avy amin’ny fahadiovam-pitondrantena.” Avy eo dia afaka mifampizara ny zavatra nianarany izy ireo. Amporisiho izy ireo hanoratra andian-teny iray avy amin’io hafatra io izay tian’izy ireo hotsaroana amin’ny manaraka rehefa mifanehitra amina hafatra diso momba ny firaisana ara-nofo sy ny zavatra manodidina ny fiarahan’olon-droa izy ireo. Afaka mitarika azy ireo ho any amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny Fitsipiky ny fibebahana ianao.” Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manasitrana ireo rehetra te hibebaka amin’ny fahotana ara-nofo. Ampahatsiahivo ireo izay ampianarinao fa afaka miresaka amin’ny ray aman-dreniny na ny eveka izy ireo raha manana fanontaniana na mila mibebaka.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ohatra sy mpanoro hevitra tamin’ny sehatra rehetra ny Mpamonjy. Nampianatra ny mpianany hivavaka tamin’ny alalan’ny fiarahana mivavaka tamin’izy ireo Izy. Nampianatra azy ireo hitia sy hanompo araka ny fomba nitiavany sy nanompoany azy ireo Izy. Nampianatra azy ireo ny fomba ampianarana ny filazantsarany araka ny fomba nampianarany izany Izy.

Hamoaka printy