Testamenta Taloha 2022
14 aogositra. Ahoana no ahafahako mahazo fifaliana amin’ny fanarahana ny Mpamonjy? Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46


“14 aogositra. Ahoana no ahafahako mahazo fifaliana amin’ny fanarahana ny Mpamonjy? Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“14 aogositra. Ahoana no ahafahako mahita fifaliana amin’ny fanarahana ny Mpamonjy?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
Zatovo milalao eo an-tokontany

14 aogositra

Ahoana no ahafahako mahazo fifaliana amin’ny fanarahana ny Mpamonjy?

Salamo 1–2; 8; 19–33; 4046

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Ahoana no ahitantsika fifaliana amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza ao amin’ny paroasy na fiarahamonina misy antsika no mila ny fanampiantsika? Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika mifanampy amin’ny fiomanana amin’ny asa fitoriana?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Ahoana no ahafahantsika mandray anjara amin’ny ezaka ataon’ny paroasy misy antsika hanao tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Inona no mitondra fifaliana ho anao? Mety hilaza ny olona fa ny fotoana ahitany fifaliana dia mandritra ny fotoana iarahany amin’ny namana sy ny fianakaviana, hanaovany fialamboly ankafiziny, na amin’ny andro iray tsy misy fitsapana mihitsy fotsiny aza. Ny Filoha Russel M. Neslon dia nampianatra hoe: “Zara raha misy ifandraisany amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapantsika ary tena mifandray amin’ny fifantohan’ny fiainantsika izany. Rehefa ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra … sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany no ifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika. Avy Aminy sy noho ny Aminy ny fifaliana” (“Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 82). Maro amin’ireo salamo no mamerina ity hafatra ity: “Hampahafantatra ahy ny lalan’aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao” (Salamo 16:11).

Mieritrereta vitsivitsy amin’ireo olana mety hatrehin’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao. Ahoana no hanampianao azy ireo hahatakatra fa ny tena fifaliana dia avy amin’ny fampiharana finoana ny Mpamonjy—na dia mandritra ny fotoan-tsarotra aza? Saintsaino io fanontaniana io rehefa miomana hampianatra ianao. Mitadiava andinin-tsoratra masina mifandray amin’izany ka azonao zaraina amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao ao amin’ny Salamo na ao amin’ny hafatry ny Filoha Nelson hoe “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy.”

Sary
kilasin’ny zatovolahy

Ny tena fifaliana marina dia avy amin’ny fampiharana finoana ny Mpamonjy, na dia mandritra ny fotoan-tsarotra aza.

Miaraha mianatra

Hevero ny hanasa ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy misy anao handinika vitsivitsy amin’ireto manaraka ireto: Salamo 1; 8; 19; 2327. Inona no ianarantsika avy amin’ireo Salamo ireo momba ny zavatra mitondra fifaliana ho antsika? Avy eo dia azonao atao ny mampiasa ny iray na ny maromaro amin’ireto asa atao manaraka ireto hanampiana ireo izay ampianarinao hahatakatra bebe kokoa fa ny tena fifaliana dia avy amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.

  • Te-hahita fifaliana avokoa isika rehetra, saingy mila mahatakatra izay tena mitondra fifaliana marina sy izay mitarika any amin’alahelo isika. Angataho ny zatovo mba hizara vitsivitsy amin’ny zavatra izay mitondra fifaliana ho azy ireo sy ny antony mahatonga ireo zavatra ireo hitondra fifaliana ho azy ireo. Sorato eny amin’ny solaitrabe ny hoe “misy ny olona mba hahazo fifaliana” (2 Nefia 2:25). Avy eo dia asao ny zatovo tsirairay avy na isam-bondrona kely mba handinika ny iray na ny maromaro amin’ny ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” ary hanao lisitra izay hitan’izy ireo fa mitondra mankany amin’ny fifaliana. Inona avy ireo fomba iezahan’ny olona mitady fifaliana saingy raha ny marina dia mitarika ho amin’alahelo izany? Ahoana no nitondran’ny Mpamonjy fifaliana ho antsika?

  • Isika rehetra dia mahalala olona miatrika olana na dia miezaka miaina ny filazantsara araka izay faraheriny aza izy ireo. Ahoana no ahafahanao manampy ireo izay ampianarinao hahatakatra fa afaka mahita fifaliana isika na dia feno olana aza ny fiainantsika? Azonao atao ny mangataka azy ireo handinika ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy” na ny hafatry ny Filoha Steven J. Lund hoe “Mahita fifaliana ao amin’i Kristy” (Liahona, nôv. 2020, 35–37). Inona avy no ohatra hitantsika momba ny olona nahita fifaliana tao amin’i Kristy na dia teo aza ny olana natrehin’izy ireo? Inona no ianarantsika avy amin’izany zavatra niainana izany? Inona no zavatra niainana azontsika zaraina?

  • Mora mahatsapa tebiteby sy haketrahana isika rehetra rehefa miatrika ireo olana eo amin’ny fiainana. Ho an’ny sasany dia ady mandritra ny androm-piainana ireo fahatsapana ireo. Mety hahazo tombony avy amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ireo olana ireo sy ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy ireo izay mitolona amin’ny tebiteby sy ny haketrahana ny kilasy na ny kôlejy misy anao. Mba hanombohana izany fifanakalozan-kevitra izany dia mety ho azonao angatahina handinika ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe “Tahaka ny vilany ariana” ny zatovo indrindra fa ny andiam-pehezan-teny efatra farany (Liahona, nôv. 2013, 40–42), na ny hafatry ny Rahavavy Reyna I. Aburto hoe “Na inona re miseho, mitoera eto!” (Liahona, nôv. 2019, 57–59). Asao ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy hikaroka ireo fahamarinana izay manan-danja amin’izy ireo ary hizara ny zavatra hitany. Amporisiho ny zatovo hiresaka amina ray aman-dreny na mpitarika azo itokisana na hitsidika ny mentalhealth.ChurchofJesusChrist.org raha mahatsapa ho mila fanampiana izy ireo.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Fantatry ny Mpamonjy manokana ireo izay nampianariny—ary fantany hoe afaka ny ho tonga iza izy ireo. Nanohy nitia azy ireo Izy tamin’ny fotoana niadian’izy ireo mafy. Ahoana no ahafahanao maneho fa tia sy manohana ireo izay ampianarinao ianao?

Hamoaka printy