Testamenta Taloha 2022
24 jolay. Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny fandraisana ny ôrdônansin’ny tempoly? Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8


“24 jolay. Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny fandraisana ny ôrdônansin’ny tempoly? Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“24 jolay. Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny fandraisana ny ôrdônansin’ny tempoly? Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
tempoly

24 jolay

Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny fandraisana ny ôrdônansin’ny tempoly?

Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Tamin’ny fomba ahoana no nahitantsika ny fiasan’ny tanan’ny Tompo teo amin’ny fiainantsika?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Ahoana no ahafahantsika mifanampy amin’ireo zavatra lalovantsika?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika mampiasa tsara kokoa ny teknôlôjia ho fitaovana fizarana ny filazantsara?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no ataontsika mba hanampiana ny fianakaviantsika hanatona an’i Kristy?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Rehefa niverina avy tamin’ny fahababoana tany Babylona ny Jiosy dia nahita an’i Jerosalema sy ny tempoliny rava (jereo ny 2 Mpanjaka 25:1–10; 2 Tantara 36:17–19). Naniry mafy ny hanangana ny tempoly indray ny vahoaka. Koa tao anatin’ny fotoana fohy dia nanomboka ny dingan’ny fananganana indray izy ireo ary nifaly rehefa vita ny tempoly (jereo ny Ezra 3:8–13; 6:16–22). Ankehitriny, amin’ny maha-vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra antsika, isika koa dia manangana tempoly sy mifaly rehefa misy tempoly vaovao voaorina. Nahoana? Satria ireo ôrdônansin’ny tempoly dia mitarika amin’ny fitahiana lehibe indrindra avy amin’ny Ray any An-danitra. Mitondra hery ara-panahy izy ireo. Mitarika antsika izy ireo. Ary manampy antsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra sy handray izay rehetra ananany ireo tempoly. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22; 109:22–26.)

Ahoana no hanampianao ny zatovo haniry mafy ny tempoly tahaka ny nataon’ny Isiraelita? Ahoana no hanampianao azy ireo haniry amin’ny fony rehetra hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ao amin’ny tranony masina? Rehefa miomana hampianatra ianao dia hevero ny handinika ny hafatry ny Filoha Thomas S. Monson hoe “Ireo fitahiana avy amin’ny tempoly” (Liahona, mey 2015, 91–93) sy ny lahatsoratra “L’importance des ordonnances et les alliances” ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
zatovo eo ivelan’ny tempoly

Ny ôrdônansin’ny tempoly dia manampy antsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra sy handray izay rehetra ananany.

Miaraha mianatra

Mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy hiandrandra ireo fitahiana azon’izy ireo raisina avy amin’ny ôrdônansin’ny tempoly dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny Ezra 3:10–13; 6:16, 21–22. Angataho izy ireo hizara teny na andian-teny mampiseho ny zavatra tsapan’ny Jiosy taloha momba ny fananganana indray ny tempolin’izy ireo. Nahoana no zavatra tokony hankalazaina ny fananganana tempoly iray? Manampy antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy amin’ny fomba ahoana ny tempolintsika ankehitriny sy ny asa ataontsika any? Ireto misy hevitra hafa hanampiana ny zatovo hahatakatra ireo fitahiana azon’izy ireo raisina any amin’ny tempoly.

  • Tamin’ny fotoana nanokanan’i Joseph Smith ny Tempolin’i Kirtland dia nanao ny vavaka fanokanana izy, ary izany dia hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109. Io vavaka io dia mamaritra ny maro amin’ireo fitahiana azontsika raisina amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny tempoly. Afaka mandinika ny ampahany amin’io vavaka io ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy, indrindra fa ny andininy 12–26, ka mitady ireo fitahiana nentin’i Joseph Smith am-bavaka. Azon’izy ireo atao lisitra eny amin’ny solaitrabe izany fitahiana izany. Azonao atao ny mangataka ny zatovo hifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’ny tsirairay amin’izany fitahiana izany manatanjaka azy ireo ankehitriny sy amin’ny hoavy. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fitahiana azonao tamin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny tempoly.

  • Mba hanampiana ireo mpianatra ao amin’ny kilasy na ny kôlejy hizara ny zavatra tsapany momba ny tempoly dia angataho izy ireo hamarana ity fehezan-teny ity: “Rehefa mieritreritra momba ny tempoly aho dia mahatsapa…” Azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny andiam-pehezan-teny dimy voalohany amin’ny hafatry ny Loholona Kent F. Richards hoe “Ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” (Liahona, mey 2016, 118–20). Nahoana no ilaintsika mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra ny tempoly? Inona no nianarantsika momba ny hery omen’ Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny tempoly? Avy eo dia afaka mandinika ny sisa amin’ny hafatry ny Loholona Richards ny zatovo, ary mitady ireo fitahiana izay mirotsaka amintsika rehefa mandray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly isika. Na azon’izy ireo atao ny mitady ireo fitahiana ireo ao amin’ny hafatry ny Filoha Thomas S. Monson hoe “Ireo fitahiana avy amin’ny tempoly.”

  • (Jereo ihany koa Thomas S. Monson, “Ny Tempoly Masina—Fanilo ho an’izao tontolo izao,” Liahona, mey 2011, 90–94.) Inona avy ireo fahafoizan-tena ilaina ataontsika mba handraisana ireo fitahian’ny tempoly? Angamba afaka mamonjy ilay fivoriana ny olona iray tany amin’ny tempoly vao haingana ary mizara ny zavatra niainany. Mety ho azonao atao ny manasa ireo zatovo handinika ny hafatry ny Loholona Ronald A. Rasband hoe “Mendrika ho an’ny Tompo” (Liahona, nôv. 2020, 22–25) ary hizara ireo fitahiana azo avy amin’ny fananana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Afaka miara-mandinika ireo fanontaniana apetraka mba hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ianareo (jereo Russell M. Nelson, “Lahateny Famaranana,” Liahona, nôv. 2019, 120–22).

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

“Rehefa mampianatra ianao dia ampio ny zatovo hahita amin’ny alalan’ny tenany manokana ireo fahamarinana ao amin’ny flazantsara ao anatin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany, toy izay manome fampahalalana tsotra fotsiny” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 28).

Hamoaka printy