Testamenta Taloha 2022
11 septambra. Ahoana no ahafahako hadio sy ho faly indray rehefa avy nanota aho? Isaia 1–12


“11 septambra. Ahoana no ahafahako hadio sy ho faly indray rehefa avy nanota aho? Isaia 1–12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“11 septambra. Ahoana no ahafahako hadio sy ho faly indray rehefa avy nanota aho?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
zatovolahy mitsikitsiky

11 septambra

Ahoana no ahafahako hadio sy ho faly indray rehefa avy nanota aho?

Isaia 1–12

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Ahoana no ahafahan’ny fitodihana amin’ny Tompo manampy antsika hiatrika ireo olana sy fitsapana?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza no fantatsika fa mila ny vavaka ataontsika sy ny finamanantsika?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona no drafitra hizarana ny filazantsara noresahina nandritra ny fivorian’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy? Ahoana no ahafahan’ny kilasy na ny kôlejy misy antsika mandray anjara?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Afaka manamafy orina ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa amin’ny fomba ahoana ny fanaovana asa momba ny tantaram-pianakaviana?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Rehefa mahatsiaro ho meloka isika rehefa avy nanota dia manana safidy. Afaka ny ho fitahiana izany fahatsapana izany, na dia maharary aza, raha manosika antsika hibebaka. Saingy i Satana dia milaza amintsika fa izany fahatsapana izany dia midika hoe tsy tia antsika Andriamanitra ary miezaka manao izay hahatonga antsika ho kivy sy tsy hanana fanantenana. Mety misy olona ampianarinao izay vesarana fahatsapana toy izany. Mety hanontany tena izy ireo raha afaka ny hadio sy ho faly indray. Ahoana no mety hanampianao azy ireo hahita fanantenana ao amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?

Niteny mafy tamim-pahasahiana ny olona noho ny fahotan’izy ireo i Isaia mpaminany. Saingy nijoro ho vavolombelona ihany koa izy fa noho ny Mpamonjy dia “na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala” (Isaia 1:18). Saintsaino izany rehefa mamaky ny Isaia 1–12 ianao amin’ity herinandro ity. Inona no mety hanentana ny fanahin’ireo izay ampianarinao hitodika amin’i Jesoa Kristy amin’ny finoana fa azo esorina ny enta-mavesatry ny fahotany? Mety ho azonao halalinina ihany koa ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy nataon’ny Rahavavy Sharon Eubank ao amin’ny hafatra nentiny “I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina” (Liahona, mey 2019, 73–76).

Sary
kilasin’ny zatovovavy

Noho i Jesoa Kristy dia azo esorina ny enta-mavesatry ny otantsika.

Miaraha mianatra

Mba hanomanana fifanakalozan-kevitra miorina amin’ny Isaia 1–12, dia azonao angatahina tsirairay ny zatovo hitondra zavatra menamena sy zavatra fotsifotsy ao amin’ny fivoriana. Azonao aseho ireny zavatra ireny rehefa miara-mamaky ny Isaia 1:16–18. Avy eo dia afaka mizara amin’ny teniny manokana ny zavatra ianarany avy amin’ireo andininy ireo ny zatovo. (Jereo ny resaka nataon’ny Rahavavy Sharon Eubank momba ny andininy 18 ao amin’ny “I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina.”) Ireto misy asa atao vitsivitsy hafa izay afaka manentana ny finoana ny herin’ny Mpamonjy hanadio antsika ara-panahy.

  • Ny fandinihana ireo ohatra momba ny fibebahana ao amin’ny soratra masina dia afaka manampy ireo izay ampianarinao hanorina ny finoany fa afaka manadio azy ireo ara-panahy i Jesoa Kristy. Mety ho azonao atao ny manoratra anarana toy ny Saoly (Paoly taty aoriana), Almà zanany, Zezrôma, ary ireo Antia-Nefia-Lehia eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao koa ny manoratra vondrona toko sy andianin-tsoratra masina miisa roa: Asan’ny Apostoly 8:3; Môzià 27:8–10; Almà 11:21–23; Almà 17:12–15 (ireo olona ireo tao anatin’ny toetrany feno fahotana) ary ny Asan’ny Apostoly 9:13–20; Almà 36:17–24; Almà 15:5–12; Almà 23:6–12 (Taorian’ny nitodihan’ireo olona ireo tamin’ny Mpamonjy sy ny nibebahan’izy ireo). Azon’ny zatovo atao ny mampifandray ny anarana tsirairay amin’ny soratra masina mamaritra ilay olona. Inona no nataon’ireo olona ireo mba hibebahana? Inona no ampianarin’ireo tantara ireo momba ny fahavononan’ny Mpamonjy hamela heloka? Mahita môdely vitsivitsy azontsika arahina ve isika?

  • Mba hanampiana ireo izay ampianarinao hahatakatra tsara kokoa ny famelana ny fahotana dia azonao atao ny manome fifanahafana na fanoharana mba hohalalinin’ny olona tsirairay. Anisan’izany ilay zanaka adala (jereo ny Lioka 15:11–24); ny Mpamonjy amin’ny maha-Mpiandry antsika Azy (andiam-pehezan-teny 5–8 amin’ny hafatry ny loholona Dale G. Renlund hoe “Ilay Mpiandry Tsarantsika” [Liahona, mey 2017, 29–32]); ary ilay piano simba (ny fanombohan’ny hafatry ny Rahavavy Cristina B. Franco hoe “Ny hery manasitran’i Jesoa Kristy” [Liahona, nôv. 2020, 60–62]). Afaka mamintina ny fifanahafana na ny fanoharana tsirairay ny zatovo ary mifanakalo hevitra momba ny zavatra ampianarin’izany momba ny fitiavana sy ny hery manavotry ny Mpamonjy.

  • Manampy ary mitarika antsika hibebaka ny fahatsapana alahelo satria nanota isika. Tsy manampy ary mety hanakana antsika tsy hibebaka ny fahatsapana ho kivy na tsy misy dikany noho ny fahotantsika. Azon’ny kilasy na ny kôlejy misy anao atao ny miara-mamaky ilay fizarana mitondra ny lohateny hoe “Alahelo araka an’ Andriamanitra” ao amin’ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf “Vitanao izao izany!” (Liahona, nôv. 2013, 55–57). Inona no maha-samy hafa ny alahelo noho ny ota izay mitarika ho amin’ny fibebahana sy ny alahelo izay mitarika ho amin’ny famoizam-po? (jereo ihany koa ny 2 Korintiana 7:9–10; Môrmôna 2:12–14). Raha misy mahatsiaro tena ho resin’ny fahatsapana ho meloka sy ny famoizam-po amin’ny fahotana, dia inona no azontsika lazaina mba hanampiana azy hitodika amin’ny Mpamonjy? Asao hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Mpamonjy sy ny famindrampony ny zatovo.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

  • Dallin H. Oaks, “Voadio amin’ny alalan’ny fibebahana,” Liahona, mey 2019, 91–94

  • Fibebahana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” ao amin’ny toko faha-3 amin’ny Torio ny Filazantsarako (2019), 62–63.

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

“Ny fijoroana ho vavolombelona manokana nataon’ny Mpamonjy dia nanome fahefana ny teniny. … Rehefa mijoro ho vavolombelona momba ny fotopampianarana marina iray ianao dia hanamafy ny fahamarinan’ilay fotopampianarana ao am- pon’ireo izay ampianarinao ny Fanahy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 21).

Hamoaka printy