Testamenta Taloha 2022
10 jolay. Nahoana no zava-dehibe ny fanarahana ireo mpaminany velon’ Andriamanitra? 2 Mpanjaka 2–7


“10 jolay. Nahoana no zava-dehibe ny fanarahana ireo mpaminany velon’ Andriamanitra? 2 Mpanjaka 2–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“10 jolay. Nahoana no zava-dehibe ny fanarahana ireo mpaminany velon’ Andriamanitra?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
zatovo mijery ny fihaonamben’ny fiangonana maneran-tany amin’ny finday

10 jolay

Nahoana no zava-dehibe ny fanarahana ireo mpaminany velon’ Andriamanitra?

2 Mpanjaka 2–7

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona no noresahin’ny episkôpà tamin’ny fivorian’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy misy antsika? Inona no asa azontsika atao mifototra amin’izany fifanakalozan-kevitra izany?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Ahoana no ahafahantsika manolo-tanana amin’ny olona araka ny fomban’i Kristy rehefa mahita olona mila fanampiana isika nefa tsy mahita holazaina?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona no zavatra hitantsika tao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ka mitondra fifaliana ho antsika? Ahoana no ahafahantsika mizara izany fifaliana izany amin’ny hafa?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona avy ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika mifandray tsara kokoa amin’ireo havana, toy ny raibe sy renibe sy ny zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray aman-dreny?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Mety misy ampahany kely amin’ny toetran’i Namàna boka ao amintsika rehetra (jereo ny 2 Mpanjaka 5:1–15). Toa an’i Namàna izay tezitra rehefa nasain’ny mpaminany Elisa hisasa amin’ny renirano fotsiny mba ho sitrana, dia mety tsy ho azontsika foana ny anton’ny torohevitra omen’ny mpaminanintsika. Mety hieritreritra isika fa tsy misy dikany amintsika ka tsy mihatra amintsika ny sasany amin’ny torohevitr’izy ireo. Saingy mampanantena fitahiana lehibe Andriamanitra raha ampy fanetren-tena isika ka manaraka ny mpaminany (jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–7). Nanampy anao hanakaiky kokoa ny Tompo tamin’ny fomba ahoana ny fanarahana ny mpaminany Inona no ohatra hafa ao amin’ny 2 Mpanjaka 4–6 izay mampiseho ny fomba itahiana antsika rehefa manaraka ny mpaminany velona isika?

Rehefa miomana hampianatra momba ireo fitahiana azo avy amin’ny fanarahana ny mpaminany velona ianao dia eritrereto ireo olana atrehin’ny zatovo. Ahoana no ahafahan’ny fanarahana ny mpaminany manampy azy ireo amin’ireny olana ireny? Mety ho azonao atao koa ny mamaky ny hafatry ny Loholona Neil L. Andersen “ hoe Ilay Mpaminan’ Andriamanitra” (Liahona, mey 2018, 24–27) na ny hafatry ny Loholona L. Whitney Clayton hoe “Ataovy izay asainy ataonareo” (Liahona, mey 2017, 97–99).

Sary
kilasin’ny zatovolahy

Afaka manampy ny tanora amin’ny olana atrehan’izy ireo ny fanarahana ny mpaminany.

Miaraha mianatra

Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra dia azonao atao ny mangataka ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kilasy na ny kôlejy (na vondrona kely) handinika ny iray amin’ireto tantara manaraka ireto: 2 Mpanjaka 4:1–7; 5:6–14; 6:8, 13–17. Angataho izy ireo hitady zavatra izay manentana azy ireo hamaky sy hanaraka ireo fampianaran’ny mpaminany sy apôstôly ankehitriny. Rehefa avy mizara ny zavatra hitany ny vondrona tsirairay dia azonao atao ny mangataka zatovo vitsivitsy hamarana ity fehezan-teny ity: “Rehefa manaraka ny mpaminany velona sy ny apôstôly aho dia …” Mba hanohizana ny fifanakalozan-kevitra momba ny fanarahana ny mpaminany dia mifidiana iray na maromaro amin’ireto hevitra manaraka ireto.

  • Satria ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina amin’ny laoniny ihany no ahitana ireo mpaminany velona, dia mety hanana fahafahana hamaliana ireo fanontanian’ny hafa momba ny mpaminany velona ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao. Azonao hatao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto izay mety hapetraky ny olona momba ny mpaminany velona: Nahoana no manana mpaminany ianao? Ahoana no ifidianana ny mpaminany? Ahoana no ahalalanao fa tena miteny ho an’ Andriamanitra ilay mpaminany? Afaka mitady ny valin’ireo fanontaniana ireo ao amin’ny loharanon-kevitra eo ambanin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” ny zatovo. Afaka mizatra mamaly ireo fanontaniana ireo sy ny hafa izay ananany izy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fahamarinana hitany sy ny eritreriny ary ny zavatra niainany.

  • Ahoana no ahafahan’ny tenin’ny mpaminanintsika velona manampy antsika rehefa miatrika olana manokana isika? Mba hanampiana ny zatovo hamaly ity fanontaniana ity dia azonao atao ny manasa azy ireo hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo torohevitra sy fanasana nomen’ny mpaminany tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra. Inona no nataontsika mba hampiharana ny toroheviny sy ny fanasany? Inona no fiovana hitantsika teo amin’ny fiainantsika noho ireo ezaka ireo? Mety hanasa olona iray ianao hizara zavatra niainany manokana izay nanampiana azy tamina olana manokana tamin’ny alalan’ny torohevitry ny mpaminany.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ireo izay ampianarinao hahatakatra fa hanampy azy ireo hanakaiky kokoa ny Mpamonjy ny fanarahana ny mpaminany? Mety ho fomba iray hanaovana izany ny fanomezana karatra kely ny tsirairay amin’izy ireo ary manasa azy ireo hamaky ampahany amin’ny hafatry ny Loholona Neil L. Andersen hoe “Ilay Mpaminanin’ Andriamanitra.” Azon’izy ireo soratana amin’ny lafy iray amin’ilay karatra ny zavatra nianarany momba ny fomba ahafahan’ny mpaminany manampy azy ireo hanakaiky kokoa an’i Kristy. Azon’izy ireo soratana ao amin’ny andanin’ilay karatra ny tsapan’izy ireo fa asain’ny Fanahy ataony mba hanarahana ny mpaminany. Asao hizara ny zavatra nosoratany izy ireo.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

  • Gary E. Stevenson, “Ny fon’ny mpaminany,” Liahona, mey 2018, 17–20 (Ny fomba ifidianana mpaminany iray)

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

“Ny fiovampo marina dia mifono zavatra bebe kokoa fa tsy ny fahatsapana ny Fanahy izay manamafy ao am-pontsika ny fahamarinana fotsiny; tsy maintsy mandray andraikitra isika eo anatrehan’ireo fahamarinana ireo. Ankoatra ny fanampiana ny mpianatra hahatsapa sy hahafantatra ny Fanahy dia ampio izy ireo hanao asa araka ny bitsika izay voarainy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 10).

Hamoaka printy