Testamenta Taloha 2022
28 aogositra. Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy ahy mandritra ny fitsapana lalovako? Salamo 102–103; 110; 116–119; 127–128; 135–139; 146–150


“28 aogositra. Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy ahy mandritra ny fitsapana lalovako? Salamo 102–103; 110; 116–119; 127–128; 135–139; 146–150,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“28 aogositra. Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy ahy mandritra ny fitsapana lalovako?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
zatovovavy mitsiky

28 aogositra

Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy ahy mandritra ny fitsapana lalovako?

Salamo 102–103; 110; 116–119; 127–128; 135–139; 146–150

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona avy no zavatra niainana vao haingana nampanakaiky antsika kokoa tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Nisy olona nifindra nankao amin’ny paroasintsika ve na niditra ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana tato ho ato? Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo hahatsapa ho voaray tsara?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona avy no fiaraha-mientana hatao atsy ho atsy ka azontsika anasana ireo namantsika hanatrika?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no ezaka azontsika atao mba hiraketana ireo tantarantsika manokana?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Ny fanamby atrehintsika dia mety hahatonga antsika hahatsiaro ho reraka, kivy, resy ary irery. Ireo mpanoratra ny Salamo dia nahatakatra ireo fahatsapana ireo ary naneho izany tamin’ny fomba mahery vaika: “Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; … Tsy mahita tory aho sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano” (Salamo 102:4, 7). Saingy nahery vaika toy izany ihany koa ny nijoroan’izy ireo ho vavolombelona fa hitondra fanamaivanana ny fitodihana amin’ny Mpamonjy: “Misaora an’i Jehovah ry fanahiko; ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra, Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao” (Salamo 103:2–4).

Eritrereto ireo fitahiana izay ho tonga amin’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao rehefa takatr’izy ireo kokoa ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy azy ireo amin’ny fitsapana lalovany. Ahoana no nanampian’ny Mpamonjy anao? Rehefa miomana hampianatra ianao dia mety ho azonao atao ny handinika ny hafatry ny Filoha Henry B. Eyring hoe “Notsapaina, nosedraina ary notefena” (Liahona, nôv. 2020, 96–99) sy ny “Adversité” ao amin’ny Sujets de l’ évangile (topics.ChurchofJesusChrist.org).

Sary
Fihaonamben’ny zatovo

Hanampy sy hampionona antsika amin’ny fitsapana lalovantsika ny Mpamonjy.

Miaraha mianatra

Mety ho azonao hanombohana ny lesona ny fangatahana ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy handinika ny Salamo 102, 103, sy ny 116, ka hitady ny fomba anampian’ny Mpamonjy antsika amin’ny ezaka handresena ireo fitsapana. Azon’izy ireo atao ny miasa tsirairay na anaty vondrona iray mba hanoratra fehezan-teny vitsivitsy momba ny zavatra hitany ary avy eo mizara izay nosoratany. Misafidiana iray na maromaro amin’ireto asa atao manaraka ireto hanampiana azy ireo hahatakatra lalindalina kokoa ity lohahevitra ity.

  • Ny hira anaty fihirana dia afaka manasa ny Fanahy ary mampianatra ny fotopampianarana amin’ny fomba mahery vaika. Hevero ny handinika hira iray momba ny fomba anampian’ny Mpamonjy antsika amin’ny fitsapana lalovantsika, toy ny “Fototra mafy orina” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 12). Inona no ampianarin’ilay hira momba ny fanampiana azon’ny Mpamonjy omena antsika? Avy eo ny zatovo dia afaka mandinika ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ny“Loharanom-pitaovana enti-manohana.” Mety hahazo tombony avy amin’ny firaketana an-tsoratra ny andian-teny iray avy ao amin’ilay hira na ny iray amin’ireo soratra masina izay mampahatsiahy azy ireo hikatsaka ny Mpamonjy amin’ny zava-tsarotra atrehan’ izy ireo.

  • Ny hafatry ny Filoha Henry B. Eyring hoe “Notsapaina, nosedraina ary notefena” dia afaka manampy ireo izay ampianarinao hahatakatra tsara kokoa ny fanontaniana toy ireto: Inona no tanjona vitsivitsy hisian’ireo fitsapana lalovantsika eto an-tany? Ahoana ny hanampian’ny Mpamonjy antsika amin’ireo olana atrehintsika? Inona no azontsika atao mba hisintonana ny fanampian’ny Mpamonjy sy ny heriny? Hevero ny hanoratra ireo fanontaniana ireo eny amin’ny solaitrabe. Ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy dia afaka mitady valiny ao amin’ny hafatry ny Filoha Eyring. Ohatra, inona no ianarantsika avy amin’ireo tantara momba ny renin’ny Filoha Eyring any am-piandohana sy any amin’ny fiafaran’ny hafatra? Mety ho azonao atao ny mangataka ny olona tsirairay hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra ny zavatra nianarany amin’ny fitsapana lalovany manokana. Mety ho vonona hizara ny eritreriny ny zatovo sasany.

  • Ny Rahavavy Lisa L. Harkness dia nitantara ny tantaran’ny Mpamonjy nampitony ny tafio-drivotra mba hampianarana fa afaka mampitony ny tafio-drivotra eo amin’ny fiainantsika Izy (jereo ny Marka 4:35–41; “Mangina, mitsahara,” Liahona, nôv. 2020, 80–82). Azonao atao ny manasa mpikambana iray ao amin’ny kilasy na ny kôlejy mba hivonona hizara ao an-dakilasy ny zavatra nianarany momba ny Mpamonjy avy amin’ilay tantara ao amin’ny soratra masina. Afaka mampiseho sary iray ihany koa io olona io (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 40). Azon’ny zatovo atao avy eo ny mandinika ny zavatra nampianarin’ny Rahavavy Harkness momba ny maha “ao anatin’ny sambontsika” ny Mpamonjy rehefa miatrika fanamby isika. Azonao atao ny manasa ny isam-batan’olona hizara ny fomba nanampian’ny Mpamonjy azy ireo tamin’ny fitsapana nahazo azy ireo, ao anatin’izany ny fomba nanampiany azy ireo tamin’ny alalan’olon-kafa. Amporisiho ny zatovo hizara ny zavatra niainan’izy ireo amin’ny olona iray fantany izay mila ny fiadanan’ny Mpamonjy.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

“Ny fametrahana fanontaniana izay mamporisika ny mpianatra mba hijoro ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika ampianarina dia afaka ny ho fomba mahery vaika iray hanasana ny Fanahy. … Ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo—sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny olona hafa ao amin’ny kilasy—dia hitombo rehefa mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana ny Fanahy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 32).

Hamoaka printy